Testamenta Vaovao 2023
10–16 jolay. Asan’ny Apostoly 6–9: “Tompoko, inona no tianao hataoko?”


“10–16 jolay. Asan’ny Apostoly 6–9: -Tompoko, inona no tianao hataoko?,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“10–16 jolay. Asan’ny apostoly 6–9,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
I Paoly mianjera lavo amin’ny tany

Conversion on the Way to Damascus [Fiovam-po eny amin’ny lalana mankany Damaskosy], nataon’i Michelangelo Merisi da Caravaggio

10–16 jolay

Asan’ny Apostoly 6–9

“Inona no tianao hataoko?”

Atombohy amin’ny famakiana ny Asan’ny Apostoly 6–9. Ireo soso-kevitra ao anatin’ity rindran-damina ity dia afaka manampy anao hamantatra ny sasany amin’ireo fitsipika manan-danja ao amin’ireo toko ireo, na dia mety hahita hafa mandritra ny fandalinanao manokana aza ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Raha misy olona tsy dia noheverina loatra fa hiova fo dia i Saoly mihitsy izany, satria izy dia Fariseo nalaza ho mpanenjika Kristianina. Koa rehefa nasain’ny Tompo hitady an’i Saoly sy hanome tsodrano azy ny mpianatry ny Tompo iray antsoina hoe Ananiasy dia mazava ho azy fa nisalasala ity farany. “Tompoko,” hoy izy, “efa reko tamin’ny maro ny haben’ny ratsy nataon’izany lehilahy izany tamin’ny olonao” (Asan’ny Apostoly 9:13). Saingy nahafantatra ny tao am-pon’i Saoly sy ny zavatra mety ho vitany ny Tompo, ary nanana asa hokasaina hampanaovina an’i Saoly Izy: “Fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’isiraely” (Asan’ny Apostoly 9:15). Koa dia nankatò i Ananiasy, ka rehefa nifanena tamin’io mpanenjika azy taloha io izy dia niantso azy hoe “Ry Saoly rahalahy” (Asan’ny Apostoly 9:17). Koa raha i Saoly aza afaka niova tanteraka ary afaka nandray azy tsara tokoa toy izany i Ananiasy, noho izany moa ve isika tokony hihevitra ny olona ho tsy afaka ny hiova na oviana na oviana, anisan’izany ny tenantsika?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Asan’ny Apostoly 6–8

Mila “mahitsy fo eo anatrehan’ Andriamanitra” aho.

Ny fitombon’ny fiangonana dia nidika ho fitombon’ny filàna mpianatra mba hanompo ao amin’ny fanjakana. Araka ny Asan’ny Apostoly 6:1–5, inona avy ireo toetra notadiavin’ny Apôstôly Roambinifolo fa tokony ho nananan’ireo izay hiara-hanompo amin’izy ireo? Eo am-pamakianao ny Asan’ny Apostoly 6–8, dia mariho ny fomba nahitana taratra ireo toetra ireo, sy ny hafa koa, teo amin’ny olona tahaka an’i Stefana na i Filipo. Inona no tsy ampy tamin’i Simona, ary inona no azontsika ianarana avy aminy momba ny hoe vonona hiova?

Misy zavatra tsapanao avy amin’ny fitaomam-panahy ve fa mila hovaina mba hahazoana antoka fa “mahitsy fo eo anatrehan’ Andriamanitra” ianao? (Asan’ny Apostoly 8:21–22). Ahoana no mety hanampian’izany fanovana izany anao eo amin’ny fanompoanao an’ Andriamanitra?

Asan’ny Apostoly 6–7

Ny fanoherana ny Fanahy Masina dia mety hitarika amin’ny fandavana ny Mpamonjy sy ireo mpanompony.

Tompon’andraikitra tamin’ny fanomanana ny olona tamin’ny fiavian’ny Mesia ireo mpitarika Jiosy. Kanefa dia tsy nahafantatra ny Mesia sy nandà Azy izy ireo. Ahoana no nitrangan’izany? Mety ho hita ao amin’ny tenin’i Stefana ny ampahany amin’ny valin’izany hoe: “hianareo manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva” (Asan’ny Apostoly 7:51). Inona araka ny eritreritrao ny dikan’ny hoe manohitra ny Fanahy Masina? Nahoana ny fanoherana ny Fanahy Masina no mitarika amin’ny fandavana ny Mpamonjy sy ireo mpanompony?

Eo am-pamakianao ny Asan’ny Apostoly 6–7 dia karohy ireo hafatra hafa nampianarin’i Stefana an’ireo Jiosy. Inona avy ireo fitondran-tena nampitandremany mba tsy hananana teto? Mahatsapa ny fisian’ny fitondran-tena toy izany ao aminao ve ianao? Inona no zavatra ampianarin’ireo tenin’i Stefana anao momba ny vokatry ny fandavana ny Fanahy Masina? Ahoana no hahafahanao hahatsapa sy hankatò bebe kokoa ny bitsiky ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao?

Asan’ny Apostoly 8:26–39

Ny Fanahy Masina dia hanampy ahy hanoro lalana ny hafa ho any amin’i Jesoa Kristy.

Inona no zavatra azonao ianarana momba ny fizarana ny filazantsara avy amin’ny tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:26–39? Ahoana no nanampian’ny Fanahy Masina an’i Filipo? Inona no mampitovy ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa amin’ny fijoroana ho toy ny mpanoro lalana? (Jereo ny Asan’ny Apostoly 8:31).

Nilaza ny Loholona Ulisses Soares fa io tantara io “dia fampahatsiahivana ilay iraka masina nomena antsika mba hikatsaka ny hifampianatra sy hianatra avy amintsika samy isika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. … Indraindray isika tahaka ilay Etiopiana: mila ny fanampian’ny mpampianatra mahatoky sy entanim-panahy isika; ary indraindray isika dia tahaka an’i Filipo: mila mampianatra sy mankahery ny hafa ao amin’ny fiovam-pony isika” (“Ahoana no ahafahako mahatakatra?,” Liahona, mey 2019, 6). Hevero ny hamaky ny sisa tavela amin’ny hafatry ny Loholona Soares dia saintsaino ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina manampy anao ho lasa mpianatra sy mpampianatra ny filazantsara tsara kokoa.

Asan’ny Apostoly 9

Rehefa manoa ny sitrapon’ny Tompo aho dia afaka ny ho lasa fitaovana eo an-tanany.

Toa tampoka be ny fiovam-pon’i Saoly; “niaraka tamin’izay” izy dia niala tamin’ny fanagadrana Kristianina ka lasa nitory an’i Kristy tany amin’ireo synagoga. Eo am-pamakianao an’io tantara io dia saintsaino hoe nahoana izy no tena vonona ny hiova. (Raha te hamaky ny fanoritsoritan’i Saoly ny fiovam-pony dia jereo ny Asan’ny Apostoly 22:1–16 ary 26:9–18. Jereo fa antsoina amin’ny anarana hoe Paoly i Saoly ao amin’ireo tantara ireo [jereo ny Asan’ny Apostoly 13:9].)

Na dia marina aza fa tsy mahazatra ny zavatra niainan’i Saoly, satria ho an’ny ankamaroan’ny olona dia dingana maharitra kokoa ny fiovam-po, dia moa ve misy zavatra momba ny fiovam-po azonao ianarana avy amin’i Saoly? Inona no zavatra azonao ianarana avy amin’ny fihetsika nasetrin’i Ananiasy sy ireo mpianatra hafa ny fiovam-pon’i Saoly? Inona no hataonao hampiharana ireo lesona ireo eo amin’ny fiainanao? Azonao atao ny manomboka amin’ny fanontaniana amin’ny alalan’ny vavaka, tahaka ny nataon’i Saoly, manao hoe: “Inona no tianao hataoko?”

Rehefa mamaky ny Asan’ny Apostoly 9:36–42 ianao dia diniho ny fomba naha-fitaovana teo am-pelatanan’ Andriamanitra an’i Tabita. Manentana anao hanao inona ny ohatra nasehony?

Jereo ihany koa ny Dieter F. Uchtdorf, “Miandry eny amin’ny lalana mankany Damaskosy,” Liahona, mey 2011, 70–77.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Asan’ny Apostoly 6:8; 7:51–60.Manaova fampitahana an’ireo tantaran’i Stefana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 6:8 sy ny Asan’ny Apostoly 7:51–60 amin’ny tantaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Lioka 23:1–46. Ahoana no nanarahan’i Stefana ny ohatry ny Mpamonjy?

Asan’ny Apostoly 7:51–60.Ahoana no nitahian’ny Fanahy Masina an’i Stefana raha nenjehina izy? Oviana isika no nahazo tanjaka avy tamin’ny Fanahy Masina nandritra ny fotoan-tsarotra?

Asan’ny Apostoly 9:5.Ny fanindronana dia zavatra maranitra nampiasaina mba hibaikoana ny biby hanaraka ny lalana tokony halehany. Matetika ilay biby no manipaka rehefa voatsindrona, ka mahatonga ilay lefona hilentika kokoa any anatin’ny nofon’ilay biby. Amin’ny fomba ahoana no mety hiharan’io fanoharana io amintsika? Inona no azontsika atao mba hanekentsika amin’ny fomba tsaratsara kokoa ny fanitsiana avy amin’ny Tompo?

Sary
I Petera nanangana an’i Tabita tamin’ny maty

Tabitha Arise [Ry Tabita, mitsangàna], nataon’i Sandy Freckleton Gagon

Asan’ny Apostoly 9:32–43.Hevero ny hanasa ny fianakavianao hanao sary ireo tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 9:32–43. Inona no ianarantsika avy amin’ireo tantara ireo momba ny maha-mpianatra marina? Ahoana ny ahafahan’ny olona iray izay nahavita “asa soa” be dia be toa an’i Tabita manampy ny hafa hino ny Tompo? (jereo ny Asan’ny Apostoly 9:36; “Toko 60: Natsangan’i Petera tamin’ny maty i Tabita” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 156–57).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Ny lalanao no lalako,” Fihirana sy hiran’ny ankizy,, lah. 92.

Manatsara ny fandalinana manokana

Ampitahao amin’ny soratra masina ny fiainanao. Eo am-pamakianao dia saintsaino ny fomba azo hampiharana ireo tantara sy fampianarana ao amin’ny soratra masina eo amin’ny fiainanao. Ohatra hoe, inona avy ireo fahafahana anananao hanompoana ny hafa, tahaka izay nataon’i Tabita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 9:36–39?

Sary
I Stefana notoraham-bato ho faty

“Ary ny olona nitora-bato an’i Stefana, izay niantso [an’ Andriamanitra dia niteny] hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko” [Dikantenin’i Joseph Smith].

Hamoaka printy