Testamenta Vaovao 2023
4–10 desambra. Apokalypsy 1–5: “Ho an’ny Zanak’ondry anie … ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay”


“4–10 desambra. Apokalypsy 1–5: -Ho an’ny Zanak’ondry anie … ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2021)

“4–10 desambra. Apokalypsy 1–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Zanak’ondry mipetraka eo amin’ny bozaka

4–10 desambra

Apokalypsy 1–5

“Ho an’ny Zanak’ondry anie … ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay”

Mety ho sarotra amin’ny ankizy ny mahatakatra ny bokin’ny Apokalypsy kanefa mirakitra fotopampianarana kanto sy tsotra ihany koa izany.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra mety ho tsapany raha nahita an’i Jesoa Kristy tamin’ny fahitana izy ireo. Angataho izy ireo hizara izay zavatra fantatr’izy ireo momba ny fahitana hitan’i Jaona momba an’i Jesoa ao amin’ny Apokalypsy.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Apokalypsy 1:20

Afaka mampamiratra ny hazavan’ny Mpamonjy aho.

Ao amin’ny Apokalypsy 1:20 ny Mpamonjy dia mampitaha ny Fiangonany amin’ny fanaovan-jiro (tavin-jiro). Ampio ny ankizy hahatakatra fa afaka mampamiratra ny fahazavan’ny Mpamonjy izy ireo amin’ny alalan’ny fiainana ireo fampianarany.

Atrikasa azo atao

  • Ampisehoy sarina karazana zavatra mamoaka hazavana toy ny ampola, labozia, sy masoandro ny ankizy. Rehefa mamaky ilay hoe “Ny fanaovan-jiro fito [izay hitanao] dia fiangonana fito” (Apokalypsy 1:20), dia asao ny ankizy hanondro ilay sarina fahazavana izay voalaza ao amin’io andininy io. Ampio ny ankizy hifanakalo hevitra ny amin’ny fomba ahafahantsika, amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa antsika, ho toy ny fahazavan’ny labozia, ohatra hoe rehefa manao zavatra tsara ho an’ny hafa isika.

  • Mihirà hira iray momba ny fanaovana ny tena ho fahazavana ho an’ny hafa, toy ny “Tian’i Jesoa mba hazava aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 38). Mizarà fomba izay hitanao fa nataon’ny ankizy tamin’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy zavatra nataony mba ho fahazavana ho an’ireo manodidina azy ireo. Lazao fa ny hoe fahazavana ho an’ny hafa dia nanampy anao hahatsapa akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Apokalypsy 3:20

Afaka manasa an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainako aho.

Ny fanoharana ny amin’i Jesoa mijoro eo am-baravarana sy mandondòna dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra fa i Jesoa dia te hanakaiky azy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Rehefa mamaky ny Apokalypsy 3:20 ianao dia asehoy ilay sarin’ny Mpamonjy eo am-baravarana avy amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Asaivo maka sary an-tsaina ireo ankizy hoe mandondòna ao am-baravaran’ny tranon’izy ireo i Jesoa. Avelao izy ireo hiresaka ny amin’ny zavatra ho ataony.

  • Asao ny ankizy mba hitantara aminao momba ireo fotoana izay nanirian’izy ireo mba hisy olona hamangy ny tokantranon’izy ireo, olona izay tsy andriny izay hahitana azy. Ohatra ny ahoana izany hoe miandry izany olona izany handondòna ao am-baravarana? Dia ahoana raha tsy avelantsika hiditra mihitsy ilay olona? Vakio ny Apokalypsy 3:20, ary avelao ireo ankizy hifandimby hitazona ny sarin’i Jesoa ary hanao mody mandondòna ao am-baravarana. Afaka mody mamoha ny varavarana ireo mpianatra hafa. Inona no azontsika atao mba hamelana an’i Jesoa ho eo akaikintsika, eny na dia tsy afaka mahita Azy aza isika?

Apokalypsy 5:1–10

I Jesoa Kristy no ilay hany mendrika ny ho Mpamonjy ahy.

Nianaran’i Jaona avy amin’ny fahitana azony fa i Jesoa Kristy irery ihany (izay oharina amin’ny zanak’ondry) no afaka ny ho Mpamonjy antsika sy hanatanteraka ny drafitry ny Ray (izay oharina amin’ilay boky voaisy tombo-kase).

Atrikasa azo atao

  • Mialoha ny fotoam-pianarana dia fonosy ny tahadika-na Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, mampiasà taratasy na kofehy. Ampiasao ireo andian-teny manan-danja hita ao amin’ny Apokalypsy 5:1–10 mba hilazalazana ilay fahitana nananan’i Jaona. Asehoy ireo ankizy ilay boky, ary lazao azy ireo fa ny hany fomba hanokafana ilay boky dia ny mitady ilay sarin’i Jesoa izay nafeninao tao amin’ny efitrano fianarana. Rehefa hitan’izy ireo ilay sary dia sokafy ilay boky ary ampisehoy ny ankizy ny sasany amin’ireo sary ao amin’ilay boky izay maneho ireo fitahiana azontsika noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (toy ny tempoly, batisa, ary fianakaviana). Mijoroa ho vavolombelona fa ny Mpamonjy no hany afaka mahatonga ireo zavatra ireo ho azo tanterahina.

  • Fintino ilay fahitana voalaza ao amin’ny Apokalypsy 5:1–10, ary asao ny ankizy hanao fihetsika mifanaraka amin’ny fahatsapan’i Jaona sy ireo hafa nandritra ireo ampahany samihafa tao amin’ilay fahitana. Ohatra, azon’izy ireo atao ny mody mitomany rehefa tsy misy olona afaka manokatra ilay boky, na afaka mihorakora-pifaliana izy ireo rehefa nanokatra izany ny Mpamonjy.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Apokalypsy 3:5, 12–21

Raha manolo-tena amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy aho dia handray fitahiana lehibe any an-danitra.

Midika inona aminao izany hoe “matimaty [ … ] ka tsy mafana na mangatsika” izany? Diniho ireo fomba ahafahanao manampy ny ankizy mba ho tsy ho matimaty, fa ho mavitrika amin’ny fanoloran-tenan’izy ireo amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany.

Atrikasa azo atao

  • Iaraho mamaky ny Apokalypsy 3:5, 12, 21, ary hazavao ireo teny izay mety tsy ho fantatry ny ankizy. Inona no dikan’ny hoe “maharesy”? Asao ireo ankizy hanao sarin’ny iray amin’ireo fitahiana nampanantenaina ao amin’ireo andininy ireo sy hizara izany amin’ny iray kilasy.

  • Iaraho mamaky ny Apokalypsy 3:15–16. Asao ny ankizy hiresaka momba ireo zavatra izay ilaina indrindra na tsara hohanina rehefa mafana (toy ny lasopy) na mangatsika (toy ny gilasy). Nahoana ny hoe matimaty no manakana antsika tsy handray ireo fitahiana nampanantenaina ao amin’ny andininy 5, 12, sy 21?

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe matimaty, miaraka amin’ny teny mitovy aminy, toy ny hoe miroa fo, tsy miraharaha, na tsy mivaky loha. Ampiasao ireo teny ireo hanampiana ny ankizy hahatakatra ny antony tsy itiavan’ny Tompo antsika ho matimaty. Inona no teny azontsika eritreretina mba hamaritana ny toetra tiany ananantsika? Zarao ny antony anirianao ny mba ho manolo-tena tanteraka amin’ny Mpamonjy ary asao ny ankizy hizara ny heviny ihany koa.

Apokalypsy 3:20

Afaka misafidy ny hamela an’i Jesoa Kristy ho ao amin’ny fiainako aho.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hanokatra ny fo sy ny fiainan’izy ireo amin’ny hery sy fitaoman’i Jesoa Kristy?

Atrikasa azo atao

  • Rehefa mamaky ny Apokalypsy 3:20 ianao dia asehoy ilay sarin’ny Mpamonjy eo am-baravarana avy amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Mba hanampiana ny ankizy hamoaka hevitra manan-danja amin’izy ireo avy amin’ilay sary, dia asao izy ireo hiasa tsiroaroa mba hamaly ny fanontaniana toy izao: Araka ny hevitrao, nahoana i Jesoa no mandondòna eo amin’ilay varavarana? Nahoana ilay famohana trano no tsy eo ivelan’ilay varavarana? Inona no dikan’ny hoe mamela an’i Jesoa hiditra eo amin’ny fiainantsika?

  • Asaivo manoratra eny amin’ny solaitrabe ny fomba samihafa “hanokafana ny varavarana” ho an’i Jesoa ireo ankizy. Isan’ireo ohatra ny hoe, manompo ny hafa, mamaky soratra masina, mitandrina ireo fanekempihavanana ataontsika amin’ny batisa, sy ny mandray ny fanasan’ny Tompo.

Apokalypsy 5:1–10

I Jesoa Kristy no ilay hany mendrika ny ho Mpamonjy ahy.

Ilay fahitana voalaza ao amin’ny Apokalypsy 5 dia nampianatra fa i Jesoa Kristy irery ihany no mendrika sy afaka ny hanatanteraka ny Sorompanavotana ary hanavotra antsika amin’ny fahotantsika.

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy mba hitantara momba ny fotoana iray izay nilavan’izy ireo olona iray hanao zavatra izay tsy vitan’izy ireo ny manao azy. Angataho izy ireo hamaky ny Apokalypsy 5:1–10 sy hitady ny zavatra tsy maintsy natao ka olona iray ihany no afaka manao azy (hazavao fa ny Zanak’ondry dia i Jesoa Kristy ary ilay boky dia maneho ny drafitr’ Andriamanitra). Inona no zavatra nataon’i Jesoa ho antsika izay tsy misy olona hafa afaka manao azy?

  • Asaivo mitady fihirana iray na hiran’ny ankizy iray izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny ankizy. Inona no ampianarin’ny tonon’ilay hira momba an’i Jesoa Kristy? Ahoana no mety hahatonga io hira io ho toy ilay hira fiderana nohiraina momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Apokalypsy 5:9–10?

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hizara amin’ny fianakaviany ireo fomba ahafahany manasa ny fitaoman’ny Mpamonjy ho ao an-tokantranon’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny fanehoam-panajana. Lafiny iray manan-danja ao anatin’ny fanehoana fanajana ny fieritreretana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mampahatsiahy ny ankizy mba haneho fanajana am-pahanginana amin’ny alalan’ny fihirana moramora na any anaty ny hira iray na amin’ny alalan’ny fijerena ny sarin’i Jesoa anankiray.

Hamoaka printy