Testamenta Vaovao 2023
Ianao dia mpampianatra ankizy


“Ianao dia mpampianatra ankizy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2023)

“Ianao dia mpampianatra ankizy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
I Jesoa mihazona zaza iray

Ianao dia mpampianatra ankizy

Ianao dia nantsoin’ Andriamanitra mba hampianatra ny zanany amin’ny fomban’ny Mpamonjy. Natokana ho amin’io antso io tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronany masina ianao. Na dia tsy mpampianatra efa za-draharaha aza ianao, rehefa miaina am-pahamendrehana sy mivavaka isan’andro ary mandalina ny soratra masina ianao, dia hanome anao ny fitaomana sy ny herin’ny Fanahy Masina ny Ray any An-danitra mba hampahomby anao (jereo ny 2 Nefia 33:1).

Zanaky ny Ray any An-danitra ireo izay ankinina aminao, ary fantany izay ilain’izy ireo sy ny fomba tsara indrindra hanampiana azy ireo. Rehefa mikatsaka amim-bavaka ny fitaoman’ny Fanahy Masina ianao dia hitarika anao Izy mandritra ny fiomananao sy mandritra ny fotoana hampianaranao. Hanambara aminao izay tokony holazainao sy tokony hataonao Izy (jereo ny 2 Nefia 32:5).

Aza manambany na oviana na oviana ny fahafahan’ny ankizy mahatakatra ny filazantsara. Amin’ny lafin-javatra rehetra eo amin’ny fiainan’izy ireo, ireo ankizy sarobidy ireo dia migoka fampahalalana, manorina sy manatsara ny hevitra ananan’izy ireo, ary mahita sy mizara zava-baovao tsy tapaka. Tena marina indrindra izany ao amin’ny filazantsara, satria vonona sy maika hianatra ireo fahamarinana tsotra ao amin’izany ny ankizy. Matanjaka sy madio ny finoan’izy ireo zava-masina, ary fotoana ahafahana mianatra ny fotoana rehetra ho azy ireo. Manao asa amim-pahavononana araka ireo zavatra nianarany izy ireo, na dia tsy feno aza ny fahatakarany. Toy izany no tokony handraisantsika rehetra ny filazantsara. Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’ Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory” (Lioka 18:17).

Ny antso mba hampianatra ankizy dia fametraham-pitokisana masina, ary tsy mahagaga raha mahatsapa ho tototra be indraindray. Tsarovy anefa fa niantso anao ny Ray any An-danitra ary hanohana anao Izy. Asan’ny Tompo ity, ary rehefa manompo “amin’ny fo, ny hery, ny saina, ary ny tanjakao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2.) ianao, dia hampivelatra ireo fahafahanao manao zavatra, ireo fanomezam-pahasoavana anananao, ary ireo talentanao Izy, ary hitahy ny fiainan’ireo ankizy ampianarinao ny asa fanompoana ataonao.

Hamoaka printy