Avia, hanaraka Ahy
14–20 ôktôbra: “Zanaky ny fanekempihavanana [ianareo].” 3 Nefia 20–26


“14–20 ôktôbra: -Zanaky ny fanekempihavanana [ianareo].- 3 Nefia 20–26,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“14–20 ôktôbra. 3 Nefia 20–26,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
I Kristy niseho tamin’ireo Nefita

Sary maneho an’i Kristy miseho amin’ireo Nefita, nataon’i Andrew Bosley

14–20 ôktôbra: “Zanaky ny fanekempihavanana [ianareo]”

3 Nefia 20–26

Rehefa mahare olona mampiasa ny teny toy ny hoe mpianakavin’i Isiraely ianao dia mahatsapa ve ianao hoe miresaka momba anao izy ireo? Ny Nefita sy ny Lamanita dia taranaka ara-bakitenin’i Isiraely, “sampan’ny hazon’i Isiraely,” kanefa nahatsapa ho “very niala tamin’ny fotony” izy ireo (Almà 26:36; jereo ihany koa ny 1 Nefia 15:12). Saingy tian’ny Mpamonjy izy ireo hahafantatra fa tsy very izy ireo Taminy. “Avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely ianareo,” hoy Izy, “ary avy amin’ny fanekempihavanana [ianareo]” (3 Nefia 20:25). Mety hiteny zavatra mitovitovy amin’izany aminao Izy amin’izao fotoana izao, satria izay olona rehetra vita batisa sy manao fanekempihavanana Aminy dia avy ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely ihany koa, “avy amin’ny fanekempihavanana.” Midika izany fa rehefa miresaka momba ny mpianakavin’i Isiraely i Jesoa dia miresaka momba anao Izy izay. Ho anao ilay torolalana mba hitahy “ny firenena rehetra amin’ny tany” (3 Nefia 20:27). Ho anao ilay fanasana manao hoe “mifohaza indray ary tafio ny herinao” (3 Nefia 20:36). Ary ho anao ilay fampanantenana sarobidy nomeny manao hoe: “Fa tsy hiala aminao kosa ny hatsaram-poko, tsy hoesorina koa ny fanekempihavanan’ny fiadanako” (3 Nefia 22:10).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

3 Nefia 20–22

Hanao asa iray mahatalanjona Andriamanitra amin’ny andro farany.

Ao amin’ny 3 Nefia 20–22, ny Mpamonjy dia naminany momba ny hoavin’ny vahoakan’ny fanekempihavanany (jereo indrindra indrindra ny 3 Nefia 20:30–32, 39–41; 21:9–11, 22–29). Rehefa mamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao dia tsarovy ny zavatra nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson manao hoe: “Anisan’ireo vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo isika. Tombontsoa ho antsika ny handray anjara manokana amin’ny fanatanterahana ireo fampanantenana ireo. Tena mampientanentana tokoa ny miaina amin’ny vanim-potoana toy izany.” “Le rassemblement d’Israël dispersé,” Liahona, nov. 2006, 79). Inona amin’ireo faminaniana ireo no tena mampientanentana anao manokana? Inona no azonao atao mba hanampiana amin’ny fanatanterahana azy ireo?

Mitadiava teny sy andian-teny manentana ny fanahy. Mety hahita ianao fa misy teny na andian-teny sasany ao amin’ny soratra masina izay manaitra anao, toy ireny hoe nosoratana manokana ho anao ireny. Hevero ny hanisy marika azy ireny ao amin’ny soratra masinao na soraty ao anaty diary fandalinana izy ireny.

3 Nefia 2224

Mamindra fo amin’ireo olona izay miverina Aminy Andriamanitra.

Ao amin’ny 3 Nefia 22 sy 24, ny Mpamonjy dia mindrana teny avy amin’ny Isaia sy ny Malakia izay ahitana sary sy fampitahana mahery vaika maro—arina ao amin’ny afo, volafotsy nodiovina, fanambadiana, ny vavahadin’ny lanitra (jereo indrindra indrindra ny 3 Nefia 22:7–8, 10–17; 24:10–12, 17–18). Inona no ampianarin’ireo fampitahana ireo anao momba ny fifandraisan’ Andriamanitra amin’ny olony, ary ny fifandraisany aminao? Tamin’ny fomba ahoana no nahatanterahan’ny fampanantenana ao amin’ireo toko ireo teo amin’ny fiainanao sy teo amin’ny fiainan’ny fianakavianao?

Jereo koa ny “The Refiner’s Fire” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

3 Nefia 23:6–13

Ny firaketana ireo zavatra niainana ara-panahy dia afaka mitahy ny fianakaviako.

Inona no manaitra anao momba ny fifaneraseran’ny Mpamonjy tamin’i Nefia ao amin’ny 3 Nefia 23:6–13? Raha toa ka hanadihady ny amin’ireo rakitsoratra notananao ny Mpamonjy, dia inona no fanontaniana mety hapetrany? Inona no zava-nitranga na zavatra niainana ara-panahy manan-danja tokony horaketinao? Nahoana no zava-dehibe ny manao izany? (jereo ny 3 Nefia 26:2).

3 Nefia 23; 26:1–12

Tian’ny Mpamonjy aho hikaroka ny soratra masina.

Eo am-pamakianao ny 3 Nefia 20:10–12; 23; 26:1–12 dia saintsaino ny zavatra tsapan’ny Mpamonjy momba ny soratra masina. Inona no tsy mampitovy ny mikaroka ny soratra masina sy ny mamaky izany fotsiny? (jereo ny 3 Nefia 23:1).

3 Nefia 24:7–12

Sary
sary famantarana ny seminera
Ny fandoavana fahafolonkarena dia manokatra ny varavaran’ny lanitra.

Nodidina efa hatramin’izay ny vahoakan’ Andriamanitra mba handoa fahafolonkarena (jereo ny Genesisy 14:17–20; Malakia 3:8–11). Rehefa mandalina ny 3 Nefia 24:7–12 ianao dia eritrereto ny antony angatahan’ Andriamanitra ny vahoakany mba handoa fahafolonkarena. Ireto fanontaniana ireto dia afaka mitarika ny fandalinanao:

  • Inona no atao hoe lalàn’ny fahafolonkarena? (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119. Ny hoe “izay rehetra miditra” ao amin’ity fanambarana ity dia midika hoe fidiram-bola. Tokony handoa fahafolonkarena ny mpikambana rehetra manana fidiram-bola.) Inona no tsy mampitovy ny fahafolonkarena amin’ireo karazana fanatitra hafa?

  • Inona no ampiasana ny fahafolonkarena? Afaka mahita lisitra amin’ny ampahany momba izany ao amin’ny Sujets de l’Évangile, “Dîme” (Médiathèque de l’Évangile) ianao. Amin’ny fomba ahoana no nitahiana anao vokatry ny fandoavan’ny mpikamban’ny Fiangonana fahafolonkarena?

  • Inona no fitahiana tonga amin’ny olona izay miaina ny lalàn’ny fahafolonkarena? (Jereo ny 3 Nefia 24:7–12). Afaka mahita famariparitana ny sasantsasany amin’izany ianao ao amin’ny hafatry ny Loholona David A. Bednar manao hoe “Ny varavaran’ny lanitra” (Liahona, nôv. 2013, 17–20). Jereo manokana ireo fitahiana izay tsy voatery hoe ara-bola. Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ireo fitahiana ireo teo amin’ny fiainanao?

Azonao vakina ny Marka 12:41–44. Inona no ampianarin’io tantara io anao?

3 Nefia 25:5–6

Nandefa an’i Elia ny Tompo mba hampitodika ny foko amin’ireo razambeko.

Amin’izao androntsika izao, ny fontsika dia “mitodika amin’ny raintsika” amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Tamin’ny fomba ahoana no nitrangan’izany taminao? Eo am-pamakianao ny 3 Nefia 25:5–6 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16 dia saintsaino ny antony maha-tena zava-dehibe izany ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra.

Jereo ihany koa ny “Fianakaviana mandrakizay,” Bokin-kiran’ny ankizy, 98.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

3 Nefia 23:1, 5

Afaka manadihady ny soratra masina amim-pahazotoana aho.

  • Ny torolalan’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 23 dia mampiseho fa tena manan-danja Aminy tokoa ny soratra masina. Mba hanampiana ireo zanakao hianatra izany dia azonareo vakina amin’ny feo mafy ny 3 Nefia 23:1, 5 ary angataho izy ireo mba hihaino teny iray izay miverina intelo. Inona no mampiavaka ny fandinihana amin’ny famakiana fotsiny?

  • Azonao sy ny zanakao atao mihitsy ny manoratra andinin-tsoratra masina tena ankafizina iray ary manafina izany. Azonareo atao avy eo ny mifandimby mitady ny soratra masina nafenin’ny tsirairay avy, miara-mamaky azy ireo, ary miresaka momba ny antony maha-manan-danja an’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

3 Nefia 24:8–12

Ny fandoavana fahafolonkarena dia manokatra ny varavaran’ny lanitra.

  • Ampio ireo zanakao hikaroka ao amin’ny 3 Nefia 24:8–12 mba hahitana fomba hamenoana ity fehezan-teny ity: Raha mandoa fahafolonkarena aho, ny Tompo dia … . Azonao atao ihany koa ny mizara zavatra niainana iray izay nitahiana anao satria nandoa fahafolonkarena ianao. Raha toa ka mety hanampy izany dia hevero ny hanoratra lelavola vitsivitsy eo amin’ny solaitrabe ary ampio ny ankizy hanao kajy hoe ohatrinona ny fahafolonkarena (10 isan-jato) tokony homena ho an’ny lelavola tsirairay.

  • Ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity dia afaka manampy ireo zanakao amin’ny firesahana momba ireo fomba sasany ampiasan’ny Tompo ny fahafolonkarena mba hitahiana ireo mpikamban’ny Fiangonany. Angamba azon’izy ireo atao ny manao sary (na mitady sary ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana) ireo fomba itahian’ny fahafolonkarena azy ireo.

3 Nefia 25:5–6

Tian’ny Ray any An-danitra aho hianatra mikasika ireo razambeko.

  • Amin’ny fomba ahoana no hitaomanao ireo zanakao mba hikaroka sy hianatra momba ny razambeny? Ahoana no fomba ahafahanao mamporisika ireo zanakao mba hanatanteraka ôrdônansy ho an’ny razambeny rehefa lehibe kokoa izy ireo? Hevero ny hanampy azy ireo hikaroka ny 3 Nefia 25:5–6 mba hahitana zavatra iray izay hitranga amin’ny andro farany. Ny ankizy kely dia afaka mametraka ny tanany eo amin’ny fony isaky ny maheno ny teny hoe “fo” izy ireo eo am-pamakianao ireo andininy ireo. Azonao vakina ihany koa ny fomba nahatanterahan’io faminaniana io ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:13–16 (jereo ihany koa ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, no. 95). Lazao amin’ireo zanakao ny fomba nitodihan’ny fonao tamin’ny razambenao. Ohatra, azonao zaraina izay mety ho zavatra niainanao rehefa namantatra ny momba ny razambenao ianao sy nanatanteraka ôrdônansy any amin’ny tempoly ho azy ireo.

  • Ampio ny ankizy hameno hazon’ny tetiaram-pianakaviana amin’ny alalan’ny anaran’ny ray aman-dreniny sy ny raibe aman-drenibeny. Inona no tantara azonao zaraina momba ny iray amin’ireo razambenareo? Mampisehoa sary raha azo atao. Azonareo atao koa ny miara-mihira ny “Fianakaviana mandrakizay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 98) ary ny miara-miresaka amin’ireo zanakao momba ny antony maha-zava-dehibe ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Jesoa Kristy miara-mamaky ny rakitsoratry ny Nefita amin’i Nefia

Ento aty ny rakitsoratra, nataon’i Gary L. Kapp.

Hamoaka printy