Testamenta Vaovao 2023
Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely


“Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2023)

“Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga 2023

Sary
Ankizy ao amin’ny Kilonga

Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely

Ny ankizy dia vonona sy maniry ny hianatra ny filazantsara rehefa aseho amin’ny fomba ahatakaran’izy ireo azy izany. Indrindra raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao, dia saintsaino ny hampiasa ireto karazana atrikasa ireto mba hanampiana azy ireo hianatra.

  • Mihirà. Ny hira ao amin’ny fihirana sy ireo hira avy ao amin’ny Bokin-kiran’ny ankizydia mampianatra ny fotopampianarana amin’ny fomba mahery vaika. Ampiasao ny fanoroana lohahevitra manaraka ny abidia any amin’ny faran’ny Bokin-kiran’ny ankizy mba hahitana ireo hira izay mifandray amin’ireo fitsipiky ny filazantsara ampianarinao. Ampio ny ankizy hampifandray ireo hafatr’ireo hira amin’ny fiainan’izy ireo. Ohatra, azonao atao ny mametraka fanontaniana momba ireo teny na andian-teny ao amin’ny tonon-kira. Ankoatra ny mihira dia afaka manao fihetsika mifanaraka amin’ilay hira koa ny ankizy na mihaino fotsiny ny hira izay atao feo mandravaka eo am-panaovan’izy ireo atrikasa hafa. Mba hakana hevitra hafa dia jereo ny fizarana “Mampiasa hira mba hampianarana fotopampianarana” sy ny “Manampy ny ankizy hianatra sy hahatadidy ireo hiran’ny Kilonga sy ny hira ao amin’ny fihirana” any amin’ny tovan’ity boky torolalana ity.

  • Mihainoa na milalaova tantara iray. Ny ankizy madinika dia tia tantara, na avy amin’ny soratra masina, na avy amin’ny fiainanao, na avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana na avy amin’ny tantaram-pianakavianao, na avy amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana. Mitadiava fomba hampandraisana anjara azy ireo amin’ny fitantarana tantara. Afaka mitazona sary na zavatra izy ireo, na manao sarin’ny zavatra izay henony, na milalao an-tsehatra ilay tantara na manampy amin’ny fitantarana ilay tantara mihitsy aza. Ampio ny ankizy hahafantatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao anatin’ireo tantara zarainao.

  • Mamakia soratra masina. Mety tsy tena hahay hamaky teny loatra ny ankizy madinika, saingy mbola afaka mampanolo-tena azy ireo hianatra avy amin’ny soratra masina ianao. Mety ho mila mifantoka amin’ny andininy na andian-teny manan-danja, na teny iray ianao. Rehefa mamaky mafy soratra masina iray ianao dia afaka manasa ny ankizy mba hitsangana na hanangana ny tanany rehefa maheno teny na andian-teny manokana tianao hifantohana izy ireo. Mety hahavita manao tsianjery andian-teny fohy avy amin’ny soratra masina aza izy ireo raha averimberiny kely izany. Rehefa maheno ny tenin’ Andriamanitra izy ireo dia hahatsapa ny Fanahy.

  • Manaova zavatra mampihetsiketsika. Noho ny ankizy kely izay matetika no tia mihetsiketsika, dia mandrafeta fomba hanomezanao fahafahana azy ireo hivezivezy, hitsambikimbikina, hifalihavanja (hibitabitaka), hiondrika, handehandeha, na hanao fihetsika hafa izay mifandray amin’ilay fitsipika na ilay tantara ampianarinao. Mety hahomby koa ireo fihetsika ireo rehefa miara-mihira ianareo.

  • Mijere sary iray na mijere horonan-tsary. Rehefa mampiseho sary na horonan-tsary iray mifandray amin’ny fitsipiky ny filazantsara iray na tantara iray ao amin’ny soratra masina ianao, dia mametraha fanontaniana izay manampy azy ireo hianatra avy amin’ny zavatra hitany. Ohatra, azonao atao ny manontany hoe: “Inona no mitranga eo amin’io sary io na ao amin’io horonan-tsary io? Mahatonga anao hahatsapa inona izany?” Ny application Bibliothèque de l’Évangile, ny MediaLibrary.ChurchofJesusChrist.org, ary ny children.ChurchofJesusChrist.org dia toerana tsara hitadiavana sary sy horonan-tsary.

  • Asao ireo ankizy hizara ny zavatra niainany. Ny ankizy kely dia mety tsy manana zavatra betsaka hozaraina toy ny ankizy lehibe, saingy rehefa omenao torolalana manokana izy ireo, dia afaka mizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany mahakasika ny zavatra nianarany.

  • Mamoròna. Ny ankizy kely dia afaka manamboatra zavatra, na manao sarina zavatra, na mandoko zavatra izay mifandray amin’ny tantara na fitsipika ianaran’izy ireo. Amporisiho izy ireo hitondra ny zavatra namboariny any an-trano ary hizara izany amin’ireo olona amin’ny fianakaviana mba hanampiana ny ankizy hahatadidy ny zavatra nianarany.

  • Mandraisa anjara amin’ireo lesona maneho ohatra mivaingana. Ny lesona tsotra maneho ohatra mivaingana dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra fitsipiky ny filazantsara anankiray izay sarotra takarina. Rehefa mampiasa lesona maneho ohatra mivaingana dia mitadiava fomba hamelàna ny ankizy handray anjara. Hianatra zavatra kokoa avy amin’ny fandraisany anjara izy ireo raha ampitahaina amin’ny fijerena fanazavana fotsiny.

  • Milalaova toe-javatra an-tsehatra. Rehefa milalao an-tsehatra toe-javatra iray izay mety hitranga eo amin’ny fiainany ny ankizy dia afaka mahatakatra tsara kokoa ny fiantefan’ny fitsipiky ny filazantsara amin’ny fiainany.

  • Averimbereno ireo atrikasa. Mety mila maheno hevitra imbetsaka ny ankizy madinika vao hahatakatra izany. Aza matahotra ny hamerina matetika tantara na atrikasa, na dia mandritra iny lesona iny ihany aza. Ohatra, mety hizara imbetsaka tantara iray ao amin’ny soratra masina amin’ny fomba samihafa ianao mandritra ny lesona iray: amin’ny alalan’ny famakiana soratra masina, famintinana amin’ny alalan’ny teninao manokana, fampisehoana horonan-tsary, famelana ny ankizy hanampy anao amin’ny fitantarana ilay tantara, fanasana azy ireo mba hilalao an-tsehatra ilay tantara sy ny sisa. Raha averina any an-trano koa ny atrikasa iray natao tao am-pianarana, dia hanampy ny ankizy hianatra sy hahatadidy ilay famerimberenana.

  • Mifandray amin’ny hafa. Mbola eo an-dalam-pampivelarana ny fahaizany mifanerasera amin’ny hafa ny ankizy ary matetika mankafy miara-mianatra sy milalao amin’ny namany. Mamoròna fotoana ahafahan’izy ireo mizara, mifandimby mandray anjara, sy miara-miasa rehefa mianatra izy ireo.

  • Mandray anjara amina atrikasa isan-karazany. Raha ho an’ny ankizy kely manokana dia fohy ny fifantohan-tsainy ary manana fomba samihafa hianarana izy ireo. Mampiasà atrikasa samihafa dia jereo tsara ireo mari-pamantarana maneho fa mila fanovana ny famindra ny ankizy. Ohatra, mety mila mampifandimby ny atrikasa milamindamina sy ny atrikasa mampihetsiketsika ianao.

Sary
Mpampianatra sy ankizy ao amin’ny Kilonga

Anisan’ny anjara asanao amin’ny maha-mpampianatra ankizy kely anao, ankoatra ny fampianarana ireo fitsipiky ny filazantsara, ny manampy ny ankizy hianatra ny fomba fandraisana anjara araka ny tokony ho izy ao anatin’ny kilasy any am-piangonana. Ohatra, mety mila mianatra mikasika ny fifandimbiasana manao zavatra, ny fizarana, sy ny fanajana ny hafa sy ny sisa izy ireo. Ny mpampianatra sasany dia mamorona tabilao izay ahitana ny andraikitra sahanina mba handraisan’ny ankizy tsirairay anjara amin’ny fomba manokana ao amin’ny kilasy (toy ny fanaovana vavaka, fihazonana sary, na fizarana taratasy). Azo ovaina isan-kerinandro ireo andraikitra sahanina. Manampy ny ankizy hifandimby hanao zavatra sy hifantoka amin’ny fitondrantena tokony hananana ao an-dakilasy izany.

Ny ankizy—indrindra ny ankizy kely—dia matetika mahazo tombontsoa amin’ilay zavatra mahazatra fanao tsy tapaka sy azo vinavinaina. Satria fohy ny fifantohan-tsain’ny ankizy kely ary indraindray sahirana izy ireo eo amin’ny fifantohana mandritra ny fotoam-pianarana iray manontolo, dia matetika tena tsara raha ampidirina ao amin’ilay zavatra mahazatra ny fanovana matetika ny atrikasa iray amin’ny atrikasa iray hafa. Ohatra, ny zavatra mahazatra fanaon’ny kilasinao dia mety ahitana ny fiatoana kely indraindray mba handokoana sary iray, na hihirana hira iray sy ny sisa.

Hamoaka printy