Testamenta Vaovao 2023
4–10 desambra. Apokalypsy 1–5: “Ho an’ny Zanak’ondry anie … ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay”


“4–10 desambra. Apokalypsy 1–5: -Ho an’ny Zanak’ondry anie … ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“4–10 desambra. Apokalypsy 1–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Zanak’ondry mipetraka eo amin’ny ahi-maitso

4–10 desambra

Apokalypsy 1–5

“Ho an’ny Zanak’ondry anie … ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay”

Hevero ny hanoratana ireo fanontanina anananao momba ny zavatra vakinao ao amin’ny Apokalypsy. Afaka mikaroka ireo valim-panontanianao ianao na miresaka momba izany amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na any amin’ny kilasinao any am-piangonana.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Efa nisy fotoana ve ianao nanana olana tamin’ny filazana amin’ny hafa ny zavatra tsapanao nandritra ny zavatra niainana ara-panahy nahery vaika iray? Mety tsy hahavita manoritsoritra ny fahatsapana ara-panahy ny fiteny andavanandro. Izany angamba no antony nahatonga an’i Jaona nampiasa tandindona sy sary maro mba entina hanazavana ny fahitana lehibe hitany. Afaka nilaza tsotra fotsiny izy fa nahita an’i Jesoa Kristy, fa mba hanampiana antsika hahatakatra ny zavatra niainany, dia nofaritany tamin’ny fampiasana teny toy izao manaraka izao ny Mpamonjy: “ny masony tahaka ny lelafo,” “nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany,” ary “ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin’ny heriny” (Apokalypsy 1:14–16). Eo am-pamakianao ny bokin’ny Apokalypsy dia ezaho tadiavina ny hafatra tian’i Jaona hianaranao sy ho tsapanao, na dia tsy azonao aza ny dikan’ny tandindona tsirairay. Inona no mety antony nahatonga azy hampitaha ny Fiangonana tamin’ny fanaovan-jiro, sy i Satana tamin’ny dragona ary i Jesoa Kristy tamin’ny zanak’ondry? Raha ny tena marina dia tsy mila mahatakatra ny tandindona tsirairay ao amin’ny Apokalypsy ianao vao hahatakatra ireo foto-kevitra lehibe ao anatiny, tafiditra ao anatin’izany ilay lohahevitra manan-danja indrindra ao anatiny manao hoe: Handresy ny firenen’ny olona sy ny an’i Satana i Jesoa Kristy sy ny mpanaradia Azy.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Ny fahitana hitan’i Jaona dia mampianatra mikasika ny drafitry ny Ray any An-danitra hamonjena ireo zanany.

Ny bokin’ny Apokalypsy dia mety ho sarotra takarina, saingy aza kivy amin’izany. Mety hanampy anao hiezaka foana ny fampanantenan’i Jaona hoe: “Sambatra ireo izay mamaky sy ireo izay mihaino ary mahazo ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina ireo zavatra izay voasoratra ao, fa ny fotoan’ny fiavian’ny Tompo dia manakaiky” (Dikantenin’i Joseph Smith Translation, Apokalypsy 1:3 ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina], nampiana fanamafisana).

Fomba iray handalinana ny Apokalypsy ny mitady ny zavatra ifandraisan’izany amin’ny drafitry ny famonjena. Afaka hanampy anao ireto topimaso ankapobeny ireto:

  • Ny toko 5 sy 12 dia mitantara zavatra nitranga tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.

  • Ny toko 6–11, 13–14, 16–19 dia manoritsoritra ny fiainana an-tany sy ireo zava-mitranga eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao.

  • Ny toko 2–3, 15, 20–22 dia manoritsoritra ny Fitsarana farany sy ny voninahitra miandry ireo mahatoky.

Rehefa mamaky ianao dia manontania tena hoe: “Inona no ampianarin’izany ahy momba ny drafitr’ Andriamanitra? Inona no nataon’ Andriamanitra mba hanampiana ahy handresy ny ratsy sy hiverina any Aminy? Inona no fampanantenana nataony tamin’ireo mahatoky?

Mety hanampy ihany koa ny mahalala fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77 dia manazava ny sasany amin’ireo tandindona ampiasaina ao amin’ny Apokalypsy. Ankoatra izay dia manazava andinin-tsoratra masina maro ao amin’ny Apokalypsy ny Dikantenin’i Joseph Smith, ka noho izany dia jereo matetika ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Jaona,” “Fanambaran’i Jaona.”

Apokalypsy 1

I Jesoa Kristy no Zanakalahy Velon’ilay Andriamanitra Velona.

Ny toko voalohany ao amin’ny Apokalypsy dia mitantara ny fisehoan’i Jesoa Kristy tamin’i Jaona tao anaty fahitana. Azonao atao angamba ny manao lisitra ny zavatra rehetra lazain’io toko io momba an’i Jesoa Kristy, tafiditra ao anatin’izany ny hoe iza Izy, inona no ataony ho antsika, ary toy ny ahoana Izy.

Ho azo avy amina tandindona ny sasany amin’ireo zavatra ianaranao. Saintsaino ny zavatra mety ezahin’ny Tompo ampianarina anao momba ny tenany amin’ny alalan’ireo tandindona ireo. Ohatra hoe, jereo fa miantso ny tenany hoe “Alfa sy Omega” sy “voalohany sy farany” ny Mpamonjy. Araka ny eritreritrao dia nahoana no manan-danja ireo anarana fiantsoana ireo? Inona no ampianarin’ireo anarana fiantsoana ireo anao momba ny Mpamonjy?

Apokalypsy 2–3

Mahafantatra ahy manokana i Jesoa Kristy ary hanampy ahy handresy ireo olako Izy.

Ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Apokalypsy 2–3 dia manambara fa fantany ireo fahombiazana sy olana manokan’ny sampana tsirairay ao amin’ny Fiangonana tamin’ny andron’i Jaona. Nidera ny ezaka nataon’ireo Olomasina Izy ary nampitandrina azy ireo tamin’ireo zavatra nilainy novaina ihany koa. Inona no ianaranao avy amin’ny fiderana sy ny fampitandremana nataon’ny Mpamonjy?

Ny Mpamonjy dia mahatakatra ihany koa ny fahombiazanao sy ny adinao, ary te hanampy anao Izy. Mariho ireo fampanantenana miverimberina atolony an’ireo izay mivoaka ho mpandresy. Inona no manaitra anao mikasika ireo fampanantenana ireo? Inona no mety ho tian’ny Tompo horesenao? Inona no azonao atao mba hahazoana ny fanampiany?

Apokalypsy 4–5

I Jesoa Kristy irery ihany no afaka manao izay hahatanteraka ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Inona no nianaranao momba ny Ray any An-danitra ao amin’ny Apokalypsy 4 sy momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Apokalypsy 5? Diniho hoe mety ho toy ny ahoana ny tamin’ilay fotoana izay nahafantarantsika rehetra fa i Jesoa Kristy (ilay “Zanak’ondry”) no hanao izay ahafahana manatanteraka ny drafitry ny Ray any An-danitra (afaka “[n]anokatra ny boky sy [n]amaha ny tombo-kaseny fito” ny Mpamonjy [Apokalypsy 5:5]). Nahoana no i Jesoa Kristy irery ihany no afaka nanao izany? Ahoana no ahafahanao maneho ny finoana Azy ho Mpamonjy anao?

Jereo koa ny Joba 38:4–7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:1–7.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Apokalypsy 1:20.Nahoana i Jesoa no nampitaha ny Fiangonany tamin’ny fanaovan-jiro? (jereo ny Matio 5:14–16). Mihirà hira mikasika ny fomba ahafahantsika mitovy amin’ny jiro na fanaovan-jiro, toy ny “Mamiràta” (Bokin-kiran’ny ankizy, 96).

Apokalypsy 2–3.Ataovy hoe nangatahina hitondra hafatra ho an’ny fianakavianao mitovy amin’ireo izay nomeny an’ireo fiangonana tamin’ny androny i Jaona. Inona no ho lazainy fa mandeha tsara? Amin’ny fomba ahoana no mety hivoaranareo?

Apokalypsy 3:15–16.Rehefa avy mamaky ireo andininy ireo, dia afaka misotro zavatra matimaty izay tsara kokoa raha ohanina mafana na mangatsiaka ny fianakavianao. Inona no dikan’izany hoe matimaty ara-panahy izany?

Apokalypsy 3:20.Asehoy ilay sarin’ny Mpamonjy mandom-baravarana (jereo any amin’ny faran’ity rindran-damina ity) rehefa mamaky ny Apokalypsy 3:20 ny fianakavianao. Nahoana i Jesoa no mandondona fa tsy tonga dia miditra? Afaka mifandimby mandondona varavarana iray ny olona ao amin’ny fianakaviana. Avy eo dia afaka mandroso sosokevitra ny olona iray ao amin’ny fianakaviana mikasika ny fomba iray ahafahantsika “mamoha ny varavarana” ho an’ny Mpamonjy ary mamela ilay olona ao amin’ny fianakaviana mba hiditra. Inona no mety ho tsapa raha hoe ao an-tranontsika ny Mpamonjy?

Apokalypsy 4:10–11.Inona no dikan’ny hoe mitsaoka ny Ray any An-danitra? Inona no fantatsika momba Azy ka mahatonga antsika maniry ny hitsaoka Azy?

Apokalypsy 5:6, 12–13.Nahoana i Jesoa Kristy no antsoina hoe ny “Zanak’ondry”? Inona no ampianarin’io anarana fiantsoana io antsika momba Azy?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Jésus, né bien humblement,” Cantiques, no. 96.

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny fametrahana fanontaniana. Ny fanontaniana dia famantarana iray fa vonona ny hianatra ny fianakavianao ary maneho ny fandraisany ny zavatra ampianarina azy ireo. Ampianaro ny fianakavianao ny fomba fitadiavana valiny ao amin’ny soratra masina. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25–26.)

Sary
I Kristy mandondòna varavarana

Let Him In [Avelao Izy hiditra], nataon’i Greg K. Olsen

Hamoaka printy