Testamenta Vaovao 2023
4–10 septambra. 1 Korintiana 14–16: “Fa Andriamanitra tsy tompon’ny fikotronana, fa tompon’ny fiadanana”


“4–10 septambra. 1 Korintiana 14–16: -Fa Andriamanitra tsy tompon’ny fikotronana, fa tompon’ny fiadanana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“4–10 septambra. 1 Korintiana 14–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Dobo fanaovana batisa ao amin’ny tempoly

4–10 septambra

1 Korintiana 14–16

“Fa Andriamanitra tsy tompon’ny fikotronana, fa tompon’ny fiadanana.”

Rehefa mamaky ny 1 Korintiana 14–16 ianao dia hanampy anao hahafantatra ny zavatra tokony hampianarinao ny ankizy ny Fanahy Masina. Vakio ity rindran-damina ity mba hahitana hevitra fanampiny.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Azonao atao ny manomboka ny lesona amin’ny famakiana mafy ny 1 Korintiana 14:26. Mariho fa rehefa miara-miangona any am-piangonana isika dia afaka mankahery (na manangana sy manampy) ny hafa rehefa mizara ny zavatra ianarantsika. Anontanio ny ankizy hoe inona no azon’izy ireo zaraina mba hankaherezana olona iray ao an-dakilasy anio.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

1 Korintiana 15:20–22

Afaka miaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra aho aorian’ny fahafatesana satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy.

Ahoana no fomba ahafahanao mampianatra ny ankizy fa afaka ny ho velona indray isika satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy?

Atrikasa azo atao

  • Averimbereno im-betsaka miaraka amin’ny ankizy ny hoe: “[Ho velona] ao amin’i Kristy [ny olona rehetra]” (1 Korintiana 15:22). Ampisehoy ny sarin’ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Hazavao fa ho faty avokoa isika rehetra indray andro any, kanefa, satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa dia hiverina ho velona indray isika rehefa aorian’ny fahafatesana.

  • Mampisehoa palitao amin’ireo ankizy, izay maneho ny vatantsika. Rehefa velona isika dia ao anatin’ny vatantsika ny fanahintsika, ary afaka mihetsika ny vatantsika (anaovy ilay palitao). Rehefa maty isika dia mandao ny vatantsika ny fanahintsika, ary tsy afaka mihetsika ny vatantsika (esory ilay palitao ary apetraho eo ambony latabatra na seza izany mba hanehoana ny vatana iray tsy miaraka amin’ny fanahiny). Rehefa mitsangana amin’ny maty isika dia miverina ao amin’ny vatantsika ny fanahintsika (anaovy indray ilay palitao), ary tsy hisaraka no oviana na oviana intsony izy ireo. Avelao ny ankizy hifandimby hanao ilay palitao sy hanala izany, ka ny ankizy iray hafa dia hanazava ny zavatra mitranga rehefa mitsangana amin’ny maty isika.

1 Korintiana 15:29

Azo atao batisa ho mpisolo tena ireo olona izay efa nodimandry aho.

Eo am-piomanan’ireo ankizy ho amin’ny batisany, dia diniho ny fomba ahafahanao manampy azy ireo hiandrandra ihany koa ny fahafahan’izy ireo hatao batisa ho an’ny maty.

Atrikasa azo atao

  • Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra tsy vitan’izy ireo samirery. Iza no manampy azy ireo amin’ny fanaovana ireo zavatra ireo? Ampisehoy ny sarin’ny iray amin’ireo razambenao izay maty kanefa tsy vita batisa. Resaho amin’ireo ankizy ny momba io olona io, ary hazavao fa mila ny fanampiantsika izy mba hatao batisa.

  • Anontanio ny ankizy raha toa ka misy olona ao amin’ny fianakaviany efa tany amin’ny tempoly ka nanao batisa ho an’ny maty. Mampisehoa sarina dobo fanaovana batisa ao amin’ny tempoly. Anontanio ny ankizy raha fantany ny zava-mitranga eo. Hazavao fa ao amin’ ny tempoly isika dia azo atao batisa ho an’ireo olona izay efa nodimandry kanefa tsy vita batisa. Avy eo dia afaka misafidy ireo olona ireo raha toa ka hanaiky ilay batisa na tsia.

1 Korintiana 15:40–41

Tian’ny Ray any An-danitra hiaina hiaraka Aminy any amin’ny fanjakana selestialy aho.

Ahoana no ahafahanao mampianatra ny ankizy momba ny fanjakana selestialy sy terestrialy ary telestialy? Afaka manampy ireto atrikasa manaraka ireto.

Atrikasa azo atao

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny selestialy, terestrialy, ary telestialy. Ampio ireo ankizy hianatra hanonona ireo voambolana ireo.

  • Mampisehoa sarina masoandro sy volana ary kintana. Asao ireo ankizy hampilahatra azy ireo arakaraka ny hazavana lehibe indrindra mankany amin’ny hazavana kely indrindra. Vakio amin’ny ankizy ny 1 Korintiana 15:40–41 (jereo ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ). Hazavao fa ny masoandro sy ny volana ary ny kintana dia maneho ireo fanjakana azontsika hitoerana rehefa avy mitsangana amin’ny maty isika. Afaka miaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra isika ao amin’ny fanjakana selestialy.

  • Omeo ny tahadikan’ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity ireo ankizy mba holokoiny. Mandritra ny fotoana handokoan’izy ireo, dia zarao aminy ny fahatsapanao momba ny Mpamonjy sy ny zavatra nataony mba hahatonga antsika ho afaka hiaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra indray.

Sary
Masoandro miposaka

“Hafa ny voninahitry ny masoandro” (1¬Korintiana 15:41).

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

1 Korintiana 15:20–22

Noho i Jesoa Kristy sy ny fitsanganany tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty aho.

Moa ve takatry ny ankizy ampianarinao ny maha-manan-danja ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty? Afaka manampy ireto hevitra ireto.

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy mba hifandimby hamaky ireo andininy ao amin’ny 1 Korintiana 15:12–22, ka hitady valin-teny ho an’ilay fanontaniana hoe: “Inona no mety hitranga raha toa ka tsy misy fitsanganana amin’ny maty?”

  • Asao ny ankizy mba hilalao an-tsehatra ny fomba hanazavana ny fitsanganana amin’ny maty amin’ny olona iray. Mba hangalana hevitra, dia azon’izy ireo atao ny mijery hira iray momba ny Fitsanganan’ny Mpamonjy amin’ny maty, toy ny “Moa ve Jesoa nitsangana?” (Bokin-kiran’ny ankizy, 45). Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty.

1 Korintiana 15:12–13, 20–22, 29

Afaka miomana handeha any amin’ny tempoly aho mba hatao batisa ho an’ny maty.

Ny batisa ho an’ny maty dia asa feno fifaliana sy fitiavana isoloana tena ireo razambentsika. Ahoana no ahafahanao manampy ireo ankizy hiomana handray anjara amin’io asa io?

Atrikasa azo atao

  • Jereo ny 1 Korintiana 15:29. Inona no nataon’ireo Olomasina tamin’ny andron’i Paoly izay ataontsika ihany koa ankehitriny? Anontanio ireo ankizy hoe nahoana isika no atao batisa ho an’ny maty. Raha ilaina dia hazavao fa maro amin’ireo razambentsika no tsy nanana fahafahana ny hatao batisa sy noraisina ho mpikambana nandritra ity fiainana ity. Afaka atao batisa sy raisina ho mpikamban’ny Fiangonana ho azy ireo isika any amin’ny tempoly.

  • Andro vitsivitsy mialoha ny fotoam-pianarana dia asao ny ray na renin’ny ankizy iray mba hanampy azy hiomana hizara ny tetiaran’ny fianakaviany, na hiresaka momba ny razambe iray. Azonao atao ihany ny mizara momba ny razambenao.

  • Asao ny olona iray ao amin’ny episkôpà na zatovo iray ao amin’ny paroasinao mba hizara zavatra vitsivitsy azon’ny ankizy atao mba hiomanany hiditra ny tempoly. Asaivo manampy amin’ny heviny ireo ankizy. Asao izy ireo hanao tanjona ny ho any amin’ny tempoly indray andro any.

1 Korintiana 15:40–41

Rehefa avy mitsangana amin’ny maty aho dia afaka miaina any amin’ny fanjakana selestialy.

Mba hampianarana ny Korintiana momba ny vatana ho azontsika amin’ny fitsanganana amin’ny maty dia nilaza ambaratongam-boninahitra telo i Paoly: selestialy, terestrialy ary telestialy.

Atrikasa azo atao

  • Vakio ny 1 Korintiana 15:40–41 ary asao ny ankizy iray mba hanao sarina masoandro, volana ary kintana eny amin’ny solaitrabe. Asaivo fantarin’ny mpianatra hoe karazana vatana nitsangana tamin’ny maty toy ny ahoana no asehon’ny sary tsirairay.

  • Miaraha mihira hira iray mifandray amin’io lohahevitra io, toy ny “Ny Tompo dia nanome ahy tempoly” (Bokin-kiran’ny ankizy, 73). Inona no ampianarin’io hira io antsika mikasika ny fiomanana ny hiaina any amin’ny voninahitra selestialy?

  • Hazavao fa i Joseph Smith dia nahita fahitana iray izay nahitany fanjakana telo mifandray amin’ny karazana vatana nofariparitan’i Paoly. Ampio ny ankizy hahita andian-teny avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–53, 70; 76:71–79; 76:81–82 izay mamariparitra ireo fanjakana telo ireo.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hangataka amin’ny ray aman-dreniny mba hilazalaza amin’izy ireo ny tantara momba ny iray amin’ireo razamben’izy ireo. Azon’izy ireo zaraina amin’ny iray kilasy ilay tantara amin’ny herinandro manaraka.

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny ankizy mba hametraka fanontaniana. “Miezaha mba handray ny fanontanian’[ny ankizy] ho toy ny fahafahana manao zavatra fa tsy toy ny zavatra manelingelina na zavatra manakantsakana ny lesonao. … Ny fanontaniana toy izany dia manome anao hevitra manan-danja mikasika ny zavatra eritreretin’ny ankizy, ny olana ananany, ary ny fandraisany andraikitra eo anatrehan’ireo zavatra ianarany. Ampio izy ireo hahita fa ny valin’ny fanontaniany dia afaka ny ho hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25–26).

Hamoaka printy