Avia, hanaraka Ahy 2024
11–17 nôvambra: “[Manatriatra] ity voalin’ny tsy finoana ity.” Etera 1–5


“11–17 nôvambra: -[Manatriatra] ity voalin’ny tsy finoana ity.- Etera 1–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“11–17 nôvambra. Etera 1–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
Ny Jaredita mandeha any an-tany foana

Ny Jaredita mandao an’i Babela, nataon’i Albin Veselka

11–17 nôvambra: “[Manatriatra] ity voalin’ny tsy finoana ity”

Etera 1–5

Raha toa ka marina fa avo kokoa noho ny antsika ny lalan’ Andriamanitra, ary tokony hanoa ny sitrapony foana isika, dia mamporisika antsika koa Izy ny hieritreritra sy hanao zavatra avy amin’ny tenantsika. Lesona iray nianaran’i Jareda sy ny rahalahiny izany. Ohatra, ilay hevitra ny handeha ho any amin’ny tany vaovao izay “finidy ambonin’ny tany rehetra” dia toa niainga avy tao an-tsain’i Jareda, ary dia nanatontosa ilay fangatahana ny Tompo, ka nilaza hoe: “Ary dia toy izany no hataoko aminao noho ity fotoana lava ity izay efa nitalahoanao Tamiko” (jereo ny Etera 1:38–43). Ary rehefa nila fahazavana tao anatin’ireo sambofiara izay hitondra azy ireo ho any amin’ny tany nampanantenana azy ireo ny rahalahan’i Jareda, dia nametraka fanontaniana ny Tompo, izay fanontaniana mazàna apetratsika Aminy: “Inona no tianao hataoko?” (Etera 2:23). Te hahalala ny eritreritsika sy ny hevitsika manokana Izy, ary dia hihaino Izy ary hanome ny fanamafisany na koa torohevitra. Indraindray ny hany zavatra manasaraka antsika amin’ireo fitahiana katsahintsika dia ny “voalin’ny … tsy finoa[ntsika]” manokana, ary raha afaka “[manatriatra ilay] voal[y]” isika (Etera 4:15) dia mety ho tsy ampoizintsika ny zavatra izay hananan’ny Tompo fahavononana mba hatao ho antsika.

Jereo ihany koa ny “The Lord Appears to the Brother of Jared” (horonan-tsary)), Médiathèque de l’Évangile.

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Etera 1:33–43

Rehefa mitalaho amin’ny Tompo aho dia hanana fangorahana ho ahy Izy.

Ny Etera 1:33–43 dia mitantara momba ireo vavaka anankitelo nataon’ny rahalahin’i Jareda. Inona no ianaranao avy amin’ny valiny nomen’ny Tompo ho an’ny tsirairay amin’ireo vavaka ireo? Mieritrereta fotoana iray izay nahatsapanao ny fangorahan’ny Tompo rehefa nitalaho tamim-bavaka Taminy ianao. Azonao atao ny manoratra io zavatra niainana io ary mizara izany amin’ny olona iray izay mety mila mihaino ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

Jereo ihany koa ny “Instant de paix, moment si doux,” Cantiques, no. 79.

Etera 2; 3:1–6; 4:7–15

Sary
sary famantarana ny seminera
Afaka mandray fanambarana ho an’ny fiainako aho.

Hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Miangavy anareo aho mba hampitombo ny fahafahanareo ara-panahy mandray fanambarana. … Misafidiana ny hanao ireo asa ara-panahy takina mba hahazoana ny fanomezana ny Fanahy Masina sy handrenesana ny feon’ny Fanahy matetika kokoa sy mazava kokoa” (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96).

Rehefa mandalina ny Etera 2; 3:1–6; 4:7–15 ianao dia inona no ianaranao momba ny “asa ara-panahy” izay noresahan’ny Filoha Nelson? Azonao asiana marika amin’ny loko iray ireo fanontaniana na olana nananan’ny rahalahin’i Jareda sy ny zavatra nataony mahakasika izany, ary azonao asiana marika amin’ny loko iray hafa ny fomba nanampian’ny Tompo azy sy nampahalalany ny sitrapony.

Ireto misy fanontaniana vitsivitsy azonao saintsainina eo am-pandalinanao:

  • Inona no manaitra anao momba ny fomba namalian’ny Tompo ireo fanontanian’ny rahalahan’i Jareda Etera 2:18–25?

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny Etera 3:1–5 mba hanampiana ny olona iray izay mianatra ny fomba hivavahana?

  • Inona no mety manakana anao tsy handray fanambarana avy amin’ny Tompo? (jereo ny Etera 4:8–10). Ahoana no ahafahanao mandray fanambarana avy Aminy matetika kokoa? (jereo ny Etera 4:7, 11–15).

  • Inona araka ny hevitrao ny dikan’ny hoe “[manatriatra ny] voalin’[ny] tsy finoana” eo amin’ny fiainanao” (Etera 4:15).

Inona ihany koa no ianaranao avy amin’ny rahalahan’i Jareda momba ny fanambarana ho an’ny tena manokana?

Ny Loholona Dale G. Renlund dia nampianatra mikasika “Ireo fitsipika mifehy ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana” (Liahona, nôv. 2022, 16–19). Hevero ny hanao sarina mahitsizoro fametrahana sary sy hanoratra ireo singa efatra ao amin’ireo fitsipika eo amin’ny lafy tsirairay. Ahoana no ahafahan’ireo fitsipika ireo manampy anao “[h]ampitombo ny fahafahana[o] mandray fanambarana”?

Etera 2:14–15; 3:1–20

Amin’ny alalan’ny famaizany, ny Tompo dia manasa ahy hibebaka sy hanatona Azy.

Na ny mpaminany lehibe tahaka ny rahalahin’i Jareda aza dia nandray famaizana avy tamin’ny Tompo. Inona no ianaranao avy amin’ny Etera 2:14–15 momba ny famaizan’ny Tompo? Diniho ny hoe tamin’ny fomba ahoana ny famaizan’ny Tompo sy ny fomba nasetrin’ny rahalahin’i Jareda izany no nanomana azy ho amin’ireo zavatra niainany ao amin’ny Etera 3:1–20.

Etera 2:16–25

Hanomana ahy hiampita ny “halalin’ny ranomasina” holalovako ny Tompo.

Indraindray dia ny fiampitana ny “halalin’ny ranomasina” no hany fomba hanatanterahan’ny Tompo ny sitrapony ho antsika. Mahita zavatra mitovy amin’izay mitranga eo amin’ny fiainanao ve ianao ao amin’ny Etera 2:16–25? Ahoana no nanomanan’ny Tompo anao tamin’ireo olanao? Inona no angatahiny mba hataonao izao mba hiomanana amin’ny zavatra ilainy hataonao amin’ny ho avy?

Jereo koa ny L. Todd Budge, “Fitokiana tsy tapaka sy tsy mety lefy,” Liahona, nôv. 2019, 47–49.

Ampiharo ny zavatra nianaranao. Ny fandalinana ny filazantsara dia tokony hanentana antsika mba hanova ny fiainantsika. Aorian’ny famakiana ny Etera 4:11–12 dia azonao tanisaina ireo fitaomana sasantsasany eo amin’ny fiainanao ka diniho raha toa izy ireo ka mandresy lahatra anao hanao ny tsara na tsia. Inona no fanovana tsapanao fa tokony hataonao?

Etera 5

Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ireo vavolombelona.

Eo am-pamakianao ny faminanian’i Môrônia ao amin’ny Etera 5 dia saintsaino ny tanjon’ny Tompo tamin’ny fanomanana vavolombelona maro momba ny Bokin’i Môrmôna. Iza no vavolombelona nanentana anao hino fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna? Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny Bokin’i Môrmôna anao ny “herin’ Andriamanitra, ary koa ny teniny”? (Etera 5:4).

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Etera 1:33–37; 2:16–25; 3:1–6

Maheno sy mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

  • Raha toa ianao ka mahay fiteny iray izay tsy hain’ireo zanakao dia omeo fitarihana tsotra vitsivitsy izy ireo ka ampiasao izany fiteny izany (na mandefasa raki-peo na horonan-tsary amin’izany fiteny izany). Azonao ampiasaina izany mba hanazavana ny antony nivavahan’ny rahalahin’i Jareda mba hahazoana fanampiana ao amin’ny Etera 1:33–37. Antitrantero ny zavatra tsapan’ny Tompo momba io vavaka io sy ny fomba namaliany izany (jereo ihany koa ny “Toko 50: Mandao an’i Babela ny vahoaka Jaredita,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 143–44).

  • Asao ireo zanakao mody hanao hoe manangana sambofiara izy ireo, eo am-pamakianareo ny Etera 2:16–17. Rehefa izany dia azonao sy ny zanakao atao ny miara-mamaky ny momba ireo olana nananan’ny Jaredita mahakasika ny sambofiarany (jereo ny Etera 2:19) sy ireo fomba isan-karazany namalian’ny Tompo ny vavaka nataon’ny rahalahin’i Jareda (jereo ny Etera 2:19–25; 3:1–6). Ny sary sy ny pejin’ny sahanasa any amin’ny faran’ity rindran-damina ity dia afaka manampy anao sy ny zanakao hitantara ilay tantara. Inona no ianarantsika avy amin’ny rahalahan’i Jareda momba ny vavaka? Azonao atao ny mizara zavatra niainana izay nangatahanao fanampiana tamin’ny alalan’ny vavaka ary dia nanampy anao ny Ray any An-danitra.

Etera 3:6–16

Nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra aho.

  • Rehefa mihalehibe ireo zanakao dia haheno hafatra diso maro mikasika an’ Andriamanitra sy ny tenan’ izy ireo ary ny vatana ara-nofon’ izy ireo. Azonao atao ny mangataka azy ireo mba hanampy anao hitady fahamarinana momba ireo lohahevitra ireo ao amin’ny Etera 3:6–16. Mba hanasongadinana ny fahamarinana voaresaka ao amin’ny Etera 3:13, 15, dia azonareo jerena miaraka ny sarin’ny Mpamonjy ary asao ireo zanakao hanondro ny faritra samihafa eo amin’ny vatany. Azon’izy ireo atao avy eo ny manondro ireo faritra ireo ihany fa eo amin’ny vatany manokana kosa. Azonareo atao ny miara-mihira hira momba ny vatantsika, toy ny “Ny Tompo dia nanome ahy tempoly” (Bokin-kiran’ny ankizy, 73). Azonao sy ny zanakao atao ny miresaka momba ny antony maha-feno fankasitrahana anareo noho ny vatanareo.

Sary
ankizy mihazakazaka ao an-tsaha

Nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra isika

Etera 5

Vavolombelona telo no nijoro ho vavolombelona mikasika ny Bokin’i Môrmôna.

  • Naminany i Môrônia fa ireo Vavolombelona Telo dia hanampy amin’ny fanorenana ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Mba hampianarana ny dikan’ny hoe vavolombelona dia azonao angatahana ireo zanakao hilazalaza zavatra iray izay hitany na niainany saingy tsy hitan’ny hafa na tsy niainan’ny hafa. Rehefa miara-mamaky ny Etera 5 ianareo avy eo dia azonao resahina ny hoe nahoana Andriamanitra no mampiasa vavolombelona ao amin’ny asany. Ianareo koa dia afaka mifampizaraA ny fomba nahafantaranareo fa marina ny Bokin’i Môrmôna sy ny fomba ahafahanareo mizara ny tenivavolombelonareo amin’ny hafa.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Jesoa mikasika vato miisa 16 eo anatrehan’ny rahalahin’i Jareda

Hitanao va ny mihoatra noho izany?, nataon’i Marcus Alan Vincent

Hamoaka printy