Testamenta Vaovao 2023
26 jona–2 jolay. Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21: “Efa nitsangana [Izy]”


“26 jona–2 jolay. Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21: -Efa nitsangana [Izy],-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“26 jona–2 jolay. Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
I Jesoa miresaka amin’i Petera eo amoron-dranomasina

Feed My Sheep [Fahano ny ondriko], nataon’i Kamille Corry

26 jona–2 jolay

Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21

“Efa nitsangana [Izy]”

Vakio amim-bavaka ny Matio 28; Marka 16; Lioka 24; ary ny Jaona 20–21 eo am-pisaintsainanao ny fifalianao noho ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty. Iza no mety ho voatahy rehefa mihaino ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba io zava-nitranga io?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ho an’ny mpandinika maro, ny fahafatesan’i Jesoa avy any Nazareta dia mety ho toa fiafarana mampihomehy an’ny fiainana iray izay niavaka. Tsy io ve ilay lehilahy nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty? Tsy efa imbetsaka ve Izy no nahatohitra ny fandrahonana ho faty nataon’ireo Fariseo? Efa nampiseho hery hanasitranana ny jamba sy ny boka ary ny paralysisa Izy. Na ny rivotra sy ny ranomasina aza dia nankatò Azy. Dia nefa indro Izy, mihantona eny amin’ny hazo fijaliana ary nilaza hoe “Vita” (Jaona 19:30). Mety nisy zavatra nahagaga ihany tao anatin’ireo teny naneso hoe “Ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena” (Matio 27:42). Saingy fantatsika fa ny fahafatesan’i Jesoa Kristy dia tsy fiafaran’ilay tantara. Fantatsika fa tsy naharitra ny fahanginan’ny fasana ary ny asa famonjen’i Kristy dia vao nanomboka mihitsy. Tsy “[ao] amin’ny maty” no ahitana Azy ankehitriny fa eo anivon’ny velona (Lioka 24:5). Tsy hangina ny fampianarany, satria ireo mpianany mahatoky dia hitory ny filazantsara amin’ny “firenena rehetra,” amim-patokiana ilay fampanantenany fa Izy dia “[homba azy ireo] mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” (Matio 28:19–20).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20

Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy.

Ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao dia hamaky ny momba ny iray amin’ireo zava-niseho manan-danja indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona: ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Eo am-pamakianao dia mipetraha amin’ny toeran’ireo olona izay nanatri-maso ireo zava-niseho nanodidina ny Fitsanganana tamin’ny maty. Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo?

Inona no zavatra tsapanao rehefa mamaky momba ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty ianao? Eritrereto ny fiantraikan’izany taminao, tamin’ny fomba fijerinao ny fiainana, ny fifandraisanao amin’ny hafa, ny finoanao an’i Kristy, ary ny finoanao ireo fahamarinana hafa ao amin’ny filazantsara.

Jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fitsanganana amin’ny maty”; Sujets de l’Évangile, “Résurrection,” topics.ChurchofJesusChrist.org.

Lioka 24:13–35

Afaka manasa ny Mpamonjy mba “[hitoetra] aty ami[ko]” aho.

Eo am-pamakianao ny zavatra niainan’ireo mpianatra roa nanana dia naleha izay nihaona tamin’ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty dia tadiavo ireo zavatra itovian’izany amin’izay efa niainanao amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy anao. Ahoana no ahafahanao miaraka Aminy ankehitriny sy manasa Azy “hitoetra” elaela kokoa? (Lioka 24:29). Ahoana no ahafantaranao ny fisiany ao amin’ny fiainanao? Tamin’ny fomba ahoana no nijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona taminao momba ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy?

Jereo ihany koa ny “Demeure auprès de moi, Seigneur!,” “Reste avec nous, Seigneur!,” Cantiques, nos. 92–93.

Lioka 24:36–43; Jaona 20

Ny fitsanganana amin’ny maty dia ny fampiraisana indray ny vatana sy ny fanahy ka tsy hisaraka intsony izany.

Ny tantaran’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia afaka manampy anao hahatakatra ny dikan’ny hoe mitsangana amin’ny maty. Ohatra, inona no fahamarinana hitanao ao amin’ny Lioka 24:36–43 sy Jaona 20 momba ny vatana efa nitsangana tamin’ny maty? Azonao fakafakaina koa ireo soratra masina hafa momba ny fitsanganana amin’ny maty, toy ny 1 Korintiana 15:35–44; Filipiana 3:20–21; 3 Nefia 11:13–15; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:27–31; 110:2–3; 130:1, 22.

Jaona 20:19–29

“Sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.”

Mety hahatsapa toa an’i Tomasy ianao izay nilaza hoe: “Raha tsy hitako … dia tsy mba hino aho” (Jaona 20:25). Araka ny hevitrao, nahoana ny finoana na dia tsy nahita aza no fitahiana? (jereo ny Jaona 20:29). Saintsaino ny fitahiana nomena anao noho ny finoanao zavatra tsy afaka ny ho hitanao? Inona no manampy anao hanana finoana ny Mpamonjy na dia tsy afaka mahita Azy aza ianao? Ahoana no ahafahanao manohy mampatanjaka ny finoanao “zavatra izay tsy hita kanefa marina”? (jereo ny Almà 32:16–21; Etera 12:6). Soraty ao anaty diary ny zavatra niainanao izay nanampy anao hino an’i Jesoa Kristy na zarao amin’olona fantatrao izany.

Jaona 21:1–17

Manasa ahy hamahana ny ondriny ny Mpamonjy.

Mety hahaliana ny mampitaha ny fifaneraseran’ny Mpamonjy tamin’ireo Apôstôliny ao amin’ny Jaona 21 tamin’ny fotoana voalohany nandidiany azy ireo hamela ny haratony, izay voarakitra ao amin’ny Lioka 5:1–11. Inona no fitoviana sy ny fahasamihafana hitanao? Inona no hevi-baovao momba ny maha-mpianatra hitanao?

Eritrereto ny fomba azo hampiharana ny tenin’i Petera ao amin’ny Jaona 21:15–17 aminao. Misy zavatra ve manakana anao tsy hanompo ny ondrin’ny Tompo? Inona no mety ho valin-teninao raha toa ka manontany anao ny Tompo hoe: “Tia ahy va ianao?” Eritrereto izay fomba ahafahanao maneho ny fitiavanao ny Tompo.

Jereo ihany koa ny 1 Petera 5:2–4, 8; Jeffrey R. Holland, “Ny didy lehibe voalohany,” Liahona, nôv. 2012, 83–85.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Lioka 24:5–6.Hoy ny Filoha Thomas S. Monson momba ny Lioka 24:5–6 hoe: “Tsy misy teny manan-danja kokoa amiko voalazan’ny soratra masina Kristiana mihoatra ireo” (“Efa nitsangana Izy!,” Liahona, mey 2010, 89). Midika inona aminao sy ny fianakavianao ireo teny ireo?

Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21.Rehefa mamaky ireo toko ireo ny fianakavianao dia jereo tsara ny hoe olona iza no nifandray tamin’i Jesoa ao amin’ny tantara tsirairay. Ohatra, inona no manaitra anao momba ireo olona izay nitsidika ny fasan’ny Mpamonjy? Inona no ianaranao avy amin’ny teny na zavatra nataon’ireo Apôstôly na avy amin’ireo mpianatra hafa teo amin’ny lalana nankany Emaosy?

Azonareo iarahana mihira ny hira hoe “Moa ve Jesoa nitsangana?” (Bokin-kiran’ny ankizy, 45). Miresaha momba ny olona iray efa maty izay fantatry ny fianakavianao, dia mifanakaloza hevitra momba ny hoe ahoana no itondran’ireo fahamarinana ao amin’io hira io fiadanana.

Sary
I Jesoa miara-mandeha amin’ny lehilahy anankiroa eo amin’ny lalana iray

Road to Emmaus [Lalana mankany Emaosy], nataon’i Wendy Keller

Matio 28:16–20; Marka 16:14–20; Lioka 24:44–53.Inona ao amin’ireo andininy ireo no nangatahin’i Jesoa mba hataon’ireo Apôstôliny? Ahoana no ahafahantsika manampy amin’ny fanatanterahana io asa io? Azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao ny mizara zavatra niainana izay nahatsapany “ny Tompo niara-niasa taminy” mba hanatontosana ireo tanjony (Marka 16:20).

Jaona 21:15–17.Azonareo vakina eo am-piarahana misakafo ireo andininy ireo. Izany dia mety hampitombo kokoa ny fahatakarana ny tenin’ny Mpamonjy manao hoe: “fahano ny ondriko.” Raha mifototra amin’ny zavatra nampianarin’i Jesoa momba ny ondry ao amin’ny Testamenta Vaovao (jereo ohatra ny Matio 9:35–36; 10:5–6; 25:31–46; Lioka 15:4–7; Jaona 10:1–16, dia nahoana ny famahanana ondry no fanoharana tsara ho an’ny fanompoana ireo zanak’ Andriamanitra? Inona no ampianarin’ilay fanoharana momba ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy momba antsika?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Moa ve Jesoa nitsangana?,” Bokin-kiran’ny ankizy, 45.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mampiasà mozika mba hanasana ny Fanahy ary hianarana fotopampianarana. Ny fihirana na fihainoana ny hira toy ilay hoe “Chantons tous, pleins d’allégresse!” (Cantiques, no. 121) dia afaka manasa ny Fanahy ary manampy anao hianatra momba ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty.

Sary
Vehivavy mahita an’i Kristy efa nitsangana tamin’ny maty eo akaikin’ny fasana

The Resurrected Christ [Ilay Kristy efa nitsangana tamin’ny maty], nataon’i Walter Rane

Hamoaka printy