Avia, hanaraka Ahy 2024
11-17 martsa: “Asa mahatalanjona sy mahagaga.” 2 Nefia 26–30


11-17 martsa: -Asa mahatalanjona sy mahagaga.- 2 Nefia 26–30,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“11–17 martsa. 2 Nefia 26–30,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2024)

Sary
I Jesoa nanampy vehivavy iray

He Will Lead Thee by the Hand [Hitantana anao Izy], nataon’i Sandra Rast

2 Nefia 27: “Asa mahatalanjona sy mahagaga”

2 Nefia 26–30

Nanoratra i Nefia hoe: “Maminany aminareo ny amin’ny andro farany aho” (2 Nefia 26:14). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nanoratra momba ny androntsika izy. Ary misy antony tokony hanahiana ny momba ny zavatra hitany: olona mandà ny hery sy ny fahagagan’ Andriamanitra; fihanahan’ny fialonana sy fifandirana. Ankoatra ireo “asan’ny maizina” amin’ny andro farany izay tarihin’ilay fahavalo ireo anefa (2 Nefia 26:10, 22), i Nefia ihany koa dia nilaza mombana “asa mahatalanjona sy mahagaga” izay tarihin’ Andriamanitra Izy Tenany (2 Nefia 27:26). Ny ivon’izany asa izany dia ilay boky iray, boky iray izay mampiharihary ny laingan’i Satana sy manangona ny olo-marina. Izany boky izany dia ny Bokin’i Môrmôna, ilay asa mahatalanjona dia ny asan’ny Fiangonan’ny Tompo amin’ny andro farany, ary ilay zava-mahagaga dia, farafahakeliny amin’ny ampahany, hoe manasa antsika rehetra Andriamanitra, na eo aza ireo fahalementsika, mba handray anjara amin’ilay fanangonana.

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

2 Nefia 26–27; 29–30

Nanomana ny Bokin’i Môrmôna ho an’ny androntsika Andriamanitra.

Ao amin’ny 2 Nefia 26–27, i Nefia dia nitanisa avy tamin’ny faminaniana iray tany aloha nataon’i Isaia (jereo ny Isaia 29) ary nampiantefa izany tamin’ny vahoakany sy ny rakitsoratr’izy ireo izy, dia ny Bokin’i Môrmôna. Fantany tamin’ny alalan’ny fanambarana, mialoha ny nahavitana tanteraka ny fanoratana ny Bokin’i Môrmôna mihitsy aza, no nahafantarany fa indray andro any izany dia “hanan-danja lehibe ho an’ny zanak’olombelona” (2 Nefia 28:2). Nahoana no manan-danja lehibe aminao ny Bokin’i Môrmôna? Eritrereto io fanontaniana io eo am-pamakianao ny 2 Nefia 29–30. Inona no “asa mahatalanjona” (2 Nefia 27:26) tanterahin’ Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao sy eo amin’ny fiainanao amin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna?

Jereo ihany koa ny Joseph Smith—Tantara 1:62–65.

Sary
sary famantarana ny seminera

2 Nefia 26:23–33

Manasa antsika rehetra hanatona Azy i Jesoa Kristy.

Maro ireo fahamarinana mahafinaritra azo saintsainina ao amin’ny 2 Nefia 26:23–24. Ohatra, azonao atao ny mieritreritra momba ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy “ho tombontsoan’izao tontolo izao”, sy ho anao. Ahoana no “hisarihany ny olona rehetra”, sy hisarihany anao, “hanatona Azy”? Voataona hanao inona ianao ho setrin’ny fanehoany fitiavana?

Tohizo ny famakiana ary mitadiava fahamarinana momba ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 25–33. Diniho manokana ireo fanasana nataony. Ahoana no fomba hamintinanao ny hafatr’i Jesoa Kristy ho anao ao anatin’ny fehezan-teny iray? Ny hira ao anatin’ny fihirana toy ny “Venez à Jesus” (Cantiques, no. 62) dia afaka manokatra ny sainao mba hahazo bitsika fanampiny.

Diniho ny mety ho fiantraikan’ireo andininy ireo eo amin’ny fomba ifandraisantsika amin’ny hafa sy hanasantsika azy ireo hanatona an’i Kritsy. Mety hahita hevitra vitsivitsy ianao ao amin’ny hafatry ny Loholona D. Todd Christofferson hoe “Ny fotopampianaran’ny fahatsapana ho manana toerana” (Liahona, nôv. 2022, 53–56).

Jereo ihany koa ny 3 Nefia 18:30–32; Dallin H. Oaks, “Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?,” Liahona, mey 2021, 75–77.

Aza matahotra ny fahanginana. Mitaky fotoana ny famaliana fanontaniana tsara. Mitaky fikarohana sy fisaintsainana ary fanentanam-panahy izany. Ny fotoana atokanao hiandrasana ireo valin’ny fanontaniana dia afaka ny ho fotoana masina hisaintsainana. Sorohy ny fakam-panahy hanapitra haingana izany fotoana izany amin’ny alalan’ny fiampitana any amin’ny zavatra hafa.

2 Nefia 28

Mikatsaka ny hamitaka i Satana.

Maro amin’ireo laingan’i Satana sy ireo tetikadiny no nabaribary ao amin’ny 2 Nefia 28. Tadiavo izany ao amin’ny andininy 6, 8, 21–23, 29. Fa nahoana ianao no mila mahafantatra momba ireo laingan’i Satana? Inona no hataonao rehefa manandrana mamitaka anao ny fahavalo?

Voatanisa eto ambany ireo soratra masina vitsivitsy izay mandà ireo laingan’i Satana. Jereo raha azonao atao ny mampifanaraka ilay fotopampianarana marina ao amin’ireo andininy ireo sy ilay fotopampianarana diso izay nampitandreman’i Nefia antsika ao amin’ny 2 Nefia 28:

Jereo ihany koa ny Gary E. Stevenson, “Aza mamitaka ahy,” Liahona, nôv. 2019, 93–96.

2 Nefia 28:27–3129

Manohy manome fanambarana hitarihana ireo zanany Andriamanitra.

Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika dia manana tenin’ Andriamanitra be dia be isika. Kanefa i Nefia dia nampitandrina fa tsy tokony hieritreritra velively isika hoe “manana ny ampy!” Eo am-pamakianao ireo fampitandremana ao amin’ny 2 Nefia 28:27–31 sy ny 2 Nefia 29 dia saintsaino ny fanontaniana toy ireto:

  • Inona no tian’ Andriamanitra ho tsapako momba ny teniny sy ny andraikitra tiany horaisiko eo anatrehan’ny teniny?

  • Nahoana ny olona indraindray no “tezitra” noho ny fandraisana fahamarinana bebe kokoa avy amin’ Andriamanitra? (2 Nefia 28:28). Manao toy izany ve aho? Raha eny, ahoana ary no ahafahako miova?

  • Inona no dikan’ny hoe mandray ny tenin’ Andriamanitra? Ahoana no ahafahako mampiseho Aminy fa te handray bebe kokoa ny teniny aho?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

2 Nefia 26:23–28, 33

Tian’i Jesoa Kristy hanatona Azy ny olona rehetra.

  • Mba hampianarana ny zanakao momba ny fanasan’ny Mpamonjy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia azonao atao ny miresaka amin’izy ireo momba ny fotoana nanasan’izy ireo olona hanatrika hetsika manokana, toy ny fety fankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana. Avy eo dia afaka miaraka mamaky ny 2 Nefia 26:23-28 ianareo ka mitady izay zavatra hanasan’i Jesoa antsika mba hataontsika. Azon’ny zanakao atao ny manamboatra karatra fanasana iray izay manasa ny olona iray hanatona an’i Jesoa Kristy. Amporisiho izy ireo mba hampiasa fehezan-teny iray avy amin’ireo andininy ireo ao anatin’ny fanasana namboariny.

  • Ilay sary hodosoko any amin’ny faran’ity rindran-damina ity dia mampiseho olona avy amin’ny fiaviana maro. Angamba ireo zanakao afaka mijery io sary io rehefa mamaky ny 2 Nefia 26:33 ianao. Azonao atao ny mamerina ilay andian-teny hoe “manainga ny rehetra hanatona Azy i Jesoa” rehefa manondro ny olona tsirairay eo amin’ilay sary ny zanakao, ary avy eo manondro ny tenany. Ahoana no hanatonantsika an’i Jesoa?

  • Ny fihirana iray momba ny fitiavana ny olon-drehetra, toy ny “Izaho hiara-dalana aminao” (Bokin-kiran’ny Ankizy, 78), dia afaka manampy anao hampianatra ny hafatra ao amin’ny 2 Nefia 26:33.

2 Nefia 28:2; 29:7–11; 30:3–6

Fitahiana ny Bokin’i Môrmôna.

  • Mba hanampiana ny zanakao hahatsapa fa ny Bokin’i Môrmôna dia “manan-danja lehibe” (2 Nefia 28:2), dia azonao atao ny manao ny tahadikan’izany iray ao anaty fonosana ho fanomezana ary avelao izy ireo hamantatra ny ao anatin’izany. Afaka mitady famantarana izy ireo ao amin’ny 2 Nefia 30:3–6. Lazao amin’ny zanakao ny antony maha-manan-danja lehibe ny Bokin’i Môrmôna aminao ary avelao izy ireo hizara ny zavatra tsapany koa.

  • Hevero ny hangataka ny zanakao mba haka sary an-tsaina hoe nisy namana iray nilaza hoe, “Tsy mila mamaky ny Bokin’i Môrmôna aho. Efa manana ny Baiboly aho.” Inona no azontsika lazaina amin’ilay namantsika? Iaraho mamaky ny 2 Nefia 29:7-11 hianarana ny antony hitiavan’ Andriamanitra ny hananantsika ireo boky roa.

2 Nefia 28:30–31

Ampianarin’ny Ray any An-danitra tsikelikely aho.

  • Azonao atao ohatra ny mieritreritra lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana iray izay hanampy ny zanakao hahatakatra ny dikan’ny hoe mianatra “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra.” Ohatra, afaka manambatra piozila iray miaraka izy ireo na manorina zavatra amin’ny alalan’ny fanorenana zavatra amin’ny vongan-javatra manana endrika samihafa, ka ampifanaingenina tsirairay izany. Na azonao atao ny mampianatra azy ireo tsikelikely fahaiza-manao iray, toy ny famatorana karavato na fanaovana sary. Azonao vakina amin’izy ireo avy eo ny 2 Nefia 28:30 ary ifanakalozy hevitra ny fomba ampianaran’ny Ray any An-danitra antsika fahamarinana iray isaky ny mandeha.

  • Hevitra iray hafa koa ny misafidy fehezan-teny iray avy ao amin’ny 2 Nefia 28:30 ary mifandimby manoratra izany, ka teny iray isaky ny mandeha. Ahoana no itovian’izany amin’ny fomba fanomezan’ Andriamanitra fahamarinana ho antsika? Nahoana Andriamanitra no manambara ny fahamarinana amintsika “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely” fa tsy hoe tonga dia indray mandeha? Ahoana no ahafahantsika maneho amin’ Andriamanitra fa maniry ny handray fahamarinana bebe kokoa avy Aminy isika?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Jesoa Kristy eo afovoan’ny vahoaka maro be

Christ in the Midst [I Kristy eo afovoany]nataon’i Judith A. Mehr

Hamoaka printy