Avia, hanaraka Ahy
4–10 nôvambra: “Miteny aminareo aho miova tsy ny eo ianareo.” Môrmôna 7–9


“4–10 nôvambra: -Miteny aminareo aho miova tsy ny eo ianareo.- Môrmôna 7–9,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“4–10 nôvambra. Môrmôna 7–9,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
I Môrônia manoratra eo amin’ireo takela-bolamena

Moroni Writing on Gold Plates [I Môrônia manoratra eo amin’ireo takela-bolamena], nataon’i Dale Kilborn

4–10 nôvambra: “Miteny aminareo aho miova tsy ny eo ianareo”

Môrmôna 7–9

Fantatr’i Môrônia hoe toy ny ahoana izany irery ao anatina tontolo feno haratsiam-panahy izany, indrindra fa taorian’ny nahafatesan’ny rainy tao anatin’ny ady ary ringana ny Nefita. “Dia izaho irery no tafajanona,” hoy izy nanoratra. “Tsy manana namana aho, na izay aleha” (Môrmôna 8:3, 5). Mety ho toy ny nahakivy ny zavatra nisy, saingy i Môrônia dia nahazo fanantenana tao amin’i Jesoa Kristy sy ny fijoroana ho vavolombelona nananany fa “hizotra hatrany ny fikasana mandrakizain’ny Tompo” (Môrmôna 8:22). Ary fantatr’i Môrônia fa ho ampahany fototra amin’ireo fikasana mandrakizay ireo ny Bokin’i Môrmôna, dia ilay rakitsoratra novitainy tamim-pahazotoana tokoa tamin’izay fotoana izay, ilay rakitsoratra izay hitondra olona maro “ho amin’ny fahalalana an’i Kristy” (Môrônia 8:16; 9:36) indray andro any. Ny finoan’i Môrônia an’ireo fampanantenana ireo no nahatonga azy ho afaka ny hanambara tamin’ireo mpamaky an’ilay boky aty aoriana hoe : “miteny aminareo aho miova tsy ny eo ianareo” sy hoe “fantatro fa hanana ny teniko ianareo” (Môrmôna 8:35; 9:30). Ankehitriny isika dia manana ny teniny, ary ny asan’ny Tompo dia mizotra hatrany, ary isan’ny nahatanteraka izany ny hoe satria nijanona ho mahatoky tamin’ny asa nanirahana azy i Môrmôna sy i Môrônia, na dia tamin’ny fotoana naha-irery azy ireo aza.

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Môrmôna 7

“Mino[a] an’i Jesoa Kristy” ary “hazòny ny filazantsaran[y].”

Rehefa avy namintina ny rakitsoratry ny olony i Môrmôna dia nanome ny hafany farany ao amin’ny Môrmôna 7. Nahoana araka ny hevitrao no nisafidy io hafatra io izy? Midika inona aminao ny hoe “[mihazona] ny filazantsaran’i Kristy”? (Môrmôna 7:8).

Jereo koa ny “Oui, je crois en Christ,” Cantiquesno. 71.

Môrmôna 7:8–10; 8:12–16; 9:31–37

Manan-danja lehibe tokoa ny Bokin’i Môrmôna.

Nanontany ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Raha tolorana diamondra sy vatosoa na ny Bokin’i Môrmôna ianao dia inona no hosafidinao? Lazao ny marina, inona no manan-danja kokoa aminao?” Ny Bokin’i Môrmôna: Hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahona; nôv. 2017, 61).

Inona no hitanao ao amin’ny Môrmôna 7:8–10; 8:12–22; ary ny 9:31–37 izay manampy anao hahatakatra ny antony maha-sarobidy ny Bokin’i Môrmôna amin’izao androntsika izao? Nahoana no sarobidy aminao izany? Mety hahita hevitra fanampiny ianao ao amin’ny 1 Nefia 13:38–41; 2 Nefia 3:11–12; sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:16; 42:12–13.

Sary
tahadikan’ny ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiteny samihafa

Miantefa amintsika ny asasoratr’ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Môrmôna 8:1–11

Afaka mitandrina ny didy aho na dia tsy manao izany aza ny hafa.

Indraindray ianao dia mety hahatsapa tena ho irery amin’ny ezaka ataonao mba hitandrina ny didy. Inona no azonao ianarana avy amin’ny ohatr’i Môrônia ka mety hanampy? (Jereo ny Môrmôna 8:1–11). Raha afaka manontany an’i Môrônia ny fomba nijanonany ho mahatoky ianao, dia inona araka ny hevitrao no mety ho nolazainy?

Jereo koa ny “Tout le monde peut connaître la vérité : promesse de Moroni” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

Môrmôna 8:26–41; 9:1–30

Nosoratana ho an’izao androntsika izao ny Bokin’i Môrmôna.

Nasehon’i Jesoa Kristy an’i Môrônia ny zavatra hitranga rehefa hivoaka ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny Môrmôna 8:34–35), izay nitarika azy hanome fampitandremana feno fahasahiana ho an’izao androntsika izao. Eo am-pamakianao ny Môrmôna 8:26–41 sy ny 9:1–30, dia saintsaino ny mety hiantefan’ny teniny aminao. Ohatra, ao amin’ireo andininy ireo dia mametraka fanontaniana miisa 24 i Môrônia. Inona no porofo hitanao ao amin’ireo fanontaniana ireo fa nahita izao androntsika izao i Môrônia? Ahoana no ahafahan’ny Bokin’i Môrmôna manampy amin’ireo olana izay hitan’i Môrônia mialoha?

Henoy ny Fanahy. Henoy tsara ireo eritreritra sy fahatsapana tonga ao aminao na dia toa tsy misy hidirany amin’ny zavatra vakinao aza izany. Ireo fahatsapana ireo no mety ho ny zavatra tian’ny Rainao any An-danitra hianaranao. Ohatra, inona ny zavatra tsapanao rehefa avy nisaintsaina ireo fanontaniana apetrak’i Môrônia ao amin’ny Môrmôna 9:1–30?

Môrmôna 9:1–25

Sary
sary famantarana ny seminera
Andriamanitry ny fahagagana i Jesoa Kristy.

Nofaranan’i Môrônia tamin’ny hafatra mahery vaika ho an’ny olona amin’izao androntsika izao izay tsy mino ny fisian’ny fahagagana ny asa soratry ny rainy (jereo ny Môrmôna 8:26; 9:1, 10–11). Nahoana ianao no mahatsapa fa ilaina ankehitriny ny mino ny fisian’ireo fahagagana? Diniho ny Môrmôna 9:9–11, 15–27 sy ny Môrônia 7:27–29 ary saintsaino ireo fanontaniana toy ny hoe:

  • Inona no ianarako momba ny Mpamonjy avy amin’ireo andininy ireo?

  • Inona no ianarako momba ny fahagagana tany aloha sy amin’izao fotoana izao?

  • Inona no vokatsoa azo avy amin’ny finoana fa Andriamanitry ny fahagagana i Jesoa Kristy? Inona avy no vokatry ny tsy finoana izany?

  • Inona avy no fahagagana, na lehibe na kely, nataon’ny Mpamonjy teo amin’ny fiainako? Inona no ampianarin’ireo fahagagana ireo ahy momba Azy?

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “I Jesoa Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika dia hanatanteraka ny sasany amin’ireo asany lehibe indrindra eo anelanelan’izao fotoana izao sy ny fotoana hiverenany indray. Hahita famantarana mahagaga isika fa Andriamanitra Ray sy ny Zanany Jesoa Kristy dia mitantana ity tany ity amin’ny fahamboniana sy amim-boninahitra” (“Fanambarana ho an’ny Fiangonana, Fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96). Mety ho inona ny sasany amin’ireo fahagagana ireo araka ny fahatsapanao azy? Inona no azonao atao mba hanampiana ny Mpamonjy hanatontosa izany?

Inona no ianaranao momba ny finoana sy ny fahagagana avy amin’ny zavatra niainan’ireo Olomasina any Samoa, Tonga, Fidji, ary Tahiti tamin’ny fotoana nitsidihan’ny Filoha sy Rahavavy Nelson azy ireo? (jereo Russell M. Nelson, “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Liahona, mey 2021, 101–4).

Jereo ihany koa ny Ronald A. Rasband, “Indro! Andriamanitry ny fahagagana Aho,” Liahona, mey 2021, 109–12.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Môrmôna 7:8–10

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna.

  • Mba hanamafisana ny zavatra mampifandray ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna, tahaka izay nataon’i Môrônia, dia afaka manao kilalao tahaka ity miaraka amin’ireo zanakao ianao: Angataho izy ireo hiteny hoe “Testamenta Taloha, Testamenta Vaovao” rehefa manainga ambony Baiboly iray ianao ary “Testamenta iray hafa” rehefa manainga ambony ny Bokin’i Môrmôna iray ianao. Azonao atao koa ny misafidy trangan-javatra maro izay samy ijoroan’ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna ho vavolombelona, toy ny fahaterahan’i Jesoa, ny fahafatesany, ary ny Fitsanganany tamin’ny maty, ary asao ireo zanakao hitady sary maneho ireo zava-nitranga ireo (ohatra, ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara).

  • Mba hanampiana ireo zanakao hianatra ny fanekem-pinoana fahavalo, dia azonao soratana amin’ny taratasy misaratsaraka ny teny tsirairay. Asao ireo zanakao hiara-hiasa hametraka ireo teny amin’ny filaharany marina sy hamerimberina izany imbetsaka.

Môrmôna 8:1–7

Afaka mitandrina ny didy aho na dia mahatsiaro ho irery aza.

  • Ny ohatra nasehon’i Môrônia dia afaka mitaona ireo zanakao hankatò ny didin’ Andriamanitra na dia rehefa mahatsiaro ho irery aza izy ireo. Rehefa avy mamaky ny Môrmôna 8:1–7 miaraka amin’izy ireo ianao dia afaka mizara ny zavatra izay mety ho tsapany izy ireo raha izy ireo no i Môrônia. Inona no nandidiana an’i Môrônia mba hataony ao amin’ny andininy 1, 3, sy 4, ary ahoana no nankatoavany izany? Ahoana no ahafahantsika hitovy bebe kokoa amin’i Môrônia?

  • Azonao sy ny zanakao atao angamba ny miresaka mikasika ireo toe-javatra iainana izay tsy maintsy hisafidianan’izy ireo ny tsara na ny ratsy kanefa tsy misy mahita. Ahoana no hanampian’ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy ao anatin’ireo toe-javatra iainana ireo? Ny hira iray toy ny “Aoka ho marina hatrany ianao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 81) dia azo hanatevenana io fifanakalozan-kevitra io.

Môrmôna 8:24–26; 9:7–26

“Andriamanitry ny fahagagana” i Jesoa Kristy.

  • Mety ho tianao ny hanazava amin’ireo zanakao fa ny fahagagana dia zavatra ataon’ Andriamanitra mba hampisehoana ny heriny sy hitahiana ny fiainantsika. Avy eo ianao dia afaka mamaky andian-teny avy amin’ny Môrmôna 9:11–13, 17 izay mamariparitra ny sasany amin’ireo fahagagana nataon’ Andriamanitra, ary ireo zanakao dia afaka mieritreritra fahagagana hafa (afaka manampy amin’izany ny sary avy ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, toy ny lah. 26, 40, 41, ary ny 83). Miresaha mikasika ireo fahagagana izay nataon’ Andriamanitra teo amin’ny fiainanao.

  • Mampisehoa torolalana iray fahandroana sakafo, ary miresaha mikasika ny zavatra hitranga raha toa ka nanadino fangaro tena nilaina ianao. Iaraho vakina ny Môrmôna 8:24 sy ny 9:20–21 mba hahitana ny “fangaro” izay afaka mitarika ho amin’ny fahagagana avy amin’ Andriamanitra.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
Nanatri-maso ny faharavan’ireo Nefita i Môrônia

Moroni Overlooking the Destruction of the Nephites (I Môrônia manatri-maso ny faharavan’ireo Nefita), nataon’i Joseph Brickey

Hamoaka printy