Testamenta Vaovao 2023
26 jona–2 jolay. Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21: “Efa nitsangana [Izy]”


“26 jona–2 jolay. Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21: -Efa nitsangana [Izy],-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023 (2022)

“26 jona–2 jolay. Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
I Jesoa miresaka amin’i Petera eo amoron-dranomasina

Feed My Sheep [Fahano ary ny ondriko], nataon’i Kamille Corry

26 jona–2 jolay

Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21

“Efa nitsangana [Izy]”

Ny ankizy izay manana fijoroana ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ao amin’ireo toko ireo dia manana fototra mafy orina hampiorenana ny finoany. Amin’ny fomba ahoana no hanasanao ny Fanahy hijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ireo?

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ny fahitana sary iray dia afaka manampy ny ankizy hahatsiaro ireo zavatra nianarany tany an-tokantrano na tamin’ny sehatra hafa. Azonao atao angamba ny mampiseho ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary mangataka ny ankizy mba hizara ny zavatra fantatr’izy ireo momba ny tantara naseho ao amin’ilay sary.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20:1–23

Ho velona indray aho rehefa avy maty, tahaka an’i Jesoa.

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, tafiditra ao anatin’izany ny Fitsanganany tamin’ny maty, no zava-nitranga manan-danja indrindra eo amin’ny tantara, ary izany no fototry ny finoana Kristiana. Rehefa mamaky momba ny Fitsanganana tamin’ny maty ianao dia saintsaino ny fomba hanampianao ny ankizy mba hanorina ny finoan’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy.

Atrikasa azo atao

  • Tantarao amin’ny teninao manokana ny tantaran’ny Fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty. (Raha ilaina dia jereo ny “Toko 54: Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao.) Hazavao fa rehefa maty i Jesoa dia niala tamin’ny vatany ny fanahiny. Rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy dia niverina nikambana indray ny vatany sy ny fanahiny. Asaivo mifandimby mamerina mitantara aminao ilay tantara ny ankizy. Anontanio ny ankizy hoe ahoana no mety ho fahatsapan’izy ireo raha toa izy ireo ka nahita an’i Jesoa velona indray.

  • Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa hitsangana amin’ny maty ny olona rehetra indray andro any. Asao ireo ankizy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.

  • Mihirà hira iray momba ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty, toy ny “Moa ve Jesoa nitsangana?” (Bokin-kiran’ny ankizy, 45). Asaivo alain’ny ankizy sary an-tsaina hoe ohatra ny ahoana izany mahita an’i Jesoa izany. Avelao hizara ny eritreriny amin’ny iray kilasy izy ireo.

Jaona 20:24–29

Afaka manana finoana an’i Jesoa Kristy aho na dia tsy afaka mahita Azy aza.

Saintsaino ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra ny atao hoe finoana sy ny fomba ahafahan’izy ireo mampihatra finoana ny Mpamonjy.

Atrikasa azo atao

  • Tantarao ny ankizy ny momba ny zavatra niainan’i Tomasy ao amin’ny Jaona 20:24–29. Avereno tantaraina ilay tantara, saingy amin’ity indray mitoraka ity dia asaivo ny ankizy no manome antsipirian-javatra sasany.

  • Mampisehoa boaty misy zavatra iray ao anatiny izay tsy hitan’ny ankizy, ary lazalazao amin’ny ankizy ny momba ilay zavatra. Anontanio azy ireo raha toa izy ireo ka mino fa tena ao anatin’ilay boaty ilay zavatra, dia anontanio azy ireo ny antony inoany izany. Dia ampisehoy azy ireo ilay zavatra, ary hazavao fa ny finoana dia ny mino ireo zavatra tsy hitantsika. Ny finoana manan-danja indrindra azontsika ananana dia ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Sary
I Jesoa mampiseho ny tanany amin’ny apôstôly

Behold My Hands [Jereo ny tanako], nataon’i Jeff Ward

Jaona 21:15–17

Afaka mampiseho ny fitiavako an’i Jesoa aho amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa.

Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mandrisika ny ankizy hitia sy hanampy ireo izay manodidina azy ireo?

Atrikasa azo atao

  • Jereo ny Jaona 21:15–17. Ampio ny ankizy hahatakatra ny zavatra tian’i Jesoa nataon’i Petera: mizara ny filazantsara sy manasa ny olona rehetra hino an’i Jesoa. Omeo ondry vita amin’ny taratasy ny ankizy tsirairay, ary asaivo soratan’izy ireo na ataony sary eo amin’izany ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanampiana olona iray fantatr’izy ireo hanakaiky kokoa an’i Jesoa.

  • Ampio ny ankizy hieritreritra ireo zavatra izay ataon’izy ireo amin’izao mba hitiavana sy hanompoana ny hafa. Inona ihany koa no azontsika atao mba hampisehoana ny fitiavantsika?

  • Soraty eo amin’ny taratasy netezana mba hiendrika ondry ny anaran’ny ankizy tsirairay ao amin’ny kilasinao, ary aparitaho eran’ny trano ireo ondry ireo. (Ataovy ao ihany koa ny anaran’ireo ankizy tsy manatrika matetika ny kilasy.) Asao ny ankizy mba hanangona ireo ondry amin’ny alalan’ny fitadiavana ilay misy ny anaran’izy ireo. Ampio ny ankizy hieritreritra fomba ahafahany manampy namana iray izay tsy tonga am-piangonana.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20:1–23

Satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty koa ny olona rehetra.

Efa mahazatra ny mahita ny ankizy manontany mikasika ny zavatra mitranga aorian’ny fahafatesantsika. Saintsaino ny fomba ahafahanao mampianatra momba ny Fitsanganana amin’ny maty amin’ny fomba izay hampiorim-paka ny finoan’izy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Asao ny mpianatra mba hanakimpy ny mason’izy ireo ka haka sary an-tsaina hoe mipetraka eo akaikin’ny fasan’i Jesoa izy ireo eo am-pamakianao ny Jaona 20:1–17 na fintino ny tantaran’ny Fitsanganany tamin’ny maty (jereo ihany koa ny “Toko 54: Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 139–44). Inona no dikan’ ny hoe nitsangana tamin’ ny maty? Mety ohatra ny ahoana izany hoe nahita ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty izany?

  • Angataho ny ankizy tsirairay mba handalina ny zavatra niainan’ny olona iray izay nahita ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty ary hizara amin’ny mpianatra ambiny ny zavatra nianarany.

  • Asao ny ankizy hizara ny antony mahatonga ny Fitsanganan’ny Mpamponjy tamin’ny maty ho manan-danja amin’izy ireo.

Jaona 20:24–29

Afaka manana finoana an’i Jesoa Kristy aho na dia tsy afaka mahita Azy aza.

Amin’ny fomba ahoana no hahafahanao manampy ny ankizy hanamafy orina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy?

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hamaky ny Jaona 20:24–29. Ahoana no ahafahantsika mahafantatra fa velona i Jesoa Kristy na dia tsy afaka mahita Azy aza isika?

  • Soraty amin’ny sombin-taratasy samy hafa ny teny tsirairay ao amin’ilay andian-teny hoe: “Sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.” Asao ny ankizy hametraka ireo teny araka ny filaharany. Asao izy ireo mba hilaza momba ireo zavatra niainany izay nahatsapany ny fitiavan’ny Mpamonjy na dia tsy nahita Azy aza izy ireo.

  • Asao ireo ankizy hanao ny sarin’ireo zavatra izay azon’izy ireo atao amin’ity herinandro ity mba hampatanjahana ny finoany. Angataho izy ireo hizara ny zavatra nataony sary dia zarao ny zavatra nataonao mba hampatanjahana ny finoanao an’i Jesoa Kristy.

Jaona 21:1–17

Afaka mampiseho ny fitiavako an’i Jesoa aho amin’ny alalan’ny famahanana ny ondriny.

Afaka mitaona ireo olona manodidina azy ireo ny ankizy. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mandrisika azy ireo mba hampatanjaka ny hafa ao amin’ny filazantsara?

Atrikasa azo atao

  • Iaraho mamaky ny Jaona 21:1–17. Rehefa mamaky ny andininy 9–13 ianao dia angataho ny ankizy mba hieritreritra fotoana iray izay nanaovan’ny olona iray sakafo miavaka ho azy ireo, ary asao izy ireo hieritreritra fomba izay amahanan’i Jesoa antsika ara-panahy. Rehefa mamaky ny andininy 15–17 ianao dia soloy ny anaran’ny ankizy ny anaran’i Simona. Iza ireo ondrin’i Jesoa? Ahoana no ahafahantsika manampy Azy hamahana azy ireo?

  • Zarao ody am-bava fo tsotra ny ankizy. Eo am-pihinanan’izy ireo dia anontanio azy ireo ny mampitovy ny fizarana ny filazantsara amin’ny olona iray amin’ny famahanana azy ireo.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hampiasa ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity mba hampianarana ny fianakavian’izy ireo momba ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty.

Manatsara ny fampianarantsika

Tohizo ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ny fanasana mba hanao asa. Rehefa manasa ny ankizy mba hanao asa araka ny zavatra nianarany ianao dia tohizo ny fandraisana andraikitra eo anatrehan’ny fanasana nataonao mandritra ny fotoam-pampianarana manaraka. Izany dia mampiseho amin’ny ankizy fa miraharaha momba ny fomba hitahian’ny filazantsara ny fiainan’izy ireo ianao. Rehefa mizara ny zavatra niainany izy ireo dia hampatanjahana izy ireo ary hifanampy mba hiaina ny filazantsara.

Hamoaka printy