Testamenta Vaovao 2023
Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga


“Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2023)

“Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Ankizin’ny Kilonga ao am-pianarana

Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga

Miomana hampianatra ao amin’ny Kilonga

Ny fandalinana manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana ao an-tokantrano no tokony ho ivon’ny fianarana ny filazantsara. Miantefa aminao sy amin’ireo ankizy ampianarinao izany. Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia atombohy amin’ny fiainanao manokana amin’ny soratra masina izany. Ny fiomananao manan-danja indrindra dia hitranga rehefa miaina ny filazantsara ianao sy manadihady ny soratra masina ary mikatsaka ny fitaoman’ny Fanahy Masina.

Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia sady ampahany manan-danja amin’ny fandalinanao manokana no ampahany manan-danja amin’ny fiomananao hampianatra. Izy io dia hanampy anao hahatakatra lalindalina kokoa ireo fitsipika ara-potopampianarana izay hita ao amin’ny soratra masina. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga dia hanome atrikasa ho an’ny ankamaroan’ireo soratra masina sy tantara izay anasana ny ankizy mba hohalalininy any an-tokantrano mandritra ny herinandro.

Ho tonga ao aminao mandritra ny fiomananao ireo hevitra sy fahatsapana momba ireo ankizy ampianarinao. Hahazo hevi-baovao ny amin’ny fomba hitahian’ireo fitsipika ao amin’ny soratra masina ny fiainan’izy ireo ianao. Hotarihina ianao mba hitaona azy ireo hahita ireo fitsipika ireo rehefa mianatra avy ao amin’ny soratra masina samirery sy miaraka amin’ny fianakaviana izy ireo.

Sary
Vehivavy iray mandalina ny soratra masina

Hevitra hoenti-mampianatra

Eo am-piomanana hampianatra dia mety hahazo fitaomana fanampiny ianao amin’ny alalan’ny fizahana ireo rindran-damina hoenti-mampianatra ato anatin’ity loharanom-pitaovana ity. Aza heverina ho toy ny torolalana arahana amin’ny antsipiriany ireo tolo-kevitra ireo fa hevero kosa ho toy ny sosokevitra hahazoanao fanentanam-panahy ho anao manokana. Fantatrao ireo ankizy ireo, ary mbola hanana fahafahana hahafantatra azy ireo kokoa mihitsy aza ianao rehefa mifanerasera amin’izy ireo ao an-dakilasy. Fantatry ny Tompo ihany koa izy ireo, ary hanome anao ireo fomba tsara indrindra hampianarana sy hitahiana azy ireo Izy.

Maro ireo loharanom-pitaovana hafa azonao ampiasaina eo am-piomanana, anisan’izany ireo hevitra hita ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana sy ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana. Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa momba ireo loharanom-pitaovana ireo sy ireo loharanom-pitaovana hafa dia jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy ao anatin’ity loharanom-pitaovana ity.

Zavatra tsara tadidiana

  • Isaky ny mihaona amin’ireo ankizy ianao dia mieritrereta fomba azonao anampiana azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy ary hamantatra ny fitaoman’ny Fanahy Masina.

  • Manana andraikitra voalohany hampianatra ny zanany ny ray aman-dreny. Amin’ny maha-mpampianatra anao dia manana andraikitra manan-danja ianao mba hanohana, sy hankahery, ary hanorina fianarana ny filazantsara any an-tokantrano. Aoka ianao hitandrina amin’ireo ankizy izay tsy mampianatra ny filazantsara ao an-tokantranony ny ray aman-dreniny. Ampandraiso anjara ao anatin’ireo fifanakalozan-kevitra mikasika ny filazantsara ny ankizy rehetra na inona na inona toe-javatra misy any an-tokantranony.

  • Tsara ny famerimberenana. Mianatra amim-pahombiazana kokoa ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ny ankizy rehefa averimberina ampianarina amin’ny alalan’ny atrikasa isan-karazany ireo fahamarinana ireo. Raha toa ka hitanao fa mandaitra amin’ny ankizy ny atrikasa enti-mianatra iray dia avereno izany, indrindra raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao. Azonao atao ihany koa ny mamerina atrikasa iray avy tao amin’ny lesona teo aloha.

  • Tian’ny Ray any An-danitra ho mpampianatra mahomby ianao. Nanome loharanom-pitaovana maro Izy mba hanampiana anao, anisan’izany ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra. Amin’ireny fivoriana ireny no ahafahanao mifampila hevitra amin’ny mpampianatra hafa momba ireo olana izay atrehinao. Azonao atao koa ny mifanakalo hevitra sy mampihatra fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy.

  • Raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao ka mila fanampiana fanampiny dia jereo ny “Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely” ato anatin’ity loharanom-pitaovana ity.

Ity loharanom-pitaovana ity dia ahitana rindran-damina hoenti-mampianatra ho an’ny herinandro rehetra anatin’ny taona. Amin’ireo alahady izay tsy hisian’ny kilasin’ny Kilonga noho ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany na ny an’ny tsatòka na izay mety ho antony hafa, dia amporisihana ny fianakaviana mba hanohy hamaky ny Testamenta Vaovao any an-tokantrano araka ny fandaharana voalahatra ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Aza manahy ny amin’ireo lesona voadinganareo; ampianaro izay rindran-damina isan-kerinandro voatondro.

Hamoaka printy