Testamenta Vaovao 2023
3–9 jolay. Asan’ny Apostoly 1–5: “Ho vavolombeloko [ianareo]”


“3–9 jolay. Asan’ny Apostoly 1–5: -Ho vavolombeloko [ianareo],-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“3–9 jolay. Asan’ny Apostoly 1–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Vahoaka maro eo amoron’ny renirano iray atao batisa ao amin’ny renirano

Day of Pentecost [Ny andro Pentekosta], nataon’i Sidney King

3–9 jolay

Asan’ny Apostoly 1–5

“Ho vavolombeloko [ianareo]”

Eo am-pandalinanao ny Asan’ny Apostoly 1–5 dia afaka mitaona anao hahita fahamarinana izay manan-danja ho an’ny fiainanao ny Fanahy Masina. Raiso an-tsoratra ireo andinin-tsoratra masina izay mahatalanjona anao, ary mitadiava fahafahana hizarana izay zavatra ianaranao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Efa nanontany tena ve ianao hoe inona no mety ho neritreretin’i Petera sy ny mety ho tsapany raha “nandinika ny lanitra” izy sy ireo Apôstôly hafa teo am-piakaran’i Jesoa ho any amin’ny Rainy? (Asan’ny Apostoly 1:10). Ilay Fiangonana izay naorin’ny Zanak’ Andriamanitra dia eo ambany fiahian’i Petera tamin’izay. Ny asa fitarihana ny ezaka “[hanao] mpianatra ny firenena rehetra” dia niantsorohany tamin’izay (Matio 28:19). Fa ny hoe nahatsapa ho tsy nahay ve izy sa natahotra dia tsy ahitantsika porofo manamarina izany ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Ny zavatra hitantsika dia ohatra ana fijoroana ho vavolombelona sy fiovam-po tsy misy tahotra, fanasitranana mahagaga, fisehoan-javatra ara-panahy, ary fitomboana lehibe teo amin’ny Fiangonana. Mbola ny Fiangonan’ny Mpamonjy ihany izany, mbola Izy ihany no nitarika azy. Raha ny marina, ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia azo nantsoina koa hoe ny Asan’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny Apostoliny. I Petera izay notarihin’ny fitaomana mahery vaikan’ny Fanahy dia tsy ilay mpanjono tsy ampy fahalalana izay hitan’i Jesoa teo amoron’ny Ranomasin’i Galilia intsony. Na ilay lehilahy sahiran-tsaina izay nitomany fatratra vao herinandro vitsivitsy monja talohan’izany, satria nandà tsy nahalala an’i Jesoa avy any Nazareta.

Ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ianao dia hamaky fanambarana mahery vaika momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ho hitanao ao ihany koa ny fomba ahafahan’ny filazantsara manova olona, tafiditra ao anatin’izany ianao, ho lasa ireo mpianatra mahery fo izay fantatr’ Andriamanitra fa azon’izy ireo hahatongavana.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Asan’ny Apostoly 1:1–8, 15–26; 2:1–42; 4:1–13, 31–33

Mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina i Jesoa Kristy.

Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia mirakitra ny ezaka nataon’ireo Apôstôly hanorenana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy taorian’ny fiakaran’ny Mpamonjy tany an-danitra. Na tsy teto an-tany intsony aza i Jesoa Kristy dia nitarika ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina Izy. Eritrereto ny fomba nitarihan’ny Fanahy Masina ireo mpitarika vaovao tao amin’ny Fiangonana rehefa mamerina mijery ireto andinin-tsoratra masina ireto ianao: Asan’ny Apostoly 1:1–8, 15–26; 2:1–42; 4:1–13, 31–33.

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy amin’izao fotoana antsika, isika tsirairay avy dia manana andraikitra ny handray anjara amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana—hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, hikarakara ireo sahirana, hanasa ny rehetra handray ny filazantsara, ary ny hampitambatra ireo fianakaviana ho mandrakizay (jereo ny Boky torolalana maneran-tany1.2). Inona no zavatra ianaranao avy amin’ireo Apôstôly voalohany ireo momba ny fomba ahafahanao miantehitra amin’ny Fanahy Masina mba hitarika ny ezaka ataonao?

Jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra masina, “Fanahy Masina.”

Asan’ny Apostoly 2:36–47; 3:12–21

Ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsara dia manampy ahy hanatona an’i Kristy.

Efa nahatsapa ho “voatsindrona [tao am-po]” tahaka ireo Jiosy tamin’ny andron’ny Pentekôsta ve ianao? (Asan’ny Apostoly 2:37). Mety nanao zavatra izay mampanenina anao ianao, na mety te hanova fotsiny ny fiainanao. Inona no tokony hataonao rehefa manana ireo fahatsapana ireo? Ny torohevitra nomen’i Petera an’ireo Jiosy dia hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:38. Jereo ny fiantraikan’ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsara (tafiditra ao anatin’izany ny finoana, ny fibebahana, ny batisa, ary ny fanomezana ny Fanahy Masina, na ilay antsoina matetika hoe ny fotopampianaran’i Kristy) tamin’ireo olona niova fo ireo, araka ny voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:37–47.

Mety efa vita batisa sy nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina ianao, koa ahoana ary no hampiharanao ny fotopampianaran’i Kristy? Eritrereto ireto teny nolazain’ny Loholona Dale G. Renlund ireto: “Afaka ny hatao ho tanteraka isika amin’ny alalan’ny famerimberenana … ny fampiharana finoana [an’i Kristy], mibebaka, mandray ny fanasan’ny Tompo mba hanavao ireo fanekempihavanan’ny batisa sy ireo fitahiana avy amin’izany, ary ny fandraisana ny Fanahy Masina ho namana mandrakariva bebe kokoa. Rehefa manao izany isika dia lasa mitovy kokoa amin’i Kristy ka afaka ny haharitra hatramin’ny farany, sy ny vokatra rehetra aterak’izany” (“Manohy miezaka ny Olomasin’ny Andro Farany,” Liahona, mey 2015, 56).

Asan’ny Apostoly 3:19–21

Inona ireo “andro famelombelomana” sy “andro fampodiana ny zavatra rehetra”?

Ny “andro famelombelomana” dia milaza ny Arivotaona, rehefa hiverina eto an-tany i Jesoa Kristy. Ny “andro fampodiana ny zavatra rehetra” dia ilazana ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara, izay hanomanana izao tontolo izao ho amin’ny Arivotaona.

Asan’ny Apostoly 3; 4:1–31; 5:12–42

Ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia omena hery hanatanteraka fahagagana amin’ny anarany.

Nanantena ny hahazo vola avy amin’ireo izay tonga tao amin’ny tempoly ilay lehilahy nalemy tongotra. Saingy nanome azy mihoatra izany ny mpanompon’ny Tompo. Eo am-pamakianao ny Asan’ny Apostoly 3; 4:1–31 ary ny 5:12–42 dia diniho ny fiantraikan’ny fahagagana taorian’izany tamin’ireo vahoaka ireo:

  • Ilay lehilahy nalemy tongotra

  • I Petera sy i Jaona

  • Ireo vavolombelona tao amin’ny tempoly

  • Ireo mpisorona avo sy ireo mpanapaka

  • Ireo Olomasina hafa

Sary
I Petera manasitrana lehilahy iray

Such as I Have I Give Thee [Izay ananako no omeko anao], nataon’i Walter Rane

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Asan’ny Apostoly 1:21–26.Ny famakiana ny Asan’ny Apostoly 1:21–26 dia afaka manampy ny fianakavianao hifanakalo hevitra momba ireo fitahiana izay tonga avy amin’ny fananana Apôstôly eto an-tany amin’izao fotoana izao. Azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao ny mizara ny fomba nahazoany fijoroana ho vavolombelona fa ireo apôstôly sy mpaminany amin’izao fotoana dia nantsoin’ Andriamanitra. Nahoana no manan-danja ny fananana io fijoroana ho vavolombelona io?

Asan’ny Apostoly 2:37.Inona no mety ho hevitr’ilay andian-teny hoe “voatsindrona tao am-pony”? Oviana isika no nahatsapa zavatra toy izany? Nahoana no manan-danja ny milaza hoe “Inona no tokony hataontsika” rehefa manana ireo fahatsapana ireo?

Asan’ny Apostoly 3:1–10.Mety hahafinaritra ny fianakavianao ny hamelona an-tsehatra ny tantara ao amin’ireo andininy ireo. Ahoana no nitahiana ilay lehilahy tao amin’ny tempoly tamin’ny fomba hafa tsy neritreretiny? Oviana isika no efa nahita fitahiana avy amin’ny Ray any An-danitra tonga teo amintsika tamin’ny fomba tsy neritreretintsika?

Asan’ny Apostoly 3:12–26; 4:1–21; 5:12–42.Inona no manaitra anao mikasika ny fahatokian’i Petera sy i Jaona? Ahoana no ahafahantsika maneho fahasahiana amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy? Ampio ny ankizy kely hizatra hizara ny fijoroany ho vavolombelona.

Asan’ny Apostoly 4:315:4.Ahoana no ahafahantsika manampy ny fianakaviantsika, ny paroasintsika, na ny fiarahamonintsika mba ho lasa kokoa tahaka ilay voafariparitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 4:31–37? Inona no dikan’ny hoe “[m]iray fo sy fanahy”? Amin’ny fomba ahoana isika indraindray no “[manafina ho antsika]” ny anjara biriky entintsika? Nahoana ny fanaovana izany no toy ny hoe “[m]andainga amin’ Andriamanitra”? (Asan’ny Apostoly 5:2, 4). Inona no fiantraikan’ny tsy fahamarinan-toetra eo amintsika amin’ny lafiny ara-panahy?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Que l’Esprit soit avec nous,” Cantiques, no. 73.

Manatsara ny fampianarantsika

Misafidy lohahevitra. Avelao ny olona ao amin’ny fianakavianao hifandimby hisafidy lohahevitra iray avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1–5 mba hiarahana mandalina.

Sary
Ireo Apôstôly voahodidina anjely roa manondro any ambony

The Ascension [Ny Fiakarana tany an-danitra], nataon’i Harry Anderson

Hamoaka printy