Testamenta Vaovao 2023
Tovana: Manomana ny zanakao ho eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainana


“Tovana: Manomana ny zanakao ho eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2023)

“Tovana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023

Tovana

Manomana ny zanakao ho eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainana

Noho ny fitiavany anao sy ny fahatokisany anao ary ny fahafantarany ny hery anaty anananao, dia nomen’ Andriamanitra fahafahana ianao mba hanampy ny zanakao hiditra sy hivoatra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, ilay lalana mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28). Tafiditra ao anatin’izany ny fanampiana azy ireo hiomana hanao sy hitandrina fanekempihavanana toy ny fanekempihavana atao amin’ny batisa sy ireo fanekempihavanana atao any amin’ny tempoly. Hamatotra ny tenany amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy ny zanakao amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana ireo.

Maro ireo fomba hanomanana ny zanakao amin’io dia atao eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana io ary hanampy anao ny Ray any An-danitra mba hahita ny fomba tena tsara hanampiana azy ireo. Rehefa mikatsaka fitaomam-panahy ianao dia ataovy ao an-tsaina fa tsy mitranga mandritra ny fotoam-pampianarana lesona efa narindra daholo akory ny fianarana. Raha ny marina, anisan’ny mahatonga ny fianarana any an-tokantrano ho tena mahery vaika ny fianarana amin’ny alalan’ny ohatra sy amin’ny alalan’ireo fotoana kely sy tsotra, ilay karazany izay miseho ho azy ao anatin’ny fizotran’ny fiainana andavanandro. Ny fanarahana ny lalan’ny fanekempihavanana dia dingana arahina tsy tapaka sy mandritra ny fiainana, ary mitovy amin’izany koa ny fianarana momba ny lalan’ny fanekempihavanana. (Jereo ny “Tokantrano sy fianakaviana,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2022], 30–31.)

Sary
Reny miaraka amin’ny zanaka

Maro ireo fomba hanomanana ny zanakao hanao ny diany eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra.

Ireto ambany ireto misy hevitra vitsivitsy izay mety hitondra amin’ny fahazoana fanentanam-panahy bebe kokoa. Afaka mahita hevitra fanampiny momba ny fampianarana ankizy ao anatin’ny sokajin-taonan’ny Kilonga ianao ao amin’ny “Manomana ny zanaka mba ho eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainana” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana

Nampianatra i Nefia fa “ny vavahady izay tokony hidiran[tsika]” eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia “ny fibebahana sy ny batisa amin’ny rano” (2 Nefia 31:17). Ny ezaka ataonao mba hanampiana ny zanakao hiomana amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana dia afaka mametraka mafy tsara ny tongony eo amin’izany lalana izany. Ireo ezaka ireo dia manomboka amin’ny fampianarana momba ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana. Tafiditra ao anatin’izany koa ny fampianarana momba ny fomba hanavaozantsika ireo fanekempihavanan’ny batisa nataontsika amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro.

Ireto misy loharanom-panampiana sasantsasany izay afaka manampy anao: 2 Nefia 31; Sujets de l’Évangile, “Baptême,” topics.ChurchofJesusChrist.org.

  • Isaky ny miaina zavatra izay manamafy orina ny finoanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ianao dia zarao amin’ny zanakao izany. Ampio izy hahatakatra fa ny finoana dia zavatra afaka mihamafy orina hatrany mandritra ny fiainana. Inona avy ireo zavatra sasantsasany izay azon’ny zanakao atao mba hananana finoana mafy orina kokoa an’i Kristy mialoha ny hanaovana batisa azy?

  • Rehefa manao safidy ratsy ny zanakao dia miresaha amim-pifaliana mikasika ny fanomezana iray dia ny fibebahana izany. Ary rehefa manao safidy ratsy ianao dia zarao ilay fifaliana tonga rehefa mibebaka ianao. Mijoroa ho vavolombelona fa noho i Jesoa Kristy izay nijaly sy maty ho an’ny fahotantsika, dia nomeny hery mba hiovana isika. Rehefa mikatsaka famelana ny zanakao dia mamelà an-kalalahana sy amim-pifaliana.

  • Tantarao amin’ny zanakao ny momba ny batisanao. Mampisehoa sary ary mizarà fahatsiarovana. Zarao ny zavatra tsapanao, zarao ny fomba nanampian’ireo fanekempihavanan’ny batisa nataonao ho lasa nahafantatra kokoa an’i Jesoa Kristy, ary zarao ny fomba mbola hitahian’izany ny fiainanao. Amporisiho ny zanakao mba hametraka fanontaniana.

  • Rehefa misy olona hatao batisa ao amin’ny fianakavianao na ao amin’ny paroasinao dia ento ny zanakao hijery izany. Miaraha miresaka mikasika ny zavatra hitanareo sy tsapanareo. Raha azo atao dia miresaha amin’ilay olona natao batisa ary mametraha fanontaniana toy ity manaraka ity: “Ahoana no fomba nandraisanao ity fanapahan-kevitra ity? Ahoana ny fomba niomananao?

  • Isaky ny mahatsikaritra ny zanakao manao zavatra izay nampanantenainy fa hataony ianao dia dokafy izy ireo. Antitrantero fa ny fitandremana ireo fanolorantena natao dia manampy antsika hiomana mba hitandrina ireo fanekempihavanana izay ataontsika rehefa atao batisa isika. Inona no ampanantenaintsika an’ Andriamanitra rehefa atao batisa isika? Inona no ampanantenainy antsika? (jereo ny Môzià 18:8–10, 13).

  • Rehefa miara-miaina zavatra masina ianao sy ny zanakao (toy ny rehefa any am-piangonana, na rehefa mamaky soratra masina, na rehefa manompo ny hafa), dia lazao aminy ireo fahatsapana ara-panahy ao anatinao. Asao ny zanakao mba hizara ny zavatra tsapany. Diniho ireo fomba samihafa ahafahan’ny Fanahy miresaka amin’ny olona, ka tafididtra ao anatin’izany ny fomba iresahany aminao manokana. Ampio ny zanakao hahafantatra ireo fotoana izay mety iainany an’ilay fitarihan’ny Fanahy Masina.

  • Miresaha momba ireo fomba samihafa handrenesan’ireo mpanompon’ny Tompo ny feony. Asao ny zanakao hanao sary iray na hanao horonan-tsary iray izay maneho ny fomba handrenesany ny feon’ny Mpamonjy.

  • Resaho ny mikasika ireo fitahiana azonao rehefa lasa mpikambana tao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ianao. Ahoana ny fomba nahatonga anao ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa nanompo ny hafa sy notompoin’ny hafa ianao? Ampio ny zanakao hieriteritra ireo fomba hanompoana sy hampatanjahana ny hafa amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana.

  • Ataovy ho fotoana masina sy mahafaly ao amin’ny fianakavianao ny fanasan’ny Tompo. Ampio ny zanakao handrafitra fomba mba hifantohana amin’i Jesoa Kristy mandritra ny fanasan’ny Tompo. Ahoana no hanehoantsika fa masina amintsika ny fanasan’ny Tompo?

  • Matetika ny gazetiboky Namana dia ahitana lahatsoratra sy tantara ary sahanasa izay manampy ny ankizy hiomana amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Avelao ny zanakao hisafidy ny sasantsasany amin’izany mba hiarahany mamaky sy hiarahany mankafy aminao.

    Sary
    Ankizilahy iray atao batisa

    Nampianatra i Nefia fa “ny vavahady izay tokony hidiran[tsika]” eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia “ny fibebahana sy ny batisa amin’ny rano” (2 Nefia 31:17).

Fampianarana ny zanakao momba ny fisoronana.

Ny fisoronana dia ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra ka amin’ny alalan’izany no hitahiany ny zanany. Eto an-tany ny fisoronan’ Andriamanitra amin’izao fotoana izao ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra izay mitandrina ny fanekempihavanana nataony dia hanana ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra ao an-tokantranony mba hanamafy orina azy ireo sy ny fianakaviany (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 3.5, ChurchofJesusChrist.org). Hanampy ny mpikambana io hery io amin’ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana sy ny fianakaviany (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 2.2).

Mandray ireo ôrdônansy amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana isika. Rehefa manompo ao anatin’ny antsony ao amin’ny Fiangonana ny lehilahy sy ny vehivavy, dia tanterahin’izy ireo amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana izany, eo ambany fitarihan’ireo izay mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana. Ny zanak’ Andriamanitra rehetra, ireo zanakalahiny sy ireo zanakavaviny, dia ho voatahy rehefa lasa mahatakatra kokoa ny fisoronana.

Mba hianarana bebe kokoa momba ny fisoronana, dia jereo ny Russell M. Nelson, “Ireo harena ara-panahy,” Liahona, nôv. 2019, 76–79; Russell M. Nelson, “Ny saran’ny fananana herin’ny fisoronana,” Liahona, mey 2016, 66–69; “Ireo fitsipiky ny fisoronana,” toko 3 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

  • Ataovy ampahany mafy orina mandrafitra ny fiainam-pianakavianao ireo ôrdônansin’ny fisoronana. Ohatra, ampio ny zanakao hiomana ara-panahy ho amin’ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro. Amporisiho ny zanakao mba hangataka tsodranon’ny fisoronana rehefa marary izy na mila fampaherezana na mila fitarihana. Ataovy fahazarana ny mampisongadina ireo fomba hitahian’ny Tompo ny fianakavianao amin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana.

  • Rehefa miaraka mamaky ny soratra masina ianareo dia mitadiava fotoana ahafahana miresaka ny fomba hitahian’ Andriamanitra ny olona amin’ny alalan’ny heriny. Zarao ny zavatra niainanao manokana tao anatin’ny fotoana nitahian’ Andriamanitra anao tamin’ny alalan’ny fisoronany. Mba hahitana ireo karazana fitahiana izay azontsika avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fisoronana dia jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 3.2, 3.5.

  • Fantaro ny rohim-pahefan’ny fisoronan’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao. (Afaka mahazo tahadikan’ny rohim-pahefany ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka amin’ny alalan’ny fandefasana email any amin’ny LineofAuthority@ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny “Demande de ligne d’autorité de la prêtrise” ao amin’ny Centre d’aide ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.) Resaho ny antony maha-manan-danja ny fahafantarana fa ny fahefan’ny fisoronana dia avy amin’i Jesoa Kristy mihitsy. Nahoana no zarainy amintsika izany?

  • Ampianaro ny zanakao fa aorian’ny batisa dia afaka mandray ny herin’ny fisoronana izy amin’ny alalan’ny fitandremana ny fanekempihavanana natao tamin’ny batisa. Miaraha mamerina mamaky ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson “Ireo harena ara-panahy” (Liahona, nôv. 2019, 76–79). Lazao amin’ny zanakao ny fomba nitondran’ireo ôrdônansin’ny fisoronana ny herin’ Andriamanitra teo amin’ny fiainanao. Mba hahitana ny lisitry ny sasantsany amin’ireo fitahiana entin’ny herin’ny fisoronana ho antsika dia jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 3.5.

  • Ifanakalozy hevitra ilay fanontaniana hoe “Manao ahoana izany hoe mpanompon’ny Tompo izany?” Iaraho vakina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:36–42, ary mitadiava valiny ao anatin’izany. Isaky ny hitanao ny zanakao (na olona iray hafa) mampihatra ny iray amin’ireo fitsipika na toetra ao anatin’ireo andininy ireo dia asongadino izany.

  • Rehefa mampiasa fanalahidy mba hanokafana varavarana na mba hamelomana fiara ianao na ny zanakao dia makà fotoana mba hampitahana ireo fanalahidy ireo amin’ireo fanalahidy izay hazonin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana. (Mba hahitana ny famaritana ny atao hoe fanalahidin’ny fisoronana dia jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 3.4.1). Inona no “vahan’ny” fanalahidin’ny fisoronana na “velomin’ny” fanalahidin’ny fisoronana ho antsika? Jereo koa ny Gary E. Stevenson, “Aiza ny fanalahidy sy fahefan’ny Fisoronana?,” Liahona, mey 2016, 29–32 ChurchofJesusChrist.org.

  • Rehefa atokana amin’ny antso iray ianao dia asao ny zanakao mba hanatrika raha azo atao. Avelao ny zanakao hahita anao manatanteraka ny antsonao. Mety hitady izay fomba mety mihitsy aza ianao mba hahafahany manampy anao. Hazavao ny fomba fahatsapanao ny herin’ny Tompo ao amin’ny antsonao?

Fandehanana any amin’ny tempoly—Batisa sy fandraisana ho mpikambana ho an’ny maty

Ampahany iray ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany ny tempoly. Manao fanekempihavanana masina amin’ny Ray any An-danitra isika any amin’ny tempoly rehefa mandray anjara amin’ireo ôrdônansy masina, ary izy rehetra dia mampitodika antsika mankany amin’i Jesoa Kristy. Nanolotra fomba iray ho an’ireo zanany rehetra mba hanaovana fanekempihavanana sy handraisana anjara amin’ireo ôrdônansy Izy, ka tadifitra ao anatin’izany ireo izay tsy nandray azy ireo teto amin’ity fiainana ity. Raha vao migadona ilay taona izay maha-feno 12 taona azy, dia efa ampy taona mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana any amin’ny tempoly ho an’ireo razambe ny zanakao.

Mba hianarana bebe kokoa momba ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ho an’ny maty dia jereo ny “Ce qu’il faut savoir au sujet du baptême et de la confirmation par procuration,” temples.ChurchofJesusChrist.org.

  • Mankanesa matetika any amin’ny tempoly araka izay azonao atao. Resaho amin’ny zanakao ny antony handehananao any amin’ny tempoly sy ny fomba hanampian’izany anao mba hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Iaraho vakina ireo fanontaniana ho an’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ary mifanakaloza hevitra momba izany. Resaho amin’ny zanakao ny mikasika ny zavatra mitranga mandritra ny tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Zarao ny antony maha-manan-danja aminao ny fananana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.

  • Iaraho vakina ny Malakia 4:6. Resaho ny fomba ahafahan’ny fonareo hitodika any amin’ireo razambenareo. Fantaro bebe kokoa ny momba ny razambenareo amin’ny alalan’ny fiarahana mikaroka ny tantaram-pianakavianareo ao amin’ny FamilySearch.org. Tadiavo ireo razambe izay ilaina atao batisa sy raisina ho mpikambana. Afaka manampy anareo ny mpanorohevitra mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasy.

  • (Jereo koa ny “Préparer votre enfant pour les baptêmes et les confirmations au temple” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.)

Fandraisana ny tsodranon’ny patriarika

Ny tsodranon’ny patriarika dia afaka ny ho loharano hahazoana fitarihana sy fampaherezana ary fanentanam-panahy. Ahitana torohevitra manokana avy amin’ny Ray any An-danitra ho antsika izany ary manampy antsika mba hahatakatra ilay maha-izy antsika mandrakizay sy ny tanjontsika mandrakizay. Ampio ny zanakao mba hiomana handray ny tsodranon’ny patriarika amin’ny alalan’ny fampianarana azy ny maha-zava-dehibe sy ny maha-masina ny tsodranon’ny patriarika.

Mba hianarana misimisy kokoa dia jereo ny Sujets de l’Évangile, “Bénédictions patriarcales,” topics.ChurchofJesusChrist.org.

  • Zarao amin’ny zanakao ny zavatra niainanao tamin’ny nandraisana ny tsodranon’ny patriarika. Azonao atao ny mizara zavatra toy ny hoe ny fomba niomananao handray izany, ny fomba nanampian’izany anao mba hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra ary ny fomba fampiasanao izany eo amin’ny fiainanao. Azonao atao koa ny manasa ny zanakao mba hiresaka amin’ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana izay efa nandray ny tsodranon’ny patriarika.

  • Manokàna fotoana hiarahana mamaky ny sasany amin’ireo loharanom-pahalalana ao amin’ny Sujets de l’Évangile, “Bénédictions patriarcales.” Mba hahafantarana ny momba ny dingana arahina amin’ny fandraisana tsodranon’ny patriarika dia jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 18.17.

  • Raha toa ka manana razambe izay nandray tsodranon’ny patriarika ianao dia mety hanentana ny fanahy ny fiarahana mamaky amin’ny zanakao ny sasany amin’izany. Raha hangataka ireo tsodranon’ireo razambe dia midira ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, tsindrio ny marika famantarana ny kaonty eny amin’ny zorony ambony havanana eny amin’ny efijery ary safidio ny “Bénédiction patriarcale.”

  • Rehefa avy nandray ny tsodranon’ny patriarika ny zanakao dia asao izay olona tao amin’ny fianakaviana nanatrika izany mba hirakitra an-tsoratra ny zavatra tsapan’izy ireo ary hizara izany amin’ny zanakao.

Fandehanana any amin’ny tempoly—ny fanafiana masina

Te hanafy na hanome “hery avy any ambony” ny zanany rehetra Andriamanitra (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:8). Mandeha any amin’ny tempoly isika mba handray indray mandeha ihany ny fanafiana masina antsika, saingy ireo fanekempihavanana ataontsika amin’ Andriamanitra sy ny hery ara-panahy omeny antsika izay ampahany mandrafitra ny fanafiana masina dia afaka mitahy antsika isan’andro eo amin’ny fiainantsika.

Mba hianarana bebe kokoa momba ny fanafiana masina any amin’ny tempoly dia jereo ny “La dotation,” temples.ChurchofJesusChrist.org; (Russell M. Nelson, “Miomana handray ireo fitahian’ny Tempoly,” Liahona,, ôkt. 2010, 47.)

  • Asio sarin’ny tempoly ao an-tokantranonareo. Lazao amin’ny zanakao ny momba ny zavatra tsapa any amin’ny tempoly. Resaho matetika ny momba ny fitiavanao ny Tompo sy ny tranony ary ireo fanekempihavanana nataonao tany.

  • Miaraha mitrandraka ny temples.ChurchofJesusChrist.org. Miaraha mamaky lahatsoratra toy ny “La dotation” sy ny “Se préparer à aller au temple.” Avelao ny zanakao hametraka fanontaniana izay mety ananany momba ny tempoly. Mba hahazoana fitarihana mikasika ny zavatra azonao resahina any ivelan’ny tempoly, dia jereo ny hafatry ny Loholona David A. Bednar “Vonona hahazo ny zavatra rehetra ilaina” (Liahona, mey 2019, 101–4; jereo indrindra indrindra ilay fizarana mitondra ny lohateny hoe “Fianarana izay manome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana sy ny fiomanana ho any amin’ny tempoly”).

  • Rehefa mandray anjara amina ôrdônansy hafa na manatrika ny fanatanterahana izany ianao sy ny zanakao (toy ny fanasan’ny Tompo na ny fanomezana tsodrano mba ho sitrana), dia makà fotoana hifampiresahana ny tandindona fonosin’ilay ôrdônansy. Maneho inona ireo tandindona ireo? Ahoana no ijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy? Afaka manampy ny zanakao izany mba hiomana hisaintsaina ny dikany ara-tandindona fonosin’ireo ôrdônansin’ny tempoly, izay mijoro ho vavolombelona koa momba an’i Jesoa Kristy.

  • Ampio ny zanakao mba hahita ny fomba itandremany ny fanekempihavanana atao amin’ny batisa izay voafaritra ao amin’ny Môzià 18:8–10, 13. Ampio koa ny zanakao mba hahita ny fomba itahian’ny Tompo azy. Hamafiso ny fahatokian-tenan’ny zanakao eo amin’ny fahafahany mitandrina fanekempihavanana.

  • Resaho an-kalalahana sy matetika ny fomba hitarihan’ireo fanekempihavanan’ny tempoly ny safidinao sy hanampian’izany anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Azonao ampiasaina ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 27.2, mba hijerena ireo fanekempihavanana ataontsika any amin’ny tempoly.

Fanaovana asa fitoriana ny filazantsara

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny hany zavatra tokana tena manan-danja azonao atao mba hiomanana amin’ny antso mba hanompo, dia ny fahatongavana ho misiônera mialoha lavitra ny handehananao hanao asa fitoriana. … Tsy ny fandehanana manao asa fitoriana no olana fa ilay hoe lasa misiônera sy manompo mandritra ny fiainantsika iray manontolo amin’ny fo, ny hery, ny saina, ary ny tanjatsika rehetra. … Miomana ny hanao asa fitoriana mandritra ny androm-piainana ianao” (“Becoming a Missionary,” Liahona, Nov. 2005, 45–46). Ny zavatra iainan’ny zanakao rehefa lasa misiônera izy dia hitahy azy mandrakizay, fa tsy hoe mandritra ilay fotoana hanompoany amin’ny maha-misiônera azy fotsiny.

Mba hianarana bebe kokoa dia jereo ny Russell M. Nelson, “Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana,” Liahona, mey 2022, 6–7; M. Russell Ballard, “Nanova mandrakizay ny fiainako ny nanaovako asa fitoriana,” Liahona, mey 2022, 8–10 ChurchofJesusChrist.org.

  • Asehoy ny fomba fizarana ny filazantsara amin’ny fomba tsotra. Mahaiza mamantatra ireo fotoana ahafahana mizara amin’ny hafa ny zavatra tsapanao momba ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ary ireo fitahiana voarainao amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonany anao. Asao ny hafa mba hiaraka amin’ny fianakavianao hanao fiaraha-mientana misy ifandraisany amin’ny Fiangonana sy amin’ny fianakaviana.

  • Mitadiava fomba ahafahan’ny fianakavianao mifandray amin’ny misiônera. Asao izy ireo mba hampianatra ny namanao na manomeza fahafahana azy ireo mba hitondra olona hampianarina ao an-tranonao. Anontanio ny misiônera ny traikefa azon’izy ireo sy ny fomba anampian’ny asa fanompoana eo amin’ny asa fitoriana azy ireo mba hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Anontanio azy ireo koa ny zavatra nataon’izy ireo (na nirin’izy ireo mba ho natao) hiomanana ho misiônera.

  • Raha nanao asa fitoriana ianao, dia resaho an-kalalahana sy matetika ny momba ireo traikefa azonao. Na manasà namana na olona ao amin’ny fianakaviana izay nanao asa fitoriana mba hiresaka momba ny traikefa azon’izy ireo. Azonao atao koa ny miresaka momba ireo fomba nizaranao ny filazantsara tamin’ny hafa nandritra ny fiainanao. Ampio ny zanakao hieritreritra fomba ahafahany mizara ny filazantsara.

  • Omeo fahafahana ny zanakao hampianatra ny fianakaviana ireo fitsipiky ny filazantsara. Afaka manao fanazaran-tena mizara amin’ny hafa ireo zavatra inoany koa ny zanakao. Ohatra, azonareo ifanakalozana hevitra ny fanontaniana toy ny hoe “Ahoana no hampahafantarantsika ny momba ny Bokin’i Môrmôna amin’ny olona iray izay mbola tsy nandre velively izany?” na “Ahoana no hanazavantsika ny filana ny Mpamonjy amin’ny olona iray izay tsy Kristianina?”

  • Ampio ny zanakao mba hahazo aina rehefa miresaka aman’olona. Inona avy ireo fomba tsara sasantsasany hanombohana resaka? Amporisiho ny zanakao mba hianatra ny fomba hihainoana ny hafa sy hahatakarana ny ao am-pon’izy ireo ary hizarana fahamarinan’ny filazantsara izay afaka mitahy ny fiainan’izy ireo.

  • Mitadiava fomba ahafahan’ny zanakao mianatra momba ireo kolontsaina sy finoana hafa. Ampio izy hahita sy hanaja ireo fitsipika tsara sy marina ao anatin’ireo zavatra inoan’ny hafa.

Fandehanana any amin’ny tempoly—Famehezana

Afaka ny hivady mandrakizay mpivady any amin’ny tempoly. Izany dia mitranga ao anatin’ilay ôrdônansy iray antsoina hoe famehezana. Na dia mety mbola afaka taona maro dia maro aza ny hanaovan’ny zanakao lahy na vavy izany ôrdônansy izany dia hanampy azy ireo hiomana amin’io fitahiana mahatalanjona io ny fiarahanareo manao zavatra kely sy tsotra ary tsy tapaka mandritra ireo taona ireo.

topics.ChurchofJesusChrist.org.

  • Iaraho vakina ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Inona no ampianarin’io fanambarana io momba ny fifaliana eo anivon’ny fianakaviana sy momba ny fanambadiana mahomby? Safidio miaraka amin’ny zanakao ny iray amin’ireo fitsipika voatanisa ao amin’ilay fanambarana mba hohalalinina. Afaka mijery soratra masina mifandray amin’izany fitsipika izany ianareo ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina. Afaka mametraka tanjona koa ianareo mba hampihatra bebe kokoa izany fitsipika izany ao amin’ny fianakavianareo. Eo am-panatratrarana ny tanjonareo dia miaraha mifanakalo hevitra momba ny fiantraikan’ny fiainana izany fitsipika izany eo amin’ny fiainam-pianakaviana.

  • Iaraho mamaky amin’ny zanakao ilay hafatry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe “Ho fiderana ireo izay manavotra” (Liahona, mey 2016, 77–80). Rehefa tonga eo amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Fiaraha-monin’ny zavatra ariana rehefa tsy ilaina intsony” ianao, dia afaka mitady ireo zavatra ao an-tranonao izay azo ariana ary ireo zavatra hafa tsy azo ariana. Resaho ny fomba hikolokoloana zavatra amin’ny fomba hafa rehefa tianao haharitra ela izany. Inona no aroson’izany mikasika ny fomba tokony hitondrantsika ny fanambadiantsika sy ny fifandraisantsika eo anivon’ny fianakaviana? Inona koa ny zavatra hafa ianarantsika avy amin’ny hafatry ny Filoha Uchtdorf mikasika ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika mba hanorenana fanambadiana sy fianakaviana mafy orina?

  • Raha manambady ianao dia zarao an-kalalahana amin’ny zanakao ireo zavatra tsapanao fa ataonareo tsara amin’ny maha-mpivady anareo, sy ireo zavatra ianaranareo, ary ireo fomba ezahinareo atao mba hivoarana. Raha toa ianao sy ny vadinao ka efa voafehy tany amin’ny tempoly dia asehoy amin’ny zanakao amin’ny alalan’ny ohatra ny fiezahanao mba hitandrina ireo fanekempihavanana nifanaovanareo tamin’ny Tompo. Lazao amin’ny zanakao ny fomba ataonareo mba hiezahana eo amin’ny fanaovana ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ho ivon’ny fifandraisanareo ary ny fomba hanampiany anareo.

  • Raha misy fanapahan-kevitra avy amin’ny fianakaviana tokony hatao dia manaova filankevitry ny mpianakavy sy fifanakalozan-kevitra. Ataovy izay hahenoana sy hanomezana lanja ireo hevitry ny olona rehetra ao amin’ny fianakaviana. Ampiasao ireo fifanakalozan-kevitra ireo mba ho fotoana iray ahafahana mampiseho fifampiresahana mahasoa sy hatsaram-panahy ao anatin’ny fifandraisan’ny fianakaviana, na dia tsy mitovy aza ny fomba fijerin’ny olona rehetra.

  • Rehefa misy tsy fifankahazoan-kevitra na fifandirana ao amin’ny fianakaviana, dia mampisehoa faharetana sy fangorahana. Ampio ny zanakao mba hahita fa ny fiatrehana ny fifandirana amin’ny fomba tahaka ny an’i Kristy dia afaka manampy azy hiomana amin’ny fanambadiana sambatra. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121: 41– 42, ary resaho ny fomba ahafahana mampihatra ireo fitsipika ao amin’ireo andininy ireo eo amin’ny fanambadiana.

Hamoaka printy