Testamenta Vaovao 2023
25–31 desambra. Apokalypsy 15–22: “Izay maharesy dia handova [ny zava-drehetra]”


“25–31 desambra. Apokalypsy 15–22: -Izay maharesy dia handova [ny zava-drehetra],-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“25–31 desambra. Apokalypsy 15–22,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
I Jesoa Kristy miarahaba olona amin’ny Fiaviany fanindroany

The City Eternal [Ilay tanàna mandrakizay], nataon’i Keith Larson

25–31 desambra

Apokalypsy 15–22

“Izay maharesy no handova [ny zava-drehetra]”

Indraindray ny sakana lehibe indrindra amin’ny fianarana dia ny fiheverantsika fa tsy mila mianatra isika, fa hoe efa mahay isika. Eo am-pamakianao ny soratra masina dia manàna fahavononana handray ireo hevi-baovao izay tian’ny Tompo omena.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Mety tadidinao fa ny bokin’ny Apokalypsy dia manomboka amin’ny Mpamonjy nanambara ny Tenany hoe “Izaho no Alfa sy Omega” (fiandohana sy fiafarana (Apokalypsy 1:8). Tena mifanaraka amin’izany tokoa ny teny mamarana ilay boky, manao hoe: “Izaho … no fiandohana sy fiafarana” (Apokalypsy 22:13). Saingy inona no hevitr’izany? Fiandohana sy fiafaran’inona? Ny bokin’ny Apokalypsy dia mijoro ho vavolombelona amin’ny fomba mahery vaika fa i Jesoa Kristy no fiandohana sy fiafaran’ny zava-drehetra—ny amin’ny fisiana sy ny famonjena ny olombelona izay lehibe sy mampitolagaga. Izy no ilay “Zanak’ondry, izay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao” (Apokalypsy 13:8). Ary Izy no ilay Mpanjakan’ny mpanjaka izay hamarana ny faharatsiam-panahy, ny alahelo, ary na dia ny fahafatesana mihitsy aza, ka hampisy “lanitra vaovao sy tany vaovao” (Apokalypsy 21:1).

Kanefa mialoha ny hahatongavan’io lanitra sy tany vaovao io dia mbola betsaka ny zavatra tokony horesentsika: aretina, ady, faharatsiana miely patrana—ka izany rehetra izany dia fariparitan’ny Apokalypsy mazava tsara. Fa i Jesoa Kristy dia miaraka amintsika mandritra izany fotoan-tsarotra izany koa. Izy no “Kintana mamirapiratra fitarika andro” izay mamirapiratra ao amin’ny haizina toy ny fampanantenana fa ho avy tsy ho ela ny mangiran-dratsy (Apokalypsy 22:16). Ary dia efa akaiky tokoa izany. Efa ho avy Izy. Tahaka ny hanasany antsika mihitsy hoe “Mankanesa aty Amiko” (Matio 11:28), Izy ihany koa dia tonga aty amintsika. “Avy faingana Aho,” hoy ny nambarany. Ka miaraka amin’ny fanantenana sy finoana izay nodiovina tao amin’ireo afon’ny fisedrana amin’izao andro farany izao, dia hamaly isika hoe, “Avia, Jesosy Tompo” (Apokalypsy 22:20).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Apokalypsy 16–18; 21–22

Manasa ahy handositra an’i Babylona ny Tompo ka handova ilay “tanàna masina.”

Rehefa avy nahita maso ny fandravana sy ny loza amin’ny andro farany i Jaona dia nahita andro iray amin’ny hoavy izay azo fintinina amin’ny fanambaran’ny Tompo manao hoe “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra” (Apokalypsy 21:5). Fomba iray hahatakarana ny dikan’izany ny fampitahana ny famariparitan’i Jaona an’i Babylona, izay tandindon’izao tontolo izao sy ny faharatsiana (jereo ny Apokalypsy 16–18), amin’ny famariparitany ny Jerosalema vaovao, izay tandindon’ny voninahitr’ Andriamanitra eo anatrehan’ Andriamanitra (jereo ny Apokalypsy 21–22). Ny tabilao etsy ambany dia mety hanampy anao:

Babylona

Jerosalema vaovao

Babylona

Apokalypsy 16:3–6

Jerosalema vaovao

Apokalypsy 21:6; 22:1–2, 17

Babylona

Apokalypsy 16:10; 18:23

Jerosalema vaovao

Apokalypsy 21:23–24; 22:5

Babylona

Apokalypsy 17:1–5

Jerosalema vaovao

Apokalypsy 21:2

Babylona

Apokalypsy 18:11, 15

Jerosalema vaovao

Apokalypsy 21:4

Babylona

Apokalypsy 18:12–14

Jerosalema vaovao

Apokalypsy 21:18–21; 22:1–2

Inona ihany koa no fahasamihafana hitanao?

Azonao saintsainina ihany koa ny dikan’ny hoe “mialà amin[’i]” Babylona ianareo (Apokalypsy 18:4). Inona no hitanao ao amin’ny Apokalypsy 21–22 ka manentana anao hanao izany?

Sary
I Jesoa miaraka amin’ny olona ao anaty fahazavana eo amin’ny ankavanany ary olona ao anaty haizina eo amin’ny ankaviany

The Last Judgement [Ny Fitsarana farany], nataon’i John Scott

Apokalypsy 20:12–15; 21:1–4

Ireo zanak’ Andriamanitra rehetra dia hotsaraina avy amin’ny bokin’ny fiainana.

Ataovy hoe manolo-tena ny hanoratra boky momba ny fiainanao ny mpanoratra iray. Inona avy ireo antsipirian-javatra na zavatra niainana tianao hampidirina ao amin’izany? Raha nahalala ianao fa horaketina ihany koa ny zavatra ho ataonao amin’ny hoavy dia ahoana no hanovanao ny fomba hitondranao ny fiainanao? Eritrereto izany eo am-pamakianao ny Apokalypsy 20:12–15. Inona no zavatra antenainao fa ho voasoratra momba anao ao amin’ny bokin’ny fiainana? Ahoana no hamariparitanao ny anjara asan’ny Mpamonjy ao amin’ny bokin’ny fiainanao? Araka ny hevitrao, nahoana no zava-dehibe ny hoe “bokin’ny fiainana izay an’ny Zanakondry” no anaran’ilay boky? (Apokalypsy 21:27).

Raha toa ka tsy mampahazo aina anao ny mieritreritra ilay hoe hijoro eo anatrehan’ Andriamanitra mba hotsaraina, dia vakio ny Apokalypsy 21:1–4. Raha niresaka momba ireo andinin-tsorara masina ireo ny Loholona Dieter F. Uchtdorf, dia hoy izy hoe:

“Ho andron’ny famindram-po sy ny fitiavana izany Andro Fitsarana izany—andro hanasitranana ny fo torotoro, fotoana hanoloana ny ranomason’alahelo amin’ny ranomasom-pankasitrahana, fotoana izay hanovana ny zavatra rehetra ho tsara. Eny, hisy alahelo lehibe vokatry ny fahotana. Eny, hisy ny fanenenana ary hisy toloko mihitsy aza noho ireo fahadisoantsika, ny hadalantsika, ary ny hamafisan-katotsika izay nahatonga antsika tsy nanana fahafahana hanana hoavy tsara lavitra kokoa.

“Kanefa mahatoky aho fa tsy ho afa-po fotsiny amin’ny fitsaran’ Andriamanitra isika; fa ho talanjona sy ho difotry ny fahasoavany, ny famindram-pony, ny fahalalahan-tanany, ary ny fitiavany antsika zanany izay tsy manam-petra ihany koa” (“Ô Endrey ny halehiben’ny drafitry ny Andriamanitsika!,” Liahona, nôv. 2016, 21).

Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba fijerinao ny Fitsarana farany? Manentana anao hanova inona eo amin’ny fiainanao ireo fahamarinana ireo?

Jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Bokin’ny fiainana.”

Apokalypsy 22:18–19

Midika ve ireo andininy ireo fa tsy afaka ny hisy soratra masina fanampiny intsony ankoatra ny Baiboly?

Ny olona sasany dia mampiasa ny Apokalypsy 22:18–19 ho antony handavana ny Bokin’i Môrmôna sy ny soratra masina hafa an’ny andro farany. Afaka mahita fomba hamaliana izany fandavana izany ianao ao amin’ny hafatry ny Loholona Jeffrey R. Holland manao hoe “Ny teniko … tsy hitsahatra” (Liahona, May 2008, 91–94).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Apokalypsy 15:2–4.Rehefa mifanakalo hevitra momba ireo andininy ireo ny fianakavianao, izay miresaka ny “fihiran’i Mosesy” sy ny “fihiran’ny Zanak’ondry,” dia azonao atao ny mamaky ny fihiran’i Mosesy ao amin’ny Eksodosy 15:1–19, ary koa fihirana hafa voatonona ao amin’ny soratra masina, toy ny Fotopampianarana sy Fanekempihanana 84:98–102. Fa nahoana ireo izay “[h]aharesy ka afaka [a]min’ny bibi-dia” (Apokalypsy 15:2) no hahatsiaro ho te hihira fihirana toy ireo? Azon’ny fianakavianao atao tsara ny mihira fihirana na hiran’ny ankizy entina midera.

Apokalypsy 19:7–9.Azonareo atao tsara ny mijery sary tamin’ny fanambadiana avy amin’ny tantaram-pianakavianao na miresaka momba ny fotoana iray nanatrehan’ny fianakavianao lanonam-panambadiana. Nahoana ny fanambadiana no fanoharana tena mety hampitahana ny fanekempihavanan’ny Tompo amin’ny Fiangonany? (Jereo koa ny Matio 22:1–14.)

Apokalypsy 20:2–3.Ahoana no anampian’ny 1 Nefia 22:26 antsika mba hahatakatra ny mety ho dikan’ny hoe “tsy [h]anam-pahefana” i Satana?

Apokalypsy 22:1–4.Inona no mety ho dikan’ny hoe manana ny anaran’ny Mpamonjy misoritra eo amin’ny “handrin[tsika]”? (Apokalypsy 22:4; jereo ihany koa ny Eksodosy 28:36–38; Môzià 5:7–9; Almà 5:14; Môrônia 4:3; Fotopampianarana sy Fanekempihanana 109:22; David A. Bednar, “Hitondra anarana iray amim-pahamendrehana ary mitoetra,” Liahona, mey 2009, 97–100).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Raha ho avy indray Kristy,” Bokin-kiran’ny ankizy,, 46–47.

Manatsara ny fampianarantsika

Tohizo ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ny fanasana mba hanao asa. “Rehefa manohy ny fanaraha-maso mikasika ny fanasana iray mba handray andraikitra ianao, dia mampiseho amin’ny [olona ao amin’ny fianakavianao] fa miraharaha azy ireo sy miraharaha izay fitahiana entin’ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo. Manome azy ireo fahafahana hizara ny zavatra niainany koa ianao,” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy35).

Sary
I Jesoa Kristy mitaingina soavaly avy any an-danitra amin’ny Fiaviany fanindroany

I Kristy manao akanjo mena mipetraka eo ambony soavaly fotsy.

Hamoaka printy