Testamenta Vaovao 2023
11–17 septambra. 2 Korintiana 1–7: “Mihavàna amin’ Andriamanitra”


“11–17 septambra. 2 Korintiana 1–7: -Mihavàna amin’ Andriamanitra,-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“11–17 septambra. 2 Korintiana 1–7,” Avia hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Jesoa Kristy

1–17 septambra

2 Korintiana 1–7

“Mihavàna amin’ Andriamanitra”

Atombohy amin’ny famakiana ny 2 Korintiana 1–7 ny fanomananao. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra ireo toko ireo, ary ity rindran-damina ity dia afaka manome anao hevitra hoenti-mampianatra.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ny sasany amin’ireo ankizy ao amin’ny kilasinao dia mety efa nanoratra taratasy momba ny fomba nanehoan’ny olona iray tao amin’ny fianakaviana ohatra tsara amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy tamin’ity herinandro ity (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Raha nanao izany izy ireo dia asao mialoha mba hozarainy mandritra ny fotoam-pianarana izay nosoratany. Na asaivo mizara ny zavatra hafa nianarany ireo ankizy.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

2 Korintiana 1:3–4

Mampionona ahy ny Ray any An-danitra ary afaka mampionona ny hafa aho.

Ahoana no ahafahanao manome antoka ho an’ireo ankizy hoe hampionona azy ireo ny Ray any An-danitra? Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mandrisika azy ireo mba hampionona ny hafa?

Atrikasa azo atao

  • Ampisehoy ny ankizy ny sasany amin’ireo zavatra izay manome fampiononana, toy ny hoe bodofotsy na famehezana ratra. Anontanio ny ankizy hoe inona no mampionona azy ireo rehefa malahelo na matahotra na manana olana izy ireo. Iaraho mamaky amin’ireo ankizy ny 2 Korintiana 1:3–4 ary hazavao amin’izy ireo fa ny “fahoriana” dia teny iray hafa entina ilazana ny olana tena sarotra. Mizarà fomba vitsivitsy izay efa nampiononan’ny Ray any An-danitra anao, ary mijoroa ho vavolombelona fa hampionona ireo ankizy ihany koa Izy.

  • Mampisehoa sarina olona atao batisa (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 103–4) eo am-pamakinao ny 2 Korintiana 1:4 amin’ny ankizy. Hazavao fa rehefa atao batisa isika dia mampanantena fa hampionona ny hafa. Ahoana no ahafahantsika manaraka ny torohevitr’i Paoly mba “[h]ampionona izay rehetra mitondra fahoriana”?

2 Korintiana 2:7–8,10

Afaka mamela ny hafa aho.

Misafidiana amin’ireto atrikasa manaraka ireto, na manaova izay anao manokana, mba hampatanjahana ny fanirian’ireo ankizy mba hamela ny hafa.

Atrikasa azo atao

  • Hazavao amin’ireo ankizy fa tian’i Paoly ireo Olomasina Korintiana mba hamela lehilahy iray izay nanota. Vakio ny 2 Korintiana 2:7–8, 10, ary asao ireo ankizy mba hametraka ny tanany eo amin’ny fony isaky ny maheno ny ireo teny hoe: mamela sy namela.

  • Asao ny ankizy hilalao an-tsehatra ny fihetsika mety hasetrin’izy ireo rehefa misy olona nanao haratsiam-panahy. Avelao izy ireo hifandimby hiteny hoe “azafady” sy “mamela anao aho.” Ahoana no hanampiantsika ny olona hahafantatra fa mamela azy ireo isika? Hazavao fa fomba iray azo hanaovana izany ny “[manaiky mandray] amin’ny fitiavana” na mampiseho fitiavana ho azy ireo (2 Korintiana 2:8).

2 Korintiana 4:1–2

Mino aho fa tokony ho marina.

Nampianatra i Paoly fa ireo mpanompon’i Kristy dia efa “[nandà] ny zavatra takona mahamenatra [na tsy marin-toetra].” Saintsaino ireo fomba ahafahanao mampatanjaka ny fanirian’ireo ankizy mba ho marin-toetra amin’ny zavatra rehetra.

Atrikasa azo atao

  • Ampio ny ankizy hanao tsianjery ny andian-teny hoe: “Mino isika fa tokony ho marina” (Ireo fanekem-pinoana 1:13). Soraty amin’ny taratasy atao fehin-tanana azon’ny ankizy haingona sy hanaovana io andian-teny io. Hazavao fa anisan’ny atao hoe marin-toetra ny milaza ny marina.

  • Asaivo manangana ny tanany roa ireo ankizy rehefa miteny zavatra izay marina ianao ary mampidina ireo tanany rehefa miteny zavatra tsy marina ianao. Milazà zavatra tsotra kanefa miharihary, toy ny hoe “Alahady ny andro androany” na “manana orona telo aho.” Avereno imbetsaka izany ka avelao ny ankizy hifandimby hilaza zavatra marina na diso. Nahoana no tian’ny Ray any An-danitra ny hilazantsika ny marina?

  • Amporisiho ny ankizy hiomana ny hanao ny fanekempihavanana ataon’izy ireo amin’ny batisa amin’ny alalan’ny fananana fahamarinan-toetra.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

2 Korintiana 1:3–4

Mampionona ahy ny Ray any An-danitra ary afaka mampionona ny hafa aho.

Ny fahatsiarovana ny fomba nampiononan’ Andriamanitra antsika dia afaka manentana antsika mba hampionona ny hafa.

Atrikasa azo atao

  • Eo am-pamakianao ny 2 Korintiana 1:3–4, dia angataho ireo ankizy mba hihaino ny valin’ny fanontaniana hoe: “Inona no ataon’ Andriamanitra ho antsika”? Ampio ireo ankizy hanao lisitra ny fomba izay hampiononan’ Andriamanitra antsika. Asao ny ankizy mba hizara zavatra niainan’izy ireo rehefa nalahelo na sahiran-tsaina na natahotra izy ireo ka nampiononin’ Andriamanitra.

  • Asao ny ankizy hizara ireo fomba ahafahantsika mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa mba hampionona ny hafa (jereo ny Môzià 18:9). Omeo fotoana izy ireo hieritreretana olona izay fantany fa mila fampiononana ary hanao drafitra mba hanoloran-tanana an’io olona io.

2 Korintiana 2:5–11

Afaka mamela ny hafa aho.

Mety ho sarotra ny mamela ny hafa rehefa ratsy fanahy amintsika izy ireo. Ireo ankizy ampianarinao anefa dia hahatsapa fitiavana sy fiadanana ary fahasambarana rehefa mianatra mamela heloka izy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Lazao amin’ireo ankizy fa nisy olona iray tany Korinto izay nanota sy “nampalahelo” ireo Olomasina (jereo ny 2 Korintiana 2:5). Angataho ireo ankizy mba hikaroka ao amin’ny 2 Korintiana 2:7–8 ny zavatra tian’i Paoly hataon’ireo Olomasina.

  • Zarao ny zavatra niainanao tamin’ny namelanao olona iray, na namelan’ny olona iray anao, ary hazavao ny zavatra tsapanao taorian’izany. Asao ny ankizy hizara ny zavatra niainany momba ny famelana.

2 Korintiana 5:6–7

“Finoana no andehana[ko] fa tsy fahitana.”

Saintsaino ny fomba ahafahanao mamporisika ireo ankizy mba hitandrina ireo didin’ Andriamanitra na dia tsy mahita ireo fitahiana izay iriany eo no ho eo aza izy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Iaraho mamaky amin’ny ankizy ny 2 Korintiana 5:6–7 sy ny Almà 32:21 ary asaivo tadiavin’izy ireo ny teny sy ny andian-teny izay manampy manazava ny atao hoe ny finoana. Asaivo soratany ary avy eo zarainy amin’izy samy izy ny famaritana nataony.

  • Asao ny ankizy iray mba hanampina ny masony, ary asaivo manoro ny lalana ireo ankizy hafa mba hanampiana azy hamita asa iray toy ny hoe manorina tilikambo amin’ny biriky kilalao na mandehandeha eran’ny efitrano. Ahoana no anampian’io atrikasa io antsika hahatakatra ny dikan’ny hoe “finoana [an’ Andriamanitra no handehanana]”?

  • Mizarà zavatra niainana iray izay nandehananao tam-pinoana, ary amporisiho ny ankizy hizara ny zavatra niainan’izy ireo.

2 Korintiana 7:8–11

Ny alahelo araka an’ Andriamanitra dia mitarika ahy hibebaka.

Fomban-javatra izany hoe mahatsiaro menatra na afa-baràka rehefa tratra manao zavatra tsy mety izany. Ampio ny ankizy hanavaka izany fahatsapana izany amin’ny alahelo araka an’ Andriamanitra, izay mitarika mankany amin’ny fibebahana marina.

Atrikasa azo atao

  • Hazavao fa ao amin’ny 2 Korintiana 7:8–11, i Paoly dia miresaka momba ny taratasy iray izay nosoratany teo aloha ho an’ireo Olomasina, izay mampitandrina azy ireo amin’ny fomba entitra ny amin’ny fahotan’izy ireo. Iaraho mamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo. Nahoana i Paoly no faly fa nahatsapa alahelo ireo Olomasina? Mariho fa ity karazana alahelo ity dia antsoina hoe alahelo araka an’ Andriamanitra.

  • Asaivo eritreretin’ny ankizy ny fotoana iray izay nanaovan’izy ireo zavatra tsy mety ka nahatsapany alahelo. Asao izy ireo hanontany ny tenany hoe: “Nahoana aho no malahelo?” dia hizara ny valin-tenin’izy ireo avy eo. Soraty eny amin’ny solaitra be ny valin-tenin’izy ireo (ohatra, “Natahotra ny hanana olana aho” na “Fantatro fa nandiso fanantenana an’ Andriamanitra aho” na “Nampitomany olona aho”). Iza amin’ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe no mety ho “alahelo araka an’ Andriamanitra?” (2 Korintiana 5:17). Nahoana ny alahelo araka an’ Andriamanitra no tsara noho ny karazana alahelo hafa izay mety ho tsapantsika aorian’ny fanaovantsika zavatra tsy mety?

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hizara amin’ny fianakavian’izy ireo ny iray tamin’ireo atrikasa natao tato am-pianarana androany, mety hoe mandritra-na takarivan’ny mpianakavy iray.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampisehoa soratra masina. Misafidiana andinin-tsoratra masina iray izay hitanao fa manan-danja ary apetraho ao an-dakilasy amin’ny toerana ahafahan’ny ankizy mahita azy matetika izany. Azon’ny mpianatra atao ny mifandimby misafidy soratra masina haseho.

Hamoaka printy