“16–22 ôktôbra. 1 sy 2 Thessalonians: -Hahatanteraka ny tsy ampy amin’ny finoanareo,-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2021)
“16–22 ôktôbra. 1 sy 2 Tesaloniana,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023
16–22 ôktôbra
1 sy 2 Tesaloniana
“Hahatanteraka ny tsy ampy amin’ny finoanareo”
Rehefa mamaky ombam-bavaka ny 1 sy 2 Tesaloniana sady mieritreritra ireo ankizy ianao, dia hahita ireo fitsipika izay ilain’izy ireo takarina.
Asao mba hizara
Tao amin’ny lesona natao tamin’ny herinandro lasa, moa ve ianao nanasa ireo ankizy mba hampihatra ny zavatra nianarany? Asao ny ankizy mba hizara ny zavatra niainany mandritra ireo minitra vitsy voalohany amin’ny fotoam-pianaran’ity herinandro ity.
Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely
Rehefa manaraka ireo didin’ Andriamanitra aho dia ho vonona amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.
Tsy fantatsika hoe oviana ny Mpamonjy no hiverina eto an-tany. Saingy afaka miandry Azy sy miomana ho amin’ny fiaviany isika.
Atrikasa azo atao
-
Manasà reny iray hizara fohifohy hoe ohatra ny ahoana izany miandry ny hahaterahan’ny zanany izany. Vakio ny 1 Tesaloniana 5:2–3, ary lazao amin’ireo ankizy fa ho tonga etỳ an-tany indray i Jesoa Kristy, kanefa tsy misy mahalala mazava tsara hoe rahoviana, tahaka ilay renim-pianakaviana izay tsy mahalala mazava tsara hoe rahoviana ilay zazakely no ho teraka.
-
Angataho ny ankizy mba hiresaka momba ny fotoana iray izay niomanany handeha lavitra na handeha hanatrika fotoan-dehibe iray. Inona no nataon’izy ireo mba hiomanana? Mitondrà valizy na kitapo iray ary avelao ireo ankizy hanao toy ny hoe mampirina entana izany mba hiomanana handeha lavitra. Isaky ireo entana mody ampirimin’izy ireo dia ampio ny ankizy hieritreritra fomba iray ahafahantsika miomana ho amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy indray.
-
Vakio amin’ny ankizy ny 1 Tesaloniana 5:6 ary hazavao fa raha tsy miomana ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa indray isika, dia toy ny hoe resin-tory isika ka tsy ho vonona ny handray Azy. Asaivo mody matory ny ankizy. Hazavao fa raha miomana isika, dia toy ny hoe miambina sy miandry Azy. Asao izy ireo mba hiambina.
-
Miaraha mihira hira iray momba ny Fiaviana fanindroany, toy ny “Raha ho avy indray i Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 46).
Nampianatra i Paoly fa hisy apôstazia mialoha ny fahatongavan’i Jesoa Kristy indray.
Ilay Fiangonana naorin’i Jesoa Kristy dia tafalatsaka tao anaty apôstazia tamin’ny farany, izany hoe ny fahefan’ny fisoronana sy ireo fahamarinan’ny filazantsara dia nesorina tsy ho etỳ an-tany. Naminany i Paoly fa io apôstazia io, na “fihemorana” dia hitranga alohan’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.
Atrikasa azo atao
-
Rehefa avy niara-namaky ny 2 Tesaloniana 2:3 tamin’ireo ankizy dia ampio izy ireo hanorina tilikambo vita amin’ny kaopy na biriky kilalao vita amin’ny plastika. Lazao amin’ireo ankizy fa ireo kaopy na biriky kilalao dia maneho ampahany manan-danja amin’ny Fiangonana, toy ireo fahamarinan’ny filazantsara, ny fisoronana, ny famehezana any amin’ny tempoly ary ireo mpaminany. Taorian’ny nahafatesan’i Paoly sy ireo Apôstôly hafa dia very ireo zavatra ireo, ary ny Fiangonana marina dia tsy tetỳ an-tany nandritra ny taona maro. Manasà ankizy iray mba handrodana ilay tilikambo, ary hazavao fa izany no nantsoina hoe Apôstazia na “fihemorana”. Rehefa namerina indray ny Fiangonany i Jesoa Kristy, dia izany no nantsoina hoe Famerenana amin’ny laoniny.
-
Mampisehoa Bokin’i Môrmôna iray sy sarin’ny mpaminany ary tempoly iray. Asao ireo ankizy hiteny hoe: “Apôstazia” rehefa manafina ireo zavatra ireo ao anaty harona ianao ary hiteny hoe: “Famerenana amin’ny laoniny” rehefa averinao avoaka indray ireo zavatra ireo.
-
Mihirà hira izay mampianatra fahamarinana izay nesorina nandritra ny Apôstazia ary naverina tamin’ny laonininy amin’izao androntsika izao, toy ny “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy,” “Tafaverina indray ny Fisoronana,” ary ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 48, 60, 99).
Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe
Rehefa manaraka ireo didin’ Andriamanitra aho dia ho vonona amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.
Ny torohevitr’i Paoly dia afaka manampy antsika ho vonona sy hiandry ilay andro lehibe izay hahatongavan’ny Mpamonjy etỳ an-tany indray.
Atrikasa azo atao
-
Asao ny ankizy iray hamaky ny 1 Tesaloniana 5:1–6 ka hanaraka ny vakiteny kosa ireo ankizy hafa. Isaky ny tapitra ny andininy iray, dia mangataha ankizy iray hamintina izay eritreretiny fa lazain’ilay andininy. Hazavao fa ny “andron’ny Tompo” dia midika hoe ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Nahoana ny Fiaviana Fanindroany no oharina amin’ny mpangalatra amin’ny alina na amin’ny vehivavy iray efa ho teraka?
-
Asaivo maka sary an-tsaina ireo ankizy hoe hamangy ny kilasinareo amin’ny fotoana tsy fantatra ny Mpamonjy anio. Ahoana no ahafahantsika miomana ho amin’ny famangiany? Ampio ireo ankizy hieritreritra zavatra azontsika atao mba hanomanana ny tenantsika ho amin’ilay andro hiverenan’ny Jesoa Kristy? Ohatra, azontsika atao ny mibebaka, mamela heloka, manatsara ny fifandraisantsika amin’ny fianakaviantsika, manaraka ny mpaminany, sy mikatsaka ny fitaoman’ny Fanahy Masina, ary mitandrina ireo fanekempihavanana nataontsika. Amporisiho ny ankizy mba hisafidy zavatra iray izay hataony mba hanomanany ny tenany mba handray ny Mpamonjy amin’ny Fiaviany.
Nampianatra i Paoly fa hisy apôstazia mialoha ny fahatongavan’i Jesoa Kristy indray.
Raha takatr’ireo ankizy fa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany dia nesorina hiala tsy ho etỳ an-tany nandritra ilay Apôstazia Lehibe, dia hazava kokoa amin’izy ireo hoe ilaina ny Famerenana amin’ny Laoniny.
Atrikasa azo atao
-
Asao ny ankizy iray hamaky ny 2 Tesaloniana 2:1–3. Araka ireo andininy ireo, inona no tsy maintsy nitranga talohan’ny “andron’ny Tompo”, izay midika hoe ny Fiaviana Fanindroany? Inona no dikan’ilay teny hoe “fihemorana”? Ataovy izay hahatakaran’ireo ankizy fa izany dia midika hoe ilay Apôstazia Lehibe, izay nitranga taorian’ny nahafatesan’ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy. Azonao atao ny mizara fampahalalana avy amin’ny “Apôstazia” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org).
-
Ampio ny ankizy hitanisa eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo fahamarinana sy fitahiana izay ananantsika noho ny filazantsara. Fafao tsirairay ireo zavatra ireo ary anontanio ireo ankizy hoe inona no hiova amin’ny fiainan’izy ireo raha tsy eo ireo zavatra ireo. Hazavao fa ireo fahamarinana ireo dia very nandritra ilay Apôstazia Lehibe. Nahoana no zava-dehibe ny namerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tetỳ an-tany amin’izao andro farany izao? Asao ireo ankizy “hamerina amin’ny laoniny” na hamerina hanoratra ireo fahamarinana sy fitahiana eny amin’ny solaitrabe.
Tian’ny Ray any An-danitra hiasa aho.
Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahita fa ny asa dia fitahiana fa tsy zavatra tokony hialana?
Atrikasa azo atao
-
Asao ireo ankizy hifandimby hamaky ireo andininy ao amin’ny 2 Tesaloniana 3:7–13 ary hitady ny olana natrehan’ireo Olomasina. Nahoana isika no tian’ny Ray any An-danitra hiasa? Inona no ho nitranga raha tsy nianatra ny hiasa mafy mihitsy isika? Avelao ny ankizy hifandimby hanao fihetsika maneho raharaha tsotra ary ireo ankizy hafa kosa mamantatra hoe inona ilay fihetsika atao.
-
Asao ny ankizy hiresaka momba ny fotoana iray izay niasany mafy hanaovany raharaha na tetik’asa na tanjona iray. Inona no tsapany momba ny tenany rehefa vita izany? Inona no dikan’ny hoe “[tsy] ketraka amin’ny fanaovan-tsoa”? (2 Tesaloniana 3:13). Inona no manampy antsika hanohy hatrany na dia tsapa aza fa mafy ny asa?
Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano
Asao ireo ankizy hilaza amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany na amin’ny namany iray ny antony iray izay mahafeno fankasitrahana azy ireo fa manana ny filazantsara etỳ an-tany isika ankehitriny (ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity dia afaka manome hevitra azy ireo).