Testamenta Vaovao 2023
24–30 jolay. Asan’ny Apostoly 16–21 : “Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara”


“24–30 jolay. Asan’ny Apostoly 16–21: -Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“24–30 jolay. Asan’ny Apostoly 16–21,”Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
I Paoly mampianatra eo an-tendrombohitra

24–30 jolay

Asan’ny Apostoly 16–21

“Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara”

Aorian’ny famakiana ny Asan’ny Apostoly 16–21, dia araho ireo fitaomam-panahy ary diniho ireo hevitra ao amin’ity rindran-damina ity eo am-piomanana hampianatra. Jereo ny “Manatanteraka ireo zavatra ilain’ny ankizy kely” ato amin’ity boky torolalana ity mba hahazoana fanampiana fanampiny.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ireo ankizy mba hitantara aminao izay fantany momba ny zavatra niainan’i Paoly teo am-pizarana ny filazantsara. Afaka miresaka momba ny misiônera hafa fantany koa izy ireo na momba ny zavatra niainany manokana teo am-pizarana ny filazantsara tamin’olon-kafa.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Asan’ny Apostoly 16:25–34

Mampianatra ny olona momba an’i Jesoa ireo misiônera.

Moa ve ny ankizy ampianarinao mahafantatra ny zavatra ataon’ireo misiônera? Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manampy ireo ankizy mba hahatakatra fa afaka mizara ny filazantsara amin’ny hafa izy ireo?

Atrikasa azo atao

  • Ampio ny ankizy hilalao an-tsehatra ny Asan’ny Apostoly 16:25–34 eo am-pamintinanao ny tantaran’i Paoly sy i Silasy mizara ny filazantsara ao an-tranomaizina (jereo ihany koa ny “Toko 61: I Paoly sy i Silasy tao an-tranomaizina,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 158–60, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Hazavao fa ireo misiônera ankehitriny ihany koa dia mampianatra ny olona momba an’i Jesoa sy manampy azy ireo mba hatao batisa.

  • Manamboara mari-pamantarana asiana ny anaran’ny misiônera mba hanaovan’ny ankizy ary ampio izy ireo mba hanoratra ny anaran’izy ireo eo amin’ireo mari-pamantarana. Ampianaro fehezan-teny tsotra milaza fotopampianarana izay azon’izy ireo zaraina amin’ny hafa ny ankizy, toy ny hoe “Zanak’ Andriamanitra aho”, “Miresaka amin’ny alalan’ny mpaminany velona Andriamanitra,” na “I Jesoa Kristy no Mpamonjintsika.” Ampahatsiahivo ireo ankizy fa tsy voatery hanana mari-pamantarana misy ny anaran’ny misiônera isika vao hizara ny filazantsara amin’ny hafa.

Asan’ny Apostoly 17:10–12

Mijoro ho vavolombelona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny soratra masina.

Na dia tsy mbola afaka mamaky teny aza ny sasany amin’ireo ankizy ampianarinao dia afaka manampy azy ireo hampitombo ny fitiavana soratra masina ianao ka hahita ny fomba fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny Mpamonjy.

Atrikasa azo atao

  • Ampio ny ankizy iray mba hamaky ilay andian-teny hoe: “Ireo |dia] … nandinika ny soratra masina isan’andro” (Asan’ny Apostoly 17:11). Asao ireo ankizy hanondro ny andro tsirairay ao anatin’ny herinandro eo amin’ny tetiandro rehefa miara-mamerina io andian-teny io aminao izy ireo. Miaraha mihira hira iray izay mampianatra momba ny fitahiana azo amin’ny famakiana soratra masina, toy ny “Mandalina, misaintsaina, ary mivavaka” (Bokin-kiran’ny ankizy, 66).

  • Mba hampianarana ny ankizy fa ny soratra masina dia mijoro ho vavolombelona momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, dia ampio izy ireo hijery toko iray ao amin’ny soratra masina, toy ny Asan’ny Apostoly 17 na 18, ary hitady ireo teny hoe Andriamanitra, Tompo, na Jesoa. (Azonao atao ny manisy marika ireo teny ireo mba hahafahan’ny ankizy mahita izany mora foana.) Isaky ny mahita iray amin’ireo teny ireo ny ankizy dia asao izy ireo mba hizara zavatra izay fantatr’izy ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Asan’ny Apostoly 17:22–31

Zanaky ny Ray aho.

Nampianarin’i Paoly teo amin’ny Havoana Martsa (Aeropago) ireo fahamarinana fototra momba ny toetran’ Andriamanitra, ka anisan’izany ny fahamarinana hoe zanany isika sy ny hoe “tsy mba lavitra antsika rehetra Izy” (Asan’ny Apostoly 17:27). Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy mba hahatsapa ho akaikin’ny Rain’izy ireo any An-danitra?

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy mba hamerina ilay andian-teny hoe “Terak’ Andriamanitra isika” (Asan’ny Apostoly 17:29), ary hazavao fa ny hoe teraka dia midika hoe zanaka. Zarao amin’ny ankizy tsirairay ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa zanak’ Andriamanitra izy. Asao hizara ny fahatsapany momba ny Rainy any An-danitra izy ireo.

  • Mampisehoa sarina ankizy miaraka amin’ny fianakavian’izy ireo (raha azo atao, dia mampiasà sarina ankizy ao amin’ny kilasinao). Asaivo tondroin’ireo ankizy ireo ray aman-dreny eo amin’ireo sary. Hazavao fa isika dia zanaky ny renintsika sy ny raintsika, ary isika rehetra dia zanaka fanahy an’ny Ray aman-drenintsika any An-danitra.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny Ray any An-danitra, toy ny “He! Velona ny Ray” (Bokin-kiran’ny ankizy, 8). Miaraka amin’ny fanampian’ny ankizy, manorata teny na manaova sary eny amin’ny solaitrabe izay maneho ireo zavatra ianarantsika momba ny Ray any An-danitra avy ao amin’ilay hira.

  • Vakio amin’ny ankizy ireto teny avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:27 ireto: “Tsy mba lavitra antsika rehetra Izy.” Miresaha momba ireo fotoana izay nahatsapanao ho akaiky ny Ray any An-danitra, ary asao ny ankizy mba hanao torak’izany koa.

Sary
Lehilahy mihazona zazavavy kely

Zanak’ Andriamanitra ny tsirairay.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Asan’ny Apostoly 16:14–15, 25–34; 18:7–8, 24–28

Afaka ny ho lasa mpitory ny filazantsara aho amin’izao fotoana izao.

Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy ho tonga tahaka an’i Paoly ka hizara amin’ny hafa izay ianarany momba ny filazantsara?

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hamaky ny Asan’ny Apostoly 16:14–15, 25–34; 18:7–8, 24–28 ary hitanisa ireo olona nizaran’i Paoly sy i Apolosy ny filazantsara. Dia asao izy ireo mba hitanisa ireo olona azon’izy ireo hizarana ny filazantsara. Avelao ny ankizy hilalao an-tsehatra ny fomba mety hiresahan’izy ireo amin’ireo olona ireo momba an’i Jesoa Kristy na hanasana azy ireo ho any am-piangonana. Azonao atao koa ny manasa ny ankizy hanoratra taratasy kely izay mizara amin’ireo olona ireo ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana iray ao amin’ny filazantsara.

  • Manasà misiônera amin’ny fotoana feno, na misiônera niverina, na misiôneran’ny paroasy mba hitsidika ny kilasy ary hilaza momba ny traikefan’izy ireo tamin’ny fizarana ny filazantsara. Amporisiho ny ankizy mba hametraka fanontaniana momba ny fomba ahafahan’izy ireo mizara ny filazantsara amin’ny hafa.

Asan’ny Apostoly 17:2–4, 10–12; 18:28

Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy ny soratra masina.

Ireo mpaminany rehetra dia mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy. Ahoana no hampianaranao ny ankizy mba hahita Azy ao amin’ny soratra masina, na dia tsy voatonona amin’ny anarany aza Izy?

Atrikasa azo atao

  • Ampio ny ankizy hamaky ny Asan’ny Apostoly 17:2–4, 10–12; 18:28, ary asao izy ireo mba hitady ireo zavatra hitovian’ireo andinin-tsoratra masinaa ireo. Araka ireo andininy ireo, inona no nanampy ny olona hino ny filazantsaran’i Jesoa? Asao ny ankizy hizara ny tantara tian’izy ireo indrindra momba an’i Jesoa izay nianarany avy tao amin’ny soratra masina.

  • Soraty eo amin’ny taratasy kely ireo andinin-tsoratra masina izay mampianatra momba ny Mpamonjy (afaka mahita ny sasany amin’izany ianao ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina “Jesoa Kristy,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Afeno manerana ny efitrano ireo taratasy kely ireo ary asao ireo ankizy hitady izany. Ampio ny ankizy hitady ireo andinin-tsoratra masina hitan’izy ireo, ary angataho izy ireo mba hifampizara izay ampianarin’ny soratra masina tsirairay momba an’i Jesoa.

Asan’ny Apostoly 17:22–31

Zanaky ny Ray aho.

Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatsiaro fa zanak’ Andriamanitra izy ireo?

Atrikasa azo atao

  • Mampisehoa vato iray amin’ny ankizy, ary hazavao fa tamin’ny andron’i Paoly, ny olona dia nitsaoka andriamanitra izay namboarin’izy ireo avy tamin’ny vato sy akora hafa. Asaivo vakin’ ny ankizy ny Asan’ny Apostoly 17:27–29. Inona no ianarantsika momba an’ Andriamanitra avy amin’ireo andininy ireo? Hazavao fa ny hoe teraka dia midika hoe zanaka. Anontanio ny ankizy ny zavatra tsapany noho ny fahafantarany fa zanak’ Andriamanitra izy ireo.

  • Asaivo vakin’ny ankizy ny Asan’ny Apostoly 17:27. Asao ireo ankizy hanoratra na hanao ny sarin’ireo fomba ahafahan’izy ireo “hahatsapa” na hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra. Oviana no nahatsapan’izy ireo fa “tsy mba lavitra [azy ireo] Izy”?

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy mba hitady soratra masina iray izay mampianatra momba an’i Jesoa Kristy amin’ity herinandro ity (mety hitranga mandritra ny fandalinany manokana ny soratra masina izany na mandritra ny fandalinan’ny mpianakaviny ny soratra masina). Amin’ny herinandro ambony dia asao izy ireo hizara ny zavatra hitany.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy mba ho tonga mpianatra tsaratsara kokoa. Ny tanjonao amin’ny fampianarana ankizy dia tsy ny hizara fahamarinana amin’izy ireo fotsiny. Tokony hanampy azy ireo hivoatra ho lasa mpikatsaka fahamarinana mizaka tena ihany koa ianao. Ohatra, eo amin’ny toeran’ny fitantarana tsotra amin’ny ankizy ny tantaran’i Paoly nitory teo amin’ny Havoana Martsa (Aeropago), dia azonao atao ny manomana atrikasa, tahaka ireo izay natolotra ato anatin’ity rindran-damina ity, izay manampy azy ireo hahita ho an’ny tenan’izy ireo ireo fahamarinana ao anatin’ilay tantara.

Hamoaka printy