Testamenta Vaovao 2023
21–27 aogositra. 1 Korintiana 1–7: “Mba ho tafakambana tsara hianareo”


“21–27 aogositra. 1 Korintiana 1–7: -Mba ho tafakambana tsara hianareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“21–27 aogositra. 1 Korintiana 1–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Korinto fahiny

Korinto, Grisia atsimo, ivontoerana fanaovana adihevitra sy fivorian’ny mpiara-monina, sary hosodoko nataon’i Balage Balogh/www.ArchaeologyIllustrated.com

21–27 aogositra

1 Korintiana 1–7

“Mba ho tafakambana tsara hianareo”

Hanampy anao ny Fanahy Masina hahafantatra hoe inona no fitsipiky ny filazantsara ao amin’ny 1 Korintiana 1–7 izay hanampy ireo ankizy ampianarinao. Eo am-pamakianao ombam-bavaka ireo toko ireo dia raketo ny eritreritra sy fahatsapana azonao avy amin’ny Fanahy.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Anontanio ny ankizy raha toa ka nizara zavatra nianarany tao amin’ny Kilonga tamin’ny herinandro lasa tamin’ny fianakaviany izy ireo. (Azonao atao ny manao famerenana fohy ny lesona tamin’ny herinandro lasa.) Raha eny, dia inona no nozarain’izy ireo?

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

1 Korintiana 2:11–14

Mampianatra ahy ireo fahamarinan’ny filazantsara ny Fanahy Masina.

Iray amin’ireo anjara asan’ny Fanahy Masina ny mampianatra antsika ny fahamarinana. Inona no zavatra niainana azonao zaraina amin’ireo ankizy mba hanampiana azy ireo hahatakatra izany?

Sahanasa azo atao

  • Mampisehoa zavatra na sary iray izay maneho fomba hianarantsika momba izao tontolo izao (toy ny fianarana, na boky, na telefaonina finday [smartphone]). Inona no azontsika ianarana rehefa mampiasa ireo zavatra ireo isika? Hazavao fa ao amin’ny 1 Korintiana 2:11,14, i Paoly dia nampianatra fa amin’ny alalan’ny Fanahin’ Andriamanitra, izay ny Fanahy Masina, irery ihany no ahafahantsika mianatra momba an’ Andriamanitra. Inona no azontsika atao mba hianarantsika “ny ao am-pon’ Andriamanitra”?

  • Mitehafa sady teneno ny vanin-teny tsirairay ao amin’ilay fehezan-teny hoe: “Mampianatra antsika ny fahamarinana ny Fanahy Masina.” Angataho ny ankizy mba hitehaka sy hamerina ilay andian-teny. Mizarà zavatra niainana iray amin’ny ankizy izay nanampian’ny Fanahy Masina anao hahafantatra fa marina ny zavatra iray.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny Fanahy Masina, toy ny hoe “Ny Fanahy Masina” (Bokin-kiran’ny ankizy, 56). Ampio ireo ankizy hahita teny sy andian-teny ao amin’ilay hira izay mampianatra ny fomba iresahan’ny Fanahy Masina amintsika sy ny zavatra ampianariny antsika.

1 Korintiana 3:10–11

I Jesoa Kristy no fanorenako.

Eo am-panaovana fanorenana ho an’ny fijoroana ho vavolombelona ananany ireo ankizy, ary afaka manampy azy ireo ianao hanorina fanorenana mafy eo amin’i Jesoa Kristy.

Sahanasa azo atao

  • Vakio amin’ireo ankizy ny 1 Korintiana 3:11 ary hazavao fa i Jesoa Kristy no fanorenantsika. Ampisehoy amin’ny ankizy ny sarin-javatra maromaro izay azontsika hananana fijoroana ho vavolombelona, anisan’izany ny sarin’i Jesoa Kristy. Ampio izy ireo handamina ireo sary mba hahatonga ny sarin’i Jesoa Kristy ho eo ambany indrindra, toy ny fanorenana, ary ireo sary hafa ho lasa “manorina” fijoroana ho vavolombelona ny Aminy.

  • Mamoròna fihetsika ho an’ilay hira “Ny hendry sy ny adala” (Bokin-kiran’ny ankizy, 132), ary hirao miaraka amin’ny ankizy ilay hira. Omeo vatokely misy soratra hoe “Jesoa Kristy no fanorenako” ny ankizy tsirairay. Asaivo entin’izy ireo mody ireo vatokely mba hanampy azy ireo hahatsiaro ny zavatra nianarany.

  • Mizarà sary izay maneho ny sasany amin’ireo tantara ankafizinao indrindra teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy, ary angataho ny ankizy mba hilaza aminao ny zava-miseho eo amin’ireo sary. Avelao izy ireo hizara ny tantara tiany indrindra momba an’i Jesoa. Mijoroa ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no fanorenan’ny finoantsika.

1 Korintiana 6:19

Toy ny tempoly ny vatako.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hankasitraka ny vatany amin’ny maha-fanomezana avy amin’ Andriamanitra izany, sy hanana faniriana bebe kokoa hikarakara ny vatany?

Sahanasa azo atao

  • Mampisehoa sarina tempoly amin’ireo ankizy (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana), ary vakio ireto teny avy ao amin’ny 1 Korintiana 6:19 ireto: “Ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina.” Ampio ireo ankizy hahatakatra fa tian’ny Ray any An-danitra isika hitandrina ny vatantsika ho madio sy masina tahaka ny tempoly.

  • Mampisehoa sarin’ankizy iray, ary apetaho manodidina izany ny sarin-javatra izay tsara ho an’ny vatantsika sy zavatra izay ratsy. Asao ny ankizy hifandimby hitady ny zavatra tsara sy hanala ny zavatra ratsy.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny vatana, toy ny “Loha, soroka, tongotra” (Bokin-kiran’ny ankizy,, 129), ary anontanio ireo ankizy hoe nahoana izy ireo no feno fankasitrahana noho ny vatany.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

1 Korintiana 1:23–25

Ny atao hoe hendry dia ny mitoky amin’ny fahendren’ Andriamanitra.

Ireo ankizy ampianarinao dia hahita, raha tsy efa nahita, fa ny olona sasany dia mampianatra zavatra izay mifanohitra amin’ny fahendren’ Andriamanitra. Ny fandalinana ny 1 Korintiana 1:23–25 dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra fa afaka mitoky amin’ny fahendren’ Andriamanitra isika satria izany dia lehibe mihoatra ny antsika.

Sahanasa azo atao

  • Angataho ny ankizy hamaky ny 1 Korintiana 1:23–25 ary hitady ny teny hoe fahendrena sy fahadalana. Hazavao fa maro ny olona izay nieritreritra fa ireo fampianaran’i Paoly dia feno fahadalana, kanefa i Paoly dia nanazava fa ny finoana ny filazantsaran’i Kristy no tena fahendrena marina. Nahoana no fahendrena ny mino izay zavatra ampianarin’ Andriamanitra?

  • Ampio ireo ankizy hilalao an-tsehatra ny fomba azon’izy ireo hasetry an’ireo olona izay mieritreritra fa ny fampianaran’ny Fiangonana dia “fahadalana”, toy ny didy mba hanana finoana ny Mpamonjy, na ny fanajana ny Tenin’ny Fahendrena, na ny fankatoavana ny lalàn’ny fahafolonkarena. Ohatra, afaka mijoro ho vavolombelona izy ireo ny amin’ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fiainana ireo fampianarana ireo.

  • Mizarà zavatra iray niainanao ka nieritreretan’ny hafa fa ireo zavatra inoanao dia feno fahadalana, na mizarà ohatra iray avy ao amin’ny soratra masina. Omeo fahafahana ny ankizy hizara zavatra niainana mitovitovy amin’izany. Ahoana no ahafahan’ny 1 Korintiana 1:25 manampy antsika hitoetra ho mahatoky kanefa ny hafa dia milaza fa ireo zavatra inoantsika dia feno fahadalana?

1 Korintiana 2:11–14

Mampianatra ireo fahamarinan’ny filazantsara ny Fanahy Masina.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahafantatra fa mila ny Fanahy Masina izy ireo mba hahatakarany “ny ao am-pon’ Andriamanitra”?

Sahanasa azo atao

  • Angataho ny ankizy mba hanao ny lisitr’ireo fomba ianarantsika momba izao tontolo izao; ohatra: boky, sekoly ary ny internet. Avy eo iaraho mamaky ny 1 Korintiana 2:11–14. Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny fomba ianarantsika “ny ao am-pon’ Andriamanitra”?

  • Mitantarà momba ny fotoana iray izay nianaranao zavatra tamin’ny alalan’ny Fanahin’ Andriamanitra. Ampio ny ankizy hamantatra ireo fotoana izay nahatsapan’izy ireo ny Fanahy. Zavatra inona tamin’ “ny ao am-pon’ Andriamanitra” (1 Korintiana 2:11) no nanampian’ny Fanahy antsika mba ho takatsika?

  • Asao ny ankizy tsirairay hamaky ny iray amin’ireto soratra masina ireto: 1 Korintiana 2:11–14; 1 Nefia 10:17; Môrônia 10:3–5 ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3. Angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra nianarany avy tao amin’ireo soratra masina ireo mikasika ny fomba ampianaran’ny Fanahy Masina antsika. Nahoana isika no feno fankasitrahana noho ny fanomezana ny Fanahy Masina?

1 Korintiana 6:19–20

Tokony hitondra am-panajana ny vatako aho sy hitandrina azy ho masina.

Ny fahatakarana fa ny vatantsika dia fanomezana avy amin’ny Ray any An-danitra dia hanampy ireo ankizy hitandrina ny vatany ho masina, eny na dia rehefa alaim-panahy tsy hanao toy izany aza izy ireo.

Sahanasa azo atao

  • Mitondrà fitoeran-javatra misy sary maromaro ana-ankizy iray sy tempoly iray ao anatiny. Asao ireo ankizy hamaky ny 1 Korintiana 6:19–20 sy hamantatra hoe inona no ao anatin’ilay fitoeran-javatra. Avelao izy ireo hanokatra izany sy hifanakalo hevitra ny amin’ny maha-toy ny tempoly ny vatantsika.

  • Resaho miaraka amin’ny ankizy no tokony hataontsika amin’ny tempoly. Raha toy ny tempoly ny vatantsika, dia toy ny ahoana no tokony hitondrantsika izany? Ny fihirana na famakiana ny tonon’ny hira iray momba ny tempoly, toy ny “Ny Tompo dia nanome ahy tempoly” (Bokin-kiran’ny ankizy, 73) dia afaka manampy amin’ny famaliana io fanontaniana io. Rehefa manao fahadisoana isika dia ahoana no ahafahantsika mamerina ny “tempolintsika” ho madio indray?

  • Iaraho mamaky ny “Masina ny vatanao” (ao amin’ny Ho zatovo mahery! [torolalana, 2022], 22–29). Asao ny ankizy mba hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo torohevitra hitany momba ny fomba hikarakarana ny vatantsika.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hizara amin’ny fianakavian’izy ireo ny hira izay nirainy tao an-dakilasy sy ny zavatra nianarany avy amin’izany.

Manatsara ny fampianarantsika

Mijoroa ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Anisan’ireo zavatra tena manan-danja azonao atao amin’ny maha-mpampianatra anao ny mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy. Izany dia hanampy ny ankizy hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananany sy hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy azy ireo.

Hamoaka printy