Testamenta Vaovao 2023
17–23 jolay. Asan’ny Apostoly 10–15: “Ary nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra”


“17–23 jolay. Asan’ny Apostoly 10–15: -Ary nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“17–23 jolay. Asan’ny Apostoly 10–15,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
I Petera miresaka amin’i Kornelio

17–23 jolay

Asan’ny Apostoly 10–15

“Ary nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra”

Halalino am-bavaka ny Asan’ny Apostoly 10–15 sady eritrereto ireo ankizy ampianarinao. Inona no hitanao ao amin’ireo toko ireo ka tsapanao hoe tokony hampianarina ny ankizy?

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanampiana ireo ankizy hizara ny zavatra ianaran’izy ireo sy iainan’izy ireo dia azonao atao ny mangataka azy ireo mba hizara ireo zavatra izay ataony mba hampisehoana fa mino an’i Jesoa Kristy izy ireo.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Asan’ny Apostoly 10:34–35

Tia ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra.

Ny fahamarinana fototra iray izay na ny ankizy kely aza dia afaka mahatakatra azy dia ny hoe ny olona tsirairay avy dia zanak’ Andriamanitra ary tia ny zanany rehetra Izy.

Atrikasa azo atao

  • Ampisehoy ny sary I Kristy sy ireo zazakely avy amin’izao tontolo izao (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah.116) eo am-pamakianareo ny Asan’ny Apostoly 10:34–35. Hazavao fa tamin’ny andron’i Petera dia nino ny olona sasany fa ireo fitahian’ny filazantsara dia tsy natao ho an’ny rehetra. I Petera anefa dia nianatra fa tia ny zanany rehetra Andriamanitra ary tiany ny rehetra hianatra ny filazantsara.

  • Asao ny mpianatra mba hanao ny sarin’ny tenany. Eo am-pizaran’izy ireo ny sariny dia miresaha momba ny zavatra iray izay tianao momba ny ankizy tsirairay. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa tia azy ireo tsirairay avy sy ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra, na manao ahoana na manao ahoana ny endriny na avy aiza izy ireo na avy aiza.

  • Mihirà hira iray momba ny fitiavana ny hafa, toy ny “Izaho hiara-dalana aminao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 78). Asao ny ankizy hizara fomba hampisehoany fitiavana amin’ny rehetra, tahaka ny nataon’i Jesoa.

  • Tondroy tsirairay ny ankizy ary lazao ny hoe: “Tia an’i [anarana] ny Ray any An-danitra.” Avelao ny ankizy hifandimby hifanondro dia hifampilaza izany fehezan-teny izany.

Asan’ny Apostoly 11:26

Kristianina aho satria mino sy manaraka an’i Jesoa Kristy.

Ahoana no hahafahanao manampy ny ankizy hianatra ny dikan’ny hoe Kristianina?

Atrikasa azo atao

  • Vakio ny amin’ny ankizy ny Asan’ny Apostoly 11:26, dia asao izy ireo hitsangana rehefa maheno anao milaza ny teny hoe Kristianina. Anontanio azy ireo ny eritreritreretiny hoe dikan’ny atao hoe Kristianina. Hazavao fa ny olona izay mino sy manaraka an’i Jesoa Kristy dia antsoina hoe Kristianina, noho izany dia Kristianina isika.

  • Iaraho mihira amin’ny ankizy ny hira iray momba ny fanarahana an’i Jesoa Kristy, toy ny “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 48). Ahoana no ahafahantsika mampiseho fa mpanara-dia an’i Jesoa Kristy sy mpikambana ao amin’ny Fiangonany isika? Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra azon’izy ireo atao mba ho mpanara-dia an’i Jesoa ao an-tokantrano sy any an-tsekoly ary any amin’ny toeran-kafa.

Sary
Vehivavy sy ankizivavy mivavaka

Tia antsika sy mamaly ny vavaka ataontsika ny Ray any An-danitra.

Asan’ny Apostoly 12:1–17

Mihaino sy mamaly vavaka ny Ray any An-danitra.

Ny tantaran’ilay anjely izay nanafaka an’i Petera tao an-tranomaizina dia mampianatra amin’ny fomba mahery vaika fa mamaly vavaka ny Ray any An-danitra.

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hilalao an-tsehatra ny tantaran’i Petera izay nafahana tao an-tranomaizina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 12:1–17 eo am-pamintinanao an’ilay tantara. Ahoana no namalian’ny Ray any An-danitra ny vavaka nataon’ireo izay nivavaka ho an’i Petera?

  • Mihirà hira iray momba ny vavaka—ohatra ny “Aondrikay ny lohanay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 18b)—dia mandrosoa fihetsika izay mifanaraka amin’ny tonon-kira ka afaka manampy ny ankizy hianatra ny fomba fivavahana. Asao ny mpianatra hizara ohatra amin’ireo zavatra azon’izy ireo isaorana ny Ray any An-danitra sy angatahana Aminy amin’ny alalan’ny vavaka.

  • Mampisehoa sarin’olona mivavaka (ohatra, jereo ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah.111–112) eo am-pizaranao zavatra iray niainanao izay namalian’ny Ray any An-danitra ny vavaka nataonao.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Asan’ny Apostoly 10:34–35; 15:6–11

“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.”

Ireo ankizy izay ampianarinao dia mila mahatakatra fa tia ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra, na manao ahoana na manao ahoana ny endriny na avy aiza izy ireo na avy aiza, ary na inona na inona ny safidy ataony.

Atrikasa azo atao

  • Anontanio ireo mpianatra raha toa ka afaka mamantatra izy ireo hoe manao ahoana ny olona iray avy amin’ny fijerevana ny endriny fotsiny na ny faminavinana fotsiny hoe avy aiza izy. Araka ny Asan’ny Apostoly 10:35, dia ahoana no hanapahan’ Andriamanitra fa ny olona iray dia “ankasitrahany”?

  • Iaraho mamaky miaraka amin’ny ankizy ny Asan’ny Apostoly 10:34–35; 15:6–11. Hazavao fa tamin’ny andron’i Petera dia nino ireo Jiosy fa tsy nanaiky ireo olona izay tsy Jiosy Andriamanitra (ireo olona ireo dia antsoina hoe Jentilisa). Saingy nampianatra i Petera fa tia ny zanany rehetra Andriamanitra, na ny Jiosy izany na ny Jentilisa. Iaraho mihira ny “Zanaky ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 2). Asao ny ankizy hampiasa ny anaran’izy ireo rehefa sendran’ny teny hoe aho na ahy.

  • Asao ny ankizy hizara zavatra miavaka iray momba ny olona iray hafa ao an-dakilasy. Hazavao fa ilay filazana hoe “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra” dia midika fa tia ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra, ary satria tia azy ireo Izy dia maniry Izy ny mba handrenesan’ny zanany rehetra ny filazantsara.

Asan’ny Apostoly 11:26

Ny atao hoe Kristianina dia olona mino sy manaraka an’i Jesoa Kristy.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra fa ny teniny sy zavatra ataony dia maneho fa Kristianina izy ireo?

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hamaky ny Asan’ny Apostoly 11:26; 3 Nefia 27:3–8; ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4. Soraty hoe Kristianina eo amin’ny solaitrabe dia asio tsipika ilay ampahany milaza hoe “Kristy.” Asaivo zarain’ny ankizy ny zavatra eritreretiny ho dikan’ny hoe Kristianina.

  • Angataho ny ankizy mba hizara ny anaran’ireo vondrona isan-karazany misy azy ireo, toy ny hoe fianakaviana na firenena. Asao izy ireo hizara ireo antony ankasitrahan’izy ireo ny maha-Kristianina azy ireo sy ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany azy ireo. Ahoana no hanehoantsika amin’ny hafa fa Kristianina isika?

  • Mampisehoa zavatra na sary vitsivitsy maneho ireo fahamarinana tsy hita raha tsy ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, toy ny sarin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana ohatra (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 93–94). Asaivo maka ny iray amin’ireo zavatra na sary ny ankizy iray dia asaivo soritsoritany ny maha-fitahiana izany ao amin’ny Fiangonantsika. Hazavao fa mpikambana amina fiangonana maro samy hafa ny Kristianina manerana an’izao tontolo izao, saingy isika kosa dia mpikambana ao amin’ilay fiangonana natsangan’i Jesoa Kristy fony Izy tety an-tany.

  • Asao ny ankizy hanoratra na hanao sary ny zavatra izay azony atao mba ho Kristianina tena izy.

Asan’ny Apostoly 12:1–17

Rehefa mivavaka amim-pinoana aho dia hamaly ny Ray any An-danitra.

Saintsaino ireo fotoana namalian’ny Ray any An-danitra ny vavaka nataonao. Ahoana no hahafahanao mampiasa ireny traikefa ireny mba hampianarana ny ankizy fa ny Ray any An-danitra dia hihaino sy hamaly ny vavaka ataon’izy ireo amin’ny fombany sy ny fotoany manokana?

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hilalao an-tsehatra ny tantaran’ny anjely nanafaka an’i Petera avy tao amin’ny tranomaizina eo am-pamakian’ny ankizy iray hafa ny tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 12:1–17.

  • Anontanio ny ankizy ny eritreritr’izy ireo momba ny dikan’ny hoe “nahery nangataka tamin’ Andriamanitra” (Asan’ny Apostoly 12:5). Tamin’ny fomba ahoana no namaliana ny vavaka nataon’ny olona? Asao ny ankizy hizara zavatra niainany ka namaly ny vavaka nataony manokana na nataon’ny fianakaviany ny Ray any An-danitra. Azonao atao koa ny mizara zavatra niainanao manokana izay namaliany ny vavaka nataona. Azonao ampidirina ao anatin’izany ireo zavatra niainana izay nahazoana valiny tamin’ny fomba tsy nampoizina. Mijoroa ho vavolombelona fa tia antsika Andriamanitra, ary hamaly ny vavaka ataontsika amin’ny fomba sy amin’ny fotoana izay tsara indrindra ho antsika Izy.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy hanamboatra zavatra izay mampahatsiahy azy ireo ny zavatra nianarany androany, toy ny hoe fampahatsiahivana hivavaka ohatra.

Manatsara ny fampianarantsika

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana nampanantenaina. Rehefa manasa ankizy ao amin’ny Kilonga mba hiaina fitsipika iray ianao dia zarao ny fampanantenana nomen’ Andriamanitra an’ireo izay miaina izany fitsipika izany. Ohatra, afaka mijoro ho vavolombelona momba ireo fitahiana voarainao rehefa nivavaka tamim-pinoana ianao.

Hamoaka printy