Testamenta Vaovao 2023
20–26 nôvambra. 1 sy 2 Petera: “[Miravoravoa] amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra”


“20–26 nôvambra. 1 sy 2 Petera: -[Miravoravoa] amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2021)

“20–26 nôvambra. 1 sy 2 Petera,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

I Jesoa Kristy mitory ny filazantsara ao amin’ny tontolon’ny fanahy

Christ Preaching in teh Spirit World [I Kristy mitory ao amin’ny tontolon’ny fanahy], nataon’i Robert T. Barrett

20–26 nôvambra

1 sy 2 Petera

“[Miravoravoa] amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra”

Atombohy amin’ny vavaka ny fandalinanao ny 1 sy 2 Peter. Tsarovy fa ny fiomanana amin’ny fampianarana tsara indrindra ataonao dia tonga amin’ny alalan’ireo traikefa amin’ny fandalinana manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana.

Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ampisehoy ilay sarin’i Petera hita ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ary asao ny ankizy hilaza aminao ny zavatra fantany momba an’i Petera. Ampahatsiahivo azy ireo fa i Petera dia mpitarika iray tao amin’ny Fiangonana taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty, ary hazavao fa ny 1 Petera sy ny 2 Petera dia taratasy avy taminy ho an’ireo mpikambana tao amin’ny Fiangonana tamin’ny androny.

Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

1 Petera 1:6–7; 3:14

Afaka ny ho faly aho na dia mandritra ny fotoan-tsarotra aza.

Saintsaino ny fomba ahafahanao mampianatra ireo andininy ireo amin’ny fomba iray izay hanampy ny ankizy hitodika amin’ny Mpamonjy rehefa miatrika fahasarotana izy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Ampio ny ankizy hieritreritra ohatra-na zavatra sarotra nolalovan’i Jesoa Kristy, toy ny hoe narabirabiana. Hazavao fa hanana fotoan-tsarotra isika eo amin’ny fiainantsika. Iaraho mamaky ny 1 Petera 1:6–7; 3:14 ary zarao ny zavatra niainanao rehefa niatrika “fisedrana ny finoanao” sy ny nanampian’ny Mpamonjy anao hahita hafaliana. Na azonao atao ny mizara ny vavaka nataon’i Joseph Smith tao amin’ny fonjan’i Liberty sy ny fankaherezana nomen’ Andriamanitra azy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–8; 123:17).

I Joseph Smith tao amin’ny fonjan’i Liberty

Joseph Smith in Liberty Jail [I Joseph Smith tao amin’ny fonjan’i Liberty], nataon’i Greg K. Olsen

1 Petera 2:9–12

Tian’ny Ray any An-danitra ho ohatra ho an’ny hafa aho.

Nampianatra i Petera fa isika dia “olon’ Andriamanitra” ary ny asa tsara ataontsika dia afaka “[hankalazana] an’ Andriamanitra.”

Atrikasa azo atao

  • Fariparito ireo zavatra izay misongadina eo amin’ny manodidina azy ireo, na ampisehoy ny sarin’ireny zavatra ireny. Ohatra, ny tempoly iray izay miavaka amin’ireo trano manodidina azy na ny tendrombohitra izay mijoalajoala eo ambonin’ny lohasaha iray. Hazavao fa rehefa mitandrina ireo didy isika dia misongadina ary afaka mahita ireo ohatra asehontsika ny olona hafa. Miresaha momba ireo “asa tsara” izay hitanao fa nataon’ny ankizy. Hazavao fa ny asa tsara tahaka ireny dia “[hankalazana] an’ Andriamanitra.” Manampy ny hafa hahatsapa bebe kokoa ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny faniriana hanompo Azy izy ireny.

  • Tontosao miaraka amin’ny ankizy ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity. Amin’ny fomba ahoana no hankalazan’ireo olona hitan’izy ireo ao amin’ilay sary an’ Andriamanitra?

1 Petera 3:18–20; 4:6

Mianatra momba ny filazantsara ireo fanahy ao amin’ny tontolon’ny fanahy.

Rehefa maty i Jesoa dia nandeha tany amin’ny tontolon’ny fanahy Izy ka naniraka ireo fanahy marina mba hampianatra ireo fanahy hafa izay tsy mbola nanaiky ny filazantsara.

Atrikasa azo atao

  • Lazao amin’ny ankizy ny momba ny olona iray izay efa nodimandry. Hazavao fa rehefa maty ny olona dia miala amin’ny vatany ny fanahiny ka mandeha any amin’ny tontolon’ny fanahy. Vakio ny 1 Petera 3:19 dia hazavao fa rehefa maty i Jesoa dia nandeha nitsidika ny tontolon’ny fanahy Izy. Tany Izy dia nangataka ireo fanahy marina mba hampianatra ny filazantsara amin’ireo fanahy hafa izay tsy mbola nanaiky ny filazantsara (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:30).

  • Mampisehoa sarina tempoly iray. Hazavao ny ankizy fa rehefa lehibe izy ireo dia afaka mankany amin’ny tempoly mba hatao batisa ho an’ireo razambeny izay tsy mbola vita batisa fony tety an-tany. Ampio ny ankizy hameno tetiarana tsotra (mba ahitana ohatra dia jereo ao amin’ny “Family History Coloring Pages [Pejy lokoina momba ny Tantaram-pianakaviana],” ChurchofJesusChrist.org).

Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

1 Petera 3:12–17; 4:13–14,16

Afaka mahita fifaliana sy fiadanana aho na dia mandritra ny fotoan-tsarotra aza.

Ireo ankizy ampianarinao dia hiaina karazana fananihaniana na fanarabiana noho ny zavatra inoan’izy ireo. Afaka manampy mandritra ireny fotoana ireny ireo andininy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Fintino ireo tantara vitsivitsy momba an’i Jesoa nenjehina, na asaivo vakian’ny ankizy ireny—jereo ohatra ny Matio12:9–14 na Lioka 22:47–54. Anontanio ny ankizy raha toa ka efa nisy nananihany na nanaraby izy ireo noho izy ireo niaina ireo fampianaran’i Jesoa Kristy. Nampaninona azy ireo ilay izy? Iaraho mamaky avy eo ny 1 Petera 3:12–14; 4:13–14,16, ary asaivo mitady ny zavatra nolazain’i Petera momba ny fijaliana “noho ny fahamarinana” ireo ankizy. Nahoana isika no mbola afaka ny ho faly na dia manaraby antsika noho ny fanaovana ny tsara aza ny olona hafa?

  • Mizarà zavatra niainana iray izay nahitanao fifaliana sy fiadanana nandritra ny fitsapana iray, na zarao ny fomba nahitan’ny Mpaminany Joseph Smith fiadanana fony izy tao amin’ny fonjan’i Liberty (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:1–8; 123:17). Ahoana no fomba ahitantsika fifaliana sy fiadanana mandritra ireo fotoam-pitsapana antsika?

1 Petera 3:15

Afaka ny ho vonona mandrakariva ny hizara ny filazantsara aho.

Ireo ankizy ampianarinao dia hanana fahafahana maro mandritra ny androm-piainan’izy ireo hamaly fanontaniana avy amin’ny olona hafa momba ny finoan’izy ireo. Eritrereto ny zavatra azonao atao mba hanampiana azy ireo “ho vonona mandrakariva hamaly izay manontany.”

Atrikasa azo atao

  • Resaho ny fotoana iray izay nanontanian’ny olona iray anao momba ny Fiangonana, ary fariparito raha toa ka nahatsapa ho vonona ny hamaly ianao. Asao ny ankizy hiresaka momba ny fotoana nametrahan’ny olona fanontaniana tamin’izy ireo momba ny Fiangonana. Iaraho mamaky ny 1 Petera 3:15. Ahoana no ahafahantsika manaraka ny torohevitr’i Petera ao anatin’io andininy io?

  • Ampio ny ankizy hieritreritra fanontaniana vitsivitsy mety hapetraky ny olona momba an’i Jesoa Kristy na ny Fiangonany. Avelao ny ankizy hifandimby hanazava ny fomba hamalian’izy ireo ireo fanontaniana ireo mba ho “vonona mandrakariva” izy ireo. Ireo fanekem-pinoana dia manome fahamarinana tsotra izay azon’ny ankizy ampiasaina mba mba hamaliana ireo fanontaniana momba ny Fiangonana.

1 Petera 3:18–20; 4:6

Mianatra momba ny filazantsara ireo fanahy ao amin’ny tontolon’ny fanahy.

Rehefa maty ny olo-marina dia mankany amin’ny tontolon’ny fanahy izy ireo mba hampianatra ny filazantsara ireo izay tsy nahazo izany fony mbola tety an-tany.

Atrikasa azo atao

  • Manaova sarina faribolana iray misy tsipika eo afovoany. Soraty hoe Paradisa ho an’ny fanahy eo amin’ny antsasak’ilay faribolana ary Tranomaizina ho an’ny fanahy eo amin’ny antsasany hafa. Manasà ankizy iray hamaky ny 1 Petera 3:18–20; 4:6 (jereo ny 1 Peter 4:6 ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina   ahitana ireo fanitsiana avy amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith). Hazavao fa rehefa maty i Jesoa dia nankany amin’ny paradisa ho an’ny fanahy Izy. Nomeny torolalana ireo fanahy marina tao mba hampianatra ny filazantsara ireo fanahy tao amin’ny tranomaizina ho an’ny fanahy.

  • Asao ny ray na ny renin’ny iray amin’ireo ankizy na ny zokiny mba hilaza momba ny fandehanana any amin’ny tempoly sy fandraisana ireo ôrdônansiny ho an’ny iray amin’ireo razamben’izy ireo.

  • Asao ny ankizy hameno tetiarana tsotra (mba ahitana ohatra dia jereo ao amin’ny “Family History Coloring Pages [Pejy lokoina momba ny Tantaram-pianakaviana],” ChurchofJesusChrist.org).

Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hizara ny tetiarany amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviany ary hangataka fanampiana amin’izy ireo mba hanampy anarana ao amin’izany.

Manatsara ny fampianarantsika

Katsaho ny hahazo an-tsaina ny mahazo an’ireo ankizy ampianarinao. Fantatrao ny ankizy ampianarinao, koa ovao ireo hevitra ato anatin’ity rindran-damina ity raha ilaina izany, mba hampifandraisina araka ny filàn’izy ireo. Afaka mampiasa ireo atrikasa naroso tato anatin’ity rindran-damina ity ianao, fa tsy ireo izay voasoratra ho an’ny sokajin-taona ampianarinao ihany. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy7.)