Testamenta Vaovao 2023
11–17 septambra. 2 Korintiana 1–7: “Mihavàna amin’ Andriamanitra”


“11–17 septambra. 2 Korintiana 1–7: -Mihavàna amin’ Andriamanitra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“11–17 septambra. 2 Korintiana 1–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Jesoa Kristy

11–17 septambra

2 Korintiana 1–7

“Mihavàna amin’ Andriamanitra”

Eo am-pandalinanao ireo taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ny Korintiana dia soraty ireo fitsipiky ny filazantsara sasany izay hitanao ary saintsaino ny fomba hampiharanao izany eo amin’ny fiainanao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Indraindray ny maha-mpitarika ato amin’ny Fiangonana dia mitaky ny hitenenana zavatra sarotra. Marina izany na tamin’ny andron’i Paoly na amin’izao fotoana izao. Toa hita fa ny taratasy iray nalefan’i Paoly teo aloha ho an’ny Olomasina Korintiana dia nahitana fandevilevena ka niteraka alahelo. Tao anatin’ilay taratasy izay lasa 2 Korintiana taty aoriana, dia niezaka nanazava ny zavatra izay namporisika azy hampiasa teny mahery izy: “Fa tamin’ny haben’ny fahoriana sy ny alahelon’ny foko no nanoratako taminareo tamin’ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo, fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo indrindra” (2 Korintiana 2:4). Rehefa mandray fanitsiana avy amin’ny mpitarika iray ianao dia tena manampy mihitsy ny mahafantatra fa entanin’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy izany. Ary na dia rehefa tsy izany aza no izy, raha toa isika vonona ny hahita ny hafa amin’ny alalan’ilay fitiavana tsapan’i Paoly, dia mora kokoa ny maneho fihetsika mendrika manoloana izay mety ho fanafintohinana. Araka ny torohevitra avy amin’ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Manehoa hatsaram-panahy amin’ny fahalemen’olombelona—ny anao sy ny an’ireo izay miara-manompo aminao ao amin’ny Fiangonana, izay tarihan’ny lehilahy sy vehivavy tsara sitrapo sy mety maty. Ankoatra ilay hany Zanany Lahitokana tonga lafatra, dia olona tsy tanteraka avokoa no niarahan’ Andriamanitra niasa” (“Tompo ô, mino aho,” Liahona, mey 2013, 94).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

2 Korintiana 1:3–7; 4:6–10, 17–18; 7:4–7

Afaka ny ho fitahiana ireo fitsapana mianjady amiko.

Raha ny zavatra rehetra nianjady tamin’i Paoly nandritra ny fiainany dia tsy mahagaga raha nanoratra betsaka momba an’ireo tanjona sy fitahiana avy amin’ny fitsapana izy. Eo am-pamakianao ny 2 Korintiana 1:3–7; 4:6–10, 17–18; 7:4–7 dia eritrereto hoe afaka ny ho fitahiana amin’ny fomba ahoana ireo fitsapana mahazo anao. Ohatra, mety hisaintsaina ianao hoe ahoana no “[n]ampionona[n’ Andriamanitra anao] [t]amin’ny fahoria[nao] rehetra” ary ahoana avy eo no ahafahanao “mampionona izay rehetra mitondra fahoriana” (2 Korintiana 1:4). Na mety hifantoka amin’ny fahazavan’i Jesoa Kristy izay “nampahazava ny [fo],” ianao na dia rehefa “voageja” sy “very hevitra” aza (2 Korintiana 4:6, 8) ianao.

Jereo ihany koa ny Môzià 24:13–17; Henry B. Eyring, “Notsapaina, nosedraina ary notefena,” Liahona, nôv. 2020, 96–99; Sujets de l’Évangile, “Adversité,” topics.ChurchofJesusChrist.org.

2 Korintiana 2:5–11

Ny famelan-keloka dia sady fitahiana afaka atolotro no afaka ho azoko koa.

Tsy mahafantatra betsaka momba ilay lehilahy resahin’i Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 2:5–11 isika, fa ny hany fantatsika dia nandika lalàna izy (jereo ny andininy 5–6) ary i Paoly dia naniry ny hamelan’ireo Olomasina azy (jereo ny andininy 7–8). Nahoana isika indraindray no tsy mahavita “[manaiky [mandray] tsara amin’ny fitiavan[tsika]” ny olona iray izay nanafintohina antsika? (andininy 8). Ahoana no handratran’ny tsy famelana heloka ny hafa sy ny tenantsika? (jereo ny andininy 7, 10–11). Nahoana no “resin’ny fitak’i Satana isika” (andininy 11) rehefa tsy mamela heloka?

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11.

2 Korintiana 5:14–21

Afaka ampihavanina amin’ Andriamanitra aho amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

I Paoly dia nahafantatra mihoatra ny olona hafa ny dikan’ny hoe lasa “olom-baovao.” (2 Korintiana 5:17). Mpanenjika ny Kristianina izy no niova lasa mpiaro an’i Kristy tsy matahotra na inona na inona. Eo am-pamakianao ny 2 Korintiana 5:14–21 dia diniho ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto: Inona no dikan’ny hoe mampihavana? Inona no dikan’ny hoe nampihavanina tamin’ Andriamanitra? Saintsaino hoe inona no mety manasaraka anao amin’ Andriamanitra. Inona no zavatra mila ataonao mba hihavanana feno kokoa Aminy? Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy mahatonga izany ho tanteraka?

Azonao saintsainina ihany koa ny dikan’ny hoe “iraka solon’i Kristy” amin’ny “fanompoana fihavanana” (andininy 18, 20). Inona no hevi-baovao azonao avy amin’ny hafatry ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe “Ny fanompoana fampihavanana”? (Liahona, nôv. 2018, 77–79).

Jereo ihany koa ny 2 Nefia 10:23–25.

2 Korintiana 7:8–11

Ny alahelo araka an’ Andriamanitra dia mitondra mankany amin’ny fibebahana.

Matetika ny alahelo no tsy mba eritreretintsika ho zavatra tsara, saingy i Paoly dia niresaka ny “alahelo araka an’ Andriamanitra” (2 Korintiana 7:10) ho ampahany manan-danja ao amin’ny fibebahana. Diniho ny zavatra ianaranao momba ny alahelo araka an’ Andriamanitra avy amin’ireto manaraka ireto: 2 Korintiana 7:8–11; Almà 36:16–21; Môrmôna 2:11–15; ary ny hafatry ny Rahavavy Michelle D. Craig hoe “Tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra” (Liahona, nôv. 2018, 52–55). Oviana ianao no nahatsapa alahelo araka an’ Andriamanitra, ary inona no fiantraikan’izany teo amin’ny fiainanao?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

2 Korintiana 3:1–3.Efa nangataka olona iray mba hanoratra taratasy fanohanana azy ve ny olona ao amin’ny fianakavianao, toy ny fanao rehefa hitady asa na rehefa hikasa hiditra hianatra amin’ny sekoly iray? Angataho izy ireo hiresaka momba izany zavatra niainana izany. Nampianatra i Paoly fa ny fiainan’ireo Olomasina dia tahaka ny taratasy fanohanana ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izay “tsy nosoratana tamin’ny ranomainty anefa, fa tamin’ny Fanahin’ Andriamanitra velona.” Eo am-piarahanareo mamaky ny 2 Korintiana 3:1–3 dia mifanakaloza hevitra momba ny hoe amin’ny fomba ahoana ny ohatra asehontsika no toy ny taratasy izay afaka ny ho “fantatry sy vakin’ny olona rehetra,” ka maneho ny fahamarinana sy ny lanjan’ny filazantsara. Mety azon’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana atao angamba ny manoratra taratasy iray na “epistily” izay manazava hoe nahoana ny olona iray hafa ao amin’ny fianakaviana no ohatra tsara amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy. Azon’izy ireo atao ny mamaky ny taratasiny amin’ny fianakaviana ary manome izany an’ilay olona ao amin’ny fianakaviana izay nosoratany ny momba azy. Nahoana no manan-danja ny mahatakatra fa ny fiainantsika dia “epistilin’i Kristy”?

2 Korintiana 5:6–7.Inona no dikan’ny hoe “finoana no handehanantsika fa tsy fahitana”? Inona no zavatra ataontsika izay mampiseho fa mino ny Mpamonjy isika na dia tsy afaka mahita Azy aza?

2 Korintiana 5:17.Azon’ny fianakavianao atao ve ny mieritreritra na mitady ohatra eny amin’ny zavaboary izay mandalo fanovana goavana ka lasa miova ho zava-baovao? (jereo ny sary any am-paran’ity rindran-damina ity). Ahoana no ahafahan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy manova antsika?

2 Korintiana 6:1–10.Araka ny 2 Korintiana 6:1–10, dia midika inona izany hoe “mpanompon’ Andriamanitra” izany? (andininy 4). Inona no toetra ananan’izany mpanompon’ Andriamanitra izany?

2 Korintiana 6:14–18.Ahoana no ahafahantsika manaraka ny torohevitr’i Paoly izay nilaza hoe: “Mivoaha eo amin[’ny tsy mino] hianareo, ka misaraha amin[’izy ireo],” kanefa sady mitia ireo izay manodidina antsika ihany koa?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Ray ô! Ampio aho,” Bokin-kiran’ny ankizy,, 52.

Manatsara ny fampianarantsika

Mizarà lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana. Ny fotokevitra sasantsasany ao amin’ny filazantsara, toy ny Sorompanavotana ohatra, dia mety ho sarotra takarina. Azonao atao ny mampiasa sary na zavatra izay afaka manampy ny fianakavianao hahatakatra ireo fitsipika hitanareo ao amin’ny soratra masina.

Sary
fanday, akoram-bibikely, lolo

Rehefa miova fo ho an’ny filazantsaran’i Jeosa Kristy isika dia tena lalina ny fiovantsika hany ka nosoritsoritan’i Paoly ho toy ny hoe lasa “olom-baovao” izany (2 Korintiana 5:17).

Hamoaka printy