Testamenta Vaovao 2023
7–13 aogositra. Romana 1–6: “Herin’ Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino”


“7–13 aogositra. Romana 1–6: -Herin’ Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“7–13 aogositra. Romana 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
I Paoly manoratra epistily iray

7–13 aogositra

Romana 1–16

“Herin’ Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino”

Inona ireo fitaomam-panahy azonao rehefa mamaky ny Romana 1–6 ianao? Ireo fitaomam-panahy ireo dia afaka manampy anao hisafidy avy ao amin’ireto hevitra hoenti-mampianatra manaraka ireto.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny ankizy mba hizara ny zavatra nataony ho setrin’izay fanasana nomenao azy ireo tamin’ny lesona tamin’ny herinandro lasa.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Romana 1:16–17

Afaka mampiseho ny fitiavako an’i Jesoa aho amin’ny alalan’ny fanarahana Azy.

Nampianatra i Paoly fa ny filazantsara dia manana hery mitondra amin’ny famonjena ho an’ny olona rehetra izay miaina amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hampiseho ny finoany an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanarahana Azy?

Atrikasa azo atao

  • Vakio amin’ny ankizy ny Romana 1:17 ary ampio izy ireo mba hitadidy ilay andian-teny hoe: “Ny marina amin’ny finoana no ho velona.” Azonao omena teny iray avy ao amin’ilay andian-teny ny ankizy tsirairay ary angataho izy ireo mba hilaza izany teny izany rehefa voatondronao. Hazavao fa io andian-teny io dia midika fa tokony hanana finoana an’i Jesoa Kristy isika. Anontanio ireo ankizy raha fantatr’izy ireo ny dikan’ny hoe finoana. Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy iray ary hazavao fa mino isika fa tena misy Izy na dia tsy mbola nahita Azy aza isika. Izao no atao hoe finoana: mino ny zavatra iray na dia tsy mbola hitantsika aza izany.

  • Hazavao fa isika dia mampiseho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fankatoavana Azy. Afeno eran’ny trano ny sarin’olona manao izay nasain’i Jesoa ataontsika. Avelao ny ankizy hifandimby hitady sy hamariparitra ireo sary. Inona no azontsika atao mba hanarahana an’i Jesoa?

  • Angataho ny ankizy iray hanampina ny masony, dia tariho izy handehandeha ao anatin’ny efitrano hankeny amin’ny sarin’i Jesoa iray. Raha ampy ny fotoana dia avelao ireo ankizy hafa hanao an’izay koa. Ampio ny ankizy hahatakatra fa afaka manaraka ny fampianaran’i Jesoa tahaka ny nanarahan’izy ireo ny fitarihanao izy ireo.

Romana 6:1–11

Toy ny hoe lasa olom-baovao ny atao batisa.

Miomana ho amin’ny batisa ireo ankizy ampianarinao. Inona no azon’izy ireo ianarana momba ny batisa avy amin’ny Romana 6?

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hamerina hiteny ilay andian-teny hoe “[handeha] amin’ny fiainam-baovao” (Romana 6:4). Lazao amin’ny ankizy ny dikan’izany aminao. Ohatra, afaka mizara fahatsiarovana momba ny andro nanaovana batisa anao ianao ary miresaka momba ny fomba nanampian’ny batisa anao ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa. Ampiasao ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity mba hampianarana ny ankizy fa manampy antsika ho tonga olom-baovao ny batisa.

  • Raha nisy efa nanatrika fotoam-batisa amin’ireo ankizy dia angataho izy ireo hizara ny zavatra niainany. Mampisehoa sarina olona atao batisa (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 35, 103–4). Ampio ny ankizy hahatakatra fa mandritra ny batisa isika dia manao fampanantenana ho lasa tahaka an’i Jesoa. Asao izy ireo hanao ny sarin’izy ireo atao batisa ary hizara ny zavatra azon’izy ireo atao mba hiomanana amin’ny batisan’izy ireo.

  • Hirao miaraka amin’ny ankizy ny hira iray momba ny batisa, toy ny “Rehefa atao batisa aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 53). Inona no ianarantsika momba ny batisa avy amin’io hira io?

Sary
Ankizy iray atao batisa

Maneho ny fanombohan’ny fiainam-baovao amin’ny maha-mpianatr’i Kristy ny batisa.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Romana 1:16–17

Afaka mampiseho ny fitiavako an’i Jesoa aho amin’ny alalan’ny fanarahana Azy.

Nampianatra i Paoly fa ny filazantsara dia manana hery mitondra amin’ny famonjena ho an’ny olona rehetra izay miaina amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo no fitsipika voalohan’ny filazantsara. Mamporisika antsika hankatò ny didy izany. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra kokoa ny atao hoe finoana?

Atrikasa azo atao

  • Ampio ny ankizy hitady an’i Roma eo amin’ny sarin-tany iray. Ampio ny ankizy hahatakatra fa mandritra ireo herinandro vitsivitsy manaraka dia hianatra avy amin’ireo taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany amin’ny toerana samihafa izy ireo, manomboka amin’ny taratasiny ho an’ny Romana.

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny soratra ao amin’ny Romana 1:16 ka soloy ho toerana banga ny teny vitsivitsy. Asaivo mijery ny soratra masina ireo ankizy ary hameno ny banga. Asao ny ankizy hizara ny dikan’ny hoe “Tsy menatra ny filazantsara[n’i Kristy] aho” amin’izy ireo.

  • Asao ny ankizy iray hamaky mafy ny Romana 1:17, ary angataho ny ankizy hafa hihaino teny iray izay naverimberina. Inona no dikan’ny hoe “miaina amin’ny finoana”? Ampio ny ankizy hitady famaritana ny finoana ao amin’ny loharanom-pitaovana iray toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Finoana” (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Ahoana no hahasamy hafa ny fiainantsika raha toa ka tsy nanana finoana an’i Jesoa Kristy isika?

  • Mampisehoa zava-maniry iray sy voa iray, ary anontanio ny fomba hanampiantsika ny voa iray mba ho lasa zava-maniry iray. Hazavao fa rehefa mamboly sy manondraka voa iray isika dia mampiseho fa manana finoana fa hitombo izany. Amin’ny fomba ahoana no ampisehoantsika fa manana finoana an’i Jesoa Kristy isika? Hevero ny hihira hira iray momba ny finoana, toy ny “Finoana” (Bokin-kiran’ny ankizy, 50), mba ho ampahany amin’ity atrikasa ity.

Romana 3:23–24

Mila an’i Jesoa Kristy isika rehetra mba ho voavela amin’ny fahotantsika.

Tian’i Paoly ho takatry ny Romana fa ny famonjena dia tonga amin’ny alalan’i Jesoa Kristy irery ihany sy amin’ny alalan’ny fahasoavany. Saintsaino ny fomba ahafahanao mampianatra io fahamarinana io amin’ny ankizy.

Atrikasa azo atao

  • Omeo andian-teny iray avy ao amin’ny Romana 3:23–24 ny ankizy tsirairay, izay nosoratana teo amina taratasy. Asao ny ankizy handahatra ireo andian-teny araka ny filaharana tokony ho izy dia iaraho mamaky ireo andininy. Anontanio ny ankizy ny zavatra ianarany avy amin’ireo andininy ireo. Hazavao fa ny “fahasoavana” ao amin’ny andininy 24 dia midika hoe ny fanomezam-pahasoavan’ny fitiavana sy famindram-pon’ny Mpamonjy, izay mahatonga antsika ho afaka ny handray famelana ny fahotantsika sy ho lasa olona tsaratsara kokoa.

  • Ahantony ambony eo amin’ny rindrina ny sary iray, na ahantony amin’ny toerana iray hafa izay tsy ho takatry ny ankizy samirery. Avelao hiezaka hanakatra izany izy ireo, ary ampitahao amin’ny zavatra nampianarin’i Paoly ao amin’ny Romana 3:23 izany. Ampio izy ireo avy eo hanakatra ilay sary. Inona no nataon’ny Mpamonjy ho antsika ka tsy ho vitantsika ny hanao izany ho an’ny tenantsika? Asao ny ankizy mba hizara ny fahatsapan’izy ireo momba ny Mpamonjy rehefa eritreretin’izy ireo ny zavatra nataony sy azony atao ho azy ireo.

Romana 6:1–11

Toy ny hoe lasa olom-baovao ny atao batisa.

Nampianatra i Paoly fa maneho ny fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty ny batisa. Izany koa dia maneho fisondrotana mba “handeha amin’ny fiainam-baovao” (Romana 6:4). Manavao ny fanoloran-tenantsika mba handeha amin’ny fiainam-baovao isika isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo.

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy iray mba hamaky ny Romana 6:3–6. Nolazain’i Paoly fa “tahaka ny” inona ny batisa?

  • Ifampiresaho ny maha-tandindon’ny fahafatesana sy fitsanganana amin’ny maty ny batisa. Mety hanampy ny mampiseho sarina batisa.    Nahoana ny fahafatesana sy fitsanganana amin’ny maty no tandindona maneho tsara ny zavatra mitranga rehefa atao batisa isika?

  • Iaraho mamaky ireo vavaka amin’ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79). Ampahatsiahivo ny ankizy fa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia manavao ny fanoloran-tena hanaraka an’i Jesoa Kristy izay nataontsika tamin’ny fotoan’ny batisantsika. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fanasan’ny Tompo antsika mba “handeha ao amin’ny fiainam-baovao”?

  • Asao ny ankizy hanao sary izay mampiseho ny dikan’ny hoe “mandeha ao amin’ny fiainam-baovao” amin’izy ireo. Azon’izy ireo ahantona ao amin’ny efitranony izany mba hanampiana azy ireo hahatsiaro ny hanao safidy tsara.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Arosoy amin’ny ankizy ny hangataka olona iray ao amin’ny fianakaviany mba hamela azy ireo hahafantatra rehefa manao zavatra iray izay mampiseho finoana izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Aoreno ny fahatokian-tenan’ny ankizy. Derao ny ankizy rehefa mandray anjara ao am-pianarana izy ireo. Izany dia fomba iray hanorenana ny fahatokian-tenan’izy ireo fa afaka mianatra ny filazantsara izy ireo.

Hamoaka printy