Testamenta Vaovao 2023
2–8 ôktôbra. Efesiana: “Ho fanatanterahana ny olona masina”


“2–8 ôktôbra. Efesiana: -Ho fanatanterahana ny olona masina,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“2–8 ôktôbra. Efesiana,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Fianakaviana mijery sary

2–8 ôktôbra

Efesiana

“Ho fanatanterahana ny olona masina”

Eo am-pandalinanao ny Epistily ho an’ny Efesiana dia eritrereto ireo fitsipika azonao antitranterina mba hitahiana ny ankizy ampianarinao. Raketo izay mety ho hevitra tonga ao an-tsainao eo am-pamakianao.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asaivo mijoro dia milahatra ny ankizy. Manomboka eo amin’ny lohalaharana dia omeo fahafahana ny ankizy tsirairay hizara zavatra nianarany vao tsy ela momba ny filazantsara nandritra ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina, na tao amin’ny Kilonga na tamin’ny toeran-kafa.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Efesiana 2:19

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia tokony ho mpinamana sy “mpiray fanjakana.”

Moa ve ny ankizy ao amin’ny kilasy misy anao mifandray kokoa toy ny “vahiny” sa toy ny “mpiray fanjakana” amin’ny samy ankizy sy amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny paroasy? Ampio izy ireo hahatakatra fa na dia eo aza ny fahasamihafantsika dia manampy antsika mba hiray hina sy hifankatia ny Mpamonjy.

Atrikasa azo atao

  • Ataovy eo ampovoan’ny efitra ny sarin’ny Mpamonjy iray. Asao ny ankizy hitsangana amin’ireo lafiny samihafa ao amin’ilay efitra mba hanehoana ny hoe “vahiny” na “mpivahiny.” Ampio izy ireo hahatakatra fa ny dikan’ireo teny ireo dia hoe olona tsy mbola fantatsika. Eo am-pamakianao ny Efesiana 2:19 dia asao izy ireo hanatona ilay sarin’i Kristy mandra-pijoron’ny tsirairay eo akaikin’ny namany. Lazao izy ireo fa rehefa manatona akaiky kokoa ny Mpamonjy isika dia afaka ny ho lasa miray hina amin’ny hafa tahaka ny “mpiray fanjakana” na mpinamana.

  • Mitadiava sarina ankizy avy amin’ny faritra samy hafa eto amin’izao tontolo izao dia afeno manerana ny efitrano fianarana izany. Apetraho eny aloha ny sarin’ny Mpamonjy iray. Asao ny ankizy mba hiara-hiasa amina namana iray tahaka ny fanaon’ireo misiônera sy hifandimby hitady sarina “vahiny” iray mba hapetraka eo akaikin’ilay sarin’ny Mpamonjy. Ampio izy ireo hahatakatra fa rehefa vita batisa ny olona dia lasa tafiditra ao amin’ny fianakaviamben’ny Fiangonana, na ny “ankohonan’ Andriamanitra.” Ahoana no hanampiantsika ny olona vaovao iray mba hahatsiaro ho voaray tsara?

Efesiana 6:1–3

Tian’ny Ray any An-danitra aho hankatò ny ray aman-dreniko.

Eo am-pamakianao ny Efesiana 6:1–3 dia mieritrereta fomba hahafahanao manampy ireo ankizy hahatakatra ny antony maha-zava-dehibe ny fankatoavana ray aman-dreny.

Atrikasa azo atao

  • Vakio amin’ny iray kilasy ny Efesiana 6:1, na ampio ny ankizy iray hamaky izany. Ampio izy ireo hieritreritra ireo fotoana izay nankatoavany ny ray aman-dreniny. Angataho izy ireo hizara ny fomba nitahiana azy ireo noho ny fankatoavany ary inona no tsapan’izy ireo rehefa nankatò izy ireo. Nahoana no zava-dehibe ny mankatò ny ray aman-drenintsika?

  • Iaraho mihira ny hira iray momba ny fankatoavana, toy ny “Hihaino hatrany aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 71). Avelao ireo ankizy hifandimby hilaza zavatra izay nangatahin’ny ray aman-dreniny mba hataony, ary asao izy ireo mody hanao hoe manao ilay zavatra.

  • Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy atao batisa (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 35), ary zarao ny fomba nakatoavan’ny Mpamonjy ny Ray any An-danitra tamin’ny nanaovana batisa Azy (jereo ny 2 Nefia 31:6–7). Zarao ny zavatra niainanao iray izay nankatoavanao ny ray aman-dreninao ka nahazoanao fitahiana. Nahoana isika no tian’ny Ray any An-danitra hankatò ireo ray aman-drenintsika?

Efesiana 6:10–18

Ny fiadian’ Andriamanitra dia afaka miaro ahy amin’ny ratsy.

Ahoana no hanampianao ireo ankizy hahatakatra fa ny fanaovana zavatra araka ny fahamarinana dia toy ny mitafy fiadiana?

Atrikasa azo atao

  • Mampisehoa sarina olona mitafy fiadiana, tahaka ilay sary ao amin’ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity na ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Eo am-pamintinanao ny Efesiana 6:10–18 dia asehoy amin’ny ankizy ny fomba hiarovan’ny singa tsirairay ao amin’ilay fiadiana ny faritra samihafa ao amin’ny vatana.

  • Ento ao an-dakilasy ny zavatra vitsivitsy izay afaka maneho ireo fiadiana voalaza ao amin’ny Efesiana 6:14–17 (ohatra, satroka na aro akanjo), na amboary amin’ny fomba tsotra amin’ny alalan’ny taratasy izy ireo. Avelao hifandimby hitafy ny “fiadiana” ny ankizy. Ampio izy ireo hahatakatra ny fomba hitafiana ny fiadiana avy amin’ Andriamanitra (ohatra: amin’ny fandalinana ny soratra masina, ny fanompoana ny hafa, mivavaka, mankato, sy ny sisa). Resaho hoe miaro antsika amin’ny ratsy amin’ny fomba ahoana ny fanaovana ireo zavatra ireo.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Efesiana 2:13–19

“Mpiray fanjakana” ao amin’ny ankohonan’ Andriamanitra isika.

Ampatanjahana ny ankizy rehefa manana namana tsara ao amin’ny filazantsara izy ireo. Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo hanatsara bebe kokoa ny finamanana misy eo amin’izy samy izy?

Sary
Atrikasa ho an’ireo Kilonga

“Tompon-tany, mpiray fanjakana” amin’ireo olomasin’ Andriamanitra isika.

Atrikasa azo atao

  • Iaraho mamaky ny Efesiana 2:19 ary mifanakaloza hevitra ny amin’ny dikan’ny hoe vahiny na mpivahiny. Zarao ny zavatra niainanao izay nahatsapanao fa vahiny na mpivahiny ianao ary nisy olona nanampy anao hahatsapa fa tsara ny fandraisana anao. Asao ireo ankizy hizara ny zavatra niainany mitovitovy amin’izany. Inona no azontsika atao mba hahatonga antsika ho “tompon-tany, mpiray fanjakana” fa tsy vahiny? Misy amin’ireo ankizy ampianarinao ve no tsy tonga matetika, angamba noho izy ireo mahatsapa ho toy ny vahiny? Ampio ireo ankizy hanolotra drafitra mba hanampiana ireo mpikambana ireo mba hahatsapa fandraisana tsara sy fitiavana.

  • Mba hanampiana ireo ankizy izay ampianarinao hifandray bebe kokoa, dia manorata eny amin’ny solaitrabe fanontaniana izay mitaona azy ireo hizara zavatra momba azy, toy ny hoe: Oviana ianao no nahazo valim-bavaka? na Inona no zavatra tianao atao indrindra miaraka amin’ny fianakavianao? Ampiaraho ho tsiroaroa ireo mpianatra, ka asao izy ireo hifametraka ireo fanontaniana ireo. Inona no zavatra nianarantsika momba antsika samy isika?

Efesiana 6:1–3

Tian’ny Ray any An-danitra aho hankatò sy hanaja ireo ray aman-dreniko.

Mieritrereta fomba hahafahanao manampy ireo ankizy hahatakatra ny antony maha-zava-dehibe ny fankatoavana ny ray aman-drenin’izy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Asao ireo ankizy hamaky manokana ny Efesiana 6:1–3 ary hitady andian-teny izay manaitra azy ireo. Asao izy ireo hizara ireo andian-teny ireo sy hilaza ny antony hahatsapany fa manan-danja ireo andian-teny ireo.

  • Ampio ireo ankizy hitady sy hizara ohatra maneho olona ao amin’ny soratra masina izay nankatò sy nanaja ireo ray aman-dreniny, toy ny Mpamonjy (jereo ny Lioka 2:42–52), i Rota (jereo ny Rota 1), na i Nefia (jereo ny 1 Nefia 3:1–8). Nahoana no zava-dehibe ny mankatò sy manaja ny ray aman-drenintsika?

  • Omeo taratasy kely misy soratra hoe: manaja eny an-tampony ny ankizy tsirairay. Ifampiresaho ny hevitr’io teny io. Asao ireo ankizy hanoratra na hanao sary eo amin’ny taratasy keliny ny zavatra iray izay azony hatao mba hampisehoany fa izy ireo dia manaja ny ray aman-dreniny.

Efesiana 6:10–18

Ny fiadian’ Andriamanitra dia afaka miaro ahy amin’ny ratsy.

Eo am-pamakianao ny Efesiana 6:10–18, dia eritrereto ny sasany amin’ireo loza ara-panahy izay atrehin’ireo ankizy sy ny fomba ahafahanao manampy ireo ankizy hatanjaka manoloana azy ireny.

Atrikasa azo atao

  • Mandritra ny famakian’ny ankizy iray ny Efesiana 6:10–18, dia angataho ny ankizy iray hafa hanao lisitra na hanao sary eny amin’ny solaitrabe ireo fiadiana tsirairay izay voalaza. Nahoana no zava-dehibe ny fitafiana fiadiana mandritra ny ady iray? Ahoana no fomba hitafiantsika fiadiana ara-panahy isan’andro?

  • Angataho ny ankizy tsirairay hanao ny sary sy hanisy ny lohateniny ho an’ny iray amin’ireo fiadiana voalaza ao amin’ny Efesiana 6:14–17. Ahoana no fomba hiarovan’ireo fiadiana ireo antsika amin’ny ratsy? Inona no ampanantenain’ny Tompo ireo izay mitafy ny fiadian’ Andriamanitra? (jereo ny Efesiana 6:13). Inona no dikan’ny hoe: “[m]anohitra amin’ny andro mahory”?

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hijery mandritra ity herinandro ity raha misy olona izay mety mahatsiaro tena ho vahiny. Amporisiho izy ireo hanao zavatra mba hanolorana tanana ho an’io olona io.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy kely hianatra zavatra avy ao amin’ny soratra masina. Ny ankizy kely dia afaka mianatra zavatra avy amin’ny soratra masina kanefa izy ireo dia mila mifantoka amin’ny andininy iray na amina andian-teny manan-danja iray fotsiny aza. Azonao atao ny manasa ny ankizy hitsangana rehefa maheno teny na andian-teny iray manokana izy ireo. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25–26.)

Hamoaka printy