Testamenta Vaovao 2023
11–17 desambra. Apokalypsy 6–14: “Izy ireo naharesy … noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry”


“11–17 desambra. Apokalypsy 6–14: -Izy ireo naharesy … noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2021)

“11–17 desambra. Apokalypsy 6–14,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

I Jesoa mijoro eo anivon’ireo kintana

Sary hosodoko ahitana sary misongadina nataon’i Eric Johnsen: The Grand Council [Ilay Filankevitra lehibe], nataon’i Robert T. Barrett; sarina vondron-kintana avy amin’ny European Space Agency (Agence spatiale européenne)

11–17 desambra

Apokalypsy 11–17

“Izy ireo naharesy … noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry”

Rehefa mamaky ny Apokalypsy 6–14 ianao dia eritrereto ireto ankizy ampianarinao. Afaka manampy anao hahita ireo fahamarinana izay hilain’izy ireo ny Fanahy Masina.

Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mampisehoa sary izay hanampy ny ankizy hahatsiaro ireo zavatra nianarany tany an-tokantrano na tao amin’ny Kilonga. Asao ny ankizy mba hizara ny zavatra fantany momba ireo sary ireo.

Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Apokalypsy 7:9, 13–14

Manampy ahy ho voadio i Jesoa Kristy.

Nahita olona maro nanao akanjo “nofotsian[a] tamin’ny ran’ny Zanak’ondry” i Jaona (andininy 14). Diniho hoe ahoana no ahafahan’io fahitana io hanampy ireo ankizy hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny hoe nodiovina tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Atrikasa azo atao

  • Ampisehoy ny ankizy ny akanjo fotsy vitsivitsy (na sarina akanjo fotsy) sy sary iray ahitana an’i Jesoa Kristy. Vakio amin’ireo ankizy ny Apokalypsy 7:9, 13–14 ary asaivo manondro ilay sary sy ilay akanjo izy ireo isaky ny mandre ny teny hoe fotsy. Hazavao fa ny akanjo fotsy dia maneho ny fahadiovana ary mampatsiahy antsika fa afaka manadio antsika amin’ny fahadisoantsika i Jesoa Kristy.

  • Ampisehoy lamba fotsy na taratasy fotsy ireo ankizy, ary asaivo lotoin’izy ireo izany amin’ny fanoratany amin’ny penina na koa amin’ny alalan’ny fanosorana vovoka izany. Hazavao fa rehefa tsy mankatò ny didy isika dia toy ireny hoe miosom-bovoka ireny ny akanjontsika. Manehoa sarin’i Jesoa ao Getsemane (toy ny Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara, lah.56), esory ilay lamba na ilay taratasy maloto, ary ampisehoy lamba fotsy na taratasy fotsy madio izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa afaka manampy antsika ho lasa madio i Jesoa Kristy.

  • Mihirà hira iray momba ny batisa, toy ny “Rehefa atao batisa aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 53), ary mijoroa ho vavolombelona fa manampy antsika ho lasa madio i Jesoa rehefa atao batisa isika.

Apokalypsy 12:7–11

Naneho finoana an’i Jesoa Kristy aho tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.

Tamin’ilay Ady tany An-danitra, dia nandresy an’i Satana ireo zanak’ Andriamanitra mahatoky tamin’ny “teny filazana” sy tamin’ny fanehoany finoana an’i Jesoa Kristy (Apokalypsy 12:11). Manohy manao izany izy ireo hatramin’izao.

Atrikasa azo atao

  • Mba hanampiana ireo ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe manaraka ny ohatra asehon’ny olona iray, dia misafidiana ankizy iray mba ho “mpitarika,” ary asaivo manaraka azy ireo hafa amin’ny fanaovana izay rehetra ataony. Avy eo dia avelao ny ankizy hafa ho mpitarika ihany koa. Vakio amin’ireo ankizy ny Apokalypsy 12:7–11 ary hazavao fa talohan’ny nahaterahantsika, dia nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa isika fa tsy nisafidy hanaraka an’i Satana.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana, toy ny “Taloha aho dia niaina tany an-danitra tany” na “Hanaraka ny drafitry ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 140, 86). Mametraha fanontaniana toy ny hoe: “Inona no nitranga tany an-danitra talohan’ny nahaterahantsika?” sy ny hoe: “Inona no nosafiditsika hatao?” (Jereo ihany koa ny “Fampidirana: Ny drafitry ny Raintsika any An-danitra,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao.)

Apokalypsy 14:6–7

Naverina tamin’ny laoniny amin’izao androntsika izao ny filazantsara.

I Jaona dia nanoratra momba-na anjely iray izay hitondra ny “filazantsara mandrakizayl” (Apokalypsy 14:6). Ny firesahana momba ny Apokalypsy 14:6–7 dia manome anao fahafahana hijoro ho vavolombelona ny amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’izao androntsika izao.

Atrikasa azo atao

  • Ampisehoy ny ankizy ny sary iray ahitana ani’i Môrônia miresaka amin’i Joseph Smith eo am-pamakinao ny Apokalypsy 14:6 (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 91). Asao ny ankizy hanondro ilay anjely eo amin’ilay sary. Zarao amin’izy ireo ny tantaran’ny fitsidihan’i Môrônia (jereo ny “Toko 3: Ny anjely Môrônia sy ireo takela-bolamena,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana).

  • Asao ny ankizy hilalao an-tsehatra ny tantaran’i Môrônia mitsidika an’i Joseph Smith (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:29–35). Ampio izy ireo hitanisa ny sasany amin’ireo fitahiana izay sitrahantsika satria tafaverina amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Famerenana amin’ny laoniny.

Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Apokalypsy 9:1–2

Afaka manampy ahy handresy ny fakam-panahy ny filazantsara.

Ilay setroka izay nanamaizina ny habakabaka ao amin’ny Apokalypsy 9:2 dia azo ampitoviana amin’ny fakam-panahy (jereo ny 1 Nefia 12:17).

Atrikasa azo atao

  • Manaova sarina masoandro sy rahona mainty ary hetezo izany. Asao ireo ankizy hamaky ny Apokalypsy 9:2 sy ny 1 Nefia 12:17 ary soraty eo amin’ilay rahona mainty izay zavatra asehon’ilay setroka na zavona ao amin’ireo andininy ireo. Apetraho eny amin’ny solaitrabe ilay rahona mainty, ary asao ireo ankizy hanao ny lisitry ny fakam-panahy izay atrehan’izy ireo amin’izao taonany izao. Dia apetraho eny amin’ny solaitrabe ilay masoandro avy eo ary angataho izy ireo hanao ny lisitry ny fitaovana izay nomen’ny Ray any An-danitra antsika mba handresena ilay haizina eo amin’izao tontolo izao.

  • Ahoana no ahafahantsika manampy ireo hafa izay ao anatin’ny haizina ara-panahy?

Apokalypsy 12:7–11

Naneho finoana an’i Jesoa Kristy aho tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana.

Ireo ankizy izay ampianarinao dia ety an-tany satria izy ireo dia nanana finoana an’i Jesoa Kristy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana sy nisafidy ny hanaraka Azy.

Atrikasa azo atao

  • Iaraho mamaky ny Apokalypsy 12:7–11, ary soraty eny amin’ny solaitrabe ireo teny hoe: dragona, ady tany an-danitra, nazera, teny filazana, ary ny Zanak’ondry. Asaivo fintinin’ny ankizy ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny fampiasany ireo teny eny amin’ny solaitrabe. Inona no ianarantsika mikasika an’i Jesoa Kristy (ilay Zanak’ondry) avy amin’ireo andininy ireo? Inona no zavatra ianarantsika mikasika ireo safidy nataontsika tamin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana?

  • Manaova tsanganana telo eny amin’ny solaitrabe ary omeo anarana hoe Talohan’ ity fiainana ity, Mandritra ity fiainana ity, ary Izy roa izany. Manomàna taratasy kely izay milaza fahamarinana momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana sy momba ny fiainana an-tany, toy ny hoe: Manana vatana isika, Tsy manana vatana isika, Niaina teo anatrehan’ Andriamanitra isika, Miady amin’i Satana isika, Mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika, ary Manaraka ny drafitr’ Andriamanitra isika. Avelao ny ankizy hifandimby haka taratasy kely iray avy ary hanapa-kevitra hoe iza amin’ireo tsanganana no tokony hisy izany. Zarao ny fahatokisana anananao fa ny ankizy dia afaka manohy ny fanehoany ny finoany an’i Kristy.

Apokalypsy 14:6–7

Tafiditra ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny dia hotorina amin’izao tontolo izao ny filazantsara.

Ny ankizy ampianarinao dia afaka manampy amin’ny fitoriana ny filazantsara “amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra” (Apokalypsy 14:6).

Atrikasa azo atao

  • Angataho ny ankizy hamaky ny Apokalypsy 14:6–7 ary soraty eny amin’ny solaitrabe ireo teny na andian-teny avy ao amin’ireo andininy ireo izay manan-danja amin’izy ireo. Asao izy ireo hizara ny antony nisafidianan’izy ireo ireo teny na ireo andian-teny ireo. Hazavao fa ireo andian-teny ireo dia manoritsoritra ny Famerenana amin’ny laoniny amin’izao androntsika izao. Anontanio azy ireo hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ny asa fitoriana ny filazantsara amin’izao tontolo izao.

  • Asao ny ankizy hamaky ny Apokalypsy 14:7 sy hiteny amin’ny tenin’izy ireo manokana ny hafatr’ilay anjelyho an’izao tontolo izao. Na asao izy ireo hanao ny sary iray maneho ny hafatr’ilay anjely. Inona no azontsika zaraina amin’ny hafa momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ampio ny ankizy hanoratra teny na andian-teny iray izay hanampy azy ireo hahatadidy ny zavatra nianaran’izy ireo tao am-pianarana androany. Asao izy ireo hampiseho ny zavatra nosoratan’izy ireo amin’ny olona iray any an-trano sy hizara ny zavatra nianaran’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampianaro amin’ny alalan’ny hira ny fotopampianarana. Afaka manamafy ny zavatra ampianarinao avy ao amin’ny soratra masina ny fihirana hira miaraka amin’ny ankizy. Mba hahazoana hevitra misimisy kokoa dia jereo ny “Mampiasa hira mba hampianarana fotopampianarana” ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana sy ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo” any amin’ny faran’ity boky torolalana ity.