Testamenta Vaovao 2023
18–24 desambra. Krismasy: “Teny soa mahafaly”


“18–24 desambra. Krismasy: -Teny soa mahafaly,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2021)

“18–24 desambra. Krismasy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Zazakely vao teraka

Little Lamb [Zanakondry kely], nataon’i Jenedy Paige

18–24 desambra

Krismasy

“Teny soa mahafaly”

Ity lesona ity dia fahafahana iray ho anao mba hanampiana ireo ankizy mpianatrao hankalaza ny fahaterahan’ny Mpamonjy sy ny fiainany ary ny asa nanirahana Azy mandritra ny vanim-potoan’ny Krismasy. Ataovy ao an-tsaina hatrany izany eo am-piomanana hampianatra.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asehoy ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ary asao ireo ankizy mba hizara ny zavatra fantatr’izy ireo momba ny fahaterahan’ny Mpamonjy.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Matio 2:1–12; Lioka 2:1–14

Zazakely i Jesoa Kristy tamin’izy tonga tetỳ an-tany.

Tian’ny ankizy ny tantaran’ny fahaterahan’i Jesoa Kristy. Inona avy ireo fahamarinana ara-potopampianarana hitanao ao amin’io tantara io izay tsapanao fa tokony ho takatr’ireo ankizy?

Atrikasa azo atao

  • Vakio amin’ny ankizy ny Lioka 2:1–14 na lazalazao ny zava-nitranga ao amin’ireo andininy ireo amin’ny alalan’ny fijerena ny “Toko 5: Teraka i Jesoa Kristy” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 13–15, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Asao ny ankizy mba hanao sary maneho ireo zava-nitranga ireo sy hampiasa ny sary nataony mba hitantarany indray ilay tantara. Nahoana isika no faly fa teraka i Jesoa?

  • Angataho ny ankizy hilaza ny tantaran’ireo Magy izay nanaraka ilay kintana mba hahitana an’i Jesoa. Raha mila ampahatsiahivina azy ireo ilay tantara, dia jereo ny Matio 2:1–12 na ny “Toko 7: Ireo Magy” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 18, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Manafena sarin’i Jesoa iray ao amin’ny efitrano fianarana. Ataovy sary na hetezo amin’ny taratasy ny kintana iray ary tazòny ambony izany. Asao ny ankizy mba hanao toy ny hoe izy ireo no Magy mitondra fanomezana, ary tariho manodidina ny efitrano izy ireo mba hitady an’i Jesoa. Ampio ireo ankizy hieritreritra fanomezana sasany izay azon’izy ireo omena an’i Jesoa.

  • Mihirà fihirana na hiran’ny Krismasy vitsivitsy miaraka amin’ny ankizy (jereo ny Cantiques, nos. 123–37; Bokin-kiran’ny ankizy, 22–32). Angataho izy ireo hizara zavatra iray izay ampianarin’ny hira tsirairay ka tsapany fa manan-danja ny mahafantatra azy.

Sary
I Jesoa mandohalika ao amin’ny Sahan’i Getsemane

Gethsemane [Getsemane], nataon’i J. Kirk Richards

Jaona 3:16

Nataon’i Jesoa Kristy izay ahafahako hiara-hiaina indray amin’ny Raiko any An-danitra indray andro any.

Moa ve ireo ankizy ampianarinao mahatakatra ny antony nahatongavan’i Jesoa Kristy tetỳ an-tany? Makà fotoana hisaintsainana ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho anao manokana sy ny fomba ahafahanao manampy ireo ankizy hahatakatra ny zavatra nataony ho azy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Mitondrà fanomezana voafono na boaty ao an-dakilasy izay misy ny sarin’i Jesoa Kristy ao anatiny. Asio taratasikely eo amin’ilay fanomezana ary soraty eo amin’izany ny “Jaona 3:16”, ary lazao amin’ireo ankizy fa io dia teny manondro ny hoe inona ilay fanomezana. Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Jaona 3:16 dia asao izy ireo hamantatra hoe inona ilay fanomezana ary hanokatra izany. Nahoana Andriamanitra no nandefa ny Zananilahy?

  • Ampio ny ankizy hameno ity fehezan-teny ity: “I Jesoa Kristy dia tonga tety an-tany mba .” Dia asehoy avy eo ny sary mifandray amin’ny sorona fanavotana nataon’ny Mpamonjy, ny fahafatesany, ary ny Fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 56–59), dia lazalazao amin’izy ireo fohifohy ny momba ireo tranga ireo. Azonareo atao koa ny mihira hira momba ny antony nankanesan’i Jesoa tety an-tany, toy ny “Nalefany ny Zanany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 20). Mijoroa ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny zavatra nataony ho anao.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Matio 1:18–25; 2:1–12; Lioka 1:26–38; 2:1–20

Zazakely i Jesoa Kristy tamin’izy tonga tetỳ an-tany.

Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manampy ireo ankizy hifantoka amin’i Jesoa Kristy mandritra ny Krismasy?

Atrikasa azo atao

  • Asao ny iray amin’ireo ankizy hamaky momba ireo tranga sasany izay mifandray amin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy (jereo ny Matio 1:18–25; 2:1–12; Lioka 1:26–38; 2:1–20). Angataho ireo ankizy hafa hifandimby hanao sary eny amin’ny solaitrabe momba ny zavatra soritsoritan’ny soratra masina. Mampianatra antsika inona momba an’i Jesoa Kristy ireo tantara ireo?

  • Asao ny ankizy hanoratra amina taratasy kely maromaro ny zavatra azony atao izay hanampy azy ireo hifantoka amin’ny Mpamonjy mandritra ny vanim-potoan’ny Krismasy. Asao hizara ny zavatra nosoratany izy ireo. Amporisiho ny ankizy hitondra mody ny taratasy keliny ary hanatontosa miaraka amin’ny fianakaviany ny sosokevitra nosoratany teo amin’ireo tataratasy kely.

  • Mihirà hiran’ny Krismasy momba ny Mpamonjy (jereo ny Bokin-kiran’ny ankizy, 22–32; Cantiques; nos.126–137), dia asao ireo ankizy hizara ny andalana na andian-teny ankafiziny indrindra ao amin’ireo hira.

Jaona 3:16

Nataon’i Jesoa Kristy izay ahafahako hiara-hiaina indray amin’ny Raiko any An-danitra indray andro any.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hanao famerenana ny zavatra izay efa nianarany nanditra ity taona ity sy hahatakatra ny antony ilaivany ny Mpamonjy eo amin’ny fiainany?

Atrikasa azo atao

  • Soraty amin’ny taratasy kely iray ny hoe Iza i Jesoa Kristy? ary amin’ny iray hafa ny hoe Nahoana Izy no tonga tety an-tany? ary apetaho amin’ny lafin’ny rindrina samy hafa ao an-dakilasy izany. Asao ny mpianatra tsirairay avy hamaky ny iray amin’ireto soratra masina manaraka ireto: Matio 16:15–16; Jaona 3:16; 1 Nefia 10:4; Môzià 3:8; Almà 7:10–13; 3 Nefia 27:14–15. Angataho ny ankizy hikaroka valin-tenin’ireo fanontaniana roa eo amin’ny rindrina, ao amin’ny soratra masina novakiny. Asao izy ireo hanoratra ny valin-teniny dia hametaka izany eo amin’ny rindrina izay misy ny fanontaniana mifandray aminy. Ahoana no ahafahantsika maneho fankasitrahana ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho antsika?

  • Asao ireo mpianatra hitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo anarana na fiantso rehetra an’i Jesoa izay fantany (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Jesoa Kristy”). Mampianatra antsika inona momba an’i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana Azy ireo anarana ireo? Nahoana isika no mila an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika?

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy hitady farafahakeliny fomba iray hanompoana olona iray hafa na hanatonana kokoa an’i Jesoa Kristy.

Manatsara ny fampianarantsika

Asao ny ankizy hizara ny zavatra ianarany. Afaka ny ho hery mahery vaika mitarika ho amin’ny tsara ao amin’ny fianakaviany ny ankizy. Amporisiho ireo ankizy mpianatrao mba hizara amin’ ny fianakaviany ny zavatra nianarany tao amin’ny Kilonga. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 30.)

Hamoaka printy