Testamenta Vaovao 2023
18–24 desambra. Krismasy: “Teny soa mahafaly”


“18–24 desambra. Krismasy: -Teny soa mahafaly,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“18–24 desambra. Krismasy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Zazakely vao teraka

Little Lamb [Zanak’ondry], nataon’i Jenedy Paige

18–24 desambra

Krismasy

“Teny soa mahafaly”

Diniho hoe ahoana no ahafahan’nyfisaintsainana ny fahaterahana sy ny iraka nampanaovina ny Mpamonjy manampy hitondra fanahin’ny fiadanana sy fahamasinana ho an’ny vanimpotoan’ny Krismasy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Nahoana ny fahaterahan’ny zaza iray no mitondra fifaliana lehibe toy izany? Angamba satria ny zaza vao teraka dia afaka ny ho tandindon’ny fanantenana. Misy zavatra mikasika ny fiainana iray vaovao feno lalana misokatra izay mitarika antsika handinika ny zavatra mety ho atolotry ny fiainana an’ilay zaza amin’ny ho avy sy ny zavatra mahatalanjona ho vitany. Tsy mbola nisy fotoana naha-tena marina izany mihoatra noho ny tamin’ny nahaterahan’ilay Zanak’ Andriamanitra, dia i Jesoa Kristy. Tsy mbola nisy zaza nametrahana fanantenana mihoatra noho Izy, ary tsy mbola nisy olona nateraka niaraka tamin’ny fampanantenana betsaka toa Azy.

Rehefa nanasa ireo mpiandry ondry mba hitady zazakely iray vao teraka tao amin’ny fihinanam-bilona iray ny anjely anankiray dia nanome azy ireo hafatra momba izany zaza izany ihany koa izy. Hafatra feno fanantenana izany, fa hoe io zazakely io dia tonga teto an-tany mba hanatanteraka asa masina. “Nampiely [ny hafatr’izy ireo ny mpiandry ondry] … ary izay rehetra nandre dia gaga tamin’izay zavatra nolazain’ny mpiandry ondry taminy. Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony” (Lioka 2:17–19). Mety ho tsara angamba ny manaraka ny ohatr’i Maria amin’ity Krismasy ity: dia ny mieritreritra ao am-ponao ireo zavatra izay nianaranao momba ny Mpamonjy tamin’ity taona ity. Ahoana no nanatanterahany ny asa fanavotana izay nampanaovina Azy ao amin’ireo tantara izay novakinao? Ary manan-danja kokoa noho izany, ahoana no nanovan’ny iraka nampanaovina Azy ny fiainanao? Avy eo ianao dia mety hahatsiaro ho entanim-panahy hanaraka ny ohatr’ireo mpiandry ondry: dia ny hoe ahoana no ahafahanao “[m]ampiely” ny zavatra izay nataon’i Jesoa Kristy ho anao?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Matio 1:18–25; 2:1–12; Lioka 1:26–38; 2:1–20

Nanaiky ny hidina ambany i Jesoa Kristy, ho teraka ety anivontsika ety ambonin’ny tany.

Na dia efa im-betsaka aza ianao teo aloha no namaky sy naheno ny tantaran’ny fahaterahan’i Jesoa Kristy, amin’ity indray mitoraka ity dia halalino izany miaraka amin’izao eritreritra izao ao an-tsaina: “Ny Krismasy dia tsy hoe fankalazana ny fomba nahatongavan’i Jesoa Kristy teto amin’izao tontolo izao fotsiny fa mikasika ny fahafantarana ihany koa hoe iza Izy—dia i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika—ary inona no antony nahatongavany” (Craig C. Christensen, “The Fulness of the Story of Christmas” [Fivoriam-bavaky ny Krismasy an’ny Fiadidiana Voalohany, 4 des. 2016], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

Inona no fantatrao momba ny hoe Iza i Jesoa Kristy talohan’ny nahaterahany? (jereo, ohatra ny, Jaona 17:5; Môzià 3:5; Fotopampianarana sy Fanekempihanana 76:13–14, 20–24; Mosesy 4:2). Inona no fiantraikan’io fahalalana io amin’ny zavatra tsapanao rehefa mamaky momba ny fahaterahany ianao?

Inona no fantatrao momba ny antony nahatongavan’i Jesoa Kristy tety an-tany? (jereo ohatra ny Lioka 4:16–21; Jaona 3:16–17; 3 Nefia 27:13–16; Fotopampianarana sy Fanekempihanana 20:20–28). Inona no fiantraikan’io fahalalana io amin’ny zavatra tsapanao momba ny Mpamonjy? Inona no fiantraikan’izany amin’ny fomba fiainanao?

Jereo ihany koa ny 2 Korintiana 8:9; Hebreo 2:7–18; 1 Nefia 11:13–33; Almà 7:10–13; “La Nativité” (horonan-tsary), ChurchofJesusChrist.org.

1 Korintiana 15:21–26; Kolosiana 1:12–22; 1 Petera 2:21–25

Nanatanteraka ny asa nanirahana Azy i Jesoa Kristy ary nanome fahafahana ahy handova ny fiainana mandrakizay.

Na dia maro aza ireo fahagagana nitranga nanodidina ny tantaran’ny fahaterahan’i Kristy, dia ho fahaterahana sahala amin’ny fahaterahana rehetra ny fahaterahany raha tsy noho ilay asa lehibe izay notanterahiny tany aoriana teo amin’ny fiainany. Araka ny nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Ho zaza hafa toy ny rehetra i Jesoa zazakely avy tao Betlehema raha tsy nisy Ilay Kristy Mpanavotra tao Getsemane sy tao Kalvary ary ilay Fitsanganana amin’ny maty feno fandresena” (“The Wondrous and True Story of Christma,” Ensign, Dec. 2000, 5).

Sary
I Jesoa mandohalika ao amin’ny Sahan’i Getsemane

Gethsemane [Getsemane], nataon’i J. Kirk Richards

Ahitana porofon’ny asa masina nanirahana ny Mpamonjy sy ny fitiavany mahery vaika tsapany ho an’ny hafa manerana ny Testamenta Vaovao. Inona no andinin-tsoratra masina na tantara tonga ao an-tsainao? Azonao atao ny mamaky indray io loharanom-pitaovana io na ny diary fandalinanao ka mamerina mijery ny zavatra sasany tsapanao izay noraketinao. Azonao atao ihany koa ny mamaky ny 1 Korintiana 15:21–26; Kolosiana 1:12–22; 1 Petera 2:21–25 ary saintsaino ny fomba nitahian’ny Mpamonjy sy ny asany ny fiainanao. Inona no tsapanao fa tokony hovainao amin’ny fiainanao? Ahoana no hampiasanao ny herin’ny Mpamonjy?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Matio 1:18–25; 2:1–12; Lioka 1:26–38; 2:1–20.Ahoana no ahafahanao mankalaza ny fahaterahan’i Jesoa Kristy miaraka amin’ny fianakavianao? Ireto misy sosokevitra vitsivitsy, na afaka mampiasa ny anao manokana ianao:

  • Miaraka mamaky na milalao an-tsehatra ny ampahany amin’ny tantaran’ny Fahaterahana.

  • Mijere fampaherezam-panahin’ny Krismasy atolotry ny Fiadidiana Voalohany (broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

  • Miaraha mihira fihirana momba ny Krismasy, na misafidiana mpifanolo-bodirindrina na namana hovangiana dia mihirà ho azy ireo (jereo ny Cantiques, nos. 123–37).

  • Manaova asa fanompoana.

  • Mangataha olona ao amin’ny fianakaviana mba hijery antsipirian-javatra ao amin’ny tantaran’ny Fahaterahana izay manome hevitra azy ireo momba ny zavatra fandravahana na fanaingoana azon’izy ireo amboarina mba hampahatsiahy azy ireo an’i Jesoa Kristy.

1 Korintiana 15:21–26; Kolosiana 1:12–22; 1 Petera 2:21–25.Nahoana isika no feno fankasitrahana fa teraka i Jesoa Kristy? Inona no fanomezana izay nomeny antsika? Ahoana no anehoantsika Azy ny fankasitrahantsika? Azon’ny fianakavianao atao ny mihira hira iray izay mampianatra ny iraka nampanaovina Azy, toy ny “Nalefany ny Zanany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 20).

Ilay Kristy Velona: Ny Tenivavolombelon’ny Apôstôly.”Raha te hanampy ny fianakavianao hifantoka amin’ny Mpamonjy mandritra ny vanim-potoan’ny Krismasy ianao dia angamba azonareo atao ny maka fotoana mamaky sy mandalina ny “Ilay Kristy Velona: Ny Tenivavolombelon’ny Apôstôly” (ChurchofJesusChrist.org). Mety hanao tsianjery ampahany ao amin’ “Ilay Kristy Velona” ianareo na hitady famaritana ny fiainan’ny Mpamonjy ao amin’ny Testamenta Vaovao izay manohana ireo teny nambara ao anatiny. Azonao asaina ihany koa ny tsirairay ao amin’ny fianakavianao mba hanoratra ny fijoarana ho vavolombelona manokana ananany momba an’i Jesoa Kristy sy hamaky izany amin’ny fianakaviana raha mahatsapa ho voataona hanao izany.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Tao an-tranon’omby kely,” Bokin-kiran’ny ankizy, 25.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mitadiava an’i Jesoa Kristy. Mampianatra antsika ny soratra masina fa ny zavatra rehetra dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy (jereo ny Mosesy 6:62–63), koa tokony hitady Azy isika amin’ny zavatra rehetra. Eo am-pamakianao ny soratra masina dia asio fanamarihana ireo andininy izay mampianatra anao momba Azy. Makà fotoana amin’ireo andro mialoha ny Krismasy mba hitadiavana zavatra mombamomba anao izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Sary
I Maria sy i Josefa ary ireo mpiandry ondry manodidina an’i Jesoa.

The Nativity [Ny Fahaterahan’i Jesoa Kristy], nataon’i Brian Call

Hamoaka printy