Avia, hanaraka Ahy
8–14 jolay: “-Tsy nihemotra na oviana na oviana- izy ireo.” Almà 23–29


“8–14 jolay: -“Tsy nihemotra na oviana na oviana” izy ireo.- Almà 23–29,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“8–14 jolay. Almà 23–29,” Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
Ireo Antia-Nefia-Lehia mandevina ny fitaovam-piadiany

Anti-Nephi-Lehies Bury Their Weapons of War [Mandevina ny fitaovam-piadiany ny Antia-Nefia-Lehia], nataon’i Jody Livingston

8–14 jolay: “Tsy nihemotra na oviana na oviana” izy ireo

Almà 23–29

Moa ve ianao manontany tena indraindray raha tena afaka miova marina ny olona? Mety manahy angamba ianao raha toa ka afaka ny handresy na tsia ireo safidy ratsy efa nataonao na ireo fomba ratsy fanaonao, na mety miahiahy ny amin’ireo olona akaikin’ny fonao ianao mahakasika izany. Raha izay no izy, dia afaka manampy anao ny tantaran’ny Antia-Nefia-Lehia. Fahavalo tena nankahala ny Nefita ireo vahoaka ireo. Rehefa nanapa-kevitra ny hitory ny filazantsara tamin’izy ireo ny zanakalahin’i Môzià dia “nihomehy naneso [azy ireo]” ny Nefita. Toy ny hoe vahaolana azo heverina kokoa ny famonoana ny Lamanita raha oharina amin’ny fampiovana fo azy ireo. (Jereo ny Almà 26:23–25.)

Saingy tena niova ny Lamanita tamin’ny alalan’ny hery manova fo avy amin’i Jesoa Kristy. Tany aloha tany izy ireo dia fantatra tamin’ny hoe “vahoaka … mafy fo sy lozabe” (Almà 17:14), kanefa dia lasa “niavaka … noho ny zotom-pony tamin’ Andriamanitra” (Almà 27:27) izy ireo. Raha ny marina dia “tsy nihemotra na oviana na oviana” izy ireo (Almà 23:6).

Mety misy fomba fisainana na zavatra fanao tokony hovainao na “fiadian’ny fikomia[na]” tokony hapetrakao (Almà 23:7). Na mety mila manana zotom-po misimisy kokoa amin’ Andriamanitra fotsiny ianao. Na inona na inona fiovana ilainao atao, ny Almà 23–29 dia afaka manome fanantenana anao fa azo heverina tsara ny hisian’ny fiovana maharitra amin’ny alalan’ny hery manavotr’i Jesoa Kristy.

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Almà 23–25; 27

Hanova ny fiainako ny fiovam-poko ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Toa tsy azo noheverina fa hiova fo ireo Lamanita, kanefa maro tamin’izy ireo no niaina fiovana mahagaga noho i Jesoa Kristy. Ireo Lamanita niova fo ireo dia niantso ny tenany hoe Antia-Nefia-Lehia.

Ny famakiana ny Almà 23–25; 27 dia mety hanosika anao hisaintsaina ny fiovam-ponao manokana. Jereo ny fomba niovan’ny Antia-Nefia-Lehia, ny fomba niovan’izy ireo fo “ho an’ny Tompo” (Almà 23:6). Afaka manampy anao hanomboka izany ireto andininy manaraka ireto:

Tamin’ny fomba ahoana no nanovan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany anao? Oviana ianao no nahatsapa ho akaiky Azy? Ahoana no ahafantaranao fa lasa miova fo ho an’i Jesoa Kristy ianao? Inona no asain’ny Fanahy ataonao manaraka?

Jereo koa ny David A. Bednar, “Miova fo ho an’ny Tompo,Liahona, nôv. 2012, 106–9; Dale G. Renlund, “Fanoloran-tena tsy voahozongozona amin’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2019, 22–25.

Almà 24:7–19 26:17–22

Satria mpamindra fo Andriamanitra dia mamela heloka ahy Izy rehefa mibebaka aho.

Ny fiovana niainan’ireo Antia-Nefia-Lehia dia mihoatra lavitra ny fiovana teo amin’ny fitondrantena fotsiny. Fiovam-po nateraky ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana marina izany. Azonao atao tsara ny mitady fahamarinana iray momba ny fibebahana isaky ny andininy ao amin’ny Almà 24:7–19. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny famindrampon’ Andriamanitra amin’ireo izay mibebaka? Inona no fahamarinana fanampiny ianaranao avy amin’ny Almà 26:17–22?

Saintsaino ny fomba nanehoan’ Andriamanitra ny famindrampony teo amin’ny fiainanao. Ahoana no ahafahanao maneho ny fankasitrahanao Azy?

Almà 26; 29

Mitondra fifaliana lehibe ho ahy ny fizarana ny filazantsara.

Ny teny hoe fifaliana dia mipoitra in-24 ao amin’ny Almà 23–29, ka mahatonga ireo toko ireo ho toerana tsara ianarana ny fomba ahazoana fifaliana amin’ny fiainana sy ny fizarana ny filazantsaran’ny Mpamonjy. Hevero ny handalina ny Almà 26:12–22, 35–37; sy ny 29:1–17 mba hitadiavana ny antony nifalian’i Amôna sy ireo zanakalahin’i Môzia ary i Almà. Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo ka mety hitondra ho amin’ny fifaliana bebe kokoa eo amin’ny fiainanao?

Nampianatra ny Loholona Marcus B. Nash hoe: “Ny fizarana ny filazantsara dia mampitsiry fifaliana sy fanantenana ao amin’ny fanahin’ilay mpanome sy ilay mpandray. … Fifaliana miampy fifaliana, fanantenana miampy fanantenana ny fizarana ny filazantsara” (“Aingao ambony ny fahazavanao,” Liahona, nôv. 2021, 71). Inona no traikefa azonao tamin’ny fizarana ny filazantsara tamin’ny hafa? Inona avy ireo olana atrehanao rehefa mikatsaka ny hizara ny filazantsara ianao? Ahoana no ahafahan’ ny Ray any An-danitra manampy anao handresy ireo olana ireo?

Mba hahazoana torolalana avy amin’ny mpaminany mikasika ny fomba hizarana ny filazantsara, sy hahazoana fifaliana amin’ny fanaovana izany, dia hevero ny handalina ny hafatry ny Filoha Dallin H. Oak hoe “Mizara ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny,” (Liahona, nôv. 2016, 57–60). Inona no sosokevitra hitanao ao amin’io hafany io?

Hevero ny hanao lisitra an’ireo zavatra izay hozarainao amin’ny namana iray mikasika ny Bokin’i Môrmôna. Andramo ny hizara ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’ny fampiasana ny application Livre de Mormon.

Tadiavo ireo lamina sy ventin-kevitra. Rehefa mandalina ny soratra masina isika dia afaka mahita fahamarinana sarobidy amin’ny alalan’ny fitadiavana ireo teny, na andian-teny, na hevitra miverimberina. Ireo hevitra miverimberina ireo dia azo ampifandraisina amin’ny soratra masina hafa na atao mifandrohy ao amin’ny soratra masinao mba hanamoràna ny fijerena izany.

Almà 26:5–7

Afaka mahazo fialofana ao amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany aho.

Amin’ny fotoam-pijinjana, dia matetika ireo voa no angonina ho lasa fehezana antsoina hoe amboara ary apetraka ao amin’ny trano fitehirizana, izay antsoina indraindray hoe sompitra. Saintsaino ao amin’ny Almà 26:5–7 hoe mety haneho inona eo amin’ny fiainanao ny amboara, ny sompitra, ary ny tafiotra. Ahoana no ahazoanao fialofana ao amin’i Jesoa Kristy?

Jereo koa ny Russell M. Nelson, “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao,” Liahona, nôv. 2021, 93–96; David A. Bednar, “Hitondra anarana iray amim-pahamendrehana ary mitoetra,” Liahona, mey 2009, 97–100; “Jésus-Christ, Sauveur du monde,” Cantiques, no. 102.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Almà 24:6–24

Mitahy ahy ny Tompo rehefa miezaka mihazona ny fampanantenana nataoko Taminy aho.

  • Angamba mety ho tena tian’ireo zanakao ny handevina ny “fitaovam-piadiany” tahaka ny nataon’ireo Antia-Nefia-Lehia. Afaka mamaky andininy vitsivitsy ao amin’ny Almà 24:6–24 ianao mba hampianarana ny ankizy mikasika ny fampanantenana nataon’ireo Antia-Nefia-Lehia mba hanarahana ny Mpamonjy. Azon’izy ireo atao avy eo ny mieritreritra zavatra izay hovan’izy ireo mba hanarahana Azy sy hanoratra izany ao amin’ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity, ary mody hihady lavaka ka handevina ny fitaovam-piadiany.

  • Azon’ireo zanakao atao ny mamaky ny Almà 24:15–19, ka mitady ny zavatra nataon’ireo Antia-Nefia-Lehia mba ho “vavolombelona amin’ Andriamanitra.” Avy eo ianao dia afaka miresaka amin’izy ireo momba ny fomba ahafahan’ny fanekempihavanana ataontsika ho lasa “vavolombelona amin’ Andriamanitra” (andininy 18). Avelao ireo zanakao hiresaka mikasika ny fomba hanehoan’izy ireo amin’ Andriamanitra fa te hanaraka Azy izy ireo. Mety hanome fitaomam-panahy azy ireo ny fihirana hira toy ny “Te-hiaina ny filazantsara aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 72).

Almà 24:7–10; 26:23–34; 27:27–30

Afaka mibebaka aho.

  • Mba hanampiana ireo zanakao hahatakatra ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manampy antsika hiova rehefa mibebaka isika, dia afaka mampianatra azy ireo momba ny Antia-Nefia-Lehia ianao. Mba hanaovana izany dia azonao asiana anarana hoe “teo aloha” sy “taty aoriana” ny vilia baolina roa. Avy eo dia azon’ireo zanakao atao ny mamaky ny Almà 17:14–15 sy ny 27:27–30, sy manoratra hoe nanao ahoana ny Lamanita taloha sy taorian’ny nibebahany, ary mametraka izany ao anatin’ny vilia baolina mifanaraka amin’izany. Araka ny Almà 24:7–10, inona no nanampy azy ireo hiova? Ahoana no ahafahantsika maneho ny fankasitrahantsika an’ Andriamanitra noho ny famindrampony?

Almà 26; 29

Mitondra fifaliana ho ahy i Jesoa Kristy, ary afaka mizara izany fifaliana izany aho.

  • Angamba ho tianao sy ny zanakao ny hanao ny sarin’ireo zavatra izay mitondra fifaliana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Zarao amin’ireo zanakao ny sary nataonao, ary amporisiho izy ireo hizara ny sary nataony amin’ny olona iray mba hanampiana izany olona izany hahatsapa fifaliana ihany koa.

  • Ampio ireo zanakao hahita ireo teny hoe fifaliana sy mifaly ao amin’ny Almà 26 sy ny 29. Inona no nitondra fifaliana ho an’i Almà sy i Amôna na nahatonga azy ireo hifaly? Io fanontaniana io dia mety hitarika ho amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny fifaliana azo avy amin’ny fiainana na ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Almà 27:20–30

Afaka manampy ireo namako hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho.

  • Azon’ireo zanakao atao ny mamaky ny Almà 27:22–23 mba hitadiavana ny zavatra nataon’ny Nefita mba hanampiana ny Antia-Nefia-Lehia hihazona ny fampanantenana nataony mba tsy hiady intsony. Ahoana no ahafahantsika manampy ny namantsika hihazona ny fampanantenana nataony? Afaka milalao an-tsehatra karazana toe-javatra iainana ireo zanakao. Ohatra, inona no azontsika lazaina amin’ny namana iray izay te handainga na te ho ratsy fanahy?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
Ireo Antia-Nefia-Lehia mandevina ny fitaovam-piadiany

Fanehoana an-tsary ny Antia-Nefia-Lehia mandevina ny fitaovam-piadiany, nataon’i Dan Burr

Hamoaka printy