Testamenta Vaovao 2023
Loharanom-pitaovana fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy


“Loharanom-pitaovana fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2023)

“Loharanom-pitaovana fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Vehivavy mampianatra ankizy kely ao amin’ny efitrano fianarana ao am-piangonana

Loharanom-pitaovana fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy

Ireto loharanom-pitaovana ireto dia azo jerena ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile sy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana

Azonao amboarina ireo atrikasa avy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba ho azo ampiasaina ao amin’ny kilasin’ny Kilonganao. Aza miahiahy ny amin’ny hoe efa nanao ireo atrikasa ireo niaraka tamin’ny fianakaviany tany an-tokantrano ve ny ankizy; ny famerimberenana dia manampy ny ankizy hianatra. Mety hitantara aminao ny fomba nanatanterahan’izy ireo ireo atrikasa niaraka tamin’ny fianakaviany sy ny zavatra nianarany ny ankizy.

Cantiques sy Fihirana sy hiran’ny ankizy sy Bokin-kiran’ny ankizy

Ny hira masina dia manasa ny Fanahy, sy manampy antsika hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra, ary mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny fomba tena miavaka. Ankoatra ny fampiasana ny tahadika vita printin’ny Cantiques sy Fihirana sy hiran’ny ankizy sy ny Bokin-kiran’ny ankizy, dia afaka mahita raki-peo sy horonan-tsarin’ny fihirana sy hiran’ny ankizy maro ianao ao amin’ny music.ChurchofJesusChrist.org sy ao amin’ny application Musique sacrée sy ny Bibliothèque de l’Évangile.

Mba hakana hevitra dia jereo ny fizarana “Mampiasa hira mba hampianarana fotopampianarana” sy ny “Manampy ny ankizy hianatra sy hahatadidy ireo hiran’ny Kilonga sy ny hira ao amin’ny fihirana” ao amin’ny tovan’ity boky torolalana ity.

Jereo ny madinikareo

Maro amin’ireo lohahevitra resahina ao amin’ny Voyez vos petits enfants: Manuel de la Garderie no mitovitovy amin’ireo izay hampianarinao ao amin’ny Kilonga. Indrindra raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao, dia saintsaino ny hijery ao amin’ny boky torolalana hampianarana zaza madinika mba hahitana ireo hira, tantara, sy atrikasa, ary asa tanana fanampiny.

Namana

Ny gazetiboky Namana dia manolotra tantara sy atrikasa izay afaka mameno ireo fitsipika ampianarinao avy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Tantaran’ny Testamenta Vaovao

Ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao dia afaka manampy ny ankizy hianatra ny fotopampianarana sy ireo tantara hita ao amin’ny Testamenta Vaovao. Afaka mahita ny horonan-tsary momba ireo tantara ireo koa ianao ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile sy ao amin’ny GospelMedia.ChurchofJesusChrist.org.

Album de coloriage sur des histoires tirées des Écritures: Nouveau Testament [Boky fandokoana mirakitra ireo tantara ao amin’ny soratra masina— Testamenta Vaovao]

Io loharanom-pitaovana io dia ahitana pejy misy atrikasa fandokoana sary mahafinaritra izay natao hanatsarana ny fianaran’ireo ankizy ny Testamenta Vaovao.

Horonan-tsary sy asa kanto

Ny zava-kanto sy ny horonan-tsary ary ireo zavatra hafa jeren’ny maso sy ren’ny sofina dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra ny fotopampianarana sy haka sary an-tsaina ireo tantara mifandray amin’ny soratra masina. Tsidiho ny Gospel Media ao amin’ny GospelMedia.ChurchofJesusChrist.org mba hahitana amboarana horonan-tsary vokarin’ny Fiangonana. Misy amin’ny endriny application ho an’ny fitaovana finday ihany koa ny Gospel Media. Ahitana sary maro azonao ampiasaina ao an-dakilasy ao amin’ny Boky mirakitra sary mikasika ny filazantsara.

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia afaka manampy anao hianatra sy hampihatra ireo fitsipiky ny fampianarana araka ny an’i Kristy. Ireo fitsipika ireo dia ifanakalozana hevitra sy ampiharina ao amin’ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra.

Hamoaka printy