Testamenta Vaovao 2023
25–31 desambra. Apokalypsy 15–22: “Izay maharesy dia handova ny zava-drehetra”


“25–31 desambra. Apokalypsy 15–22: -Izay maharesy dia handova ny zava-drehetra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2021)

“25–31 desambra. Apokalypsy 15–22,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Jesoa Kristy miarahaba olona amin’ny Fiaviany Fanindroany

The City Eternal [Ilay tanàna mandrakizay], nataon’i Keith Larson

25–31 desambra

Apokalypsy 15–22

“Izay maharesy no handova izany zavatra izany”

Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia diniho ny zavatra niainanao manokana na niaraka tamin’ny fianakavianao rehefa nandalina ny Apokalypsy 15–22. Inona no zavatra nanaitra anao? Inona ireo fahatsapana tonga taminao? Tsarovy fa ireo atrikasa aroso ato amin’ity rindran-damina ity dia azo ampifanarahana amin’ny sokajin-taonan’ny ankizy rehetra.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny ankizy mba hizara ny antony hanirian’izy ireo hiaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra indray. Ampio izy ireo mandritra ny lesona manontolo mba hitady ireo zavatra azon’izy ireo atao mba hiomanany hiverina any Aminy indray.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Apokalypsy 15:2–4

Afaka midera an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny hira aho.

Ireo Olomasina nofaritan’i Jaona ao amin’ny Apokalypsy 15:2–4 dia nihira fiderana ho an’ Andriamanitra noho ny hatsarany. Inona avy ireo hiram-piderana izay afaka manampy ny ankizy haneho ny fitiavany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Atrikasa azo atao

  • Rehefa mamaky amin’ny feo mafy ny sasany amin’ny Apokalypsy 15:2–4 ianao dia angataho ny ankizy hanao fihetsika mody mitendry lokanga na mitarika amboaram-peo. Inona no tsapantsika rehefa mihira momba an’i Jesoa isika?

  • Angataho ny ankizy hizara ny sasany amin’ireo hira tian’izy ireo indrindra momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Miaraha mihira hira vitsivitsy avy eo, ary ampio ireo ankizy hahatakatra ny zavatra ampianarin’ireo hira ireo antsika momba an’i Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy.

Apokalypsy 19:7

Afaka miomana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany aho rehefa misafidy ny tsara.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra fa ny Fiaviana Fanindroany dia ho trangan-javatra mahafaly ho antsika raha toa isika manaraka ireo didin’i Jesoa?

Atrikasa azo atao

  • Anontanio ireo ankizy raha efa namonjy mariazy izy ireo. Nanao ahoana izany? Nahoana ny olona manatrika mariazy no faly? Asehoy ilay sarin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany ao anatin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ary vakio ny Apokalyspy 19:7. Hazavao fa ny “fampakaram-badin’ny Zanak’ondry” dia maneho ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Nahoana isika no faly rehefa tonga indray ny Mpamonjy? Ampio ireo ankizy hampitaha ny fifaliana tsapa mandritra ny mariazy amin’ny fifaliana amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy.

  • Zarao amin’ireo ankizy ny antony hiandrandranao ny Fiavian’i Jesoa Fanindroany? Azonareo atao ny miara-mihira hira iray momba ny Fiaviana fanindroany, toy ny “Raha ho avy indray Kristy,” (Bokin-kiran’ny ankizy, 46).

  • Asao ny ankizy hizara ny zavatra ataony mba ho vonona handeha hiangona rehefa alahady. Nahoana isika no manao ireo zavatra ireo alohan’ny handehanana hiangona? Nahoana isika no tokony hiomana ho amin’ny Fiavian’i Kristy Fanindroany? Asaivo ataon’ireo ankizy sary ao amin’ny pejin’ny atrikasa ho an’ity herinandro ity ny zavatra azon’izy ireo atao mba hiomanana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany.

Apokalypsy 21:1, 3–4, 22–27; 22:1–2

Tian’ny Ray any An-danitra hiaina hiaraka Aminy any amin’ny fanjakana selestialy aho.

Ao amin’ny toko roa farany amin’ny Apokalypsy i Jaona dia nampiasa fiteny kanto mba hamariparitana ny fanjakana selestialy izay hositrahan’ireo mahatoky.

Atrikasa azo atao

  • Ampio ny ankizy hanao ny sarin’ilay hazo voafariparitra ao amin’ny Apokalypsy 22:2 eny amin’ny solaitrabe. Hazavao fa io hazo io no hazon’aina, ary ny voany dia maneho ny fitiavan’ Andriamanitra (jereo ny 1 Nefia 11:21–22). Omeo taratasy nohetezana mba hiendrika voankazo ireo ankizy ary asao izy ireo hanao sary eo amin’izany ny zavatra izay manampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra. Hazavao fa ireo izay tia sy mankatò ny Ray any An-danitra dia hiaina hiaraka Aminy any amin’ny fanjakana selestialy.

  • Zarao amin’ireo ankizy ny sasany amin’ireo fampitahana na antsipirian-javatra izay nampiasain’i Jaona mba hamariparitana ny voninahitra selestialy (jereo ny Apokalypsy 21:1, 3–4, 22–27; 22:1–2), ary asao ireo ankizy hanao ny sarin’ireo zavatra ireo.

  • Hirao miaraka ny hira iray izay mampianatra ny fomba hiomanana hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra, toy ny “Hanaraka ny drafitry ny Ray ahoBokin-kiran’ny ankizy, 86). Asao ny ankizy mba hitady ny zavatra azon’izy ireo atao mba hiainana miaraka amin’ny Ray any An-danitra indray.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Apokalypsy 19:7–8

Afaka miomana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany aho rehefa misafidy ny tsara.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hahatakatra fa ny fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany dia ho trangan-javatra mahafaly ho an’ireo olo-marina?

Atrikasa azo atao

  • Iaraho mamaky ny Apokalypsy 19:7–8, ary ampio ireo ankizy hahatakatra ny tandindona hita ao amin’ireo andininy ireo, dia ny hoe ny fampakaram-bady dia ny Fiavian’i Mpamonjy Fanindroany, ny Zanak’Ondry dia ny Mpamonjy, ary ny vadiny dia ny Fiangonana (na isika rehetra). Inona ireo zavatra mety hataontsika hiomanana amin’ny fiavian’ny Mpamonjy indray?

  • Avereno jerena ary ataovy tsianjery miaraka amin’ ny ankizy ny Fanekem-pinoana 1:10. Hazavao fa ity fanekem-pinoana ity dia milaza zavatra mampientanentana sy feno voninahitra izay hitranga rehefa hiverina indray i Jesoa. Ampisehoy ilay sarin’ny Fiavian’i Jesoa Fanindroany ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ary asao ny ankizy hanao sary izay eritreretin’izy ireo hoe mety ho toy ny ahoana izany Fiavian’i Jesoa Fanindroany izany.

Apôkalypsy 20:12–13

Hotsarain’ Andriamanitra aho.

Indray andro any isika rehetra dia hijoro eo anatrehan’ Andriamanitra mba hotsaraina. Afaka manampy ny ankizy ianao hahatakatra fa ny fitsarany dia ho marina, sy rariny, ary be famindram-po.

Atrikasa azo atao

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Mety ho toy ny ahoana ny Andro Fitsarana? Asao ny ankizy hikaroka ny valin’ilay fanontaniana ao amin’ny Apokalypsy 20:12–13 sy ao amin’ny “ny Fitsarana Farany,” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Inona no nataon’ny Mpamonjy mba ho afaka ny ho andro feno fifaliana ny Andro Fitsarana? (jereo ny Fanekem-pinoana 1: 3– 4). Inona no azontsika atao mba ho andro feno fifaliana ho antsika izany?

    Sary
    I Jesoa sy olona ao anatin’ny hazavana eo amin’ny ankavanany ary olona ao anatin’ny haizina eo amin’ny ankaviany

    The Last Judgement [Ny Fitsarana Farany], nataon’i John Scott

  • Mitondrà kahie iray maneho ny “bokin’ny fiainana” (Apokalypsy 20:12) ao an-dakilasy, kahie izay nanoratanao ny sasany amin’ireo toetra sy asa tsara araka an’i Kristy nataon’ireo ankizy ampianarinao. Vakio amin’ny ankizy ireo zavatra nosoratanao, ary asao izy ireo hiresaka momba ireo toetra araka an’i Kristy hitan’izy ireo ao amin’izy samy izy. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy dia manampy antsika ho lasa tahaka Azy kokoa ary manome antsika lalana hahafahantsika mibebaka sy mandresy ny fahotana.

Apokalypsy 21:1, 3–4, 22–27; 22:1–2,17

Tian’ny Ray any An-danitra hiaina hiaraka Aminy any amin’ny fanjakana selestialy aho.

Rehefa namaky ny famariparitan’i Jaona ny voninahitra selestialy ao amin’ny Apokalypsy 21–22, dia inona no zavatra nanaitra anao? Inona no tsapanao fa tianao hozaraina amin’ny ankizy ampianarinao?

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy mba hizaha ireto andininy manaraka ireto mba hahitana teny na andian-teny izay nampiasain’i Jaona mba hamariparitana ny voninahitra selestialy ao amin’ny Apokalypsy 21:1, 3–4, 22–27; 22:1–2. Avelao izy ireo mba hisafidy zavatra izay tian’izy ireo atao sary avy ao amin’ireo andininy ireo. Azon’izy ireo atao ny miresaka momba ny sariny amin’ny iray kilasy. Amporisiho izy ireo hampiseho ny sary nataon’izy ireo amin’ny fianakaviany any an-trano.

  • Iaraho mamaky ny Apokalypsy 22:17, ary hazavao fa ilay ampakarina izay manao hoe “Avia” dia ny Fiangonana. Iza, amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika, no tiantsika hanasana ny hafa mba ho anatonany? (jereo ny Môrônia 10:30–33). Inona no zavatra mety hampangetaheta ireo manodidina antsika? Inona ny sasany amin’ireo fomba tsara azontsika hanasana ny olona hoe: “avia”?

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana any an-tokantrano

Ampio ireo ankizy mba hiomana hamaky ny Bokin’i Môrmôna amin’ny taona ho avy ka asao izy ireo hangataka amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany na amin’ny namany iray mba hizara ny andininy na ny tantara tiany indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampianaro ny ankizy hirakitra ireo zavatra tsapa. Rehefa afaka mianatra manana fahazarana mirakitra ireo zavatra tsapa ny ankizy dia hanampy azy ireo hamantatra sy hanaraka ny Fanahy izany. Ny ankizy dia afaka mirakitra ireo zavatra tsapa amin’ny alalan’ny fanasiana marika ny soratra masina, na fanaovana sary, na manoratra zavatra tsotra ao anatin’ny diary. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 30.)

Hamoaka printy