Testamenta Vaovao 2023
10–16 jolay. Asan’ny Apostoly 6–9: “Tompoko, inona no tianao hataoko?”


“10–16 jolay. Asan’ny Apostoly 6–9: -Tompoko, inona no tianao hataoko?,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“10–16 jolay. Asan’ny Apostoly 6–9,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
I Paoly mianjera amin’ny tany

Conversion on the Way to Damascus [Fiovam-po teny am-pandehanana ho any Damaskosy], nataon’i Michelangelo Merisi da Caravaggio

10–16 jolay

Asan’ny Apostoly 6–9

“Tompoko, inona no tianao hataoko?’”

Atombohy amin’ny famakiana ny Asan’ny Apostoly 6–9. Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra ireo toko ireo. Ireo atrikasa ho an’ny ankizy kely ato anatin’ity rindran-damina ity dia azo amboarina koa ho an’ny ankizy lehibe, dia mety koa ny mifamadika amin’izay.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny anaran’ny olona sasany ao amin’ny Asan’ny Apostoly 6–9 toy ny hoe Saoly, Stefana, ary Tabita. Asao ny ankizy hizara ny zavatra fantany momba ireo olona ireo.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Asan’ny Apostoly 6–7

Afaka manaraka an’i Jesoa Kristy aho amin’ny alalan’ny fijoroana amin’ny marina.

Inona no azon’ny ankizy ianarana avy amin’i Stefana mikasika izany hoe mpanaradia an’i Jesoa Kristy izany?

Atrikasa azo atao

  • Ampio ny ankizy hamorona fihetsika mifanaraka amin’ny hira iray momba ny fisafidianana ny tsara, toy ny “Aoka ho marina hatrany ianao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 81). Ampiasao ny Asan’ny Apostoly 7:51–60 mba hampianarana ny ankizy fa i Stefana dia nampianatra momba an’i Jesoa Kristy, na dia nahatonga ny mpitarika Jiosy ho tena tezitra mafy aza izany (jereo koa ny “Toko 57: Novonoin’ireo olona ratsy fanahy i Stefana,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 150–51, na ny horonan-tsary mifanaraka amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Ahoana no fomba nijoroan’i Stefana tamin’ny marina?

  • Omeo trangan-javatra maro ahitana ankizy izay tsy maintsy misafidy amin’ny tsara sy ny ratsy ireo ankizy. Anontanio ireo ankizy ny zavatra hataon’izy ireo mba hijoroana amin’ny marina.

Asan’ny Apostoly 8:26–39

Mitaona ahy hizara ny filazantsara amin’ny hafa ny Fanahy Masina.

Nanaraka ny bitsiky ny Fanahy i Filipo ka nanampy lehilahy Etiopiana iray izay sahirana tamin’ny fahatakarana ny soratra masina. Inona ireo lesona avy ao amin’io tantara io ho an’ireo ankizy ampianarinao?

Sary
I Filipo mampianatra ilay Etiopiana

Philip Teaching the Ethiopian [I Filipo mampianatra ilay Etiopiana], nataon’i Robert T. Barrett

Atrikasa azo atao

  • Sariho miaraka ny seza roa mba hanamboarana sarety iray. Asao ny ankizy roa mba hipetraka ao anatin’ilay sarety, ny iray hilalao an’i Filipo ary ilay iray hafa hilalao an’ilay lehilahy Etiopiana. Avy eo dia tantarao ny tantaran’ny fomba nampianaran’i Filipo ny filazantsara tamin’ilay lehilahy Etiopiana.

  • Mizarà zavatra iray niainanao izay nahatsapanao ny Fanahy Masina nilaza taminao mba hizara ny filazantsara amin’ny olona iray. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Fanahy Masina dia afaka manampy antsika hiteny amin’ny hafa momba an’i Jesoa.

Asan’ny Apostoly 9:1–20

Manasa ahy hibebaka sy hiova ny Ray any An-danitra.

Rehefa nilaza tamin’i Saoly mba hitsahatra amin’ny fanenjehana ny Fiangonan’ny Tompo i Jesoa dia nibebaka teo no ho eo i Saoly ary niova. Ahoana no fomba ahafahan’ireo tantara ireo manampy ny ankizy ampianarinao mba haniry ny hiova faingana rehefa manao fahadisoana izy ireo?

Atrikasa azo atao

  • Fintino ny tantaran’ny fiovam-pon’i Saoly, izay hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 9:1–20 (jereo ihany koa ny “Toko 59: Nianatra momba an’i Jesoa i Saoly,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 154–55, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org).

  • Resaho amin’ny ankizy ny mikasika ireo zavatra izay miova, toy ny tsiboboka, izay miova ho lasa sahona, na ny fanday izay miova ho lasa lolo. Mampisehoa sary raha azo atao. Niova toy ny ahoana i Saoly rehefa nitsidika azy i Jesoa Kristy?

  • Manaova sarina lalana misampatsampana eny amin’ny solaitrabe. Asao ireo ankizy hilaza toerana tian’izy ireo tsidihana, ary hanoratra izany eo an-tampon’ny lalana iray. Inona no hitranga raha mivily any amin’ny lalana diso isika? Ahoana no mampitovy ny fibebahana amin’ ny fiverenana any amin’ny lalana tokony ho izy?

  • Asaivo averin’ny mpianatra ny zavatra nolazain’i Saoly tamin’ny Tompo: “Inona no tianao hataoko?” (Asan’ny Apostoly 9:6). Inona no tian’ny Tompo mba ho ataontsika?

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Asan’ny Apostoly 6–7

Ho vavolombelon’i Jesoa Kristy aho.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hianatra avy amin’ny ohatra nasehon’i Stefana tamin’ny fijoroany ho vavolombelon’i Jesoa Kristy?

Atrikasa azo atao

  • Iaraho mamaky amin’ireo ankizy ny Asan’ny Apostoly 6:5–15 sy ny 7:51–60. Inona no nahatonga an’i Stefana ho vavolombelona nahery vaika an’i Jesoa Kristy? Asao ny ankizy iray na maromaro mody hanao hoe Stefana ka hizara ny antony inoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy.

  • Asao ny ankizy hamaky ny Asan’ny Apostoly 6:3–10, ary hitady ireo toetra tsara nananan’i Stefana izay nanampy azy hivoatra.

  • Angataho ny ankizy hanampy anao hieritreritra toe-javatra izay ahafahan’izy ireo mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ampio izy ireo hilalao an-tsehatra ny sasany amin’ireo toe-javatra ireo. Asaivo vakian’ny ankizy ny Môzià 18: 9. Hamafiso fa ny hoe vavolombelon’i Jesoa Kristy dia tafiditra ao amin’ireo fampanantenana ataontsika amin’ny batisa.

Asan’ny Apostoly 8:9–24

Ny fisoronana dia fanomezana tsy voavidy vola avy amin’ Andriamanitra.

Indraindrain’i Satana ny hafatra fa ireo zavatra ara-materialy dia mitondra fifaliana ho antsika. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mampiasa ny tantaran’i Simona mba hanampiana ny ankizy hanome lanja ireo zavatra ara-panahy toy ny fisoronana sy ireo fitahiana avy amin’izany?

Atrikasa azo atao

  • Fintino ny tantaran’i Simona izay hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:9–24 (jereo ihany koa ny “Toko 58: I Simona sy ny fisoronana,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 152–53, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Nahoana no tsy afaka mahazo ny fisoronana amin’ny alalan’ny fividianana izany isika? Ahoana marina no ahazoan’ny olona iray ny fahefan’ny fisoronana? (jereo ny Fanekem-pinoana 1:5).

  • Mampisehoa sarin’ny fanasan’ny Tompo, tempoly (maneho ireo fitahian’ny tempoly), batisa, ary fitahiana hafa azontsika amin’ny alalan’ny fisoronana. Hazavao fa ireo fanomezana avy amin’ Andriamanitra ireo dia tsy azo vidiana amin’ny vola. Nahoana izy ireo no sarobidy kokoa noho izay zavatra rehetra azontsika vidiana? Ahoana no handraisantsika an’ireo fitahiana ireo?

Asan’ny Apostoly 9:1–20

Manasa ahy hibebaka sy hiova ny Ray any An-danitra.

Rehefa nilaza tamin’i Saoly mba hitsahatra amin’ny fanenjehana ny Fiangonan’ny Tompo i Jesoa dia nibebaka teo no ho eo i Saoly ary niova. Ahoana no fomba ahafahan’ireo tantara ireo manampy ny ankizy ampianarinao mba haniry ny hiova faingana rehefa manao fahadisoana izy ireo?

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hamoritra taratasy iray eo amin’ny afovoany. Angataho izy ireo hanoratra hoe Taloha eo amin’ny antsasany ary Taty aoriana eo amin’ilay antsasany hafa. Iaraho mamaky amin’ny ankizy ny Asan’ny Apostoly 8:1–3; sy ny 9:1–2; ary ny 9:17–22, ary asaivo soratan’izy ireo ireo teny na andian-teny izay mamariparitra an’i Saoly taloha sy taorian’ny nahitany ny Tompo.

  • Asao ny mpikambana iray ao amin’ny paroasy mba hizara ny tantaran’ny fiovam-pony sy ny fomba niovan’ny fiainany amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy, tahaka ny niovan’ny fiainan’i Saoly.

  • Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ny “lalana mankany Damaskosy”. Asao ny ankizy hamaky ny Asan’ny Apostoly 9:6, 11, 18, 20–22, ary hitady ny zavatra nataon’i Saoly mba hibebahana sy hitodihana amin’i Kristy, ary soraty manerana ilay lalana ireo zavatra ireo. Inona no ianarantsika avy amin’i Saoly mikasika ny fomba ahafahantsika ho tonga tahaka an’i Kristy kokoa?

  • Asao ny ankizy hanao ny sarin’ny ampahany tian’izy ireo indrindra amin’ny tantaran’ny fiovam-pon’i Saoly ary hizara ny sary nataon’izy ireo amin’ny iray kilasy.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy hilaza amin’ny fianakaviany ny atrikasa tian’izy ireo indrindra avy tamin’ny fianarana androany sy ny zavatra nampianarin’izany azy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy hianatra zavatra avy amin’ny soratra masina. Mety tsy hahay hamaky teny loatra ny ankizy kely, saingy mbola afaka mampanolo-tena azy ireo hianatra avy amin’ny soratra masina ianao. Ohatra, azonao atao ny mamaky adininin-tsoratra masina iray ary manasa azy ireo hitsangana na hanangana ny tanany rehefa maheno teny na andian-teny manokana tianao hifantohana izy ireo.

Hamoaka printy