Avia, hanaraka Ahy
8–14 janoary: “Handeha aho ary hanao.” 1 Nefia 1–5


“8–14 janoary: -Handeha aho ary hanao.- 1 Nefia 1–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“8–14 janoary. 1 Nefia 1–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2024)

Sary
Ny fianakavian’i Lehia nandeha tany an-tany foana

I Lehia nanao dia tany akaikin’ny Ranomasina Mena, nataon’i Gary Smith

8–14 janoary: “Handeha aho ary hanao”

1 Nefia 1–5

Ny Bokin’i Môrmôna dia manomboka amin’ny tantara iray momba ny fianakaviana iray tena nisy izay niaina olana tena nisy. Nitranga tany amin’ny 600 taona talohan’i Kristy izany saingy misy zavatra mikasika io tantara io izay mety toa zavatra mahazatra ny fianakaviana amin’izao fotoana izao. Io fianakaviana io dia niaina tao anatin’ny tontolo nisy faharatsiana, saingy nampanantena azy ireo ny Tompo fa raha hanaraka Azy izy ireo dia hitarika azy ireo ho any amin’ny toerana azo antoka Izy. Teny an-dalana teny dia niaina fotoana tsara sy ratsy izy ireo, fitahiana sy fahagagana lehibe, ary ady sy fifandirana ihany koa. Tsy dia fahita firy ao amin’ny soratra masina ny tantara mifono antsipiriany toy izany momba ny fianakaviana iray izay niezaka niaina ny filazantsara: ray aman-dreny niady mafy mba hanao izay hananan’ny fianakaviany finoana sy niahiahy sao azon-doza izy ireo, zanaka izay nanapa-kevitra raha toa izy ireo ka hino izay lazain’ny ray aman-dreniny na tsia, ary mpirahalahy niatrika fialonana sy fifandirana ary nifamela indraindray. Amin’ny ankapobeny dia nisy hery tao anatin’ireo ohatra mifono finoana nasehon’ity fianakaviana tsy lavorary ity.

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

1 Nefia 1–5

“Sarobidy mihitsy” amiko ny tenin’ Andriamanitra.

Ny hafatra iray lehibe ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia ny hasarobidin’ny tenin’ Andriamanitra (1 Nefia 5:21). Rehefa mamaky ny 1 Nefia 1–5 ianao dia tadiavo ireo fomba nitahian’ny tenin’ Adriamanitra mivantana na an-kolaka ny fianakavian’i Lehia (jereo ohatra ny 1:11–15; 3:19–20; 5:10–22). Inona no ampianarin’ireo toko ireo anao momba ny tenin’ Andriamanitra? Inona no hitanao fa manentana anao hamaky ny soratra masina?

Jereo koa ny “Pour sonder tes Écritures,” Cantiques, no. 163.

1 Nefia 2

Ahoana no ahafahako mahazo sy manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananako rehefa mitodika any amin’ny Tompo aho?

I Nefia dia fantatra amin’ny finoana mahery vaika ananany ho an’ny Tompo, saingy tsy maintsy nanao asa izy mba hahazoana ilay fijoroana ho vavolombelona ananany, toy ny ataontsika rehetra. Inona no vakinao ao amin’ny 1 Nefia 2 izay mampiseho ny antony nahafahan’i Nefia nahazo fijoroana ho vavolombelona fa marina ny tenin’ny rainy? Nahoana i Lamana sy i Lemoela no tsy nahazo izany fijoroana ho vavolombelona izany? (Jereo koa ny 1 Nefia 15:2–11). Oviana ianao no nahatsapa fa nalefahan’ny Tompo ny fonao?

Jereo koa ny “Le Seigneur commande à la famille de Léhi de quitter Jérusalem” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

Sary
sary famantarana ny seminera

1 Nefia 3–4

Hanomana lalana ho ahy Andriamanitra mba hanaovako ny sitrapony.

Rehefa nandidy ireo zanakalahin’i Lehia ny Tompo mba haka ireo takela-barahina dia tsy nanome torolalana voafaritra mazava tsara Izy ny amin’ny fomba hanaovana izany. Marina koa izany matetika mikasika ny torolalana raisintsika avy amin’ Andriamanitra, ary izany dia mety hitarika antsika hahatsapa toy ny hoe mitaky “zavatra [sarotra]” Izy (1 Nefia 3:5). Inona no zavatra manentana ny fanahinao mikasika ny valinteny nasetrin’i Nefia ny didin’ny Tompo izay hita ao amin’ny 1 Nefia 3:7, 15–16?

Eo am-pamakianao ny 1 Nefia 3–4 dia tadiavo ireo zava-tsarotra isan-karazany natrehan’i Nefia. Ahoana no [nanomanan’ny Tompo làlana] ho an’i Nefia “[mba hahazoany manatontosa ny zavatra izay andidiany azy]”? Nahoana no zava-dehibe ho anao ny mahafantatra ny zavatra nataon’ny Tompo ho an’i Nefia?

Ny fomba mahery vaika iray nanomanan’ Andriamanitra antsika mba hitandrina ny didiny dia tamin’ny alalan’ny fandefasany an’i Jesoa Kristy mba ho Mpamonjy antsika. Hevero ny hamaky ny hafatry ny Filoha Dallin H. Oaks “Inona no nataon’ny Mpamonjintsika ho antsika?” (Liahona, mey 2021, 75–77). Ahoana no fomba nanomanan’i Jesoa Kristy lalana ho antsika tsirairay avy? Noho ny fahafantarana fa nandresy ny zava-drehetra ho anao Izy, dia inona no zavatra tsapanao ka “ handeha sy hanao” izany anao?

Jereo koa ny “L’Esprit guide Néphi et lui permet d’obtenir les plaques d’airain” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile; Sujets de l’Évangile, “Obéissance,” Médiathèque de l’Évangile.

Mampiasà tantara sy ohatra mba hampianarana ireo fitsipiky ny filazantsara. Eo am-piomananao hampianatra dia mieritrereta zavatra niainana manokana izay afaka ny ho vavolombelona faharoa mikasika ireo tantara ao amin’ny soratra masina. Ohatra, oviana ny Tompo no nanomana fomba iray ho anao mba hanaovanao ny sitrapony?

Sary
I Lehia sy i Sarià niarahaba an’i Nefia sy ny rahalahiny

Their Joy Was Full (Feno ny fifalian’izy ireo), nataon’i Walter Rane

1 Nefia 4:1–3; 5:1–8

Ny fahatsiarovana ireo asan’ Andriamanitra dia afaka manome ahy finoana mba hankatò ny didiny.

Rehefa te himonomonona i Lamàna sy i Lemoela dia mazàna i Nefia sy i Lehia no teo akaikin’izy ireo mba hankahery sy hanohana azy ireo. Rehefa te himonomonona ianao dia mety afaka manampy ny famakiana ny tenin’i Nefia sy i Lehia. Ahoana no fomba niezahan’i Nefia sy i Lehia nanampy ireo hafa mba hampiorina finoana an’ Andriamanitra? (jereo ny 1 Nefia 4:1–3; 5:1–8; jereo koa ny 1 Nefia 7:6–21). Inona no zavatra ianaranao izay afaka manampy anao rehefa alaim-panahy himonomonona na hitaraindraina ianao?

1 Nefia 4:5–18

“Notarihin’ny Fanahy aho.”

Inona no zavatra manaitra anao ao amin’ny 1 Nefia 4:5–18 mikasika ny fahaizan’i Nefia mamantatra sy manaraka ny Fanahy? Azonao atao ny mandalina ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika” (Liahona, mey 2018, 93–96) mba hianarana misimisy kokoa momba ny fandraisana fanambarana avy amin’ny Tompo.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

1 Nefia 2:16

Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tenako manokana aho.

  • Ahoana no nahafantaran’i Nefia fa marina ny zavatra nampianarin’ny rainy? Ampio ny zanakao hitady ny valin’io fanontaniana io ao amin’ny 1 Nefia 2:16, 19. Mety ho tian’izy ireo ny hanoratra ireo zavatra nataon’i Nefia eo amina kilalao miendrika biriky na zavatra azo tsapain-tanana hafa ary avy eo manorin-javatra amin’ny alalan’ireo zavatra azo tsapain-tanana ireo. Afaka mitarika ho any amina fifanakalozan-kevitra momba ny fomba ahafahan’ireo zavatra atao ireo manampy antsika hanorina fijoroana ho vavolombelona izany.

  • Azonao aaseho ny zanakao ny sary na zavatra azo tsapain-tanana izay maneho ireo zavatra mety katsahin’izy ireo ny mba hananana fijoroana ho vavolombelona momba izany, toy ny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna na sarin’i Jesoa Kristy, na sarina tempoly, na sarin’ny mpaminany velona. Asao izy ireo hisafidy anankiray ary hizara fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba izany zavatra izany. Azonao atao koa ny milaza amin’ny zanakao ny fomba nahazoanao fijoroana ho vavolombelona. Nahoana isika no mila manana fijoroana ho vavolombelona an’ny tenantsika manokana?

1 Nefia 3–4

Hanampy ahy hitandrina ireo didiny Andriamanitra.

  • Hevero ny hampiasa ny iray na maromaro amin’ireto loharanom-pitaovana ireto mba hanampiana ny zanakao hiresaka momba ny fomba nanampian’ Andriamanitra an’i Nefia mba haka ireo takela-barahina: 1 Nefia 3–4; ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity; “Ny herim-pon’i Nefia” (Bokin-kiran’ny ankizy, 64); ary ny “Toko 4: Ireo takela-barahina.” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 8–12).

  • Mety ho tianao sy ny zanakao ny hilalao an-tsehatra ny 1 Nefia 3:2–7. Afaka mody manao hoe i Lehia ianao ka mangataka ny zanakao hiverina any Jerosalema haka ireo takela-barahina. Asao izy ireo mba hamaly amin’ny alalan’ny tenin’izy ireo manokana toy ireny hoe i Lamàna sy i Lemoela na i Nefia ireny izy ireo. Inona avy ireo zavatra nandidian’Andriamanitra antsika mba hataontsika? (jereo ireo sary lah.103 ka hatrany amin’ny lah.115 ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara na ny Môzià 18:8–10 mba hahitana hevitra). Ahoana no ahafahantsika hitovy amin’i Nefia?

1 Nefia 3:19–21; 5:19–22

Harena sarobidy ny soratra masina.

  • Tena nanan-danja ho an’ny fianakavian’i Lehia ny soratra masina. Mba hanehoana izany dia afaka manasa ny zanakao ianao mba hanampy anao hitantara na hilalao an-tsehatra ny zavatra nataon’i Nefia sy ireo rahalahiny mba hahazoana ireo takela-barahina: nanao dia lavitra izy ireo, sy namoy ny volamena sy volafotsin’izy ireo ary niafina tany anaty lava-bato mba hamonjeny ny ainy. Avy eo dia afaka mamaky ny 1 Nefia 5:21 ianao ary miresaka momba ny antony maha-sarobidy ny soratra masina ho an’ny fianakavian’i Lehia. Nahoana no sarobidy amintsika izy ireo? Ahoana ahafahantsika mandray ny soratra masiny ho tahaka ny harena sarobidy?

Sary
I Nefia sy ny fianakaviany mandalina ireo takelaka

Nanome lanja ny soratra masina i Nefia sy ny fianakaviany.

1 Nefia 4:6

Hitarika ahy ny Fanahy Masina rehefa mikatsaka ny hanao ny sitrapon’ny Tompo aho.

  • Aorian’ny fiarahana mamerina mamaky ao amin’ny 1 Nefia 3 ny fomba nakan’i Nefia sy ireo rahalahiny ny takela-barahina, dia iaraho mamaky amin’ny zanakao ny 1 Nefia 4:6 mba hahitana ny zavatra nataon’i Nefia izay nanome fahafahana azy hahomby tamin’ny farany. Avy eo ny zanakao dia afaka manao ny lisitr’ireo zavatra izay tian’ Andriamanitra hataon’izy ireo. Ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina manampy antsika ao anatin’ireo toe-javatra ireo?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Nefia mijoro eo akaikin’i Labana izay mamo

Nankatò ny feon’ny Fanahy aho, nataon’i Walter Rane

Hamoaka printy