Testamenta Vaovao 2023
25 septambra–1 ôktôbra. Galatiana: “Mandehana araka ny Fanahy”


“25 septambra–1 ôktôbra. Galatiana: -Mandehana araka ny Fanahy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“25 septambra–1 ôktôbra. Galatiana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
I Kristy miseho amin’i Paoly tao am-ponja

Namangy an’i Paoy tao am-ponja ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty (jereo ny Asan’ny Apostoly 23:11). Afaka manafaka antsika amin’ny “zioga fanandevozana” i Jesoa Kristy (Galatiana 5:1).

25 septambra–1 ôktôbra

Galatiana

“Mandehana araka ny Fanahy”

Rehefa mamaky ny Galatiana ianao dia inona ireo fahatsapana anananao momba ny zavatra tokony hianaran’ny ankizy ao amin’ny kilasinao?

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Omeo minitra vitsivitsy ny ankizy hanaovana sarina zavatra iray izay nianaran’izy ireo avy tamin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara izay natao vao haingana tany an-trano na tao am-piangonana. Avelao ny ankizy hizara hoe maneho inona ny sary tsirairay.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Galatiana 5:22–23

Manampy ahy hahatsapa fitiavana, sy fifaliana, ary fiadanana ny Fanahy Masina.

Afaka mahafantatra ny vokatry ny Fanahy ny ankizy kely. Izany dia hanomana azy ireo mba hikatsaka ny fitaoman’ny Fanahy Masina mandritra ny fiainan’izy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Mampisehoa voankazo maromaromaro na sarina voankazo maromaro, ary angataho ny ankizy mba hamariparitra ny tsiron’ny voankazo tsirairay. Hazavao fa tahaka ny voankazo izay manana tsiro samy hafa dia afaka mahatsapa ny Fanahy Masina amin’ny fomba samy hafa isika, toy ny fitiavana sy fiadanana. Milazalazà fomba vitsivitsy nahatsapanao ny Fanahy Masina teo amin’ny fiainanao, ary avelao ireo ankizy hizara hoe manao ahoana ny fahatsapana ny Fanahy Masina ho azy ireo.

Sary
Paoma eo amin’ny hazo

Ny ankizy rehetra na firy taona na firy taona dia afaka mahatsapa ny “vokatry ny Fanahy.”

  • Iaraho mamaky amin’ny ankizy ny Galatiana 5:22–23 ary hazavao ireo teny izay tsy mahazatra ny ankizy. Asao ny ankizy tsirairay hisafidy vokatry ny fanahy iray izay voalaza ao amin’ireo andininy ireo, ary ampio izy ireo hieritreritra fotoana iray izay niainany izany. Asao ny ankizy mba hanao sary tsotra momba ny zavatra niainany.

Galatiana 6:2

Tian’i Jesoa Kristy hanampy ireo sahirana aho.

Ilay torolalana ao amin’ny Galatiana 6:2 dia mitovitovy amin’ny fampianaran’i Almà ao amin’ny Môzià 18:8 ho an’ireo olona izay ho atao batisa. Ampiasao ity fahafahana ity mba hanampiana ny ankizy hiomana amin’ny fanekempihavanan’ny batisa.

Atrikasa azo atao

  • Mampisehoa sarina ankizy iray atao batisa (toy ny ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah.104). Anontanio ny ankizy ny ataon’ilay ankizy. Hazavao fa rehefa atao batisa isika dia manao fanekempihavanana na fampanantenana. Vakio ny Galatiana 6:2 na ny Môzià 18:8 mba hanampiana ny ankizy hianatra ny iray amin’ireo zavatra ampanantenaintsika fa hataontsika: dia ny hifampitondra ny enta-mavesatra izany. Asao ireo ankizy hanao ny sarin’ireo fomba ahafahan’izy ireo manampy ny hafa izay mitondra enta-mavesatra.

  • Vakio amin’ny ankizy ity andian-teny avy ao amin’ny Galatiana 6:2 ity: “Mifampitondrà izay mavesatra.” Mba hanehoana ny hevitr’izany dia omeo zavatra mavesatra mba hoentina ny ankizy iray. Avy eo dia manasà ny olona iray izay terem-panahy mba hanampy ilay ankizy hitondra ilay entana. Hazavao amin’ny ankizy fa zavatra maro no mety ho toy ny enta-mavesatra, toy ny hoe marary na fahatsapana ho malahelo na fahatsapana ho irery. Inona no azontsika atao mba hanampiana ny olona iray amin’io karazana enta-mavesatra io?

Galatiana 6:7–9

Misy fiantraikany ny asantsika, na ny tsara na ny ratsy.

Amin’ny fampianarana fa isika dia mijinja izay afafintsika, araka ny fanazavana ao amin’ny Galatiana 6:7–9, dia afaka mampianatra ireo ankizy ianao mba handinika ny vokatry ny zavatra ataony.

Atrikasa azo atao

  • Mampisehoa voa iray na legioma iray. Vakio amin’ny ankizy ny Galatiana 6:7–9. Asaivo mody mamboly voa ny ankizy rehefa mandre ny teny hoe mamafy. Asaivo mody mioty legioma avy amin’ny zava-maniry iray izy ireo rehefa mandre ny teny hoe mijinja.

  • Mampisehoa karazana legioma maro amin’ny ankizy, ary ampio izy ireo mba hitady ny voa ao anatin’ny tsirairay amin’izy ireo. Apetraho ao anatin’ny fitoeran-javatra iray ireo voa ireo ary asaivo mifandimby mifidy anankiray amin’izany ny ankizy ary milaza ny legioma izay hitombo raha toa ka mamboly izany izy ireo. Ampio izy ireo hahita fa ny hoe araka ireo voa ambolentsika no legioma azontsika, dia araka ireo safidy ataontsika no vokatra sy fitahiana ho azontsika any aoriana.

  • Asio tsipika vita amin’ny taratasy misy lakaoly ny tany. Asio endrika faly sy endrika malahelo eo amin’ny andaniny sy ankilany amin’ilay tsipika. Asao ny ankizy iray hijoro eo afovoan’ilay tsipika, ary ampio ireo ankizy hafa hieritreritra safidy izay hitondra mankamin’ny fifaliana na mankamin’ny alahelo. Ho an’ny safidy tsirairay dia asaivo mandroso mankany amin’ny faritra faly na faritra malahelo ilay ankizy eo afovoany. Avereno imbetsaka ilay asa atao ary avelao hifandimby hijoro eo ambonin’ilay taratasy misy lakaoly ny ankizy.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Galatiana 3:26–28

Ny fanaovantsika batisa dia mahatonga antsika ho “iray ao amin’i Kristy.”

Nampianatra ireo Olomasina Galatiana i Paoly fa rehefa atao batisa izy ireo dia lasa “iray ao amin’i Kristy Jesoa.” Ahoana no ahafahanao manampy ireo ankizy hiezaka ho amin’ilay firaisan-kina voalaza ao amin’ny Galatiana 3:26–28?

Atrikasa azo atao

  • Asao ireo ankizy hamaky ny Galatiana 3:26–28 sady hametraka izao fanontaniana izao ao an-tsainy: Inona no mitranga rehefa atao batisa aho? Azonao atao ny mifantoka amin’ny andian-teny toy ny hoe “mitafy an’i Kristy” na “iray ao amin’i Kristy.” Mety midika inona ireo andian-teny ireo? Ahoana no itovian’ny hoe “mitafy an’i Kristy” amin’ny fitondrana ny anarany? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75–79). Inona no azontsika atao mba hanehoana amin’ny hafa fa efa nitondra ny anarany isika?

  • Iaraho mamaky ny Galatiana 3:28, ary tadiavo ny sasany amin’ireo fomba izay namaritan’ny olona ny tenany rehefa natao batisa tamin’ny andron’i Paoly izy ireo. Ampio ireo ankizy hilaza fomba vitsivitsy izay hamaritany ny tenany ankehitriny. Inona no ezahan’i Paoly ampianarina antsika ny amin’ny tokony ho fijery eo amintsika samy isika rehefa atao batisa isika?

Galatiana 5:16, 22–23

Raha “[mandeha] araka ny Fanahy” aho dia handray ny “vokatry ny Fanahy.”

Rehefa atao batisa sy mandray ny fanomezan’ny Fanahy Masina isika, dia afaka mandray bebe kokoa ny vokatry ny Fanahy eo amin’ny fiainantsika. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hamantatra io vokatra io eo amin’ny fiainan’izy ireo?

Atrikasa azo atao

  • Omeo taratasy iray ny ankizy tsirairay (azonao hetezana hiendrika voankazo ilay taratasy), ary asaivo mitady “vokatry ny Fanahy” iray izay voatanisa ao amin’ny Galatiana 5:22–23 ny ankizy. Asao izy ireo mba hanoratra ny iray amin’ireo vokatra eo amin’ny ilan’ny taratasin’izy ireo ary teny iray izay midika ny mifanohitra amin’izany eo amin’ny ilany iray hafa. (Ampio izy ireo hahatakatra ireo teny izay tsy mahazatra azy ireo.) Asao izy ireo hizara ny vokatr’izy ireo amin’ny iray kilasy. Inona no azontsika atao mba hananantsika ny Fanahy Masina miaraka amintsika mandrakariva?

  • Asao ny ankizy mba hamaky momba ny vokatry ny Fanahy ao amin’ny Galatiana 5:22–23 ary hilaza an-tsoratra na hanao sary ny fotoana iray izay nahatsapan’izy ireo ny iray amin’ireo vokatra ireo. Angataho izy ireo hizara ny tantarany na ny sary nataony amin’ny olona iray ao amin’ny kilasy. Nahoana ny voankazo no fomba tsara iray hanampiana antsika hahatakatra ny fomba fitaoman’ny Fanahy antsika?

Galatiana 6:7–9

Misy fiantraikany ny asantsika, na ny tsara na ny ratsy.

Ampio ny ankizy hahatakatra fa ireo vokatry ny fitondrantenantsika dia tonga eo no ho eo indraindray ary ny hafa dia mety ho tonga “amin’ny fotoan’andro” (andininy 9).

Atrikasa azo atao

  • Iaraho mamaky ny Galatiana 6:7–9. Ataovy lisitra ireo asa (na voa izay “afafintsika”) sy izay aterak’izany (na vokatra izay “jinjaintsika”). Angataho ireo ankizy hampifandray ny asa amin’ny ny vokany.

  • Asao ireo ankizy mba hitanisa ireo fitahiana antenain’izy ireo ho azo avy amin’ny Ray any An-danitra. Ampio izy ireo hieritreritra ireo “voa” tsy maintsy ambolen’izy ireo mba “hijinjany” ireo fitahiana ireo.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ampio ireo ankizy hitady hoe mihatra amin’ny fiainan’izy ireo andavanandro amin’ny fomba ahoana ireo fahamarinana izay nianarany androany. Ohatra, azonao atao ny manasa azy ireo hijery ireo fiantraikany tsara, na “vokatra” izay azo noho ny fanapahan-kevitra tsara izay ataon’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Ovao araka ny taonan’ireo ankizy ny atrikasa. Omeo fahafahana handray anjara ny ankizy, saingy tsarovy fa ny fahafahan’izy ireo manao izany dia miovaova araka ny taonany sy ny fahamatorany. Ireo ankizy madinika dia mety hila toromarika sy torolalana. Rehefa mihamatotra ny ankizy dia afaka mandray anjara bebe kokoa ary hahay hizara ny eritreriny bebe kokoa izy ireo. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy , 25–26).

Hamoaka printy