Testamenta Vaovao 2023
4–10 septambra. 1 Korintiana 14–16: “Fa Andriamanitra tsy tompon’ny fikotronana, fa tompon’ny fiadanana”


“4–10 septambra. 1 Korintiana 14–16: -Fa Andriamanitra tsy tompon’ny fikotronana, fa tompon’ny fiadanana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“4–10 septambra. 1 Korintiana 14–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Dobo fanaovana batisa ao amin’ny tempoly

4–10 septambra

1 Korintiana 14–16

“Andriamanitra tsy tompon’ny fikotronana, fa tompon’ny fiadanana.”

Raketo ireo zavatra tsapanao eo am-pamakianao ny 1 Korintiana 14–16. Mivavaha momba ny zavatra izay nampianarin’ny Fanahy anao, dia manontania ny Ray any An-danitra raha toa misy zavatra hafa tiany ianaranao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Koa satria azo lazaina fa mbola zava-baovao ny Fiangonana sy ireo fotopampianarana tany Korinto dia tsy nahagaga loatra ny fisian’ny fisafotofotoana teo anivon’ireo Olomasina Korintiana. Efa nampianarin’i Paoly azy ireo ilay fahamarinana fototry ny filazantsara fa: “maty noho ny fahotantsika i Kristy … dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo” (1 Korintiana 15:3–4). Saingy vetivety teo dia nanomboka nampianatra ny mpikambana sasany fa “tsy misy fitsanganan’ny maty” (1 Korintiana 15:12). Nitalaho tamin’izy ireo i Paoly hoe “tananareo tsara” ireo fahamarinana izay efa nampianarina azy ireo (1 Korintiana 15:2). Rehefa sendra ny hevitra mifanipaka momba ireo fahamarinan’ny filazantsara isika dia tsara ny mahatadidy “fa Andriamanitra dia tsy tompon’ny fikotronana, fa tompon’ny fiadanana” (1 Korintiana 14:33 Ny fihainoana ireo mpanompo voafidin’ny Tompo sy ny fihazonana ireo fahamarinana tsotra ampianarin’izy ireo antsika ombieny ombieny dia afaka manampy antsika “[hitoetra] tsara amin’ny finoana” (1 Korintiana 16:13).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

1 Korintiana 14

Afaka mikatsaka ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana aho.

Inona no atao hoe fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana? Fahaizana maminany ny hoavy ve izany? Natokana ho an’ny mpaminany ihany ve izany? Sa afaka mahazo an’io fanomezam-pahasoavana io daholo na iza na iza?

Saintsaino ireo fanontaniana ireo rehefa mandalina ny 1 Korintiana 14:3, 31, 39–40 ianao. Azonao atao koa ny mamaky ny Apokalypsy 19:10 sy ny “Faminaniana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Raha miainga avy amin’ny zavatra nianaranao dia ahoana no hamaritanao ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana? Inona no mety ho tian’i Paoly nolazaina rehefa nanasa ny Korintiana izy mba “[haniry] fatratra ny haminany”? (1 Korintiana 14:39). Amin’ny fomba ahoana no hanekenao io fanasana io?

Jereo koa ny Joela 2:28–29; Almà 17:3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:23–28.

1 Korintiana 14:34–35

Ahoana no fihatran’ilay teny nolazaina momba ny vehivavy ao amin’ireo andininy ireo amin’izao fotoana izao?

Tamin’ny andron’i Paoly dia nisy zavatra hafa nandrasana mikasika ny fomba fandraisan’ny vehivavy anjara teo anivon’ny fiarahamonina, tafiditra tao anatin’izany ireo fivoriam-piangonana. Na inona na inona no dikan’ireo fampianarana ao amin’ny 1 Korintiana 14:34–35 tamin’ny andron’i Paoly, dia tsy tokony horaisina ho mifono hevitra hoe tsy afaka miresaka na mitarika ao amin’ny Fiangonana ny vehivavy amin’izao fotoana izao. Hoy ny Filoha Russel M. Nelson tamin’ireo vehivavy ato amin’ny Fiangonana ankehitriny hoe: “Mila ny tanjakareo, ny fiovamponareo, ny finoanareo, ny fahaizanareo mitarika, ny fahendrenareo ary ny feonareo izahay. Tsy feno ary tsy ho feno ny fanjakan’ Andriamanitra raha tsy misy ireo vehivavy izay manao fanekempihavanana masina, ka mitandrina izany avy eo, ireo vehivavy izay afaka miteny amin’ny hery sy fahefan’ Andriamanitra!” (“Fiangaviana ho an’ireo anabaviko,” Liahona,, nôv. 2015, 96).

1 Korintiana 15:1–34, 53–58

Nahazo ny fandresena ny fahafatesana i Jesoa Kristy.

Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia tena manan-danja ho an’ny tontolo Kristianina, mety hiteny ny olona iray fa raha tsy nisy izany dia tsy misy ny hoe Kristianina—araka ny teny nampiasain’i Paoly hoe: “dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo” (1 Korintiana 15:14). Ny Olomasina Korintiana sasany anefa dia nampianatra fa “tsy misy fitsanganan’ny maty” (1 Korintiana 15:12). Rehefa mamaky ny valin-tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 15 ianao dia makà fotoana hisaintsainana hoe ho hafa toy ny ahoana ny fiainanao raha tsy nino ny Fitsanganana amin’ny maty ianao (jereo ny 2 Nefia 9:6–19; Almà 40:19–23; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:33–34). Midika inona aminao ilay andian-teny hoe “raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo”? (andininy 17).

Tsara ihany koa ny manamarika fa niresaka momba ny batisa ho an’ny maty i Paoly mba ho porofon’ny fisian’ny fitsanganana amin’ny maty (jereo ny 1 Korintiana 15:29). Ahoana no nampatanjahan’ny tempoly sy ny fanaovana asa momba ny tantaram-pianakaviana ny finoanao ny fotopampianaran’ny fitsanganana amin’ny maty?

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:11–37.

1 Korintiana 15:35–54

Ny vatana natsangana tamin’ny maty dia tsy mitovy amin’ny vatana mbola mety maty.

Efa nanontany tena ve ianao hoe manao ahoana izany vatana natsangana tamin’ny maty izany? Araka ny 1 Korintiana 15:35 dia nanontany tena momba izany ihany koa ny Korintiana sasantsasany. Vakio ny valin-teny nomen’i Paoly ao amin’ny andininy 36–54 dia mariho ireo teny na andian-teny manoritsoritra ny fahasamihafana eo amin’ny vatana mety maty sy ny vatana natsangana tamin’ny maty. Rehefa manao izany ianao dia azonao atao ny mampitaha ny andininy 40–42 amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–112. Inona no fahatakarana amboniny azonao avy amin’io fanambarana nomena ny Mpaminany Joseph Smith io? (Jereo koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, 1 Korintiana 15:40). Nahoana no manan-danja aminao ireo fahamarinana ireo?

Jereo koa ny Lioka 24:39; Almà 11:43–45; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:14–33.

Sary
Masoandro miposaka

“Hafa ny voninahitry ny masoandro” (1 Korintiana 15:41).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

1 Korintiana 15:29.Mianatra avy amin’ny andininy 29 isika fa ireo Olomasina fahiny dia nandray anjara tamin’ny batisa ho an’ny maty, tahaka ny fanaontsika ankehitriny. Ahoana no hanazavantsika amin’ny hafa ny antony hanaovana batisa antsika ho an’ireo razambentsika? Inona no ataontsika miaraka amin’ny fianakaviantsika mba hanaovana ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo razambentsika efa nodimandry izay mila izany?

1 Korintiana 15:35–54.Inona no zavatra na sary azonao aseho mba hanampiana ny fianakavianao hahatakatra ny teny sasany ampiasain’i Paoly hoentiny hanoritsoritana ny fahasamihafana misy eo amin’ny vatana mety maty sy ny vatana natsangana tamin’ny maty? Ohatra, mba hanehoana ny fahasamihafana eo amin’ny hoe mety lò sy ny hoe tsi-fahalòvana (jereo ny andininy 52–54) dia azonao atao ny mampiseho vy harafesina sy vy tsy harafesina. Na azonao ampitahaina amin’ny zavatra mafy iray ny zavatra malemy iray (jereo ny andininy 43).

1 Korintiana 15:55–57.Ny fifanakalozan-kevitra momba ireo andininy ireo dia tena mety ho manan-danja raha toa mahafantatra olona iray izay vao nodimandry ny fianakavianao. Afaka mijoro ho vavolombelona momba ny nanesoran’i Jesoa Kristy “ny fanindronan’ny fahafatesana” ny olona ao amin’ny fianakaviana (andininy 56).

1 Korintiana 16:13.Mba hanampiana ny fianakavianao hampihatra ity andininy ity dia azonao atao ny manao sarina faribolana eo amin’ny tany dia manome toromarika ny olona iray ao amin’ny fianakaviana izay manakimpy ny masony mba “[hitoetra] tsara” ao anatin’izany. Avy eo dia afaka miezaka manosika na misintona azy hiala ilay faribolana ny hafa. Inona no fiovana mety hisy raha misokatra ny mason’ilay olona ao anatin’ilay faribolana ary afaka “miambina” izy? Inona no azontsika atao mba hijoroana ho matanjaka rehefa alaim-panahy hanao safidy ratsy isika?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Chantons tous, pleins d’allégresse,” Cantiques, no. 121.

Manatsara ny fandalinana manokana

Tadiavo ireo lamina. Ny soratra masina dia ahitana lamina izay mampiseho ny fomba fanaon’ny Tompo ny asany. Inona no lamina hitanao ao amin’ny 1 Korintiana 14 izay manampy antsika hahatakatra ny fomba fifankaherezana?

Sary
I Kristy miseho amin’ny Maria eo amin’ny zaridainan’ny fasana

Why Weepest Thou [Nahoana ianao no mitomany], © Simon Dewey 2021. Nampiasaina rehefa nahazoana lalana tamin’ny Altus Fine Art/www.altusfineart.com

Hamoaka printy