Testamenta Vaovao 2023
28 aogositra–3 septambra. 1 Korintiana 8–13: “Hianareo no tenan’i Kristy”


“28 aogositra–3 septambra. 1 Korintiana 8–13: -Hianareo no tenan’i Kristy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“28 aogositra–3 septambra. 1 Korintiana 8–13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Fivoriana fanasan’ny Tompo

28 aogositra–3 septambra

1 Korintiana 8–13

“Hianareo no tenan’i Kristy”

Eo am-pamakianao ny 1 Korintiana 8–13 dia henoy ny fitaoman’ny Fanahy momba ny fomba hampianarana ireo fitsipika ao amin’ireo toko ireo. Tsarovy fa ireo atrikasa rehetra ampanaovina izay aroso ato dia azo ampifanarahana na ho an’ny ankizy lehibe na ho an’ny ankizy kely.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ireo ankizy mba hizara zavatra nataony nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo mba hieritreretany an’i Jesoa.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

1 Korintiana 10:13

Hanampy ahy hanao safidy tsara ny Ray any An-danitra.

Tsy mora foana ny manao safidy tsara, ary fantatry ny Ray any An-danitra izany. Rehefa mangataka isika dia hanampy antsika Izy satria tiany isika mba hahomby.

Atrikasa azo atao

  • Vakio amin’ireo ankizy ny 1 Korintiana 10:13, dia asao izy ireo hanetsika ny lohany isaky ny mandre ny teny hoe “halaim-panahy” na “fakam-panahy”. Hazavao ny dikan’io andininy io aminao.

  • Mitantarà tantara fohy vitsivitsy izay ahitana olona mitady hanao safidy ratsy. Rehefa iny mihaino iny ny ankizy, dia asao izy ireo hanainga ambony ny tanany na taratasy maneho ny famantarana hoe mijanona isaky ny manao safidy ratsy ilay olona ao amin’ilay tantara. Inona no mety ho safidy tsara? Mijoroa ho vavolombelona fa ny Ray any An-danitra dia hanampy antsika hisafidy ny tsara.

  • Mampisehoa ny sarin’i Jesoa, ary iaraho mihira miaraka amin’ireo ankizy ny hira iray momba an’i Jesoa Kristy, toy ny “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 40–41). Resaho hoe manampy anao hanao safidy tsara amin’ny fomba ahoana ny mahatsiaro an’i Jesoa. Mampisehoa sarina zavatra hafa izay manampy antsika hanao safidy tsara, toy ny ray aman-dreny na ny soratra masina. Anontanio ny ankizy ny zavatra manampy azy ireo hanao safidy tsara.

1 Korintiana 12:4, 7–12

Nanome ahy fanomezam-pahasoavana ara-panahy ny Ray any An-danitra.

Nanome fanomezam-pahasoavana ara-panahy ho an’ireo zanany rehetra ny Ray any An-danitra. Inona ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy hitanao ao amin’ireo ankizy ampianarinao?

Atrikasa azo atao

  • Asaivo ataon’ireo ankizy sary ny fanomezana iray noraisiny izay ankafiziny indrindra. Hazavao fa ny Ray any An-danitra dia manome antsika fanomezam-pahasoavana ara-panahy mba hampatanjahana ny finoantsika sy hanampiana antsika hitahy ny hafa. Zarao amin’ny ankizy ny sasany amin’ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy voalaza ao amin’ny 1 Korintiana 12:7–11.

  • Manorata taratasy ho an’ny ankizy tsirairay, izay milaza fanomezam-pahasoavana ara-panahy iray izay hitanao ao aminy (azonao atao ny manasa ray aman-dreny hanoratra izany taratasy izany). Ataovy ao anaty valopy ireo taratasy. Avelao ireo ankizy hanokatra ny valopy ary ampio izy ireo hamaky momba ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy ananany.

Sary
Boaty misy fanomezana

Nanome fanomezam-pahasoavana ara-panahy ho an’ireo zanany rehetra ny Ray any An-danitra.

1 Korintiana 13

Afaka mitia ny hafa aho.

Mampianatra ny soratra masina fa ny fiantrana dia ny “fitiavana madion’i Kristy” (Môrônia 7:47). Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hanana sy haneho fitiavana araka an’i Kristy?

Atrikasa azo atao

  • Vakio ny 1 Korintiana 13:13 sy ny Môrônia 7:47, ary ampio ireo ankizy hamerina ny andian-teny hoe: “Ny fiantrana dia fitiavana madion’i Kristy.” Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy maneho fitiavana sy hatsaram-panahy ary anontanio ireo ankizy ny fomba nampisehoany fitiavana ho an’ny hafa (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara mba hahitana hevitra).

  • Mihirà hira iray momba ny fitiavana ny hafa, toy ny “Hoy i Jesoa: “Tiavo avokoa ireo namanao” na “Mifankatiava” (Bokin-kiran’ny ankizy, 39,74). Mampisehoa sarina olona isan-karazany (ohatra hoe ray aman-dreny na mpiray tam-po na mpampianatra na namana) ary angataho ireo ankizy hizara ny fomba ahafahany manompo io olona io. Asao ireo ankizy hieritreritra olona iray izay azony anaovana asa fanompoana sy hanoratra taratasy na hanao sary omena io olona io

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

1 Korintiana 10:13

Hanampy ahy hanohitra fakam-panahy ny Ray any An-danitra.

Ireo fampanantenana ao amin’ity andininy ity dia afaka manome fahatokiana ho an’ireo ankizy fa afaka ny hanohitra fakampanahy izy ireo miaraka amin’ny fanampian’ny Ray any An-danitra.

Atrikasa azo atao

  • Asao ireo ankizy hiara-hamaky tsiroaroa ny 1 Korintiana 10:13 sy hamintina io andininy io amin’ny tenin’izy ireo manokana. Angataho ny ankizy mba hizara zavatra niainana iray izay nanampian’ny Ray any An-danitra azy niala amin’ny fakam-panahy na nandresy izany. Inona no azontsika atao mba hianteherana amin’ny Ray any An-danitra rehefa alaim-panahy?

  • Soraty amin’ny taratasy kely ny fakam-panahy maromaro mety atrehin’ireo ankizy ankehitriny. Asao ny ankizy mba hisafidy taratasy iray avy sy hizara ny zavatra nomen’ny Ray any An-danitra mba hanampiana antsika hiala amin’ireo fakam-panahy ireo na hanoherana azy ireo. Mba hahazoana hevitra dia iaraho mamaky ny Almà 13:28–29.

1 Korintiana 11:23–29

Mandritra ny fanasan’ny Tompo aho dia afaka mieritreritra hoe manao ahoana ny fanarahako ny Mpamonjy.

Ampio ireo ankizy ampianarinao hahita fa ny fanasan’ny Tompo dia fahafahana “handinika” ny tenany sy hanavao ny fanekem-pihavanan’ny batisa mba hanompo ny Tompo sy hitandrina ny didiny (1 Korintiana 11:28).

Atrikasa azo atao

  • Mangataha ankizy iray hamaky ny 1 Korintiana 11:28. Midika inona ny hoe “mandinika” ny tenantsika mialoha ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo? Asaivo mieritreritra olona mpandinika zavatra ireo ankizy, toy ny dokotera na pôlisy mpanao fanadihadiana na mpahay siansa (ohatra hoe ny dokotera dia mandinika antsika mba hahazoany antoka fa salama isika). Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia inona no azontsika atao mba handinihana hoe manao ahoana ny fiainantsika ireo fanekempihavanan’ny batisa?

  • Angataho ireo ankizy hanao lisitra ny zavatra azon’izy ireo eritreretina rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo izy ireo. Asao izy ireo hampiasa ilay lisitra nataony mba ho fampahatsiarovana hoe tokony handinika ny tenany izy ireo mandritra ny fanasan’ny Tompo.

1 Korintiana 12:4, 7–12, 31; 13:1–8

Manana fanomezam-pahasoavana ara-panahy aho.

Nampianatra i Paoly fa ny “[ny olona] rehetra dia samy nomena” fanomezam-pahasoavana ara-panahy avokoa (1 Korintiana 12:7). Io fitsipika io dia afaka manampy ireo ankizy hampiorina ny fahatsapany fa manan-danja ny tenany, indrindra rehefa mampiasa ny fanomezam-pahasoavany izy mba hitahiana ny hafa.

Atrikasa azo atao

  • Asaivo soratan’ireo ankizy eny amin’ny solaitrabe ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy hitany ao amin’ny 1 Korintiana 12:7–11; 13:2. Asao izy ireo hitady fanomezam-pahasoavana fanampiny izay voalaza ao amin’ny Môrônia 10:8–18 sy Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:13–26 Zarao amin’izy ireo ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy voalazan’ny Loholona Marvin J. Ashton: “Ny fanomezam-pahasoavan’ny fangatahana, ny fanomezam-pahasoavan’ny fihainoana, ny fanomezam-pahasoavan’ny fialana amin’ny fifandirana, ny fanomezam-pahasoavan’ny fikatsahana izay marina, ny fanomezam-pahasoavan’ny tsy fitsaratsarana, ny fanomezam-pahasoavan’ny fitodihana amin’ Andriamanitra mba hahazo fitarihana, ny fanomezam-pahasoavan’ny fikarakarana ny hafa, ny fanomezam-pahasoavan’ny fanolorana vavaka, ny fanomezam-pahasoavan’ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika” (“There Are Many Gifts,” Ensign,Nôv. 1987,20). Asao ny ankizy mba hiresaka momba ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy hitany amin’izy samy izy.

  • Mialoha ny fotoam-pianarana dia anontanio ireo ray aman-drenin’ny ankizy ao amin’ny kilasinao hoe inona no fanomezam-pahasoavana hitany ao amin’ny zanany, na ianao mihitsy no mieritrereta hoe inona ny fanomezam-pahasoavana ananan’ireo ankizy ireo. Ambarao amin’ny ankizy ny mikasika ireo fanomezam-pahasoavana ireo. Asao ny ankizy mba hanoratra fomba iray hampiasany ny fanomezam-pahasoavana ananany mba hitahiana olona iray amin’ity herinandro ity.

  • Mizarà trangan-javatra isan-karazany izay afahafahan’ny olona mampiasa fanomezam-pahasoavana iray hita ao amin’ny 1 Korintiana 12:7–10. Asao ny ankizy hitady ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy azo ampiasaina amin’ny trangan-javatra tsirairay.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy hiresaka amin’ny fianakaviany ny zavatra izay noresahinareo nandritra ny fotoam-pianarana. Ohatra, azonao atao ny manasa ny ankizy mba hizara ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy ananany amin’ny fianakaviany sy hanontany ireo olona ao amin’ny fianakaviany hoe inona ny fanomezam-pahasoavana ananany.

Manatsara ny fampianarantsika

Manaova fanasana izay manaja ny fahafahana misafidy. Rehefa manasa ny ankizy mba hanao asa araka ny zavatra nianarany ianao dia eritrereto ny fomba hanajana ny fahafahan’izy ireo misafidy. Azonao atao ny tsy manolotra fanasana mba hanao zavatra manokana, fa manasa azy ireo kosa hieritreritra izay fombany manokana hampiharana ny zavatra nianarany.

Hamoaka printy