Avia, hanaraka Ahy 2024
5–11 aogositra: “Ny drafitra lehiben’ny fahasambarana.” Almà 39–42


“5–11 aogositra: -Ny drafitra lehiben’ny fahasambarana.- Almà 39–42,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’ i Môrmôna 2024 (2023)

“5–11 aogositra. Almà 39–42,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
I Jesoa mivoaka ny fasana

He Is Risen [Nitsangana tamin’ny maty Izy], nataon’i Del Parson

5–11 aogositra: “Ny drafitra lehiben’ny fahasambarana”

Almà 39–42

Rehefa nanao fahadisoana ny olona iray tiantsika, dia mety ho sarotra ny mahafantatra hoe inona no tokony hasetrintsika izany. Isan’ny mahatonga ny Almà 39–42 ho sarobidy tokoa ny hoe, izy io dia manambara ny fomba nentin’i Almà, mpianatr’i Kristy izay nisy fotoana nanana fahotana goavana tsy maintsy nibebahany, niatrika toe-javatra toy izany. Nanao fahotana avy amin’ny fahalotoam-pitondrantena i Kôriantôna zanakalahin’i Almà, ary i Almà, araka ny nianarany nandritra ny fanompoany, dia natoky ny herin’ny fotopampianarana marina mba hitarika ny zanany amin’ny fomba fijery mandrakizay sy hamporisika azy hibebaka (jereo ny Almà 4:19; 31:5). Hitantsika ao amin’ireo toko ireo ny fahasahian’i Almà amin’ny fanamelohana ny fahotana ary ny halemem-panahy nasehon’i Kôriantôna sy ny fitiavany azy. Ary amin’ny farany dia tsapantsika ny fahatokian’i Almà fa ny Mpamonjy dia “ho avy … hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao [ary] hilaza vaovao mahafaly momba ny famonjena” (Almà 39:15). Ny fibebahan’i Kôriantôna sy ny fiverenany hanao ny asa fanompoana taty aoriana (jereo ny Almà 49:30) dia afaka manome antsika fanantenana ny hahazo famelan-keloka sy fanavotana rehefa sahiran-tsaina amin’ny fahotantsika na ny an’ireo olona izay tiantsika isika (jereo ny Almà 42:29).

Jereo ihany koa ny “Alma donne des conseils à ses fils” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Almà 39

Sary
seminary icon
Afaka misoroka ny fahotana avy amin’ny fahalotoam-pitondrantena aho.

Ny torohevitr’i Almà ho an’i Kôriantôna zanany ao amin’ny Almà 39 dia manome fahafahana tena tsara hianarana momba ireo voka-dratsy mandravan’ny fahotana avy amin’ny fahalotoam-pitondrantena, ka tafiditra ao anatin’izany ny pôrnôgrafia. Fa manan-danja kokoa noho izany angamba, ny fahafahan’izany manampy anao koa mba hahatakatra ny fanoloran’ny Mpamonjy famelan-keloka sy fanasitranana ho an’ireo olona izay mibebaka. Ireto fanontaniana sy sahanasa ireto dia afaka manampy:

  • Inona no fahadisoana nitarika an’i Kôriantôna handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena? (jereo ny Almà 39:2–4, 8–9). Inona no vokatry ny zavatra nataony? (jereo ny andininy 5–13). Inona no porofo mampiseho antsika fa nibebaka i Kôriantôna? (jereo ny Almà 42:31; 49:30; 48:18). Inona ny zavatra ianaranao momba ny Mpamonjy avy amin’io zavatra niainana io?

  • Vakio ny pejy 19–20 ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy. Manorata avy eo fanazavana avy aminao manokana mikasika ny dikan’ny pôrnôgrafia, ny antony maha-mampidi-doza izany, ary ny zavatra hataonao rehefa sendra izany ianao. (Jereo koa ny Matio 5:27–28 sy Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:16.)

  • Ahoana no hanazavanao amin’ny namana iray ny antony isafidiananao ny fisorohana ny pôrnôgrafia ary ny antony iainanao ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena? Inona no hevi-baobao azonao zaraina avy amin’ny “Masina ny vatanao” ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (pejy 22–29)?

Jereo ihany koa ny Bradley R. Wilcox, “Ny fahamendrehana dia tsy midika hoe tsy fisiana kilema,” Liahona, nôv. 2021, 61–67; “Pornographie” ao amin’ny fizarana “Faire face aux défis de la vie” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.

Almà 40–41

Inona no hitranga aorian’ny fahafatesako?

Nanana fanontaniana momba izay zavatra hitranga aorian’ny fahafatesana i Kôriantôna. Ny ahiahiny dia nitarika an’i Almà hampianatra ireo fitsipika hita ao amin’ny Almà 40–41. Rehefa mandalina ianao dia ataovy lisitra ireo fahamarinana hitanao momba ireo zavatra toy ny tontolon’ny fanahy, ny fitsanganana amin’ny maty, ary ny fitsarana. Hevero ny hamaky ireo toko ireo miaraka amin’ny fomba fijerin’ny olona iray, tahaka an’i Kôriantôna, izay mila mibebaka. Sady marina rahateo izany ho antsika rehetra.

Almà 40

Afaka mikatsaka ny valin’ireo fanontaniako miaraka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy aho.

Indraindray isika dia mety mieritreritra fa mahafantatra ny valin’ny fanontaniana rehetra momba ny filazantsara ireo mpaminany. Saingy jereo fa misy fanontanian’i Almà tsy voavaly ao amin’ny toko 40. Inona no nataony mba hahazoana valim-panontaniana? Inona no nataony rehefa tsy nahazo valiny izy? Amin’ny fomba ahoana no anampian’ny ohatr’i Almà anao?

Sary
vehivavy iray mivavaka

Ny vavaka dia fomba iray ahafahantsika mahazo ny valin’ireo fanontaniana momba ny filazantsara.

Almà 42

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no ahafahana mahazo ny fanavotana.

I Kôriantôna dia nino fa tsy rariny ny famaizana noho ny ota (jereo ny Almà 42:1). Ao amin’ny Almà 42, tamin’ny fomba ahoana no namalian’i Almà ny ahiahiny? Azonao atao ny mandrindra ireo andinin-tsoratra masina ao amin’io toko io ho ao anatina vondrona roa: “Marina Andriamanitra” ary “Be famindram-po Andriamanitra.” Amin’ny fomba ahoana no sady ampiharan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ny fahamarinana no ampiharany ny famindrampo?

Jereo ihany koa ny: “Endrey fahendrena, fitia,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 37.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Almà 39:1, 10–11

Afaka mitarika ny hafa hanatona an’i Kristy ny ohatra tsara asehoko.

  • Ny torohevitr’i Almà ho an’i Kôriantôna dia afaka manampy ireo zanakao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanehoana ohatra tsara. Hevero ny hiaraka hamaky ny Almà 39:1. Tamin’ny fomba ahoana no naha-ohatra tsara an’i Siblôna rahalahin’i Kôriantôna? Afaka mahita valiny fanampiny ho an’io fanontaniana io ao amin’ny Almà 38:2–4 ireo zanakao.

  • Azonareo atao ihany koa ny manao kilalao izay hifandimbiasanao sy ny zanakao manaraka na maka tahaka ny fihetsika hataonareo tsirairay. Ampiasao io kilalao io hampisehoana fa ny zavatra ataontsika dia afaka manampy ny hafa hanao safidy tsara. Miaraha mihira ny “Vois l’étoile au ciel” (Chants pour les enfants, 84), ary ampio ireo zanakao hieritreritra ireo fomba hahafahany ho tonga ohatra tsara.

  • Amin’ny alalan’ny fitondrana fanilo elektrika iray na sarina masoandro iray dia afaka mampitaha ny hazavana amin’ny herin’ny ohatra tsara ianao. Azonao sy ny zanakao atao koa ny mijery sarin’i Jesoa manao zavatra tsara ary miresadresaka momba ny ohatra napetrany ho antsika.

Almà 39:9–13

Noho i Jesoa Kristy dia afaka mibebaka aho rehefa manao hadisoana.

  • Hazavao fa nanao safidy tsy nety i Kôriantôna, fa aza miditra amin’ny antsipirian’ny fahotana vitany anefa. Inona no azontsika lazaina mba hanampiana azy? Hevero ny hamaky ny Almà 39:9 amin’ireo zanakao, ary ampio izy ireo hahatakatra ny dikan’ny hoe hibebahana sy hamoizana. Mijoroa ho vavolombelona fa ny fibebahana dia azo atao noho i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

  • Inty dia lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana izay maneho ny fifaliana avy amin’ny fibebahana: omeo zavatra mavesatra iray ny ankizy ho tazoniny eo am-pitantaranao ny momba ny olona iray izay nanao zavatra tsy mety ka nahatsapa ho diso. Lazao ireo zanakao fa ilay zavatra mavesatra dia toy ireo fahatsapana ratsy mety hisy ao amintsika rehefa manao fahadisoana isika. Esory eny amin’ilay ankizy ilay zavatra mavesatra eo am-pijoroanao ho vavolombelona fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia afaka manaisotra ireo fahatsapana mavesatra sy ratsy, ary afaka manampy antsika ho lasa tsaratsara kokoa rehefa mibebaka isika.

Almà 40:6–7, 11–14, 21–23

Aorian’ny fahafatesana dia mankao amin’ny tontolon’ny fanahy ny fanahintsika mandra-pahatongan’ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny Fitsarana.

  • Tsy hafahafa mihitsy ny manontany tena hoe inona no hitranga amintsika aorian’ny fahafatesantsika. Inona no azonao atao mba hanampiana ireo zanakao hahita valiny izay azo avy amin’ny fanentanam-panahy? Azonao atao ny manoratra ny hoe fahafatesana, tontolon’ny fanahy (paradisa sy fonja ara-panahy), fitsanganana amin’ny maty, ary fitsarana eo amina taratasy misaratsaraka. Ampio ireo zanakao hahatakatra ny dikan’ireo teny ireo. Eo am-pamakianareo miaraka ny Almà 40:6–7, 11–14, 21–23, dia azon’ireo zanakao atao ny mametraka ireo teny araka ny filaharana isehoan’izy ireo ao amin’ireo andininy ireo.

  • Ny ankizy lehibe dia afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny fitadiavana ny valin’ireo fanontaniana amin’ny alalan’ny fikarohana ao amin’ny Almà 40:6–7, 11–14, 21–23. Hevero ny hametraka fanontaniana amin’ireo zanakao izay azo valina ao amin’ireo andininy ireo, toy ny hoe “Ho toy ny ahoana ny vatako rehefa mitsangana amin’ny maty aho?” Asao izy ireo hikaroka valiny ao amin’ireo andininy mifanaraka amin’izany.

    Sary
    I Maria sy i Jesoa

    Mary and the Resurrected Lord (I Maria sy ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty), nataon’i Harry Anderson

  • Moa ve ireo zanakao mahafantatra olona efa maty? Azonao atao angamba ny miresaka fohifohy momba io olona io. Mijoroa ho vavolombelona fa indray andro any io olona io sy ny olona rehetra hafa dia hitsangana amin’ny maty noho i Jesoa Kristy. Raha ilaina dia ampiasao ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity mba hanazavana ny dikan’ny hoe mitsangana amin’ny maty.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Almà sy i Kôriantôna

This My Son [Indro ny zanako], nataon’i Elspeth Caitlin Young

Hamoaka printy