Avia, hanaraka Ahy
27 mey–2 jona. Joseph Smith—Matio 1; Matio 25; Marka 12–13; Lioka 21: -[Ho] tonga ny Zanak’olona-


“27 mey–2 jona. Joseph Smith—Matio 1; Matio 25; Marka 12–13; Luke 21: -[Ho] tonga ny Zanak’olona-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“27 mey–2 jona. Joseph Smith—Matio 1; Matio 25; Marka 12–13; Lioka 21,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Fiaviana fanindroany

Ny Fiaviana fanindroany, nataon’i Harry Anderson

27 mey 27–2 jona

Joseph Smith—Matio 1; Matio 25; Marka 12–13; Lioka 21

“[Ho] tonga ny Zanak’olona”

Eo am-pamakianao ny Joseph Smith—Matio 1; Matio 25; Marka 12–13; ary ny Lioka 21 dia mety hanontany ianao hoe “Inona no hafatra entin’ireo toko ireo ho ahy? ho an’ny fianakaviako? ho an’ny antsoko?”

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Tsy maintsy ho nahita ilay faminaniany ho mahagaga ireo mpianatr’i Jesoa: ilay tempoly maherin’i Jerosalema, ilay ivontoerana ara-panahy sy ara-kolotsain’ny vahoaka Jiosy, dia ho rava tanteraka ka “tsy havela hisy vato hifanongoa … ka tsy horavana.” Mazava ho azy fa naniry ny hahafantatra bebe kokoa ireo mpianatra. “Rahoviana no hisy ireo zavatra … ireo?” hoy izy ireo nanontany. “Ary inona no famantarana ny fiavianao?” (Joseph Smith—Matio 1:2–4). Ny valintenin’ny Mpamonjy dia nanambara fa ny fandravana lehibe izay hahazo an’i Jerosalema, izay faminaniana tanteraka tamin’ny 70 taorian’ny J.K., dia ho kely raha ampitahaina amin’ireo famantarana ny fiaviany amin’ny andro farany. Ireo zavatra izay hita fa mafy kokoa noho ny tempolin’i Jerosalema dia tsy haharitra, toy ny masoandro, ny volana, ny kintana, ireo firenena, ary ny ranomasina. Na “ny herin’ny lanitra [aza] hohozongozonina” (Joseph Smith—Matio 1:33). Raha mitandrina ny ara-panahy isika dia afaka mampianatra antsika hitoky amin’ny zavatra tena maharitra ireo korontana ireo. Nampanantena i Jesoa hoe: “Ho levona ny lanitra sy ny tany, [fa ny teniko] tsy ho levona kosa. … Ary na zovy na zovy no mirakitra ny teniko dia tsy ho voafitaka” (Joseph Smith—Matthew 1:35, 37).

personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Joseph Smith—Matio

Inona no atao hoe Joseph Smith—Matio?

Ny Joseph Smith—Matio, izay hita ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy, dia ampahany avy amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Baiboly. Izany dia ahitana fanitsiana ny andininy farany amin’ny Matio 23 sy ny andininy rehetra ao amin’ny Matio 24 (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Dikantenin’i Joseph Smith”). Ny fanitsiana azo avy amin’ny fanentanam-panahy nataon’i Joseph Smith dia namerina tamin’ny laoniny fahamarinana sarobidy maro izay very. Ny andininy 12–21 an’ny Joseph Smith—Matio dia miresaka ny fandravana an’i Jerosalema taloha; ny andininy 21–55 dia ahitana faminaniana mikasika ny andro farany.

Joseph Smith—Matio 1:21–37; Marka 13:21–37; Lioka 21:25–38

Ireo faminaniana momba ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany dia afaka manampy ahy hiatrika amim-pinoana ny hoavy.

Mety mampatahotra ny mamaky ny momba ireo zavatra hiseho mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany. Saingy rehefa naminany ny amin’ireo tranga ireo i Jesoa dia nilaza tamin’ireo mpianatra Izy mba “tsy hatahotra” (Joseph Smith—Matio 1:23). Ahoana no ahafahanao “tsy hatahotra” rehefa maheno mikasika ny horohorontany, ny ady, ny fitaka, ary ny mosary? Eritrereto io fanontaniana io rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao. Asio marika na soraty izay torohevitra manome toky hitanao.

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:14–21; 38:30; 45:16–52; 88:86–94.

Joseph Smith—Matio 1:26–27, 38–55; Matio 25:1–13; Lioka 21:29–36

Tsy maintsy vonona foana ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany aho.

Andriamanitra dia tsy nanambara “ny andro na ny ora” (Matio 25:13). Saingy tsy tiany “ho avy tampoka [amintsika] tahaka ny fandrika” izany andro izany (Lioka 21:34), ka nanome torohevitra antsika Izy mikasika ny fomba fiomanana.

Eo am-pamakianao ireo andininy ireo dia fantaro ireo fanoharana sy ireo fampitahana hafa nampiasain’ny Mpamonjy hampianarana antsika ny tokony hahavonona antsika foana amin’ny Fiaviany fanindroany. Inona no ianaranao avy amin’izany? Inona no tsapanao fa tokony hataonao?

Matio 25:14–30

Mitaky ny hampiasako ireo fanomezany amim-pahendrena ny Ray any An-danitra.

Tamin’ny andron’ny Mpamonjy ny “talenta” dia vola. Saingy ny fanoharan’ny Tompo momba ny talenta dia afaka mampianatra antsika ny fomba tiany hampiasantsika ireo fitahiana nomeny antsika. Takian’ny Tompo amintsika ny hivoarantsika amin’izay nomeny antsika. Eo am-pamakianao io fanoharana io dia manaova lisitra ahitana ny sasany amin’ireo fitahiana sy tombontsoa izay nomen’ny Ray any An-danitra anao. Inona no andrasany mba hataonao amin’ireo fitahiana ireo? Ahoana no fomba ahafahanao mampiasa amim-pahendrena kokoa ireo fanomezana ireo? Tamin’ny fomba ahoana no nampitomboana ny talentanao rehefa nanompo ny Tompo ianao?

Matio 25:31–46

Rehefa manompo ny hafa aho, dia manompo an’ Andriamanitra.

Raha toa ka efa nanontany tena ianao hoe ahoana no hitsaran’ny Tompo ny fiainanao, dia vakio ny fanoharana momba ny ondry sy ny osy. Inona no tena hanan-danja kokoa rehefa mijoro eo anatrehan’i Kristy ianao?

Jereo koa ny Môsià 2:17.

Marka 12:18–27

Mbola hitohy ve ny fanambadiana aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty?

Mianatra isika avy amin’ny fanambarana maoderina fa ny tenin’i Jesoa hoe “Amin’ny hitsanganana amin’ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina” dia miresaka an’ireo izay tsy niditra ny fanekempihavanan’ny fanambadiana selestialy (jereo ny FF 132:15–16). Ny fanambadiana selestialy, izany hoe “lehilahy iray manambady vehivavy iray … amin’ny alalan’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay,” dia haharitra “mandrakizay” raha toa ka miorim-paka amin’ny fanekempihavanany ireo mpivady (FF 132:19).

family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Joseph Smith—Matio

Mba hanampiana ny fianakavianao hamakafaka ity toko ity dia asao izy ireo hitady ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny fomba ahafahantsika miomana amin’ny Fiaviany fanindroany (jereo mba hahitana ohatra ny andininy 22–23, 29–30, 37, 46–48). Inona no azon’ny fianakavianao atao mba hanarahana io torohevitra io?

Joseph Smith—Matio 1:22, 37

Inona no dikan’ny hoe mirakitra ao am-po ny tenin’ Andriamanitra? Ahoana no ahafahantsika manao izany amin’ny maha-mpianakavy antsika? Manampy antsika tsy ho voafitaka amin’ny fomba ahoana ny fanaovana izany?

Matio 25:1–13

Azonao ampiasaina ny sarin’ireo virijiny folo miaraka amin’ity rindran-damina ity mba hifanakalozana hevitra ny ao amin’ny Matio 25:1–13. Inona avy ireo singa amin’io sary io izay hitan’ny olona ao amin’ny fianakavianao fa voafaritra ao amin’ireo andininy ireo?

Mety ho hahafinaritra ny olona ao amin’ny fianakavianao ve ny mitady tapatapa-taratasy izay nafeninao manodidina ny trano? Azonao afatotra amin’ny zavatra izay mampiseho ireo zavatra azon’ny olona ao amin’ny fianakavianao atao mba hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo sy ho vonona amin’ny Fiaviana fanindroany ireo tapatapa-taratasy, ohatra: soratra masina, na akanjo fanao any am-piangonana, na sarin’ny tempoly.

Marka 12:38–44; Lioka 21:1–4

Inona no azon’ny fianakavianao ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ilay mpitondratena? Inona no nampianarin’ny Mpamonjy ny mpianany momba ny fanatitra? Mampisehoa taratasy fandoavana fahafolonkarena, ary resaho ny momba ireo fanatitra atolotry ny fianakavianao ho an’ny Tompo sy ny fanampiana entin’izany fanatitra izany amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra. Misy fanatitra hafa izay ataon’ny fianakavianao ve tsy tafiditra ao amin’ny taratasy fandoavana fahafolonkarena?

Ny farantsakelin’ilay mpitondratena

Ny farantsakelin’ilay mpitondratena, nataon’i Sandra Rast

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Manomàna ny toerana ianarana. “Hisy fiantraikany lalina eo amin’ny fahafahantsika mianatra sy mahatsapa ny fahamarinana ny zava-misy ao amin’ny toerana ianarantsika” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 16). Miezaha mitady toerana hianarana ny filazantsara izay hanasa ny herin’ny Fanahy Masina. Ny hira sy ny sary manohina saina amam-panahy dia afaka manasa ihany koa ny Fanahy.

Virjiny folo

Hendry ny dimy tamin’izy ireo, nataon’i Walter Rane