“14–20 aogositra. Romana 7–16: -Reseo amin’ny soa ny ratsy,-” Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)
“14–20 aogositra. Romana 7–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023
14–20 aogositra
Romana 7–16
“Reseo amin’ny soa ny ratsy”
Eo am-pamakianao ny Romana 7–16 dia raketo izay fahatsapana azonao momba ny fomba ahafahanao mampianatra ny ankizy ireo fahamarinana ao anatin’ireo toko ireo.
Asao mba hizara
Manasà ankizy iray na maromaro andro vitsivitsy mialoha mba hitady andininy iray ao amin’ny 1 Korintiana 7–16 izay azon’izy ireo zaraina amin’ny iray kilasy. Afaka manasa ny ray aman-dreniny ianao hanampy azy raha ilaina.
Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely
Tia ahy ny Raiko any An-danitra.
Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo tenin’i Paoly mba hampianarana ny ankizy fa ho tia azy ireo mandrakariva ny Ray any An-danitra?
Atrikasa azo atao
-
Ampio ny ankizy hitadidy ilay andian-teny manao hoe “tsy misy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’ Andriamanitra” (Romana 8:39). Mieritrereta fomba iray hanehoana io fahamarinana io. Ohatra, azonao ataony mitondra solaitrabe roa izay nofantsihanao hikambana, ka ny eo amin’ilay iray misoratra hoe “isika” ary ny ilany kosa “ny fitiavan’Andriamanitra.” Avelao ny ankizy hahita raha toa ka afaka manasaraka ireo hazo fisaka izy ireo.
-
Mampisehoa sarina masoandro, na asao ny ankizy hitazana avy eo amin’ny varavarankely ka hijery ny masoandro mibaliaka. Ahoana no hitovian’ny masoandro amin’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra? Ampio ny ankizy hahita fa na dia lavitra aza ny masoandro dia afaka manampy antsika hahatsapa hafanana izany. Afaka mahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra isika amin’ny fotoana rehetra, na dia tsy miaraka amintsika ara-batana aza Izy. Miaraha mihira hira iray momba ny fitiavan’ny Ray any An-danitra, toy ny “Tia ahy ny Ray any An-danitra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 16–17).
Tonga avy amin’ny fihainoana ny tenin’ Andriamanitra ny finoana.
Rehefa mandre ny tenin’ Andriamanitra ny ankizy ary mihaino tsara izany dia hitombo ny finoan’izy ireo an’ Andriamanitra.
Atrikasa azo atao
-
Vakio amin’ny ankizy ny Romana 10:17 ary mampisehoa sarina toe-javatra izay ahafahan’izy ireo mihaino ny tenin’ Andriamanitra (toy ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina, fotoam-pianarana any am-piangonana, na fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany; jereo ny pejy misy ny atrikasa amin’ity herinandro ity). Anontanio ny ankizy hoe oviana izy ireo no nandre ny tenin’ Andriamanitra.
-
Lazao ny tantaran’ny ankizy iray izay mihaino ny tenin’ Andriamanitra amin’ny fomba maro samy hafa. Eo am-pitantaranao ilay tantara dia abontsony tsikelikely ny balaonina iray mba hampisehoana ny fomba fitomboan’ny finoan’ilay ankizy isaky ny mandre ny tenin’ Andriamanitra izy.
-
Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra fa afaka mitombo ny finoan’izy ireo dia ampio izy ireo hihira ny “Finoana” (Bokin-kiran’ny ankizy, 50). Rehefa mihira izy ireo dia asaivo manao ho toy ny voa ka hipetraka ambany mivokoka mamihina ny lohaliny. Isaky ny mihira ilay teny hoe finoana izy ireo dia asaivo mitsangana tsikelikely tahaka ny voly mitombo.
-
Afeno ao an-dakilasy ny boky soratra masina, sy ny sarin’ny Filohan’ny Fiangonana, ary ny tahadikan’ny gazetiboky Namana. Angataho ny ankizy mba hitady ireo zavatra ireo sy hizara ny fomba mahatonga ireo zavatra tsirairay ireo manome fahafahana ho antsika mba handre ny tenin’ Andriamanitra.
Afaka misaotra ireo izay manampy ahy aho.
Nankasitraka ireo olona izay nanampy azy i Paoly. Azonao ampiana ny ankizy mba hijery ireo zavatra tsara ataon’ny hafa amin’izy ireo ka hahatsiaro ny hisaotra azy ireo.
Atrikasa azo atao
-
Hazavao fa nankasitraka ny fanampiana azony avy tamin’ny vehivavy iray nantsoina hoe Foiby sy ny mpivady iray nantsoina hoe Prisila sy Akoila i Paoly (jereo ny Romana 16:1–4). Asaivo manao ny sarin’i Paoly sy ireo olona telo ireo ny ankizy eo am-pamakinao ireo andininy ireo.
-
Asao ny ankizy tsirairay mba hizara zavatra tsara izay nataon’ny olona iray taminy vao haingana. Ampio ny ankizy hanamboatra karatra fisaorana ho an’ireo olona ireo.
-
Ampio ireo ankizy hianatra hiteny hoe misaotra amin’ny fiteny samy hafa. Afaka manampy ilay hira hoe: “Ireo ankizy maneran-tany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 4–5).
Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe
Tian’ny Ray any An-danitra hiomana hahazo ny zavatra rehetra ananany aho.
Ny drafitra ny Ray any An-danitra dia mahatonga antsika ho afaka ny ho tonga tahaka Azy sy handova ny zavatra rehetra ananany. Afaka mitaona ireo ankizy ampianarinao mba hiaina amim-pahatokiana bebe kokoa ny filazantsara io fahamarinana io.
Atrikasa azo atao
-
Iaraho mamaky ny Romana 8:16–18. Inona no ianarantsika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny hoe iza isika ary afaka ny ho tonga toy ny ahoana isika? Hazavao fa ny “mpandova” dia olona iray izay mandova, na mahazo ny zavatra izay ananan’ny ray aman-dreniny. Soraty eny amin’ny solaitrabe hoe Inona no tokony ataontsika mba handovana izay ananan’ny Ray any An-danitra? Miaraha mihira hira iray momba ny fankatoavana, toy ny “Hanaraka ny drafitry ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 86), mba hitadiavana valiny. Inona ireo valin-teny hafa azon’ny ankizy eritreretina?
-
Angataho ny ankizy mba hieritreritra momba ny mpanjaka iray izay maniry ny hanjakan’ny zanany lahy sy zanany vavy indray andro any. Hazavao fa ny Ray any An-danitra dia toy ny mpanjaka iray, ary isika no zanakalahy sy zanakavavin’ny mpanjaka. Azonao atao ny mizara ny tantaran’ny zanakalahin’ny mpanjaka Louis XVI an’i France, izay hita ao amin’ny lahateny nataon’ny Rahavavy Elaine S. Dalton “Tsarovy hoe iza ianareo!”.(Liahona, mey 2010, 121). Nahoana no manan-danja ny mahatsiaro fa zanaky ny Ray any An-danitra isika ary nateraka isika mba ho lasa tahaka Azy indray andro any? Miantraika amin’ireo safidy ataontsika eto an-tany amin’ny fomba ahoana io fahamarinana io?
Tonga avy amin’ny fihainoana ny tenin’ Andriamanitra ny finoana.
Manana fahafahana betsaka hihaino ny tenin’ Andriamanitra ny ankizy. Ampio izy ireo mba hahita fa afaka mampatanjaka ny finoan’izy ireo ny fihainoana ny tenin’ Andriamanitra.
Atrikasa azo atao
-
Soraty eny amin’ny solaitra be izao fehezan-teny manaraka izao: avy amin’ny , ary avy amin’ ny . Asaivo fenoin’ny ankizy ny banga rehefa avy mamaky ny Romana 10:17 izy ireo. Zarao ny momba ny fotoana iray izay nampianaran’ny olona iray fahamarinana iray ao amin’ny filazantsara izay nanampy nampatanjaka ny finoanao—azonao atao ohatra ny mizara soratra masina na teny avy tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tena tianao. Asao ireo ankizy hizara ny zavatra niainan’izy ireo manokana.
-
Omeo sarin’ny Mpamonjy manasitrana olona ny ankizy iray ary ilazao izy mba tsy hamela ny ankizy hafa hahita ilay sary. Asaivo manome fanorotoroana kely ilay ankizy mba hanampiana ny ankizy hafa hamantatra ny zavatra asehon’ilay sary. Ahoana no ahafahantsika manampy ny hafa hahafantara momba ny Mpamonjy mba hahafahan’izy ireo manam-pinoana Azy?
“Koa aza mifampitsara intsony isika.”
Rehefa mifanerasera amin’ny olona hafa izay misafidy zavatra hafa tsy mitovy amin’ny azy ireo ny ankizy dia mety ho alaim-panahy hitsaratsara. Saintsaino ny fomba mety hanampian’ny torohevitra nomen’i Paoly ny Romana mba hisorohan’izy ireo ny fitsaratsarana toy izany.
Atrikasa azo atao
-
Asao ny ankizy iray mba hamaky ny Romana 14:10,13. Asaivo isain’ny ankizy hafa hoe impiry i Paoly no nampiasa ilay teny hoe mitsara. Inona no dikan’ny hoe mitsara olona? Nahoana isika no tokony hisoroka ny fitsarana ny hafa?
-
Mampisehoa sarin’olona iray, ary anontanio ny ankizy ny zavatra fantatsika momba io olona io amin’ny alalan’ny fijerena fotsiny ilay sary. Inona avy ireo zavatra sasantsasany tsy fantatsika momba azy? Nahoana no hoe ny Tompo no olona mety indrindra mba hitsara io olona io? (jereo ny 1 Samoela 16:7).
Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano
Asaivo misafidy atrikasa iray nataonareo miaraka tao an-dakilasy ny ankizy ary hanao izany miaraka amin’ny fianakaviany. Lazao izy ireo fa afaka mizara ny zavatra nataony izy ireo amin’ny herinandro manaraka.