Testamenta Vaovao 2023
27 nôvambra–3 desambra. 1–3 Jaona; Joda: “Andriamanitra dia fitiavana”


“27 nôvambra–3 desambra. 1–3 Jaona; Joda: -Andriamanitra dia fitiavana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2021)

“27 nôvambra–3 desambra. 1–3 Jaona; Joda,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
I Jesoa Kristy mitsiky sy miara-mipetraka amin’ny zazakely mitsiky

Perfect love [Fitiavana lavorary], nataon’i Del Parson

27 nôvambra–3 desambra

1–3 Jaona; Joda

“Andriamanitra dia fitiavana”

Ny Epistilin’i Jaona sy ny Joda dia mampianatra momba ny fitiavana sy ny fahazavan’ny Ray any An-danitra. Rehefa mandalina ianao amin’ity herinandro ity, dia saintsaino ny antony ilan’ireo ankizy mpianatrao ny fahazavany sy ny fitiavany eo amin’ny fiainan’izy ireo. Tsarovy ny mijery ireo atrikasa rehetra ato amin’ity rindran-damina ity, fa tsy ireo izay voatanisa eo ambanin’ny sokajin-taona ampianarinao fotsiny.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ireo ankizy hizara ny fomba nahatsapan’izy ireo ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa na ny antony iheveran’izy ireo fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia toy ny fahazavana ho antsika.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

1 Jaona 1:5–7; 2:8–11

Mitondra fahazavana eo amin’ny fiainako ny fanarahako an’i Jesoa.

Nanoratra momba ny fahazavana i Jaona mba hampianarana momba ny fiantraikan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika. Diniho ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hianatra momba ny fahazavana omen’ Izy Ireo.

Atrikasa azo atao

  • Angataho ny ankizy mba hilaza zavatra izay mamoaka hazavana. Resaho amin’izy ireo ny amin’ireo tombontsoan’ny fahazavana, toy ny hoe manampy ny voly mba haniry, mamela antsika mba hahita, ary manome hafanàna. Mba hahatakarana ny fomba itondran’i Jesoa Kristy fahazavana ho antsika dia azon’izy ireo hatao ny mifandimby mitsilo amin’ny hazavana sary iray ahitana an’i Jesoa Kristy sady miteny hoe: “Andriamanitra dia mazava” (1 Jaona 1:5). Mijoroa ho vavolombelona fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia afaka mitondra fahazavana eo amin’ny fiainantsika rehefa miezaka ny manaraka izay lazain’ Izy Ireo isika.

  • Asao ny ankizy hifandimby hihazona sarina takamoa (ampola) na labozia iray. Rehefa mihazona ilay sary ny ankizy tsirairay dia ampio izy hieritreritra fomba iray ahafahantsika mitondra ny fahazavan’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika.

1 Jaona 4:10–11, 20–21

Mampiseho ny fitiavako ny Ray any An-danitra aho rehefa mampiseho fitiavana ny hafa.

Ampio ireo ankizy hahita ny fifandraisana misy eo amin’ny fitiavana tsapan’izy ireo ho an’ny Ray any An-danitra sy ny fitiavana izay asehon’izy ireo ho an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra.

Atrikasa azo atao

  • Vakio amin’ireo ankizy ny 1 Jaona 4:11 ary manaova hira momba ny fitiavan’ Andriamanitra, toy ny “Tia ahy ny Raiko any An-danitra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 16). Angataho ny ankizy vitsivitsy mba hizara ny fomba ahafantaran’izy ireo fa tia azy ireo ny Ray any An-danitra. Aorian’ny valin-teny tsirairay, dia asao ireo ankizy hamihina ny tenany ary hiteny hoe: “Andriamanitra dia fitiavana, ary tia ahy Andriamanitra.”

  • Vakio amin’ireo ankizy ny 1 Jaona 4:21. Asao izy ireo hizara na hanao fihetsika maneho ireo fomba isan-karazany izay ahafahan’izy ireo mampiseho fitiavana ho an’ny namana iray, toy ny hoe mamihina na manamboatra karatra misy sary. Inona no fahatsapana aterak’ireo zavatra ireo amin’ireo namantsika? Inona no zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra rehefa manao zavatra feno hatsaram-panahy amin’ny hafa isika?

1 Jaona 2:3–5; 5:3

Maneho ny fitiavako an’ Andriamanitra aho rehefa mitandrina ny didiny.

Nampianatra i Jaona fa “tsy mavesatra ny [didin’ Andriamanitra]” (1 Jaona 5:3). Fa fomba iray hanehoana fitiavana Azy kosa ny fanarahana ny didiny.

Atrikasa azo atao

  • Vakio ny 1 Jaona 5:3, ary asaivo henoin’ireo ankizy ny zavatra lazain’io andininy io momba ny fomba ahafahantsika mampiseho fa tiantsika Andriamanitra. Asao ny ankizy mba hilaza didy faran’izay betsaka fantatr’izy ireo. Inona no tsapantsika rehefa mankatò ny didin’ Andriamanitra isika?

  • Asao ny ankizy hanao sary maneho fomba iray ahafahan’izy ireo mampiseho ny Ray any An-danitra fa tia Azy izy ireo. Ohatra, azon’izy ireo atao ny manao ny sarin’ny tenany eo am-pankatoavana ny iray amin’ireo didy.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny fankatoavana, toy ny “Fidio ny tsara” (Bokin-kiran’ny ankizy, 82–83). Inona no tsapantsika rehefa mankatò isika?

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

1 Jaona 2:8–11; 4:7–8, 20–21

Mampiseho ny fitiavako ny Ray any An-danitra aho rehefa mampiseho fitiavana ny hafa.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra fa tafiditra ao anatin’ny fitiavana an’ Andriamanitra ny fitiavana ireo izay manodidina antsika, eny fa na ireo olona izay mety ho samy hafa amintsika na olona sarotra tiavina aza?

Atrikasa azo atao

  • Angataho ny ankizy mba haka sary an-tsaina hoe misy olona vaovao miditra mianatra ao amin’ny sekoly na paroasy misy azy ireo ary tsy mbola mahafantatra na iza na iza ao mihitsy izy io. Ahoana no mety ho fahatsapan’io olona io? Asao ny ankizy iray hamaky ny 1 Jaona 4:7–8. Inona no lazain’io andininy io mikasika ny fomba tokony hitondrantsika io olona io? Mizarà trangan-javatra mitovitovy amin’izany, na asaivo eritreretin’ireo ankizy ny toe-javatra izay mety hananan’izy ireo fahafahana hampiseho fitiavana.

  • Asaivo vakin’ireo ankizy ny 1 Jaona 4:7–8, 20–21, ary asao izy ireo hanoratra tsirairay avy fehezan-teny iray izay mamintina ny lesona eritreretiny fa manan-danja indrindra ao amin’ireo andininy ireo. Aorian’ny fizaran’izy ireo ny fehezan-teniny dia mizarà tantara iray teo amin’ny fiainanao na avy ao amin’ny gazetiboky Namana na Liahona izay tsapanao fa maneho ny zavatra ampianarin’ ireo andininy ireo (jereo, ohatra ny “Dis bonjour à Halim!,” Liahona, jona 2019, F18–F19). Asao ireo ankizy hizara ny ohatr’izy ireo manokana. Ahoana no ahafahantsika maneho fitiavana ny olona manodidina antsika?

1 Jaona 2:3–6; 4:17–18; 5:2–5

Maneho ny fitiavako an’ Andriamanitra aho rehefa mitandrina ny didiny.

Afaka ny ho mora kokoa ny mankatò ireo didy rehefa takatsika ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny 1 Jaona 5:3. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahita fa ireo didy dia tsy enta-mavesatra fa fahafahana kosa maneho ny fitiavany an’ Andriamanitra?

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy mba hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo fomba ahafahan’izy ireo mampiseho amin’ Andriamanitra fa tia Azy izy ireo. Avy eo dia iaraho mamaky ny 1 Jaona 2:5–6; 5:2–5 mba hahazoana hevitra fanampiny. Ny fankatoavana ireo didy dia mampiseho fa tiantsika ny Ray any An-danitra. Amin’ny fomba ahoana?

Sary
Fianakaviana iray mandohalika mivavaka

Ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra dia manampy antsika handresy izao tontolo izao.

  • Vakio ny 1 Jaona 4:17, ary hazavao amin’ireo ankizy fa ny hoe “[manana] fahasahiana amin’ny andro fitsarana” dia midika hoe manana fahatokian-tena sy fiadanana rehefa mijoro eo anoloan’ Andriamanitra mba hotsaraina. Inona no zavatra ampianarin’io andininy io izay ilaintsika ny manao azy mba hananantsika fahatokiana? Inona ireo zavatra sasantsasany izay azontsika atao mba hanana fahatokian-tena eo anoloan’ Andriamanitra?

Joda 1:18–22

Afaka ny ho mahatoky aho na dia ihomehezan’ny hafa aza.

Noho isika mpianatr’i Jesoa Kristy dia ihomehezan’ny hafa indraindray isika noho ny amin’ireo zavatra inoantsika na ny fomba fiainantsika. Ireo andininy ireo dia ahitana ny torohevitr’i Joda momba ny fomba hijanonana ho mahatoky ao anatin’ny toe-javatra tahak’izany.

Atrikasa azo atao

  • Angataho ny ankizy hizara momba ny fotoana iray nihomehezan’ny hafa ny tenany na ny olona iray fantany satria tsara ny zavatra nataon’izy ireo. Asao ny ankizy hamaky ny Joda 1:18–22 sy hitady ny fomba ahafahantsika mijanona ho mahatoky rehefa misy manaraby na mihomehy antsika. Soraty eo amin’ny solaitrabe ny zavatra hitan’izy ireo, ary mifanakaloza hevitra momba ny fomba izay ahafahan’izy ireo manaraka io torohevitra io.

  • Fintino ny nofin’i Lehia (jereo ny 1 Nefia 8:1–35) ka asaivo mamaky ireo andininy ao amin’ny 1 Nefia 8:26–28,33 ny ankizy vitsivitsy. Mifanakaloza hevitra momba ny fomba hitovian’ireo olona ao amin’ilay trano mijoalajoala sy malalaka amin’ireo izay mpaniratsira izay resahan’i Joda. Inona no azontsika atao mba tsy ho voataonan’ireo izay mihomehy antsika na tsy manaiky ny zavatra inoantsika? (jereo ny 1 Nefia 8:30, 33).

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ireo ankizy hanao drafitra mba hanao zavatra iray entiny hizarana ny fahazavany amin’ny fianakaviany.

Manatsara ny fampianarantsika

Mavitrika ny ankizy. Indraindray mety hahatsapa ianao fa ny fihetsiketsehan’ny ankizy dia midika hoe tsy fahalianana amin’ny fianarana. Kanefa afaka manorina zavatra amin’ny alalan’ny toetran’izy ireo tia mihetsiketsika ianao amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hanao fihetsika na hanao sary na hihira momba ny fitsipiky ny filazantsara iray. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25–26

Hamoaka printy