Avia, hanaraka Ahy
23–29 desambra: “Ary ho tonga eo amin’izao tontolo izao Izy mba hanavotra ny olony.” Krismasy


“23–29 desambra: -Ary ho tonga eo amin’izao tontolo izao Izy mba hanavotra ny olony.- “Krismasy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“23–29 desambra. Krismasy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
I Josefa sy i Maria ary i Jesoa zazakely ao an-tranon’omby

Indro ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra, nataon’i Walter Rane

23–29 desambra: “Ary ho tonga eo amin’izao tontolo izao Izy mba hanavotra ny olony”

Krismasy

Miainga amin’ny bokin’i Nefia ka hatramin’ny bokin’i Môrônia, ny Bokin’i Môrmôna dia voatokana ho amin’ny tanjona masina izay voafintina eo amin’ny pejin-dohatenin’ilay boky: “Mba handresen-dahatra ny [olon-drehetra] fa i Jesoa no Kristy.” Nisy mpaminany iray nahita azy fony Izy tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana, ary ny iray hafa kosa nahita ny asa fanompoany tao anaty fahitana. Nisy mpaminany teo amin’ny manda iray nanambara ireo famantarana ny amin’ny fahaterahany sy ny fahafatesany, ary nisy iray hafa nandohalika teo anatrehan’ny vatany izay efa nitsangana tamin’ny maty ka nikasika ireo olatra teny amin’ny tanany sy ny tongony ary ny lanivoany. Izy rehetra dia nafantatra izao fahamarinana manan-danja izao: “Tsy misy lalana na fomba izay hahafahana mamonjy ny olona raha tsy amin’ny alalan’ny ran’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay ho avy … hanavotra izao tontolo izao” (Helamàna 5:9).

Noho izany mandritra ity vanim-potoan’ny Krismasy ity, raha mankalaza ny hatsarany sy ny fitiavan’ Andriamanitra ny mpino rehetra maneran-tany noho ny nandefasany ny Zanakalahiny, dia saintsaino hoe tamin’ny fomba ahoana no nampatanjahan’ny Bokin’i Môrmôna ny finoanao an’i Jesoa Kristy. Saintsaino, eo am-pieritreretanao momba ny nahaterahany, ny fomba nanovan’ny antony niaviany sy ny fomba niaviany ny fiainanao. Afaka miaina fifaliana marina avy amin’ny Krismasy ianao avy eo, dia ilay fanomezana izay nomen’i Jesoa Kristy anao izany.

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Teraka mba ho lasa ilay Mpamonjy ahy i Jesoa Kristy.

Fomba fanao ny mamaky ny tantaran’ny nahaterahan’ny Mpamonjy ao amin’ny Testamenta Vaovao isaky ny andron’ny noely, saingy afaka mahita faminaniana mampihetsi-po mahakasika io tranga masina io ihany koa ianao ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ohatra hoe, hita ao amin’ny 1 Nefia 11:13–36; Môzià 3:5–10; ary Helamàna 14:1–13 ireo faminaniana momba ny fahaterahana sy ny fanompoan’ny Mpamonjy. Inona no fahatsapana momba an’i Jesoa Kristy tonga tao aminao rehefa namaky ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao ka nandinika izay mety ho dikan’ireo famantarana tamin’ny fahaterahany? Ahoana no hampatanjahan’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ireo mpaminany ireo ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Kristy sy ny iraka nampanaovina Azy?

Ireto misy sosokevitra vitsy hafa mba hanampiana anao hifantoka amin’i Jesoa Kristy rehefa Krismasy:

  • Fantatrao ve fa azonao atao ny mijery hafatra avy amin’ireo fampaherezam-panahy amin’ny Krismasy teo aloha natolotry ny Fiadidiana Voalohany ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile? Jereo ao amin’ny sokajy “Christmas Videos” izy ireny. Hevero ny hizara ireo hafatra sy hira ireo mba hampielezana ny firavoravoan’ny Krismasy.

  • Mety ho tianao sy ny fianakavianao koa ny hihaino hira voafantina ao amin’ny amboaran-kira “Christmas Music ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.

  • Hevero ny hanomana hetsika izay azonao sy ny fianakavianao atao amin’ireo andro mialoha ny Krismasy mba hahatsapana ny Fanahin’i Kristy; toy ny manompo ny hafa na ny miara-mihira hira ao amin’ny fihirana fanao amin’ny Krismasy. Jereo ny LighttheWorld.org mba hahitana hevitra.

Jereo koa ny Matio 1:18–25; 2; Lioka 2; 3 Nefia 1:4–22; “Au loin dans l’étable,” Cantiques, no. 126.

I Jesoa Kristy no Mpanavotra izao tontolo izao.

Ny antony fototra hankalazantsika ny fahaterahan’i Jesoa Kristy dia noho ny sorona fanavotana nataony. Noho izany sorona izany dia afaka mamonjy antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana Izy, mampionona antsika ao anaty fahoriana, ary manampy antsika mba “hatao tanteraka ao Aminy” (Môrônia 10:32). Inona no nianaranao avy tamin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ity taona ity momba ny hery ananan’ny Mpamonjy mba hanavotana anao? Misy tantara na fampianarana nanaitra anao ve? Saintsaino hoe inona no ampianarin’ireto andininy manaraka ireto anao momba ny iraka fanavotana nataon’ny Mpamonjy: 2 Nefia 2:6; Almà 7:7–13; 11:40; ary ny Helamàna 5:9; 14:16–17. Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba hanehoana Aminy ny fankasitrahanao?

Sary
sary famantarana ny seminera
Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna.

Ilay lohateny hoe “Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy” dia mihoatra ny hoe lohateny fotsiny ho an’ny Bokin’i Môrmôna. Izany dia fanambarana ny amin’ny tanjona masina ananany. Saintsaino ny zavatra ianaranao avy amin’ireto soratra masina ireto mikasika ny anjara asa sahanin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy: 1 Nefia 6:4; 19:18; sy 2 Nefia 25:23, 26; 33:4, 10.

Azonao atao ny mirakitra an-tsoratra ao amin’ny diarinao ny fomba nampanatonan’ny Bokin’i Môrmôna anao tamin’i Kristy. Mety hanampy ireto fiantomboham-pehezan-teny manaraka ireto:

  • “Toy izao ny zavatra nianarako na tsapako momba ny Mpamonjy tamin’ity taona ity …”

  • “Ny fianarana momba ny Mpamonjy tao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nanova ny fomba …”

  • “Ny olona [na tantara] tiako indrindra tao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nampianatra ahy fa ny Mpamonjy …”

Mety hisy olona ho voatahy raha mahafantatra ny zavatra tsapanao momba ny Bokin’i Môrmôna. Ahoana no ahafahanao mizara ny zavatra niainanao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao? Mety hahatsapa ho taomim-panahy ianao hanome Bokin’i Môrmôna iray mba ho fanomezana Krismasy. Manamora ny fizarana ny application Le Livre de Mormon.

Ny Eveka Gérald Caussé dia nitanisa fahamarinana maro avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mikasika an’i Jesoa Kristy (jereo ny “Vavolombelona velona an’ilay Kristy velona,” Liahona, mey 2020, 39–40). Azonao atao ny mijery ny lisitra nataony ary misaintsaina ny fomba nanovan’ny tsirairay avy tamin’ireo fahamarinana ireo, na mety hanovan’izany ny fiainanao.

Jereo koa ny Sujets de l’Évangile, “Livre de Mormon,” Médiathèque de l’Évangile.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Satria alahady fahadimin’ny volana ny alahady ho avy izao dia amporisihana ireo mpampianatra ao amin’ny Kilonga mba ampiasa ireo asa enti-mianatra ao amin’ny “Tovana B: Manomana ny ankizy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainany.”

I Jesoa Kristy no fanomezana nomen’ny Ray any An-danitra ho ahy.

  • Mba hanampiana ireo zanakao hifantoka amin’ny fanomezana nomen’ny Ray any An-danitra antsika tamin’ny alalan’ny nandefasany ny Zanakalahiny, dia azonao atao ny manao anaty fonosana ny sarin’i Jesoa Kristy ho toy ny fanomezana Krismasy. Azonao sy ny zanakao atao ny miresaka momba ny fanomezana Krismasy tianareo indrindra izay efa azonareo na nantenainareo ho azo. Afaka manala ny fonon’ilay sarin’i Kristy izy ireo avy eo ary mifanakalo hevitra ny amin’ny maha-fanomezana sarobidy Azy ho antsika. Ny hira iray toy ny “Nalefany ny Zanany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 20–21) dia azo hanatevenana io fifanakalozan-kevitra io. Ampio ireo zanakao hitady andian-teny ao anatin’ilay hira izay mamariparitra ireo fitahiana azontsika noho ny fahaterahan’i Jesoa.

Teraka mba ho lasa ilay Mpamonjy ahy i Jesoa Kristy.

  • Mety ho tian’ireo zanakao ny mizara aminao ny zavatra fantany momba ny fahaterahan’i Jesoa. Ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara dia ahitana sary maromaro izay afaka manampy azy ireo hitantara ilay tantara (jereo ny lah. 28, 29, 3031). Azonao atao koa ny mijery sary maneho ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny sorona fanavotana nataony. Nahoana ny Ray any An-danitra no nandefa an’i Jesoa Kristy?

    Sary
    anjely
  • Mety ho tian’ireo zanakao koa ny hanao manokana ny sarin’ny fahaterahan’i Jesoa sy ny fanompoany. Ohatra hoe azon’izy ireo atao sary ny zavatra resahina ao amin’ny 1 Nefia 11:13–23; Môzià 3:5–10; Helamàna 14:1–13; ary ny 3 Nefia 1:4–22. Avy eo dia azon’izy ireo atao ny mizara aminao ny zavatra ampianarin’ny sary nataon’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy.

  • Mba hanamafisana fa samy mampianatra momba ny fahaterahan’i Jesoa ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia azonareo atao lisitra ireo trangan-javatra tantaraina ao amin’ny Lioka 2:4–14; Matio 2:1–2; ary ny 3 Nefia 1:15, 19–21. Avy eo dia afaka mandinika ireo soratra masina ireo ireo zanakao mba hamaritra hoe inona amin’ireo trangan-javatra ireo no niseho tany Betlehema, na tany Amerika fahiny, na tao amin’izy roa. Nahoana isika no velom-pankasitrahana fa manana ny Bokin’i Môrmôna mba ho vavolombelona faharoa momba ny fahaterahan’i Jesoa?

Tia tantara ny ankizy. Anisan’ny fomba tsara indrindra hanampiana ny ankizy hianatra sy hitadidy fahamarinana ny tantara. Eo am-pizaranao ny tantaran’ny fahaterahan’i Jesoa dia diniho ihany koa ny hizara tantara avy amin’ny fiainanao manokana izay nampatanjaka ny finoanao ny Mpamonjy.

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna.

  • Eo am-pamarananao sy ny zanakao ny fandalinanareo ny Bokin’i Môrmôna amin’ity taona ity dia mety ho fotoana tsara izany hifampizarana ny tantara na ny andinin-tsoratra masina tianareo indrindra avy ao amin’io boky masina io. Ny fijerena ny sasany amin’ireo sary ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy na ny Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia afaka manampy ireo zanakao hahatadidy ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ity taona ity. Ampio izy ireo hahita ny zavatra ampianarin’ireo tantara ireo momba an’i Jesoa Kristy.

  • Azonao atao koa ny manome sarin’i Jesoa an’ireo zanakao, na mamela azy ireo hanao sary manokana. Asao izy ireo hanainga ny sariny isaky ny maheno ny anaran’i Kristy, eo am-pamakianao ny 2 Nefia 25:23, 26. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratana mba hanampiana antsika “[hino] an’i Kristy” (2 Nefia 25:23).

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
Anjely iray mampiseho an’i Nefia an’i Maria virjiny ao anatin’ny fahitana

Nephi’s Vision of the Virgin Mary (Ny fahitana hitan’i Nefia momba an’i Maria virjiny), nataon’i Judith A. Mehr

Hamoaka printy