Testamenta Vaovao 2023
30 ôktôbra–5 nôvambra. Hebreo 1–6: “Jesoa Kristy, -loharanon’ ny famonjena mandrakizay-”


“30 ôktôbra–5 nôvambra. Hebreo 1–6: -I Jesoa Kristy, “loharanon’ny famonjena mandrakizay,”-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2023)

“30 ôktôbra–5 nôvambra. Hebreo 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
I Kristy miara-mijoro amina ankizivavy kely

Balm of Gilead [Balsaman’i Gileada], nataon’i Annie Henrie

30 ôktôbra–5 nôvambra

Hebreo 1–6

Jesoa Kristy: “loharanon’ ny famonjena mandrakizay”

Inona avy ireo fahamarinana hitanao ao amin’ny Hebreo 1–6 izay tsapanao fa tokony hampianarina ny ankizy? Henoy tsara ireo bitsika avy amin’ny Fanahy izay tonga rehefa manomana ianao, ary ataovy izay hanoratana azy ireny.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Moa ve ny ankizy nanaiky ilay fanasana tamin’ny fiafaran’ny lesona tamin’ny herinandro lasa, dia ny mba hitady andinin-tsoratra masina iray izay azon’izy ireo zaraina? Raha eny, dia omeo fotoana hizarana izany izy ireo. Raha tsia, dia ampio izy ireo hieritreritra zavatra iray izay nianaran’izy ireo vao haingana avy ao amin’ny soratra masina ka azon’izy ireo zaraina.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Hebreo 1:1–10; 2:8–10, 17–18

Mino an’i Jesoa Kristy aho.

Ireo andininy ireo dia afaka manampy ny ankizy hianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy sy hanamafy ny fifandraisan’izy ireo Aminy.

Atrikasa azo atao

  • Mitadiava fahamarinana sasantsasany momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Hebreo 1:1–10; 2:8–10, 17–18, ary soraty eo amina taratasy lavalava maromaro izany. Afeno eran’ny efitrano ireo taratasy ary asao ny ankizy hitady azy ireo. Ampio ny ankizy hamaky ireo fahamarinana voasoratra eo amin’ireo taratasy, ary hiresaka momba ny hevitr’ireo fahamarinana ireo. Raha ilaina dia hazavao fa antsoina hoe Zanakalahin’ Andriamanitra i Jesoa satria ny Ray any An-danitra no rain’ny fanahiny sy ny vatany.

  • Tazomy ambony ny sarin’ny Mpamponjy iray ary zarao ny antony maha-velom-pankasitrahana anao ny Aminy. Avelao ny ankizy tsirairay hifandimby hihazona ilay sary sy hizara ny antony maha-velom-pankasitrahana azy ny amin’i Jesoa Kristy.

Hebreo 3:8

Irian’ny Ray any An-danitra ny tsy hanamafisantsika ny fontsika.

Ny Hebreo 3 dia manoritsoritra ny amin’ny fahamafisam-pon’ireo Isiraelita sy ny fandavany ireo fitahian’ny Tompo. Azo raisina ho fampitandremana ho antsika rehetra izany mba tsy hanamafisantsika ny fontsika.

Atrikasa azo atao

  • Mitondrà karazana zavatra mifoaka rano (toy ny sponjy na lamba fanasan-javatra) sy zavatra mafy (toy ny vato ohatra). Asao ny ankizy mba hikasika ireo zavatra ireo ary hamariparitra ny fahatsapana ireo zavatra ireo. Asio tetean-drano vitsivitsy eo amin’ny zavatra tsirairay, ary mariho fa ny rano dia mitsika tsara kokoa anatin-javatra mitroka rano raha oharina amin’ny vato. Hazavao fa mila malefaka sy tsy mafy ny fontsika mba hahafahantsika manaiky ireo fahamarinan’ny Ray any An-danitra sy ny fitiavany.

  • Hetezo miendrika sarina fo ny zavatra malemilemy iray, toy ny lamba, sy ny zavatra mafimafy kokoa iray, toy ny baoritra. Ifanakalozy hevitra amin’ny ankizy ny maha-samy hafa ny manana fo malefaka sy manana fo mafy. Mizarà ohatra sasantsasany avy ao amin’ny soratra masina momba ireo olona nanana fo malefaka sy fo mafy, toa an’i Nefia, sy i Lamàna, ary i Lemoela [1 Nefia 2:16–19); i Paoly (Asan’ny Apostoly 9:1–22); na i Joseph Smith (Joseph Smith—Tantara 1:11–20). Rehefa mizara ohatra ianao dia asao ireo ankizy mba hanondro ilay fo malefaka, na ilay fo mafy.

Sary
I Mosesy manokana an’i Aharôna

Voantson’ Andriamanitra i Aharôna (Hebreo 5:4). Moses Calls Aaron to the Ministry [Miantso an’i Aharôna ho amin’ny fanompoana i Mosesy], nataon’i Harry Anderson

Hebreo 5:4

Voantson’ Andriamanitra ireo mpihazona ny fisoronana.

Ny Hebreo 5:4 dia andinin-tsoratra masina manan-danja satria manazava izany fa ireo mpihazona ny fisoronana dia tsy maintsy antsoin’ Andriamanitra. Mihatra amin’ny olona rehetra antsoina hanompo ato amin’ny Fiangonan’ny Tompo izany.

Atrikasa azo atao

  • Vakio amin’ny ankizy ny Hebreo 5:4. Mangataha mpihazona fisoronana iray mba hanazava ny atao hoe fisoronana. Azony atao ihany koa ny mizara ny fomba anompoany ny hafa rehefa manatanteraka ireo adidiny izy. Mangataha ihany koa rahavavy iray ao amin’ny paroasy mba hizara ny zavatra niainany tamin’ny nametrahan-tanana azy ho amina antso iray ato amin’ny Fiangonana. Amporisiho izy hizara ny fomba nanomezan’ny Tompo azy hery mba hanatanterahana ny antsony.

  • Ampio ny ankizy hanao tsianjery ireo andian-teny avy ao amin’ny fanekem-pinoana fahadimy. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa antsoin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanambarana ireo izay antsoina mba hanao ny asan’ Andriamanitra.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Hebreo 1:1–10; 2:8–10, 17–18

Mino an’i Jesoa Kristy aho.

Ny Epistily ho an’ny Hebreo dia nosoratana mba hampatanjahana ny finoan’ny Olomasina Hebreo an’i Jesoa Kristy. Afaka manao toy izany koa izany ho an’ireo ankizy ampianarinao.

Atrikasa azo atao

  • Ampamakio andininy vitsivitsy ao amin’ny Hebreo 1:2–10; 2:8–10, 17–18 ny ankizy tsirairay, ary asao ny ankizy mba hizaha fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy ao anatin’ireo andininy ireo. Avelao hizara na hanoratra ny zavatra hitany eny amin’ny solaitrabe izy ireo. Inona ihany koa no fantatsika momba an’i Jesoa Kristy? Mety hahita hevitra ao amin’ireo hira toy ny “Velona ilay Mpanavotra ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah.76) na ny “Nalefany ny Zanany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 20–21) ny ankizy.

  • Asao ny ankizy hanao ny sarin’izy ireo miaraka amin’ny ray aman-dreniny. Angataho izy ireo mba hizara ny zavatra itoviany amin’ny ray aman-dreniny. Hazavao fa rehefa milaza ny Hebreo 1:3 fa i Jesoa Kristy dia “endriky ny tenan’ [Andriamanitra] indrindra,” izany dia midika fa manana toetra sy hatsarana mitovy i Jesoa sy ny Ray any An-danitra. Resaho amin’ny ankizy ny amin’ny fomba ahafahan’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy mampanakaiky antsika amin’ny Ray any An-danitra.

Hebreo 3:7–19

Mba handraisana ny fitarihana sy ireo fitahiana avy amin’ny Ray any An-danitra, dia tsy maintsy tsy manamafy ny fontsika isika.

Ao amin’ny Hebreo 3, ilay tantaran’ireo Isiraelita tany an-tany foana dia nampiasaina mba hampianarana ny maha-manan-danja ny tsy fanamafisana ny fontsika. Ahoana no ahafahanao mampiasa io tantara io mba hampianarana io fitsipika io amin’ny ankizy ao amin’ny kilasinao?

Atrikasa azo atao

  • Asaivo mieritreritra ireo zavatra izay mafy na malefaka ny ankizy. (Raha azo atao dia mitondrà ohatra sasantsasany mba hampisehoana azy ireo.) Iaraho mamaky ny Hebreo 3:8. Inona no dikan’ny hoe manana fo mafy? Nahoana no tian’ Andriamanitra hanana fo malefaka isika?

  • Amin’ny teninao manokana, zarao ny tantaran’ireo Isiraelita nanamafy ny fony tamin’ny Tompo tany an-tany foana (jereo ny Nomery 14:1–12; Hebreo 3:7–19). Avelao hovelomin’ireo ankizy izany tantara izany. Inona no zavatra hitranga raha toa ka manamafy ny fontsika amin’ny Tompo sy ny filazantsarany isika?

  • Asao ny ankizy hamaky ny Matio 13:15; Hebreo 3:15; Môzià 11:29; ary Mosesy 6:27. Asaivo ataon’izy ireo eny amin’ny solaitrabe ny sarin’ireo ampahany amin’ny vatana voalaza ao amin’ireo andininy ireo. Inona no dikan’ny hoe lalodalovana sofina, jamba, ary mafy fo ara-panahy? Ahoana no ahafahantsika maka antoka fa mahafantatra ny feon’ny Fanahy ny sofintsika, sy ny masontsika, ary ny fontsika?

Hebreo 5:1–4

Voantson’ Andriamanitra ireo mpihazona ny fisoronana.

Ny Hebreo 5 dia manolotra fahafahana iray mba hiresahana momba ny atao hoe fisoronana—dia ny hery sy fahefana mba hanaovana asa amin’ny anaran’ Andriamanitra—sy ny fomba hahazoana izany.

Atrikasa azo atao

  • Asehoy ilay sary hoe I Mosesy manome ny fisoronana an’i Aharôna (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 15) mandritra ny fotoana amakian’ny ankizy iray ny Hebreo 5:4. Hazavao fa nomena ny anaran’i Aharôna ny Fisoronana Aharôna. Ampio ny ankizy hieritreritra ireo adidy tanterahan’ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna (toy ny batisa, fanamasinana sy fizarana ny fanasan’ny Tompo, ary fanasana ny hafa hanatona an’i Kristy; jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:46–48, 59).

  • Ampio ny ankizy hieritreritra momba ireo fomba samihafa izay hahazoan’ny olona fahefana. Ohatra, ahoana no fomba ahazoan’ny mpampianatra, dokotera, na mpitarika ara-politika fahefana? Ahoana no fomba hanomezan’ Andriamanitra ny fahefany? Asao ny ankizy mba hieritreritra momba io fanontaniana io rehefa mamaky ny Hebreo 5:4 sy ny fanekem-pinoana fahadimy izy ireo. Ampio ny ankizy hieritreritra olona ao amin’ny paroasy izay manana fahefana avy amin’ Andriamanitra, anisan’izany ireo mpihazona fisoronana, sy ireo lehilahy sy vehivavy izay nametrahan-tanana mba hanompo amina antso manokana.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hizara amin’ny fianakaviany mandritra ny takarivan’ny mpianakavy ny soratra masina, na hira, na atrikasa iray nianaran’izy ireo tato am-pianarana androany.

Manatsara ny fampianarantsika

Afaka mamantatra ny fitaoman’ny Fanahy ny ankizy. Ampianaro ny ankizy fa avy amin’ny Fanahy Masina ny fahazoan’izy ireo fahatsapana fiadanana sy fitiavana ary hafanana rehefa miresaka na mihira hira mikasika an’i Jesoa sy ny filazantsarany izy ireo.

Hamoaka printy