Testamenta Vaovao 2023
17–23 jolay. Asan’ny Apostoly 10–15: “Ary nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra”


“17–23 jolay. Asan’ny Apostoly 10–15: -Ary nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“17–23 jolay. Asan’ny Apostoly 10–15,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
I Petera miresaka amin’i Kornelio

17–23 jolay

Asan’ny Apostoly 10–15

“Ary nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra”

Vakio tsara ny Asan’ny Apostoly 10–15 , avelao ny Fanahy hibitsika eritreritra sy fahatsapana aminao. Inona avy ireo zavatra ao amin’ireo toko ireo izay azonao ianarana?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Nandritra ny asa fanompoany tety an-tany dia matetika i Jesoa Kristy no nanohitra ireo fombafomba sy finoana nentim-paharazan’ny olona. Tsy nitsahatra izany taorian’ny niakarany tany an-danitra, satria mbola nanohy nitarika ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny fanambarana Izy. Ohatra, nandritra ny fiainan’i Jesoa dia nitory ny filazantsara tamin’ny Jiosy ihany ireo mpianany. Saingy fotoana vetivety taorian’ny nahafatesan’ny Mpamonjy sy nahalasa mpitarika ny Fiangonana tety an-tany an’i Petera dia nanambara tamin’i Petera i Jesoa Kristy fa tonga ny fotoana hitoriana ny filazantsara amin’ireo izay tsy Jiosy. Ny hoe fitoriana ny filazantsara amin’ny Jentilisa dia toa zavatra tsy mahagaga amin’izao fotoana izao, koa inona ary izany no lesona ho antsika avy amin’io tantara io? Angamba ny lesona iray dia ny hoe mitarika ny mpitarika voafidiny na tamin’ny fahiny na ao amin’ny Fiangonana maoderina amin’izao ny Mpamonjy be fitiavana (jereo ny Amosa 3:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38). Ny fanambarana tsy tapaka dia lafiny manan-danja iray ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy marina sy velona. Tahaka an’i Petera dia tsy maintsy vonona hanaiky ny fanambarana tsy tapaka sy mivelona amin’ny tenin’ Andriamanitra rehetra isika (Lioka 4:4), dia tafiditra amin’izany “ny zava-drehetra izay efa nambara[ny], izay ambarany ankehitriny” ary ireo “zavatra lehibe sy manan-danja maro” izay mbola hambarany “mikasika ny Fanjakan’ Andriamanitra” (Fanekem-pinoana 1:9).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Asan’ny Apostoly 10

“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.”

Nandritra ireo taranaka nifandimby maro dia nino ireo Jiosy fa ny hoe isan’ny “taranak’i Abrahama,” izany hoe taranak’i Abrahama ara-bakiteny, dia midika fa neken’ Andriamanitra na nofidiny ny olona iray (jereo ny Lioka 3:8). Noraisin’izy ireo ho Jentilisa “maloto” izay tsy neken’ Andriamanitra ny olona hafa rehetra. Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10, inona no zavatra nampianarin’ny Tompo an’i Petera momba ny hoe “ankasitrahany”? (Asan’ny Apostoly 10:35). Inona no porofo hitanao ao amin’io toko io izay manamarina fa nankasitrahan’ny Tompo ny fiainan’i Kornelio? Saintsaino ny hevitry ny teny nambara hoe “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra” (andininy 34; jereo ihany koa ny 1 Nefia 17:35). Nahoana no manan-danja aminao ny mahafantatra an’io fahamarinana io?

Tahaka ireo Jiosy izay nanambany ireo izay tsy tao amin’ny fianakaviamben’i Abrahama, efa nisy fotoana ve ianao nitsaratsara fahatany na ratsy fanahy tamin’ny olona izay tsy mitovy aminao? Ahoana no hahafahanao mandresy izany fironana izany? Mety hahaliana ny fanandramana zavatra tsotra iray mandritra ireo andro vitsivitsy manaraka: Isak’izay mifanerasera amina olona iray ianao dia miezaha mieritreritra fa “io olona io dia zanak’ Andriamanitra.” Rehefa manao izany ianao dia inona ireo fiovana tsikaritrao amin’ny fomba fieritreretanao sy fifaneraseranao amin’ny hafa?

Jereo ihany koa ny 1 Samoela 16:7; 2 Nefia 26:13, 33; Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 92–95.

Asan’ny Apostoly 10; 11:1–1815

Mampianatra ahy andalana anampy andalana amin’ny alalan’ny fanambarana ny Ray any An-danitra.

Rehefa nahita ilay fahitana voasoritsoritra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10 i Petera dia sahirana izy tamin’ny voalohany tamin’ny fahatakarana izany ary “nieritreritra tao am-pony ny amin’izay anton’[izany]” (andininy 17). Nomen’ny Tompo fahatakarana misimisy kokoa anefa i Petera rehefa nikatsaka izany. Eo am-pamakianao ny Asan’ny Apostoly 10, 11, ary 15, dia mariho fa niha-lalina hatrany hatrany ny fahatakaran’i Petera an’ilay fahitana rehefa nandeha ny fotoana. Tamin’ny fomba ahoana no nikatsahanao sy nandraisanao fahatakarana misimisy kokoa avy tamin’ Andriamanitra rehefa nanana fanontaniana ianao?

Ny Asan’ny Apostoly 10, 11, ary 15 dia mitantara ireo fotoana izay nitarihan’ny Tompo ny mpanompony tamin’ny alalan’ny fanambarana. Mety hanampy ny firaketana ny zavatra nianaranao mahakasika ny fanambarana eo am-pamakianao an’ireo toko ireo. Amin’ny fomba ahoana no iresahan’ny Fanahy aminao?

Jereo ihany koa ny Sujets de l’Évangile, “Révélation,” topics.ChurchofJesusChrist.org; Quentin L. Cook, “Ny fitahiana entin’ny fanambarana tsy tapaka amin’ireo mpaminany sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana hitarihana ny fiainantsika,” Liahona, mey 2020, 96–100.

Asan’ny Apostoly 11:26

Kristiana aho satria mino sy manaraka an’i Jesoa Kristy.

Inona no zavatra miavaka momba ny olona iray izay antsoina hoe Kristiana? (jereo ny Asan’ny Apostoly 11:26). Midika inona aminao ny fahafantaran’ny olona anao hoe Kristiana? Diniho ny lanjan’ny anarana. Ohatra, midika inona aminao ny anaran’ny fianakavianao? Nahoana ny anaran’ny Fiangonana no manan-danja aminao? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihanana 115:4). Midika inona aminao ny hoe mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo aminao amin’ny alalan’ny fanekempihavanana? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihanana 20:77).

Jereo koa ny Môzià 5:7–15; Almà 46:13–15; 3 Nefia 27:3–8; Russell M. Nelson, “Ny anarana marin’ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2018, 87–90.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Asan’ny Apostoly 10:17, 20.Efa nisy zavatra ara-panahy niainantsika ve dia nisalasalantsika ny zavatra tsapantsika na nianarantsika taty aoriana? Inona no torohevitra azontsika ifanomezana izay mety hanampy antsika handresy ny fisalasalantsika? (Jereo ny Neil L. Andersen, “Fahatsiarovana ara-panahy nanamarika ny fiainana,” Liahona, mey 2020, 18–22.)

Asan’ny Apostoly 10:34–35.Ahoana no hampianaranao ny fianakavianao fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.”? (Asan’ny Apostoly 10:34). Azonao atao tsara ny mampiseho sarina olona avy amin’ny foto-piaviana sy kolontsaina samihafa rehefa mamaky ireo andininy ireo ny fianakavianao. Inona no tokony ho fiantraikan’ireo andininy ireo amin’ny zavatra ataonao? (jereo ohatra ny, “Izaho hiara-dalana aminao” [Bokin-kiran’ny ankizy, 78]).

Asan’ny Apostoly 12:1–17.Azon’ny fianakavianao lalaovina an-tsehatra ny tantaran’i Petera nampidirina am-ponja sy ireo mpikamban’ny Fiangonana miara-mivory sy mivavaka ho azy. Oviana isika no voatahy noho ny vavaka? Misy olona asain’ny Fanahy entintsika am-bavaka ve, toy ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana na olona akaikin’ny fo ohatra? Inona ny dikan’ny hoe “[mahery] mangataka” amin’ny alalan’ny fivavahana? (Asan’ny Apostoly 12:5; jereo koa ny Almà 34:27).

Sary
I Petera nafahana tao an-tranomaizina

Peter Delivered from Prison [I Petera nafahana tao an-tranomaizina], nataon’i A. L. Noakes

Asan’ny Apostoly 14.Eo am-piarahanareo mamaky ity toko ity, ny olona sasany ao amin’ny fianakaviana dia afaka mandray an-tsoratra ny fitahiana izay tonga tamin’ireo mpianatra sy ny Fiangonana. Ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana dia afaka mandray an-tsoratra ny fanoherana sy fisedrana niainan’ireo mpianatra. Nahoana Andriamanitra no mamela ny zava-tsarotra hitranga amin’ny olona marina?

Asan’ny Apostoly 15:1–21.Ireo andinin-tsoratra masina ireo dia manoritsoritra ny fifandirana tao amin’ny Fiangonana momba ny hoe nila nitandrina ny lalàn’i Mosesy ve sa tsia ireo mpikambana vao niova fo, ka tafiditra tao anatin’izany ny famorana. Inona no nataon’ireo Apôstôly nanoloana io fifandirana io? Inona no azontsika ianarana avy amin’io ohatra io momba ny fomba fitarihan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny asan’ny Fiangonana?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Izaho hiara-dalana aminao,” Bokin-kiran’ny ankizy, 78.

Manatsara ny fampianarantsika

Manaova sary. Ny sary dia afaka manampy ny olona ao amin’ny fianakaviana hahazo an-tsaina ireo fampianarana sy tantara ao amin’ny soratra masina. Azonao asaina ny olona ao amin’ny fianakaviana hanao sary ny zavatra vakinareo, toy ilay fahitan’i Petera ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10.

Sary
I Petera sy i Kornelio

Ny zavatra niainan’i Petera sy i Kornelio dia mampiseho fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra” (Asan’ny Apostoly 10:34).

Hamoaka printy