Testamenta Vaovao 2023
31 jolay–6 aogositra. Asan’ny Apostoly 22–28: “Ho mpanompo sy ho vavolombelona”


“31 jolay–6 aogositra. Asan’ny Apostoly 22–28: -Ho mpanompo sy ho vavolombelona,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“31 jolay–6 aogositra. Asan’ny Apostoly 22–28,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
I Paoly ao an-tranomaizina

31 jolay–6 aogositra

Asan’ny Apostoly 22–28

“Ho mpanompo sy ho vavolombelona”

Eo am-pamakianao ny mombamomba ny asa fanompoana nataon’i Paoly Apôstôly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 22–28 dia mikaroha fitsipika izay hanan-danja amin’ireo ankizy ampianarinao.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mampisehoa sary izay mety hampahatsiahy an’ireo ankizy ny tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 22–28, toy ny efitrano ao am-ponja, sambo, sy bibilava. Asao ny ankizy hizara izay mety tantara fantany momba an’i Paoly ka mifandray amin’ireo sary ireo.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Asan’ny Apostoly 23:10–11

Miraharaha ahy sy hanampy ahy mandritra ireo fotoan-tsarotra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa.

Ny fianarana momba ny fomba nanampian’ny Mpamonjy an’i Paoly dia afaka mampiorina ny finoan’ireo ankizy fa miraharaha azy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa.

Atrikasa azo atao

  • Zarao ny tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 23:10–11 izay namangian’ny Mpamonjy an’i Paoly tao an-tranomaizina Zarao ny fotoana iray izay niainanao fitsapana iray ary nandraisanao fitarihana sy fampiononana avy amin’ Andriamanitra. Angataho ny ankizy mba hizara ireo fotoana nahatsapan’izy ireo ho nampiononin’ Andriamanitra.

  • Ampio ny ankizy hitadidy tsianjery ny zavatra nolazain’i Jesoa an’i Paoly: “Matokia.” Angataho ny ankizy hieritreritra olona iray izay azony asaina mba hatoky, mety ho olona iray izay malahelo na sahiran-tsaina izany.

  • Hirao miaraka amin’ireo ankizy ny hira iray momba ny fifaliana, toy ny “Tsiky” (Bokin-kiran’ny ankizy, 128).

Sary
Zazavavy miresaka eo ambony lampihazo ao am-piangonana miaraka amin’ny vehivavy ao aoriany

Tahaka an’i Paoly, isika dia afaka misafidy ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Mpamonjy.

Asan’ny Apostoly 26:1–29

Afaka mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako amin’ny hafa aho.

Ny fanaovana famerenana ny fijoroana ho vavolombelona nambaran’i Paoly teo analoan’i Agripa Mpanjaka dia afaka manampy ny ankizy hianatra ny fomba hizarana ny zavatra fantany fa marina.

Atrikasa azo atao

  • Mitondrà satro-boninahitra fanaon’ny mpanjaka vita amin’ny taratasy ao an-dakilasy dia asao ny mpianatra anankiray hanao izany ary hanao ny tenany ho Agripa Mpanjaka. Asao ny mpianatra iray hafa hijoro eo anoloan’ny mpanjaka mba hilalao an’i Paoly eo am-pamintinanao ny fijoroana ho vavolombelon’i Paoly ary ny nasetrin’ny Mpanjaka Agripa an’izany, izay hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 26:1–29 (jereo ny “Toko 63: Nahavita ny asa nanirahana azy i Paoly,” ao amin’ny Tantaran’ny Testamenta Vaovao, 162–66, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Hazavao fa afaka mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika amin’ny hafa tahaka ny nataon’i Paoly isika.

  • Asaivo mihaino ireo ankizy mandritra ny fihiranao na famakianao ny tonon’ny hira iray momba ny fijoroana ho vavolombelona, toy ny “He! Velona ny Ray” (Bokin-kiran’ny ankizy, 8). Asao ny ankizy hanangana ny tanany rehefa mahare zavatra iray izay fantany fa marina. Mety hilaina ny hihiranao ilay hira im-betsaka, asao ny ankizy hiara-hihira aminao rehefa manomboka zatra ny tonony izy ireo. Ampio izy ireo hizatra mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny zavatra izay fantany fa marina.

  • Ampiasao ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity mba hanampiana ny ankizy hieritreritra momba ny zavatra azon’izy ireo lazaina rehefa mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany izy ireo (jereo ny Fanekem-pinoana mba hanovozana hevitra misimisy kokoa). Asao izy ireo hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany.

Asan’ny Apostoly 27

Mampitandrina ahy ny amin’ny loza ireo mpaminany.

Diniho hoe ahoana no hahafahan’ny tantaran’i Paoly vaky sambo manampy ny ankizy hianatra fa ireo mpaminany dia mahita ireo loza ara-batana sy ara-panahy izay tsy hitantsika.

Atrikasa azo atao

  • Asaivo mody manao hoe eo ambony sambo izay atopatopan’ny tafio-drivotra ny ankizy. Vakio ny fampitandremana nomen’i Paoly ny olona ao amin’ny Asan’ny Apostoly 27:9–10, dia zarao ilay tantara nitrangan’ny fahavakisan’ny sambo izay nitranga satria tsy nihaino ny fampitandremana nomeny izy ireo (jereo ny Asan’ny Apostoly 27:11, 39–44). Mampisehoa sary iray ahitana ny Filohan’ny Fiangonana, ary mijoroa ho vavolombelona fa afaka mampitandrina antsika amin’ny loza ara-panahy izy.

  • Apetraho ao amin’ny efitra fianarana ny sary na zavatra vitsivitsy izay maneho zavatra nampianarin’ireo mpaminany fa tokony hataontsika mba ho tahaka an’i Jesoa kokoa, toy ny hoe mitia ny hafa na atao batisa. Mandehana eran’ny efitra miaraka amin’ny ankizy rehetra, ka mijanona isaky ny mahita sary na zavatra iray mba hiresadresahana momba ny hoe ny fanarahana ny fampianaran’ireo mpaminany dia manampy antsika mba ho voaro.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Asan’ny Apostoly 23:10–11; 27:18–25; 28:1–6

Rehefa miatrika fanoherana aho dia tsy hanary ahy Andriamanitra.

Nandritra ireo fitsapana rehetra nahazo an’i Paoly dia niaraka taminy hatrany ny Tompo. Ahoana no hahafahanao manampy ny ankizy hampitaha ny zavatra niainan’i Paoly amin’ny fiainan’izy ireo manokana?

Atrikasa azo atao

  • Amin’ny alalan’ny fampiasana ny Asan’ny Apostoly 23:10, dia hazavao fa naiditra am-ponja i Paoly satria nampianatra ny olona momba an’i Jesoa izy. Dia iaraho mamaky amin’ny ankizy avy eo ny Asan’ny Apostoly 23:11. Nahoana i Paoly no afaka “[natoky]” na dia tao an-tranomaizina aza?

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Asan’ny Apostoly 23:10–11; Asan’ny Apostoly 27:18–25; ary Asan’ny Apostoly 28:1–6. Mampisehoa sarina fonja sy sambo ary bibilava, dia asao ny ankizy hanao famerenana ireo andininy ireo sy hampifanaraka izany amin’ireo sary avy eo. Tao amin’ireo tantara tsirairay ireo, dia ahoana no nampisehoan’ny Tompo tamin’i Paoly fa niaraka taminy Izy? Mizarà zavatra iray niainanao izay niarahan’ny Tompo taminao nandritra ny fotoan-tsarotra iray ary lazao hoe nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananao ny Aminy tamin’ny fomba ahoana izany. Amporisiho ireo ankizy mba hizara ihany koa ny zavatra niainany.

Asan’ny Apostoly 26

Afaka mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba an’i Jesoa Kristy amim-pahasahiana aho.

Ny risi-pon’i Paoly tamin’ny fizarana ny fijoroany ho vavolombelona dia afaka manampy ny ankizy hanana fahasahiana rehefa mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Misafidiana andininy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 26 izay hovakina miaraka amin’ireo ankizy mba hanampiana azy ireo hahatakatra hoe inona no nolazain’i Paoly tamin’ny Mpanjaka Agripa momba ny zavatra niainany (toy ny andininy 9–16) sy ny hoe inona no nampianariny momba an’i Jesoa Kristy (toy ny andininy 18, 23). Nahoana no mety ho nampatahotra an’i Paoly ny hizara ireo zavatra ireo eo anoloan’ny mpanjaka? Asao ny ankizy hitanisa fitsipiky ny filazantsara vitsivitsy izay fantany fa marina. Angataho izy ireo hieritreritra olona iray izay fantany fa mila maheno ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ireo fahamarinana ireo.

  • Asao ny ankizy hampiasa ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity mba hanoratany zavatra iray izay mety holazainy rehefa mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany izy ireo.

Asan’ny Apostoly 27

Mampitandrina ahy ny amin’ny loza ireo mpaminany.

Azon’ireo ankizy atao ny mihaino ny hafatr’ireo mpaminany velona ary mamantatra ny fampitandreman’izy ireo. Ahoana no ahafahanao manampy ireo ankizy hianatra ny fomba fanarahana ireo fampitandremana ireo?

Atrikasa azo atao

  • Hetezo ny taratasy iray mba hiendrika sambo ary mba ho lasa singa ao amin’ny piozila iray. Asao ny ankizy hanoratra ny fampitandreman’i Paoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 27:9–11 eo amin’ireo singa ary hanambatambatra ny piozila avy eo. Nahoana ny olona no tsy nihaino an’i Paoly? (jereo ny andininy 11). Asao ny ankizy hamaky ny andininy 18–20 sy 40–44 mba hamantarana ny zava-nitranga vokatr’izay. (Hazavao fa satria nanaraka ny torohevitra nomen’i Paoly taty aoriana ny olona ny amin’ny tokony hijanonana eo ambonin’ilay sambo dia tsy nisy ny aina nafoy rehefa vaky ny sambo; jereo ny andininy 30–32.) Inona ny zavatra azontsika ianarana avy amin’io zava-nitranga momba ny fanarahana ny mpaminany io?

  • Mitondrà hafatry ny Filohan’ny Fiangonana avy amin’ny fihaonambe maneran-tany vao tsy ela dia zarao amin’ny ankizy izay mety ho fampitandremana na torohevitra nomeny. Asao ny ankizy hieritreritra fomba hahafahany manaraka ny mpaminany

  • Ahoana no itovian’ireo mpaminany amin’ny lehilahy mijery amin’ny alalan’ny masolavitra?

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asaivo ampiasain’ny mpianatra ny zavatra nianarany momba an’i Paoly mba handrisihana ny fianakaviany amin’ny fandalinana ny hafatra farany indrindra nambaran’ny mpaminany sy ifanakalozana hevitra momba ny fomba ahafahan’izy ireo manaraka ny torohevitra nomeny.

Manatsara ny fampianarantsika

Ataovy izay hampiasana ireo retsipamantarana. “Tena mianatra tsara ny ankamaroan’ny ankizy (sy ny olon-dehibe) rehefa ampandraisina anjara ireo retsipamantarana maro. Mitadiava fomba hanampiana ny ankizy hampiasa ny retsi-pahitany sy ny retsi-pandrenesany ary ny retsi-pahatsapany rehefa mianatra izy ireo. Ao anatin’ny toe-javatra sasany dia mety hahita fomba aza ianao hampiasana ny retsi-pamofonany sy ny retsik’andrany!” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy25).

Hamoaka printy