Testamenta Vaovao 2023
23–29 ôktôbra. 1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona: “Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao”


“23–29 ôktôbra. 1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona:-Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2021)

“23–29 ôktôbra. 1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Vehivavy telo mivoaka ny tempoly

23–29 ôktôbra

1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona

“Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao”

Nampianatra i Paoly fa “[ny] soratra [masina] … dia mahasoa koa … ho fitaizana amin’ny fahamarinana” (2 Timoty 3:16). Rehefa mandalina ireo epistily ireo ianao, dia eritrereto ny fomba ahafahan’izy ireo hitaona ny ankizy hiaina am-pahamarinana.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Angataho ny ankizy mba hiresaka momba ny olona iray izay ohatra tsara amin’ny “fianarana ho an’ny mino” ho azy ireo. Inona no ataon’izy ireo mba ho tonga ohatra tsara ho an’ny hafa?

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

1 Timoty 3:1–2; Titosy 1:7–9

Mitarika ny paroasy ny eveka amin’ny maha-mpanompon’ Andriamanitra azy.

Nampianatra an’i Timoty sy i Titosy momba ny maha-manan-danja ireo eveka i Paoly. Ahoana no ahafahanao mampianatra ny ankizy momba ny zavatra ataon’ny eveka? (Mitovy amin’ny eveka iray ny filohan’ny sampana iray.)

Atrikasa azo atao

  • Ataovy eny amin’ny solaitrabe ny sary tsotra maneho ny evekanareo. Angataho ny ankizy mba hilaza ireo zavatra fantatr’izy ireo momba ny eveka. Toy ny ahoana izy? Inona no ataony? Mitahy ny paroasy amin’ny fomba ahoana izy? (Afaka mahita ireo toetoetry ny eveka iray ianao ao amin’ny 1 Timoty 3:1–2 sy Titosy 1:7–9.) Eo am-pizaran’ny mpianatra ny heviny dia soraty eo amin’ny taratasy lavalava izany ary asaivo apetaky ny ankizy eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ilay sary izy ireny.

  • Soraty eo amin’ny taratasy kely ireo andraikitry ny eveka, toy ny hoe manampy ny ankizy sy ny zatovo ao amin’ny paroasy, mandray ny fahafolon-karena sy ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina, manome antso, manao didinidika amin’ireo mpikambana ary manampy ireo izay sahirana. Apetraho ao anatina lovia jobo iray ireo taratasy kely ireo dia asao ny ankizy tsirairay mba haka iray avy. Dia ampio ny ankizy mba hilalao an-tsehatra ireo adidy ireo. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa nantsoin’ Andriamanitra ny evekanareo.

  • Asao ireo ankizy hanao ny sarin’ny eveka manompo ireo mpikambana ao amin’ny paroasy. Toroy hevitra izy ireo hanome azy ny sary nataon’izy ireo mba hankasitrahana azy. Inona no azontsika atao mba hanampiana azy?

Sary
Misiônera roa miresaka amin’ny lehilahy iray

“Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao” (1 Timoty 4:12).

1 Timoty 4:12

Afaka ny ho “fianarana ho an’ny mino” aho.

Inona no azonao atao mba hitaomana ireo ankizy ho tonga “fianarana ho an’ny mino”?

Atrikasa azo atao

  • Iaraho mihira amin’ny ankizy ny “Ataovy izay ataoko” (Bokin-kiran’ny ankizy, 142). Asaivo manaraka ny ohatra asehonao ny ankizy amin’ny fanarahana ny fihetsika ataonao. Asaivo mifandimby mitarika ny ankizy ambiny ka harahina ny fihetsik’izy ireo. Vakio ny 1 Timoty 4:12, ary anontanio ny ankizy ny zavatra azon’izy ireo atao mba ho tonga ohatra tsara ho an’ny hafa.

  • Zarao ny zavatra niainanao rehefa niezaka ny ho ohatra tsara ho an’ny olona iray ianao na rehefa naneho ohatra tsara ho anao ny olona iray (afaka ho isan’izany ireo ankizy ao amin’ny kilasinao). Asao ireo ankizy mba ho ohatra tsara ho an’ny fianakaviany sy ho an’ny namany.

2 Timoty 3:14–17

Hanampy ahy hianatra fahamarinana ny soratra masina.

Raha toa ka afaka manampy ny ankizy hianatra hitia ny soratra masina ianao dia hitahy ny fiainan’izy ireo mandritra ny taona maro ho avy ireo fampianarana ao amin’ny soratra masina.

Atrikasa azo atao

  • Mampisehoa boky soratra masina ary ampio ny ankizy hizatra amin’ny ao anatin’izany amin’ny fampisehoana azy ireo ny pejin-dohateny ao amin’ny Baiboly, ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy. Asao ny ankizy iray mba hihazona ireo boky ireo rehefa mamaky ny 2 Timoty 3:15–17 ianao. Lazao ny ankizy ny antony itiavanao ny soratra masina, ary avelao izy ireo hizara ny zavatra tsapan’izy ireo.

  • Asaivo milazalaza momba ny fananana tena tian’izy ireo indrindra ny ankizy. Inona no ataon’izy ireo amin’ilay izy? Ahoana no fomba hikirakirany ilay izy? Avelao izy ireo hifandimby hihazona ireo soratra masina sy hamadika amim-pitandremana ireo pejy. Ataontsika inona ny soratra masina? Nahoana no tokony hikajy azy ireny isika? Mijoroa ho vavolombelona fa ny soratra masina dia mirakitra ireo fahamarinana izay tian’ny Ray any An-danitra ho fantatsika.

  • Ampio ny ankizy hamorona fihetsika mifanaraka amin’ny hira iray momba ny soratra masina, toy ny “Mandalina, misaintsaina, ary mivavaka” (Bokin-kiran’ny ankizy, 66).

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

1 Timoty 4:12

Afaka ny ho “fianarana ho an’ny mino” aho.

Tena tanora tokoa i Timoty ho ana mpitarika ny Fiangonana, kanefa tian’i Paoly ho fantany fa mbola afaka ny ho fakan-tahaka izy. Afaka mandrisika ny ankizy ianao haneho ohatra tsara ho an’ny manodidina azy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Iaraho mamaky ny 1 Timoty 4:12, ary asaivo tadiavin’ny ankizy ireo fomba enina nolazain’i Paoly fa ahafahantsika ho tonga “fianarana ho an’ny mino”. Zarao tsiroaroa ny ankizy ka asao ny ekipa tsirairay mba hieritreritra toe-javatra mitranga izay ahafahan’izy ireo ho tonga fianarana ho an’ny mino. Asaivo milalao an-tsehatra ny zava-mitranga ho an’ny iray kilasy izy ireo.

  • Anontanio ny ankizy raha te hizara izay zavatra niainan’izy ireo rehefa niezaka mba ho ohatra tsara ho an’ny hafa izy ireo. Lazao azy ireo ny fomba nampisehoan’izy ireo taminao fa fianarana ho an’ny mino izy ireo sy ny nahitanao azy ireo naneho ohatra tsara ho an’ny hafa.

1 Timoty 6:7-12

Manan-danja noho ny vola ireo zavatra maharitra mandrakizay.

Izao tontolo izao dia manao ho lohalaharana ny vola sy ny zavatra azo vidiana amin’ny vola. Ahoana no ahafahanao manampy ireo ankizy hihazona ny fifantohany sy ny fitiavany mba hifototra amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Atrikasa azo atao

  • Asao ireo ankizy mba hilaza momba ny zavatra hovidian’izy ireo raha toa ka nanana ny vola rehetra eto amin’izao tontolo izao izy ireo. Vakio miaraka amin’ny ankizy ny 1 Timoty 6:7–12 dia angataho izy ireo hamintina ny zavatra nampianarin’i Paoly an’i Timoty momba ny vola. Dia asao ny ankizy mba hamaky indray ny andininy 11–12 ka hitady ireo zavatra nolazain’i Paoly fa sarobidy noho ny vola.

  • Mametraha sarina zavatr’izao tontolo izao (toy ny vola, kilalao, na fialam-boly) ary zavatra maharitra mandrakizay (toy ny fianakaviana na tempoly). Asao ny ankizy mba hifantina ireo sary hizara roa: dia ireo zavatra izay mampanakaiky antsika amin’i Kristy sy ireo zavatra izay mety hanalavitra antsika amin’i Kristy raha toa ka tia izany mihoatra ny fitiavantsika Azy isika. Nahoana ny “fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra”? Mahatonga antsika ho sambatra amin’ny fomba ahoana ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy?

2 Timoty 3:14–17

Nanome ny soratra masina ho antsika ny Ray any An-danitra mba hanampiana antsika hahafantatra ny fahamarinana amin’ny fahadisoana.

Rehefa mampianatra ny ankizy momba ny soratra masina ianao dia mitadiava fomba hamporisihana azy ireo hiaina zavatra mahery vaika amin’ny tenin’ Andriamanitra.

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy mba hamaky ny 2 Timoty 3:15–17. Mampisehoa sary maneho tantara iray avy avy ao amin’ny boky soratra masina efatra ankatoavina ary asao ny ankizy maromaro hisafidy sary iray sy hitantara ilay tantara. (Afaka mahita sary ao amin’ ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara ianao sy ao amin’ireo boky Avia, hanaraka Ahy.) Angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra hafa fantany mikasika izany boky soratra masina izany. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny soratra masina “mampahendry [antsika] ho amin’ny famonjena”?

  • Zarao ny andinin-tsoratra masina iray tena tianao na zavatra niainanao izay nanampian’ny soratra masina anao hanorina ny finoanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Asao ny ankizy hizara ny andinin-tsoratra masina iray tena tian’izy ireo na zavatra niainan’izy ireo manokana.

  • Asao ny mpianatra iray hamaky ny Môrônia 10:3–5. Inona no nampanantenain’i Môrônia ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Anontanio ireo ankizy ny fomba nahazoany fijoroana ho vavolombelona fa marina ny soratra masina. Asao izy ireo hamaky na hihaino ny soratra masina matetika sy hangataka amin’Andriamanitra raha marina izany.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hizara amin’ny fianakavian’izy ireo ny zavatra nianarany momba ny soratra masina sy hitady andinin-tsoratra masina iray izay azon’izy ireo zaraina amin’ny iray kilasy amin’ny herinandro manaraka (ampian’ny ray aman-drenin’izy ireo, raha ilaina izany).

Manatsara ny fampianarantsika

Amboary hifanaraka amin’ireo filàna ireo atrikasa. Ho solon’ny fandraisana ireto rindran-damina ireto ho torolalana tsy maintsy arahinao dia ampiasao kosa itony mba hakana hevitra hampitsiry ny aingam-panahinao manokana rehefa misaintsaina ireo zavatra ilain’ny ankizy ampianarinao ianao. Azonao atao ny mampifanaraka ireo atrikasa mba hampianarana ireo ankizy na firy taona na firy.

Hamoaka printy