Avia, hanaraka Ahy
15-21 aprily: “Miasa ato amiko Izy mba hanaovako araka ny sitrapony.” Enôsa–Tenin’i Môrmôna


15–21 aprily: -Miasa ato amiko Izy mba hanaovako araka ny sitrapony.- Enôsa–Tenin’i Môrmôna,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“15–21 aprily. Enôsa–Tenin’i Môrmôna,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2024)

Sary
I Enôsa fony izy ankizilahy, miaraka amin’i Jakôba rainy ary ny reniny

I Jakôba sy i Enôsa, nataon’i Scott Snow

Enôsa–Tenin’i Môrmôna: “Miasa ato amiko Izy mba hanaovako araka ny sitrapony”

Enôsa–Tenin’i Môrmôna

Na dia nandeha tany anaty ala aza i Enôsa mba hihaza biby hanomezana fahafaham-po ny hanoanany ara-batana dia tafajanona tao nandritra ny andro iray manontolo sy ny alina izy satria “mosarena ny fanahiny.” Io hanoanana io no nitarika an’i Enôsa “[h]anandratra avo ny feo[ny] ka nahatakatra ny lanitra izany.” Nofaritany ho tolona teo anoloan’ Andriamanitra io zavatra niainany io (jereo ny Enôsa 1:2–4). Avy amin’ny Enôsa isika dia mianatra fa ny vavaka dia ezaka amin-kitsim-po hanatona akaiky kokoa an’ Andriamanitra sy hikatsaka ny hahafantatra ny sitrapony. Rehefa mivavaka omban’izany finiavana izany ianao dia ho hitanao kokoa, tahaka an’i Enôsa, fa mihaino anao Andrimanitra ary tena miraharaha ny aminao sy ireo olona lalainao ary eny fa na dia ny fahavalonao aza (jereo ny Enôsa 1:4–17). Rehefa mahafantatra ny sitrapony ianao dia afaka manao tsara kokoa ny sitrapony. Tahaka an’i Môrmôna, ianao dia mety “tsy mahalala ny zava-drehetra … ; fa ny Tompo kosa no mahalala ny zavatra rehetra … ; koa miasa [ao aminao] Izy mba hanaova[nao] araka ny sitrapony” (Tenin’i Môrmôna 1:7).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Enôsa 1:1–17

Hamaly ireo vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

Mety ho tsy dia goavana tahaka ny an’i Enôsa ny zavatra iainanao momba ny vavaka, kanefa tsy voatery ho latsa-danja amin’izany ilay izy. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy hanampy anao eo am-pandalinanao ny Enôsa 1:1–17:

  • Inona ireo teny mamaritra ny ezaka nataon’i Enôsa nandritra ny fotoana nivavahany?

  • Ahoana no niovan’ny vavak’i Enôsa nanomboka teo amin’ny andininy 4 hatramin’ny 11?

  • Inona no azoko ianarana avy amin’i Enôsa izay afaka manampy ahy hampivoatra ny vavaka ataoko?

Jereo ihany koa ny “Énos prie avec ferveur” (horonan-tsary), Médiahtèque de l’Évangile; “Ah, douce est l’heure de prier,” Cantiques, no 77.

Fanontaniana azo apetraka hanaovana fifanakalozan-kevitra. Raha mampianatra ny hafa ianao dia hevero ny hametraka ireo fanontaniana tianao horesahina eo amin’ny toerana iray misongadina mba ho hitan’ny rehetra. Izany dia manampy ny olona hisaintsaina ireo fanontaniana sy hanome valiny tsara kokoa.

Sary
sary famantarana ny seminera

Enôsa 1:1–4

Afaka manampy ahy hitaona ny fianakaviako ho amin’ny tsara ny Tompo.

Angamba misy olona iray ao amin’ny fianakavianao irinao mba ho azonao ampiana hanatona an’i Kristy, kanefa manontany tena ianao raha mitondra fiovana ny ezaka ataonao. Inona no azonao ianarana avy amin’ny Enôsa 1:1–4 mikasika ny fitarihan’i Jakôba izay niantefa tamin’i Enôsa zanany lahy? Ohatra, midika inona aminao ilay andian-teny hoe “fanabeazana sy ny fananarana araka ny Tompo”? Ahoana no ahafahanao manasa ny fitarihany ho ao an-tokantranonao?

Rehefa mieritreritra momba ny fianakavianao manokana ianao dia diniho ireto fanontaniana sy loharano ireto:

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf dia nizara torohevitra manampy ho an’ny fianakaviana ao amin’ny “Ho fiderana ireo izay manavotra,” (Liahona, mey 2016, 77–80). Mitaona anao hanao inona mba hampatanjahana ny fianakavianao ny hafany? (jereo indrindra indrindra ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Manavotra ny fianakaviantsika”.

Jereo koa ny Sujets de l’Évangile, “Famille,” Médiahtèque de l’Évangile.

Enôsa 1:1–18

Afaka mahazo famelana ny fahotana aho rehefa mampihatra finoana an’i Kristy.

Indraindray ianao dia mety hanontany tena raha toa ka voavela ny helokao, na dia efa nibebaka tamin’ireo fahotana ireo aza ianao. Inona no hevi-baovao fanampiny azonao avy amin’ny zavatra niainan’i Enôsa ao amin’ny 1:1–8? Ahoana no nanehoan’i Enôsa ny finoany an’i Jesoa Kristy talohan’ny nahazoany famelan-keloka sy taorian’izany?

Jarôma–Ômnia

Rehefa miezaka mitandrina ireo didiny aho dia hitahy ahy Andriamanitra.

Ny bokin’i Jarôma sy i Ômnia dia samy mamaritra ny fifandraisan’ny fahamarinan-toetra sy ny firoboroboana. Inona no ianaranao avy amin’ny Jarôma 1:7–12; Ômnia 1:5–7, 12–18? Inona no tsy mampitovy ny famaritan’izao tontolo izao ny atao hoe firoboroboana amin’ny famaritan’ny Tompo izany? Ahoana no hanampian’ny Tompo ny olony hiroborobo? (jereo ny Almà 37:13; 48:15–16).

Ômnia 1:25–26

“Manatòna an’i Kristy, izay Iray Masin’ny Isiraely.”

Hita matetika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny fanasana hoe “Manatòna an’i Kristy”. Raha ny marina, ny iray amin’ireo tanjona lehiben’ny boky dia ny hanolorana io fanasana io amin’ny olona rehetra. Rehefa mamaky ny Ômnia 1:25–26 ianao, inona ireo teny na andian-teny hitanao izay mamaritra ny fomba hanatonana an’i Kristy? Inona no hataonao mba hanatonana Azy bebe kokoa?

Sary
I Môrmôna manambatra ireo takela-bolamena.

Mormon Compiling the Plates [I Môrmôna manambatra ireo takelaka], nataon’i Jorge Cocco

Tenin’i Môrmôna 1:1–8

Hiasa amin’ny alalako Andriamanitra rehefa manaraka ny fitarihany aho.

Ny antony iray nanentanan’ny Tompo an’i Môrmôna hampiditra ireo takelaka kelin’i Nefia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia satria fantatr’ Andriamanitra fa ho very ireo pejy miisa 116 voadika voalohany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10; Olomasina, boky 1, toko 5). Nahoana ianao no feno fankasitrahana noho ny fanarahan’i Môrmôna ny torolalan’ny Tompo mba hampiditra ireo soratra ireo (izay ahitana ny 1 Nefia hatramin’ny Ômnia)? Inona no antony nomen’i Môrmôna mikasika ny fampidirana azy ireo? (jereo ny Tenin’i Môrmôna 1:3–7). Oviana no nahitanao an’ Andriamanitra nanao ny asany tamin’ny alalanao na tamin’ny alalan’ny hafa?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Enôsa 1:1–5

Afaka miresaka amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka aho.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny zanakao mba hanan-danja kokoa ny vavaka ataony? Hevero ny hampiseho azy ireo ny sarin’i Enôsa mivavaka ary avelao izy ireo hilaza izay hitany. Afaka manakimpy ny masony izy ireo avy eo ary maka sary an-tsaina hoe miresaka mivantana amin’ny Ray any An-danitra izy ireo. Inona no ho tian’izy ireo horesahina Aminy? Inona no mety ho tian’ny Ray horesahina amin’izy ireo?

  • Rehefa mamaky mafy ny Enôsa 1:1–5 ianao, ireo ankizy kely dia afaka mody manao hoe Enôsa amin’ny alalan’ny filalaovana an-tsehatra ny fandehanana mihaza, ny fandohalihana mba hivavaka, sy ny sisa. Ny ankizy lehibe dia afaka mihaino teny na andian-teny iray izay mamaritra ny vavaka nataon’i Enôsa. Inona no ambaran’ireo teny ireo amintsika mikasika ireo vavaka nataon’i Enôsa? Mizarà zavatra niainana iray, ka tamin’izany fotoana izany dia “mosarena” ny fanahinao ary “nitalaho” tamin’ny Tompo ianao (Enôsa 1:4).

Sary
vavaka ataon’ny mpianakavy

Afaka mivavaka amin’ny Ray any An-danitra isika amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika.

Enôsa 1:2–16

Maheno sy mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny zanakao hahatakatra fa ny Ray any An-danitra dia hihaino sy hamaly ny vavaka ataony? Hevero ny hanasa azy ireo mba hanao lisitra ireo zavatra sasany izay ivavahany matetika. Avy eo ianao dia afaka manampy azy ireo hahita ny zavatra nivavahan’i Enôsa ao amin’ny Enôsa 1:2, 9, 13–14, ary 16 (jereo koa ny “Toko 11: Enôsa,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 30–31).

    Inona no vokatry ny vavak’i Enôsa? (jereo ny andininy 6, 9, 11).

    Inona no ianarantsika avy amin’ny zavatra niainan’i Enôsa mikasika ny fomba hanatsarana ny vavaka ataontsika?

  • Miaraha mihira hira iray momba ny vavaka, toy ny hoe “Vavaky ny ankizy,”(Bokin-kiran’ny ankizy, 6–7). Angamba zanakao afaka manangana ny tanany isaky ny maheno ny teny hoe “mitalaho” na “mivavaka” izy ireo na teny iray hafa miverimberina. Lazao amin’ny zanakao ny sasany amin’ireo fomba namalian’ny Ray any An-danitra ny vavaka nataonao.

Tenin’i Môrmôna 1:3–8

Afaka mitahy ny hafa aho rehefa mihaino ny Fanahy Masina.

  • Nanaraka ny fitarihan’ny Fanahy Masina i Môrmôna mba hampiditra ireo takelaka kelin’i Nefia ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny zavatra rehetra nianarantsika tao amin’ny Bokin’i Môrmôna hatramin’izao dia tonga tamintsika satria nanao safidy ny hihaino ny Fanahy i Môrmôna. Ahoana no ahafahanao manampy ny zanakao hianatra momba ny fihainoana ny Fanahy? Asao izy ireo hifandimby hamaky ireo andininy ao amin’ny Tenin’i Môrmôna 1:3–8. Azonao atao ny miresaka momba ny zavatra nianarany avy amin’ny andininy tsirairay. Avy eo ny zanakao dia afaka:

    • Mizara ny zavatra nianarany avy amin’ireo tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ity taona ity (ny sary avy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy dia afaka manampy azy ireo hahatsiaro izany).

    • Mihirà fihirana iray momba ny Fanahy Masina.

    • Miresaha momba ny zavatra niainana izay nitarihan’ny Fanahy azy ireo hanao zavatra izay nitahy olon-kafa.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Enôsa mivavaka

Enos Praying [I Enôsa mivavaka], nataon’i Robert T. Barrett

Hamoaka printy