Avia, hanaraka Ahy
17–23 jona. Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19: -Vita-


“17–23 jona. Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19: -Vita-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“17–23 jona. Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

I Kristy manoloana an’i Pilato

Ecce Homo, nataon’i Antonio Ciseri

17–23 jona

Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19

“Vita”

Ny Matio 27; Marka 15; Lioka 23; ary ny Jaona 19 dia ahitana ny fanazavana ireo ora farany niainan’ny Mpamonjy teto an-tany. Katsaho ny hahatsapa ny fitiavany anao rehefa mandalina ny sorona nataony sy ny fahafatesany ianao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Tamin’ny teny sy ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa Kristy dia naneho fitiavana madio Izy, izay nantsoin’i Paoly Apôstôly hoe fiantrana (jereo ny 1 Korintiana 13). Nandritra ireo ora farany niainan’ny Mpamonjy teto an-tany izany no tena niseho. Ny fahanginana mendri-kaja nasehony teo anatrehan’ireo fanendrikendrehana dia naneho fa Izy dia “tsy mora sosotra” (1 Korintiana 13:5). Ny fahavononany hanaiky ny kapoka sy ny fanarabiana ary ny fanomboana, nefa nitazona ny heriny tsy hanatsahatra ny fijaliany, dia naneho fa Izy dia “mahari-po” sy “mandefitra ny zavatra rehetra” (1 Korintiana 13:4, 7). Ny fangorahany ny reniny sy ny famindrampo nasehony ho an’ireo izay nanombo Azy, na nandritra ny fijaliany izay tsy misy toy izany aza, dia nanambara fa Izy dia “tsy mitady ny azy” (1 Korintiana 13:5). Tao anatin’ireo fotoana farany niainany teto an-tany i Jesoa dia nanao izay efa nataony nandritra ny asa fanompoany teto an-tany, dia ny nampianatra tamin’ny alalan’ny fisehoana ho ohatra. Eny tokoa, ny fiantrana dia ny “fitiavana madion’i Kristy” (Môrônia 7:47).

personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19

Ny fahavononan’i Jesoa Kristy hijaly dia maneho ny fitiavany ny Ray sy antsika rehetra.

Na dia nanana ny hery hiantsoana “anjely [amin’ny] legiona” (Matio 26:53) aza ny Mpamonjy dia nisafidy an-tsitrapo ny hiaritra fitsarana tsy rariny sy fanesoana mafy ary fanaintainana ara-batana Izy. Nahoana Izy no nanao izany? “Noho ny lemim-panahiny sy ny fitiavany,” hoy i Nefia, “ary ny faharipony amin’ny zanak’olombelona” (1 Nefia 19:9).

Azonao atomboka amin’ny famakiana ny 1 Nefia 19:9 ny fandalinanao ireo ora farany niainan’ny Mpamonjy. Aiza ao amin’ny Matio 27; Marka 15; Lioka 23; ary Jaona 19 no ahitanao ny ohatry ny zavatra tsirairay nolazain’i Nefia fa nozakain’i Jesoa?

“Hihevitra Azy ho tsinontsinona [izy ireo]”

“Karavasiny Izy.”

“Asiany Izy”

“Rorany Izy.”

Inona no andinin-tsoratra masina izay manampy anao hahatsapa ny lemim-panahy sy ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa ho anao? Inona amin’ireo toetra nasehon’ny Mpamonjy no tsapanao fa tokony hataonao izay hananana azy

bebe kokoa?

Matio 27:27–49, 54; Marka 15:16–32; Lioka 23:11, 35–39; Jaona 19:1–5

Tsy tokony hampihena ny finoako ny fanesoana ny fahamarinan’ Andriamanitra.

Raha nizaka fanesoana i Jesoa nandritra ny asa fanompoany dia nihamafy kokoa izany nandritra ny fikapohana sy ny fanomboana Azy. Saingy izany fanesoana izany dia tsy nanova ilay fahamarinana hoe: i Jesoa no Zanak’ Andriamanitra. Eo am-pamakianao ny fanalam-baraka nozakain’i Jesoa dia eritrereto ny fanoherana sy fanesoana ny asany amin’izao fotoana izao. Inona no hevi-baovao azonao momba ny fiaretana fanoherana? Inona no manaitra anao amin’ny tenin’ilay kapiteny ao amin’ny Matio 27:54?

Matio 27:46; Marka 15:34

Nandao ny Zanany teo amin’ny hazo fijaliana ve ny Ray any An-danitra?

Nizara izao hevitra manaraka izao ny Loholona Jeffrey R. Holland: “Mijoro ho vavolombelona aho … fa ny Ray tonga lafatra dia tsy nandao ny zanany tamin’io fotoana io. … Na izany aza, mba hahatanteraka ny sorona farany nataon’ilay Zanany izay natao an-tsitrapo sy samirery , dia nesorin’ny Ray nandritra ny fotoana fohy tamin’i Jesoa ny fampaherezana avy amin’ny Fanahiny, ilay fanampiana amin’ny maha-eo Azy. … Mba hahatonga ny Sorompanavotan[’ny Mpamonjy] ho tsy manam-petra sy mandrakizay dia nila nahatsapa izany hoe fahafatesana izany Izy, tsy ny fahafatesana ara-batana ihany fa ny ara-panahy koa, ary nila nahatsapa ny hoe toy ny ahoana izany ilaozan’ny Fanahin’ Andriamanitra Izy, ka lasa irery tanteraka, tamin’ny fomba mahatsiravina sy tsy nisy fanantenana Izy” (“None Were with Him,” Liahona, mey 2009, 87–88).

Lioka 23:34

Ny Mpamonjy no ohatry ny famelana.

Inona no tsapanao rehefa mamaky ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Lioka 23:34  ianao? Raha niresaka momba ny tenin’ny Mpamonjy ny Filoha Henry B. Eyring dia nampianatra hoe: “Isika dia tsy maintsy mamela heloka sy tsy mitazona lolom-po amin’ireo izay nanafintohina antsika. Nampiseho ohatra ho antsika ny Mpamonjy teo amin’ny hazo fijaliana. … Isika dia tsy mahafantatra ny ao am-pon’ireo izay manafintohina antsika” (“That We May Be One,” Ensign, mey 1998, 68). Ahoana ny hanampian’io andininy io anao rehefa manana olana amin’ny famelana olona ianao?

Lioka 23:39–43

Inona no dikan’ny hoe “paradisa” ao amin’ny zavatra nolazain’i Jesoa tamin’ilay mpangalatra?

Ao amin’ny soratra masina, ny teny hoe paradisa dia matetika midika ho “toerana iray ahitana fiadanana sy fahasambarana ao amin’ny tontolon’ny fanahy aorian’ny fahafatesana,” izany hoe toerana natokana ho an’ny marina. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ny teny hoe paradisa ao amin’ny Lioka 23:43 “dia fandikan-teny tsy mety. Raha ny marina dia niteny ny Tompo fa hiaraka Aminy any amin’ny tontolon’ireo fanahy ilay mpangalatra” (Miorim-paka ao amin’ny finoana).   Ao amin’ny tontolon’ny fanahy ilay mpangalatra dia handre ny filazantsara izay hotorina.

family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ireo fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Matio 27:3–10

Na dia nahafantatra an’i Jesoa manokana aza i Jodasy dia niala tamin’i Jesoa izy ary tafintohina noho ny teniny. Inona no mety hahatonga ny olona izay toa manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka hanalavitra ny Mpamonjy? Ahoana no ahafahantsika mifikitra amin’i Jesoa Kristy?

Matio 27:11–26; Marka 15:1–15; Lioka 23:12–24; Jaona 19:1–16

Nahoana i Pilato no nandefa an’i Jesoa mba hohomboana, na dia fantany aza fa tsy nanan-tsiny i Jesoa? Inona no lesona ianarantsika avy amin’ny zavatra niainan’i Pilato momba ny fijoroana amin’ny zavatra fantatsika fa marina? Mety hanampy ny fianakavianao ny milalao an-tsehatra ireo tantara izay manome fahafahana azy ireo hijoro amin’ny fahamarinana.

I Kristy milanja hazofijaliana

“Ary Izy nitondra ny hazo fijaliany, dia nankany … Golgota” (Jaona 19:17).

Matio 27:46; Lioka 23:34, 43, 46; Jaona 19:26–28, 30

Mety ho azonao atao angamba ny manome ny olona tsirairay ao amin’ny fianakavianao ny iray amin’ireo zavatra nolazain’ny Mpamonjy teo amin’ny hazo fijaliana na mihoatra izany, izay hita ao amin’ireo andininy ireo, ary asao izy ireo hizara ny zavatra ianarany momba ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy.

Marka 15:39

Ahoana no nahafahan’ny famakiana ny tantara momba ny Fanomboana nankahery ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny maha-“Zanak’ Andriamanitra” an’i Jesoa?

Jaona 19:25–27

Inona no ianarantsika ao amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba hitiavantsika sy hanampiantsika ny olona ao amin’ny fianakaviana?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Makà tahaka ny fiainan’ny Mpamonjy. “Tena manampy ny mandalina ireo fomba nampianaran’ny Mpamonjy, ireo fomba nampiasainy sy ireo zavatra nolazainy. Saingy ilay herin’ny Mpamonjy nentiny nampianatra sy nampitraka ny hafa dia avy amin’ny … toetrany. Rehefa miezaka amim-pahavitrihana bebe kokoa ny hiaina tahaka an’i Jesoa Kristy ianao, dia hanana fahafahana bebe kokoa hampianatratahaka Azy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 14).

I Jesoa eo amin’ny hazo fijaliana

I Jesoa eo amin’ny hazo fijaliana, nataon’i Carl Heinrich Bloch