Avia, hanaraka Ahy
10–16 jona. Matio 26; Marka 14; Lioka 22; Jaona 18: -Tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao-


“10–16 jona. Matio 26; Marka 14; Lioka 22; Jaona 18: -Tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“10–16 jona. Matio 26; Marka 14; Lioka 22; Jaona 18,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2019

Fanasana farany

Alina ny andro, nataon’i Benjamin McPherson

10–16 jona

Matio 26; Marka 14; Lioka 22; Jaona 18

“Tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao”

Eo am-pamakianao ireo trangan-javatra voalaza ao amin’ny Matio 26; Marka 14; Lioka 22; ary Jaona 18 dia henoy tsara izay fahatsapana voarainao, indrindra ireo bitsika mba hitondra fiovana eo amin’ny fiainanao.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Telo ihany ny vavolombelon’ny fijalian’i Jesoa Kristy tao amin’ny Sahan’i Getsemane, ary dia natory izy ireo nandritra ny ankamaroan’izany fotoana izany. Tao anatin’izany saha izany ary avy eo teo amin’ny hazofijaliana dia nitondra ho eo Aminy ny fahotana sy ny fanaintainana ary ny fijalian’ny olona tsirairay izay niaina i Jesoa, na izany aza dia saika ny olona rehetra izay velona tamin’izany fotoana izany no tsy nahafantatra ny zavatra izay nitranga. Sady ny ankamaroan’ny zavatra tena manan-danja amin’ny mandrakizay dia matetika mitranga nefa tsy hitan’izao tontolo izao loatra. Andriamanitra Ray anefa dia nahafantatra. Reny ny fitalahoan’ilay Zanany mahatoky hoe: “Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao. Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy” (Lioka 22:42–43). Na dia tsy teo aza isika hanatri-maso izany fihetsika tsy nisy fitiavan-tena sy feno fanoavana izany dia afaka ny ho vavolombelon’ny Sorompoanavotan’i Jesoa Kristy isika amin’ny lafiny iray. Isaky ny mibebaka sy mahazo famelan-keloka sy isaky ny mahatsapa ny hery mampatanjaky ny Mpamonjy isika dia afaka mijoro ho vavolombelon’ny zavatra niseho tao amin’ny Sahan’i Getsemane.

personal study icon

Hevitra ho an’ny fandalinana manokana ny soratra masina

Matio 26:17–30; Marka 14:12–26; Lioka 22:7–39

Ny fanasan’ny Tompo dia fahafahana iray hahatsiarovana ny Mpamonjy.

Inona no ataonao mba hahatsiarovana ireo olona izay nanan-danja teo amin’ny fiainanao? Rehefa nanolotra ny fanasan’ny Tompo tamin’ireo mpianany i Jesoa dia hoy Izy: “Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy” (Lioka 22:19; jereo ihany koa 3 Nefia 18:7). Amin’ny fomba ahoana ny mofo sy ny rano ary ireo singa hafa ao amin’io ôrdônansy io no manampy anao hahatsiaro Azy sy ny fijaliany? Eritrereto io fanontaniana io rehefa mamaky momba ny fanasan’ny Tompo voalohany ianao. Jereo ihany koa ireo fanitsiana hita ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina).

Makà fotoana fohy hisaintsainana ny zavatra iainanao mandritra ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro. Inona no azonao atao mba hahatonga izany ho manan-danja kokoa? Angamba azonao atao ny manoratra zavatra vitsivitsy izay tsapanao fa tokony ho tsaroanao momba ny Mpamonjy: ny fampianarany na ny fanehoany fitiavana na ny fotoana izay nahatsapanao ho tena akaiky Azy, na ireo fahotana sy aretina nentiny teo amin’ny toeranao.

Jereo ihany koa ny 3 Nefia 18:1–13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:76–79.

Matio 26:36–46; Marka 14:32–42; Lioka 22:40–46

Nijaly ho ahy tao Getsemane ny Mpamonjy.

Nanasa antsika ny Filoha Russell M. Nelson “[h]anokana fotoana hianarana ny momba ny Mpamonjy sy ny sorompanavotany” (“Misintona ny herin’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika,” Ensign na Liahona, mey 2017, 40).

Eritrereto ny zavatra ho ataonao mba hanarahana ny fanasan’ny Filoha Nelson. Azonao atomboka amin’ny fisaintsainana ombam-bavaka ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane izany, araka ny voafaritra ao amin’ireo andininy ireo, dia manoratra ireo fahatsapana sy fanontaniana izay tonga ao an-tsaina.

Mba hampalalina kokoa ny fandalinana momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany dia ezaho karohina ao amin’ny soratra masina hafa ny valin’ny fanontaniana tahaka ireto:

Eo am-pandalinanao ny zavatra nitranga tao Getsemane dia mety hahaliana ny mahafantatra fa i Getsemane dia sahana hazo oliva ary nahitana fipotserana oliva, nampiasaina mba hanorotoroana ny oliva sy hakana menaka izay ampiasaina amin’ny jiro sy ny sakafo ary ny fanasitranana ihany koa (jereo ny Lioka 10:34). Ny fampiasana zavatra mavesatra hakana menaka avy amin’ny oliva dia mety ho tandindon’ny fahotana sy ny aretina izay nentin’ny Mpamonjy ho antsika (jereo ny D. Todd Christofferson, “Hitoetra ao amin’ny fitiavako,” Ensign na Liahona, nôv. 2016, 50–51).

Marka 14:27–31, 66–72; Lioka 22:31–32

Ny fibebahana na ny fiovam-po dia dingana mitohy.

Eritrereto ny zavatra niainan’i Petera niaraka tamin’ny Mpamonjy, ireo fahagagana natrehiny maso sy ny fotopampianarana nianarany. Dia nahoana ny Mpamonjy no nilaza tamin’ny Petera hoe, “Rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao”? (Lioka 22:32; nampiana soramandry). Inona no fahasamihafana nampianarin’ny Loholona David A. Bednar eo amin’ny hoe fananana fijoroana ho vavolombelona sy ny hoe tena niova fo tanteraka? (jereo ny “Miova fo ho an’ny Tompo,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 106–9). Rehefa mamaky ny zavatra niainan’i Petera ao amin’ny Marka 14:27–31, 66–72 ianao dia eritrereto ny fiovam-ponao manokana. Inona no lesona azonao ianarana avy amin’i Petera? Eo am-panohizanao ny fandalinana ny Testamenta Vaovao dia inona no porofo hitanao mikasika ny fiovam-pon’i Petera sy ny ezaka nataony mba hankahery ny hafa? Inona no fiantraikan’ny fandraisana ny Fanahy Masina teo amin’ny fiovam-pony? (jereo ny Jaona 15:26–27; Asan’ny Apostoly 1:8; 2:1–4).

family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Rehefa manohy mamaky ny herinandro farany amin’ny fiainan’ny Mpamonjy miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia afaka manampy anao ny Fanahy hahafantatra ny fitsipika tokony hohamafisina sy horesahina mba hanomezana izay zavatra ilain’ny fianakavianao. Ireto misy sosokevitra vitsivitsy:

Matio 26:17–30; Marka 14:12–26; Lioka 22:7–39

Manao ahoana ny fiainan’ny fianakavianao ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro? Ny famakiana ny tantaran’ny fanasan’ny Tompo voalohany dia afaka manentana ny fanahy hanao fifanakalozan-kevitra momba ny maha-zava-dehibe ny fanasan’ny Tompo sy hahita fomba hahafahan’ny olona ao amin’ny fianakaviana manao ny fitsaohany ho zava-manan-danja kokoa. Asehoy ny sary Mizara ny Fanasan’ny Tompo (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 108) ary mifampizarà hevitra mikasika ny zavatra azonareo atao mialoha sy mandritra ary aorian’ny fanasan’ny Tompo.

Lioka 22:40–46

Rehefa mamaky ireo andininy ireo ny fianakavianao dia afaka mizara ny zavatra nianarany izy ireo tamin’ny nandalinany ireo soratra masina natolotra ao amin’ilay fizarana fandalinana manokana ny soratra masina hoe “Nijaly ho ahy tao Getsemane ny Mpamonjy.”

Lioka 22:50–51

Inona no ianarantsika momba an’i Jesoa avy amin’io zava-niseho io?

I Kristy manasitrana ny sofin’ny mpanompo

Aoka ihany na dia izao aza, nataon’i Walter Rane

Matio 26:36–46; Marka 14:32–42; Lioka 22:40–46

Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo?

Raha te hahita hevitra misimisy kokoa hampianarana ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—ho an’ny Kilonga.

Manatsara ny fandalinana manokana

Halalino ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôly amin’ny andro farany. Vakio ireo zavatra nampianarin’ireo mpaminany sy apôstôly amin’ny andro farany mikasika ireo fahamarinana hitanao ao amin’ny soratra masina. Ohatra, ao amin’ny Ensign or Liahona, misy ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany dia azonao karohina ny fanoroam-pejy araka ny lohahevitra hoe “Sorompanavotana” (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 21).

Kristy tao Getsemane

Tsy ny sitrapoko, fa ny Anao, nataon’i Walter Rane