Testamenta Vaovao 2023
3–9 jolay. Asan’ny Apostoly 1–5: “Ho vavolombeloko [ianareo]”


“3–9 jolay. Asan’ny Apostoly 1–5: -Ho vavolombeloko [ianareo],-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“3–9 jolay. Asan’ny Apostoly 1–5,”Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Vahoaka sesehena eo amoron’ny renirano atao batisa ao amin’ny renirano

Day of Pentecost [Andron’ny Pentekôsta], nataon’i Sidney King

3–9 jolay

Asan’ny Apostoly 1–5

“Ho vavolombeloko [ianareo]”

Atombohy ny fanomananao amin’ny alalan’ny famakiana ny Asan’ny Apostoly 1–5. Katsaho ombam-bavaka ny hahatakatra ny zavatra ilain’ny ankizy ampianarinao. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary ity rindran-damina ity dia afaka manampy anao ihany koa.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Soraty eny amin’ny solaitrabe hoe Iza aho?. Manomeza teny maromaro momba an’i Petera ary anontanio an’ireo ankizy hoe mahakasika an’iza ireo teny ireo. Inona koa no hain’izy ireo momba an’i Petera?

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Asan’ny Apostoly 1:1–11

Mitarika ny Fiangonana amin’ny alalan’ny mpaminany sy apôstôly i Jesoa Kristy.

Ny fianarana momba ny fomba nitarihan’ny Mpamonjy ny Fiangonany taloha tamin’ny alalan’ny apôstôly dia afaka manampy ny ankizy hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ireo mpaminany sy apôstôly amin’izao androntsika izao.

Atrikasa azo atao

  • Asehoy ilay sary mameno pejy iray ao anatin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Anontanio ny ankizy ny antony hijeren’ireo olona ny lanitra araka ny eritreritr’izy ireo. Fintino ny tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:1–11. (Jereo koa ny “Toko 55: Nitantana ny Fiangonana ireo apôstôly,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao,145–47.) Asao ny ankizy iray hihazona ambony ny sarin’ireo Apôstôly amin’izao fotoana izao. Iza no manampy an’i Jesoa Kristy mitarika ny Fiangonana rehefa tsy eto an-tany intsony Izy?

  • Manaova kilalao fampitoviana sary miaraka amin’ny andian-tsary roa mitovy an’ireo Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo velona. Rehefa vita ilay kilalao fampitoviana sary dia zarao ny anaran’ilay Apôstôly na Filoha ary zavatra iray momba azy.

  • Apetaho ao ambadiky ny sarin’ny Filohan’ny Fiangonana ny sary kelina zavatra ampianariny, toy ny Mpamonjy, batisa, na tempoly. Avelao hifandimby hijery ireo sary ny ankizy tsirairay ka hilaza amin’ny iray kilasy hoe: “Ny mpaminany dia mampianatra antsika momba [ilay lohahevitra eo amin’ilay sary].” Mijoroa ho vavolombelona fa ireo mpaminany sy ireo apôstôly dia mampianatra antsika ny zavatra tian’i Jesoa fantatsika sy ataontsika.

Asan’ny apostoly 3:1–10

Afaka mitahy ireo olona hafa amin’ny alalako ny Ray any An-danitra.

Inona no azonao atao mba hanampiana ireo ankizy hamantatra ireo fomba ahafahan’izy ireo mitahy ireo olona manodidina azy ireo? Ampio izy ireo hianatra avy amin’ny ohatr’i Petera sy i Jaona nanasitrana ilay lehilahy nalemy.

Atrikasa azo atao

  • Asao ireo ankizy hanao fihetsika mifanaraka amin’ilay tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 3:1–10, toy ny faninjirana ny tanana ka mangataka vola sy miandrandra fifaliana. Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ny Ray any An-danitra ilay lehilahy tsy afa-nandeha?

  • Mitondrà harona iray misy sary izay maneho ireo fomba ahafahantsika mitahy sy manompo ny hafa. Avelao ny ankizy hifandimby hisafidy sary avy ao amin’ilay harona ka hizara ny fomba ahafahan’izy ireo mitahy ny hafa amin’izany fomba izany.

  • Asao ny ankizy hizara momba ny fotoana iray izay nanampian’izy ireo olona.

Asan’ny Apostoly 5:1–11

Afaka ny ho marin-toetra aho.

Ireo Kristianina tany am-piandohana dia nizara izay nananany mba hifampitsinjovana. Ireo izay nanana tany dia nivarotra izany ary nanome ny vola tamin’ireo Apôstôly mba hozaraina eo anivon’ireo Olomasina araka izay filan’izy ireo. Tsy marin-toetra mikasika ny anjara birikiny i Ananiasy sy i Safira, nihevitra fa afaka ny hamitaka ireo mpanompon’ny Tompo izy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Ampio ny ankizy hilalao an-tsehatra ny tantaran’i Ananiasy sy i Safira. Hazavao fa na dia tsy maty aza isika rehefa avy mandainga, io tantara io dia mampiseho ny maha-manan-danja ny fahamarinan-toetra amin’ny Ray any An-danitra.

  • Ampio ny ankizy hahatakatra fa tafiditra ao anatin’ny fahamarinan-toetra ny milaza ny marina sy ny tsy maka zavatra izay an’ny hafa.

  • Mampiasà sariolona vita amin’ny harona taratasy mba hamelomana ireo toe-java-miseho tsotra izay ahitana olona marin-toetra na tsy marin-toetra. Angataho ny ankizy mba hitsangana raha toa ka marin-toetra ilay olona ary hipetraka raha toa ka tsy marin-toetra ilay olona. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny maha-zava-dehibe ny fahamarinan-toetra.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Asan’ny Apostoly 1:8, 22–26

Mitarika ny Fiangonana amin’ny alalan’ny mpaminany sy apôstôly i Jesoa Kristy.

Ireo ankizy ampianarinao dia afaka mahatakatra fa ny Fiangonan’ny Mpamonjy ankehitriny dia tarihin’ny mpaminany sy apôstôly, tahaka ny tamin’ny andro fahiny.

Atrikasa azo atao

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe hoe: Ahoana no fomba hitarihan’i Jesoa Kristy ny Fiangonana rehefa tsy eto ambonin’ny tany Izy? Asao ny mpianatra hihaino ny valin’ilay fanontaniana rehefa mamaky ny tenin’ny Mpamonjy tamin’ireo Apôstôly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:8 ianao. Ampio ny ankizy hahatakatra fa nisafidy mpaminany sy apôstôly mba hitarika ny Fiangonana ankehitriny i Jesoa, tahaka ny nataony fahiny.

  • Iaraho mamaky ny Asan’ny Apostoly 1:22–26. Iaraho mamantatra ny fomba niantsoan’ireo Apôstôly Apôstôly vaovao iray.

  • Mialoha ny fotoam-pianarana, angataho ny ankizy iray sy ny rainy na reniny hianatra momba ny Apôstôly vao nantsoina farany. Asao ilay ankizy mba hizara ny zavatra nianarany amin’ny iray kilasy ary, raha azo atao, dia hilaza ny zavatra nolazain’ilay Apôstôly momba ny antsony ao anatin’ny hafatra tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana nataony voalohany.

Sary
Apôstôly miara-mipetraka sy miresaka

Ireo Apôstôly no nitarika ny Fiangonana taorian’ny niakaran’i Kristy tany an-danitra.

Asan’ny Apostoly 2:36–47

Mijoro ho vavolombelona ao am-poko momba ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ny Fanahy Masina.

Rehefa mianatra mamantatra ny fomba iresahan’ny Fanahy Masina amintsika ny ankizy dia hotaomim-panahy izy ireo hihaino sy hanao asa araka ny fitaomam-panahy azon’izy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Iaraho mamaky ny Asan’ny Apostoly 2:36–37. Manao ohatra ny ahoana ny zavatra tsapa rehefa milaza zavatra ao am-pontsika ny Fanahy Masina?

  • Aoka ny iray kilasy hanamboatra peta-drindrina misy ny teny hoe Inona no tokony hataontsika? eny am-tampony. Asehoy ilay peta-drindrina isan-kerinandro, ary ampio ireo fomba ahafahan’ny ankizy manao asa mifanaraka amin’ny zavatra ianarany ao amin’ny lesona isan-kerinandro.

  • Asao ny ankizy hitady ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:41–47 ireo zavatra tsara nataon’ny olona rehefa vita batisa izy ireo. Inona ireo zavatra tsara azontsika atao mba hampisehoana fa mankasitraka ny fanomezana ny Fanahy Masina isika rehefa vita batisa?

Asan’ny apostoly 3:1–10

Afaka mitahy ireo olona hafa amin’ny alalako ny Ray any An-danitra.

Ahoana no ahafahanao mampianatra ny ankizy fa afaka mitahy ny hafa izy ireo na dia tsy manana “volafotsy sy volamena” aza? (Asan’ny Apostoly 3:6). Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo hahita fahafahana hanompo an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa? (jereo ny Môzià 2:17).

Atrikasa azo atao

  • Angataho ny ankizy iray hamaky ny Asan’ny Apostoly 3:1–10 raha ireo ankizy hafa kosa dia hilalao izany. (Ho fanampiana dia jereo ny “Toko 56: Nanasitrana lehilahy iray i Petera,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 148–49, na jereo ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.) Amin’ny fomba ahoana ny fitahiana azon’ity lehilahy ity no lehibe kokoa noho ny vola nangatahany?

  • Ampandalovy amin’ny ankizy tsirairay ny harona iray misy vola vy. Rehefa mihazona ilay harona ny ankizy dia anontanio azy ireo ny zavatra azony vidiana amin’ilay vola. Anontanio ny ankizy ny zavatra tsy vidiam-bola izay ananantsika mba homentsika ny hafa. Asao izy ireo hizara ny fomba hahafahany manampy ny hafa hanakaiky kokoa ny Mpamonjy—fanomezam-pahasoavana izay tsy mitaky vola (Asan’ny Apostoly 3:6).

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy mba handrafitra fomba iray ahafahan’izy ireo manompo ny Ray any An-danitra amin’ny fanampiana ny olona iray ao amin’ny fianakaviany amin’ity herinandro ity.

Manatsara ny fampianarantsika

Manaova tsianjery soratra masina iray. Misafidiana andalan-tsoratra masina iray izay eritreretinao fa afaka manampy ny ankizy ao amin’ny kilasinao, toy ny Asan’ny Apostoly 2:38 na Asan’ny Apostoly 3:19, ary ampio izy ireo hanao tsianjery andian-teny iray avy ao amin’ilay soratra masina. Afaka manampy ny ankizy hanolotena hanao tsianjery ny soratra masina ny kisary, fihetsika amin’ny tanana, na fihetsiky ny vatana.

Hamoaka printy