Testamenta Vaovao 2023
18–24 septambra. 2 Korintiana 8–13: “Fa ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’ Andriamanitra”


“18-24 septambra. 2 Korintiana 8–13: -Fa ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’ Andriamanitra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“18-24 septambra. 2 Korintiana 8-13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

I Jesoa miresaka amin’ny ankizy kely

18–24 septambra

2 Korintiana 8–13

“Fa ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’ Andriamanitra”

Ny hevitra tsara indrindra hampianarana ny ankizy ao amin’ny kilasinao dia ho tonga rehefa sady mandalina ombam-bavaka ny 2 Korintiana 8–13 ianao no mieritreritra azy ireo. Hita ato anatin’ity rindran-damina ity ireo hevitra hoenti-mampianatra fanampiny.

Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ny fomba tsara iray mba hanasana ny fizarana eo anivon’ny ankizy dia ny fampahatsiahivana azy ireo ny zavatra nasainao nataon’izy ireo nandritra ny lesona teo aloha. Asaivo mizara ny zavatra niainany izy ireo.

Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

2 Korintiana 9:6–7

Afaka manome am-pifalifaliana ho an’ireo sahirana aho.

Tsara foana ny manompo ny hafa, saingy tsara kokoa ny manompo amim-pifaliana. Saintsaino izay mety hitaona ny ankizy tsirairay ho tonga “mpanome amin’ny fifaliana.”

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hamerina hiteny ilay andian-teny hoe “Fa ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’ Andriamanitra” (2 Korintiana 9:7). Inona no dikan’ny hoe “mpanome amin’ny fifaliana”? Mampisehoa sarina endrika faly iray sy endrika malahelo iray, ary anontanio ny ankizy hoe iza amin’ireo no mitovy amin’ny mpanome amin’ny fifaliana.

  • Iaraho mihira im-betsaka ny hira iray momba ny fanompoana, toy ny “Rehefa manampy izahay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 108b). Amin’ny voalohany dia asaivo mihira amim-pifaliana ny ankizy; avy eo dia asaivo hirainy miaraka amin’ny fihetseham-po na fihetsika hafa toy ny hoe malahelo, reraka, tezitra, na matahotra. Ampahatsiahivo ny ankizy fa ny Ray any An-danitra dia maniry ny hanampiantsika ny hafa amim-piravoravoana. Hirao amim-pifaliana indray avy eo ilay hira.

  • Ampio ny ankizy hanao sarina endrika mitsiky sy endrika miketrona. Asaivo ampiakarin’izy ireo ambony ireo sary rehefa mandre ny teny hoe mitsikia na mirana izy ireo rehefa mihira ny “Tsiky” (Bokin-kiran’ny ankizy, 128). Afaka manao toy izany koa izy ireo miaraka amin’ny sarina endrika miketrona sy ny teny hoe miketrona. Asao ireo ankizy hamantatra hoe iza amin’ireo endrika no misy fifaliana ary iza no tsy misy. Hazavao fa ny fomba iray hahatongavana ho feno fifaliana sy hanompoana ny hafa dia ny mitsiky sy manampy ny hafa hitsiky.

  • Manaova drafitra iray ho an’ny iray kilasy mba hanompoana olona iray, toy ny ankizy izay tsy manatrika ny Kilonga na ny mpikambana iray ao amin’ny paroasy na ny mpiray monina izay sahirana. Azonareo atao ny manao drafitra hitsidika io olona io any an-tranony, na hanoratra teny mamy na hanao sary, na hanamboatra sakafo maivana mba hozaraina.

  • Asao ny ankizy tsirairay mba hanao drafitra asa fanompoana iray atao amim-pifaliana ho an’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany. Mandritra ny lesona amin’ny herinandro manaraka dia asaivo mizara ny zavatra nataony izy ireo.

2 Korintiana 12:7–10

Mamaly vavaka ny Ray any An-danitra saingy tsy araka ny fomba mety hantenaintsika azy foana.

Ny zavatra niainan’i Paoly tamin’izy nivavaka mba hanesorana ny “tsilo tamin’ny nofo” dia mampianatra antsika fa indraindray Andriamanitra dia mampatanjaka antsika ao anatin’ireo fitsapana manjo antsika fa tsy manaisotra azy ireny.

Atrikasa azo atao

  • Mampisehoa zava-maniry iray misy tsilo amin’ny ankizy (na ny sarin’ny iray amin’izany). Ampio izy ireo haka sary an-tsaina hoe manao ahoana izany manana tsilo miraikitra ao amin’ny hoditra mandritra ny fotoana elabe izany. Fintino amin’ny ankizy ny 2 Korintiana 12:7–10 ary hazavao fa ilay “tsilo tamin’ny nofo” dia fitsapana, zavatra sarotra tamin’ny fiainany. Na dia nangataka tamin’ Andriamanitra aza i Paoly mba hanesorana ilay fisedrana dia tsy nataon’ Andriamanitra izany. Fa nampianarin’ Andriamanitra kosa i Paoly fa afaka manampy antsika hianatra ny hanetry tena sy hatoky Azy ireo olana. Avy eo dia afaka manao izay hahatonga antsika ho matanjaka Andriamanitra.

  • Mijoroa ho vavolombelona fa fantatr’ Andriamanitra ny tsara indrindra ho antsika, ary hanome izay ilaintsika Izy, na dia tsy mitovy amin’ny zavatra eritreretintsika aza izany. Azonao atao ihany koa ny mizara zavatra niainana iray iray izay namaliana ny vavaka nataonao tamin’ny fomba iray na tamin’ny fotoana iray izay tsy nitovy tamin’ny nanampoizanao izany.

  • Hirao miaraka amin’ny ankizy ny hira iray momba ny fitiavan’ny Ray any An-danitra, toy ny “Vavaky ny ankizy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 6). Anontanio ny ankizy izay holazain’izy ireo amin’ny olona iray izay manontany tena raha toa ka mandre sy mamaly vavaka ny Ray any An-danitra. Hirao indray ilay hira, ary hamafiso ireo andalana izay mamariparitra ny fahatsapan’ny Ray any An-danitra momba antsika.

Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

2 Korintiana 9:6-9

Afaka manome am-pifalifaliana ho an’ireo sahirana aho.

Naniry ny hitaona ireo Olomasina i Paoly mba hanome amin’ny haren’izy ireo hanampiana ny mahantra. Ahoana no hampiasanao ny teniny mba hitaomana ny ankizy hanompo ny hafa?

Atrikasa azo atao

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny soratra ao amin’ny 2 Korintiana 9:7 ka avelao ho banga ireo teny manan-danja. Asao ireo ankizy hafa mba hamantatra ireo teny tsy eo. Avy eo dia avelao izy ireo hamaky ilay andininy ao amin’ny soratra masina mba hamenoana ireo banga. Inona no dikan’ny hoe manome “amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena”? Inona no dikan’ny hoe “mpanome amin’ny fifaliana”?

  • Asao ny ankizy mba hanampy anao hitady ireo sarin’ny Mpamonjy manompo ny hafa (misy maro ao anatin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Anontanio azy ireo ny zavatra hitany ao anatin’ireo sary ireo izay manampy azy ireo hahafantatra fa nanompo ny hafa tamim-pitiavana i Jesoa. Mametraha tanjona ho an’ny iray kilasy mba hiteny hoe eny rehefa mangataka antsika mba hanompo amin’iny herinandro manaraka iny ny olona ao amin’ny fianakaviana na ny hafa, toy ny fanampiana ao an-trano na fikarakarana ny hafa.

  • Ampio ny ankizy handoko vato kely. Hazavao fa ireo dia “vato kelin’ny fanompoana” izay azon’izy ireo entina any am-paosiny mandritra ity herinandro ity mba hanampy azy ireo hahatsiaro ny hanompo ny hafa amin’ny fifaliana.

  • Miaraha-mihira hira iray momba ny fanompoana, toy ny “Mahafinaritra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 129b). Ampio ireo ankizy hieritreritra andininy vaovao ho an’ilay hira izay manoritsoritra fomba isan-karazany hanompoana ny hafa.

2 Korintiana 12:7–10

Ny Ray any An-danitra dia mamaly foana ny vavaka ataoko, saingy tsy omeny ahy foana ny zavatra rehetra angatahiko.

Nangataka tamin’ Andriamanitra i Paoly mba hanaisotra ny fahalemeny, saingy fantatr’ Andriamanitra fa ny fahalemen’i Paoly dia hahatonga azy hanetry tena ary Andriamanitra dia afaka ny hampatanjaka azy.

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy mba hampitaha ny 2 Korintiana 12:9–10 sy ny Etera 12:27. Inona ireo teny na andian-teny miverimberina ao? Inona no ampianarin’ireo andininy ireo? (Azonao atao ny manazava fa i Paoly dia nampitaha ny olany tamin’ny tsilo iray ao amin’ny nofony.) Inona no nampianarin’ Andriamanitra an’i Paoly momba ny fitsapana?

  • Asao ny ankizy mba hitanisa ireo fitsapana sasantsasany iainan’ny olona eo amin’ny fiainana. Ampio izy ireo hieritreritra ny fomba mety hianaran’ny olona iray avy amin’ireny fisedrana ireny sy mba ho voatahy amin’izany.

  • Asao ny ankizy mba hizara zavatra niainana tamin’ny fotoana izay nangatahan’izy ireo zavatra iray tamin’ny alalan’ny vavaka ka tsy nahazo izany. Angataho izy ireo mba hizara ny zavatra nianarany avy tamin’ilay zavatra niainany. Azonao atao ihany koa ny mizara ny zavatra niainanao manokana. Mijoroa ho vavolombelona fa mamaly mandrakariva ny vavaka ataontsika amin’ny fomba sy fotoana izay hitahiana antsika indrindra ny Ray any An-danitra.

Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba ho mpanome amin’ny fifaliana ao an-tokantranon’izy ireo amin’ity herinandro ity ary ho tonga ao an-dakilasy amin’ny herinandro ambony sady vonona ny hanao tatitra ny amin’ny fomba nanompoany olona sahirana iray.

Manatsara ny fampianarantsika

Atreho amim-pitiavana ny fanakorontanana. “Indraindray misy ankizy manao zavatra izay manakorontana ny fianaran’ny hafa ao amin’ny kilasy. Rehefa mitranga izany dia manàna faharetana ary manehoa fitiavana ary fahatakarana an-tsaina eo anatrehan’ny olana mety atrehan’ilay ankizy. … Raha toa ka manana filàna manokana ilay ankizy manakorontana, dia miresaha amin’ny tompon’andraikitra misahana ny olona manana fahasembanana eo anivon’ny paroasy na tsatòka na tsidiho ny [disabilities.ChurchofJesusChrist.org] mba hahitana ny fomba ahafahanao manome ireo zavatra ilaina ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,26).